fa manino ny gasy no minomino foana

21. ari.malala ( 23/06/2008 12:03)
mba iza koa aza itony xxx mazandoha itony! enao no tena minomino foana! ts vatosoa izany fa phosphore!!! ry neninay efa nahita tam fahakeliny hono fa ts vatosoa izany ilay izy! momba ilay hoe maka olona ny rano fa fady an\\\'izao sy izao, tena marina io!!! aza mankahatra loza! namanay izay, efa nilazana izy fa hoe aza miroboka ao anaty rano ao raha nisoro toaka (tsy hoe mamo an, fa nisotro, izany hoe na 1 goutte aza niditra ny vavanao d ts mahazo miroboka rano enao) d mazan-doha otran\\\'io xxx io mintsy, izany aza ny azy tsy rhum fa labiera, nisotro d nisasa (tsy niroboka hoe nisaika fa nanasa tanana teo amoron-drano) fa ny nitranga, otran\\\'ny hoe misy misintona avy ao anaty rano ao, d nilatsaka tao anaty rano tao izy, ary nihanilentika tsikelikely! rehefa nokarohina nandritra ny 3h be izao dia tsy hita mintsy! farany nalaina ny mpahay rano teo an-tanàna (zana-drano moa ity filaza azy teo) dia natao ny fomba rehetra (aza anontanina ahy fa tsy misy haiko ilay fomba ndry zareo) ary nosintonina izy, fa dia io olona mitsangana io no nosintonina avy tao anaty rano saingy indrisy fa tsy nisy aina intsony :-( vao t@ 2006 izany zavatra izany no nitranga! anankiray koa, hitann\\\'ny masoko iany koa; tam 1992 lundi de paka tamizay, teny Ambohiimanambola, rano hitanao izao hoe hatreny an-kitrokely, hitanoa izao hoe io ny fasika io ambany io, tsy lalina mintsy ilay rano, dia nisy ankizy vahiny avy aty Tana nitsangatsangana teny (izahay mpanao vakansy teny ary mahalala tsara hoe maka olona io rano io) dia efa noraràna izy telo lahy hoe aza midikidina ao nareo fa maka olona io rano io, nizesta be hoe rano hatreny ankitrokely ve, d nitsambikina, fa ny nahavariana ahy tamizay d le mitranga milentika ireny ilay lelà... nitsambikina ny faharoa hoe hisambotra anazy fa toy izanyi any ko no nitranga! (zavatra hitan\\\'ny masoko izany hoa) ary d maty andrano tao izy roalahy :-( tamizay toa ny pompiers iany dia efa nahita azy ireo, fa izaho moa lasa nody tany antrano...
22. fahamarinana ( 23/06/2008 12:14)
:arrow: ny ahy manokana aloha ry reto ny resaka mpamosavy,biby olona dia tsy hoe tsy mino fa mbola tsy nahita ary tsy dia nahare tantara koa.Fa kosa raha hiditra fombafomba malagasy na fomba gasy izay azo iantsoana azy dia mi-respecter aho. Ohatra :
Manana namana tsy homana kisoa aho dia fadiko izany mahandro kisoa zany raha miara-misakafo aminy aho na mankany an-tranony koa satria fitiavako sy fanajako azy ary tsy ho faty aho raha tsy mihinana iray andro.
Misy namana betsaka any tamatave dia tsy homana amalina dia rehefa mody any aho dia tsy mihinana rehefa eo akaiko izy na miaraka hotely aminy aho satria koa tiako izy sy hajaiko.
Na ireo lazai'i ari rehetra ireo,tsy mitsofoka rano sns..Fa angamba satria tsy lehibe teto tana aho ka mora amiko ny manaja ireo satria iainako isan'andro sy ahenoko tantara isan'andro.Aleo tokoa tsy mankahatra loza fa maro zay efa niseho izay na atao hoe fifandrifin-javatra aza,nefa dia fifandrifin-javatra be dia be izany ireny tranga rehetra ireny... nefa moa samy manana ny choix-ny sy ny experience amin'ny fiainany ny tsi11 aby..:( (l)
23. endrika01 ( 23/06/2008 15:42)
Ty tantara iray ity,tsy finoanoam-poana fa tena nisy.Resaka lolo.Teny An
24. endrika01 ( 23/06/2008 15:57)
xxx>tsy namakivaky boky misy tantarana diamondra sy bibilava aho;ary tsy mbola nandré na t@iza na iza afatsy t@vavany Dadabeko irery ihany,ary vilany vy mainty misy tongony kely 3 ireny no nohentiny fa tsy vilany tanimanga.Ary tsy manampy zay nontantarainy aho,fa tadidiko tsara na mbola 6taona tany ho any aza aho t@zany!dia miverimberina ao an-tsaiko foana io,isaky ny mahita bibilava aho:D:D:D
25. niryna ( 23/06/2008 17:01)
miranto81:


Madatsa-baratra: ny masoko izao no nahita mpandatsa-baratra tany amin'ny faritra atsimo atsinanana. Mpanandro eo amin'ny tanàna ilay olona.
Nitantara koa ny olon-dehibe teo amin'ny tanàna fa eritaona talohan'ny nandalovako tany dia niady ny mpandatsa-baratra roa. Ny iray dia jiolahy tany amin'ilay faritra, ary tsy azon'ny zandary mihitsy. Dia io mpanandro io no niangavian'ny tanàna hamono azy. Efa naratra mafy mihitsy io mpanadro io tamin'izay, ary ny masoko izao no nahita ny olatra taminy. Nandeha tamin'ny gazety ny fahafatesan'io jiolahy io. Ary nilatsaha-potaka no voalaza tao. Fa nony nankany ampotony aho dia ady nifandatsa-baratra mihitsy no tao.

Fady isan-karazany: misy toerana ao Madagasikara dia betsaka maingoka tokoa. (scorpion) Ny mpanandro teo amin'io faritra io dia nahita fanafody ka na voakaikitry ny maingoka aza ny olona dia tsy misy dikany fa ohatra ny lanin'ny moka. Misy fadiny anefa io fanafody io, karaza-tsakafo ilay izy. Ka raha vao mihinana an'io ilay olona dia tsy mandaitra intsony ilay ody maingoka.
Na ny fanafody vazaha aza misy soratra hoe tsy mahazo mihinana izao sy izao raha mihinana ity fanafody ity. Ny gasy ihany omena tsiny.

Ny biby olona sy ny kala Noro tsy haiko.

Fa ny fanatitra sy ny ody gasy dia ny cousin'ny dadabeanay no hitako maso. Mbola eny Tanjombato eny izy raha mitady.
Nisy taranak'andriana nanao fanatitra tantely teo ambony fasana. Mbola tanora teo amin'ny 20 taona teo io dadatobenay tamin'izany. Dia nony lasa ireo olona dia niseho ho mafy be ohatra anao io izy. Hoe minomino foana ny gasy fa zao sy izao. Dia nalainy nentiny nody ilay tantely. Vao tonga tao an-trano izy, dia nilatsahan'ny varatra ny trano, dia vaky niparitaka tamin'ny tany ilay vilany tany nisy ilay tantely. Dia avy ilay hazavana (tselatra) nakeny aminy dia safotra izy. No taitra izy dia nivadika nankany aoriana ny lohany. Tsy nety sitrana ilay izy na dia mahay ody varatra aza ny dadan'ny dadabeanay. Nentina tany amin'ny hopitaly nony farany ary nodidiana. Mbola eo amin'ny tendany tsara mihitsy amin'izao ireo olatra be tamin'izany.

Lava loatra fa averiko indray. Tsy hoe tsy hain'ny vazaha dia finoanoam-poana.

ie, io izany ry xxx misy ohatra maro a ,tsy hoe tsy nahita i xxx dia tsy misy.

misaotra anao miranto81 nizara,a >ny angano angano misy,ny fomba nitaritin'ny olon-dehibe hanarina ny ankizy dia nataony tantara ary izany akory ry xxx dia ho angano angano daholo.

Nandeha nanao sekoly alahady ity olona nitantara ahy fa nanana namana mpananihany be izany izy ary dia hoy ity rangahy izay malaza fa mpandatsa-baratra hoe itan'ialahy ny ahazo an'ialahy.Tonga tao am-piangonana izy mirahalahy ary tsy avy akory ny orana kanefa dia nipoaka ny varatra ary torana nitsitra teo ilay lahikely nananihany ilay rangahy.Nisy nandondona tao ambaravanara ary dia novahan'ity pasitera ny trano ,iza no teo ? ilay rangahy nandatsa-baratra.Tantara marina io ka na ilay nilatsaham-baratra mbola velona,na ilay nitantara mbola velona ary na ilaypasitera nahita ny zavatra mitranga mbola velona.
Ka hoy aho hoe tsy ny gasy irery no minomino foana ry xxx a,na vazaha aza saingy misy ny honohono ary misy ny tena nipoitra ka anjaranao no mino na tsia :D
26. xxx ( 24/06/2008 11:00)
Tsy nilaza mihitsy aho hoe tsy misy varatra milatraka na dia tsy misy orana ary,possible izany saingy tsy midika hoe nisy olona mahay mandatsaka an'izany,ary ntsy nisy nilaza mihitsy aho hoe tsy maty ny olona raha mirboka @ rano na tsy mamo aza ,il y a plusieurs probalité ny ahafatesany sy fahavelomany.Adinonao ry miranto ny namaky lala sy noro sy histoire rapeto.Ny angano sy ny sisa :-D :-D :-D .Dia lazaina fa mamotika ny kolontsaina maha malagasy ny tsy fanekena an'izany.Izaho gasy foana fa misy ny zavatra efa nilaozany toetr'andro mba tokony havaozina ihany.
27. xxx ( 24/06/2008 11:08)
Hoan'i miranto81 sy izay mitovy fomba fijery azy.Araka ny fomba maha malagasy rehefa miteraka kambana (alakaosy) dia io zaza io apetraka eo ambalan'omby le fivohan'ny omby iny dia alefa hitsahan'ny omby eo dia manaiky izany ve ianareo raha ny zanakareo no ho atao an'izany
faha roa t@ taloha raha vao misy olona ahiahiana hoe mpamosavy dia hampisotroana tangena na dia bevohoka aza ,raha ny havanareo ve no atao an'izany dia hanaiky ianareo ,mariko fa t@ andron'i radama 1 no nisy an'io fampisotroana tangena io ary izay olona misotro an'io tangena io tsy misy velona na mpamosavy na tsia satria mahery be le tangena ,vao haingana aho no nahita an'io documentaire momba an'io.
28. zama91 ( 24/06/2008 20:51)
endrika01:

xxx>zah ndray zao no mody mba asiana @resaka vato!Efa voalaza fa diamondra dia tsy mino ihany!Resaka bibilava indray tena misy.Bandy kely paka vilona no nahatapaka bibilava tsy fanahiniana,(...)nolatsahana ra na akoho teo @toerana e e é tsisy fika,ary niafara t@ fandatsahan-dra ny ombiny 1,(...)ny fokonolona nanatrika teo aby.Minomino foana?:-w

film efa henoko izany fony aho mbola kely,saingy isika gasy rehefa hitanatarana zavatra dia mitombo foana iny zavatra ho ntantaraina iny.,ny farany rehefa tena hinoana le zavatra dia lazaina hoe ny dadabeanay mihitsy no nahita maso mba hilazana hoe nisy marina le izy


:-D
29. xxx ( 24/06/2008 21:03)
izay ahay mba misy olona micomprendre kely eto,ny tena marina ny olona taloha misaina tsara,raha niteny ry zareo hoe aza mandika famaky ny vehivavy bevohaka fa maha sima ny zaza,ny tena marina soa mibolisatra eo ianao dia maratra sy ny sisia.Ary aiza ry miranto81 toa tsy hita intsony le resaka nataoko teo ambony io, :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D le resaka tangena sy ny zaza alakaosy hoe atao ambalan'omby fa mahery vintana be ,raha ny zanako no atao an'izany dia efa ady sy ady fa ny an'i miranto81 angamba mety ho ataony an'izany ny azy :-D :-D :-D :-D :-D ,sa mba iza eto @ serasera no efa nanao izany ny zanany ? milaza raha sahy
30. imeva ( 25/06/2008 03:13)
andramo ahita eh, mora ny mihomehy fa andramo ka zahao
31. xxx ( 25/06/2008 12:09)
ka raha tsy olona mitapy ka hanao an'izany,ianareo minomino foana ireo tokony atao an'izany dia ho hitanareo ny resultat hoe tsy hisy zaza ho afaka izany ka hampetraka eo ambalan'omby ka mbola velona, raha miteny an'izany hoe diso aho ve satria manimba ny fomba malagasy ?miala tsiny fa tsy izany mihitsy no atao hoe malagasy.Efa 2008 isika izao fa tsy 1700 akory tokony mba hanaraka izany fivoharana izany koa isika,tsy mahagaga raha mbola 8 @ firenena mahantra indrindra eto antany isika malagasy.Tsy misy maharatsy ny famadihana ,izahay koa mba mpamadika fa raha ny razana no hiandrasanao hitahy anao tokony mba handinika ihany ,toy izany ireo fanatitra isankarazany sy fomba fomba efa nilaozan'ny toetr'andro
32. xxx ( 25/06/2008 12:24)
imeva:

andramo ahita eh, mora ny mihomehy fa andramo ka zahao

ianao le mino an'izany no tokony hampiatra azy voalohany mba hinoanay vendrana intony ,fa raha izaho no teneninao an'izany dia hoe miandry miracle ka tsy voahitsaky ny omby ny zaza apetraka eo ambalan'omby,angamba mety hoe nanidina le omby fa misy mahay fanafody be na hoe nety nisy varatra tampoka nilatsaka t@ le omby dia tsy nahitsaka an'le zaza .Mariko fa ny ombinay vao nilatsahan'ny varatra dia maty daholo,.mety hitsanga daholo izany rehetra inzany dia hoe mahery vintana ve le zaza avy eo?
33. sandman ( 25/06/2008 13:47)
Ny fanontaniako dia hoe: "maninona isika gasy no tia mandatsa lava"?
Efa hatramin'izay mihintsy no tsy hahenoina afa-tsy latsa amin'ny vavan'ny malagasy samy malagasy. Sa ve nolovaina avy amin'ny frantsay izy ireny?
Zinona moa no aferako raha hinohino izay hinoany any izy, tsy mampihena na mampitombo voambary iray eo ambilihako izany.
34. sandman ( 25/06/2008 13:49)
Ho an'ny zana-bazaha!
http://tcmada.zeblog.com/c-madagascar
35. xxx ( 26/06/2008 09:12)
tsy resaka fandatsana mihitsy fa na samy gasy aza,jereo fotsiny ny fombafomba misy @ ireo firena mahantra aty afrika sy azie,isan'ny mampahatra ny firena iray io resaka io,aza afangaro amin'ny resaka kolontsaina ny fomba2 sasany efa nilaozan'ny toetr'andro,aza gaga isika raha taraiky @ samy firenena eto ambonin'ny tany ,le fomba fisainana mihitsy no mbola mila ezaka be raha te hitovy @ firena andalampandrosoana fotsiny aza
36. sandman ( 26/06/2008 13:03)
Ohatran'ny tamin'ny andro fahiny ihany rehefa nino ny europeana fa sauvazy daholo izay ivelan'ny europa ka mila sivilizena.
Raha resaka fandrosoana indray dia jereo ity finoanoampoan'ny Islandais ity raha izany.
http://vadeker.club.fr/articles/cinema/monde_invisible.html
Tsy any Island ihany fa raha finoanoampoana tsy mampandroso no hitenenana azy dia ao Etazonia angamba no tena hahitana azy betsaka. Tsy mampandroso marina tokoa ve sa dia forcer-na bodingerina ho antony tsy mampandroso. Anao no mandalina.
37. xxx ( 27/06/2008 09:46)
sandman:

Ohatran'ny tamin'ny andro fahiny ihany rehefa nino ny europeana fa sauvazy daholo izay ivelan'ny europa ka mila sivilizena.
Raha resaka fandrosoana indray dia jereo ity finoanoampoan'ny Islandais ity raha izany.
http://vadeker.club.fr/articles/cinema/monde_invisible.html
Tsy any Island ihany fa raha finoanoampoana tsy mampandroso no hitenenana azy dia ao Etazonia angamba no tena hahitana azy betsaka. Tsy mampandroso marina tokoa ve sa dia forcer-na bodingerina ho antony tsy mampandroso. Anao no mandalina.


finoanompoanan'ny islandais d'accord anao ary betsaka izany na dia aty @ tany lazaina fa mandroso aza,ny eto france ohatra misy atao hoe fijerena karatra ny astrolojia sy sisa ,ny resaka sorcierlerie efa nisy teto erope koa saingy efa nilaozan'ny toetr'andro misy aza dia dorana velona mihitsy taloha.ny firenena tsirairay samy manana ny finoanoampoanany daholo saingy le pourcentage any @ tany mahatra tena betsaka loatra,
38. sandman ( 27/06/2008 21:22)
Marina izany.
Saingy raha jerena lalina, anton'ny fahantrana ve izany sa kosa vokatry ny fahantrana ara-mpanabezana sy ara-mpianarana? (singaniko manokana eto io hoe fahantrana arampianarana io satria misy karazana fahantrana, na manambola be aza mety tsy ampy fanabeazana dia efa mahantra izay).
Ny firenena tandrefana toy ny Etazonia sy ny Soisa izao dia mirona betsaka any amin'ireny karaza-njavatra ataontsika hoe finoanoampoana ireny, ary na ny sampampitsikilovana toy ny CIA sy ny FBI, ny MOSSAD dia manana spesialista amin'izy ireny mihintsy, midika fa tsy tsinotsinoaviny velively ireny toe-javatra lazainy hoe mifandray amin'ny "savoir local" ireny.
Maro ny taranja ary ny olona, professora mikaroka momba ny matoatoa, misy ny spesialista amin'izany manerana an'i Etazonia, manampy ireo olona manana trano misy angatra.
Etsy andanin'izany, handaniana miliara de dolara mihintsy ankehitriny ny antsoina hoe acclérateur de particule (Farmlab, Illinois, USA) hanaporofoina fa misy ny antsoina hoe mondes parallèles izay misy hifandraisany betsaka amin'ny tontolo tsy hita maso izay tsikaritr'ny ankamaroan'ny olona any ambanivohitra izay ataony hoe manana instinct naturel saingy tsy hitan'ny mason'ireo tandrenivohitra.
Maro anefa izy ireny izay ataontsika ho finoanoampoana ireny no efa demisthyfié (nahitana antony rationnelle) saingy maro no mbola tsy nahitana antony mazava.

Ny anton'izany fironana rehetra izany dia ny fahatsapana ny halalin'ny filozofia tatsinanana sy ny zavatry ny fanahy izay nohambanian'ny tandrefana foana hatrizay, ary indrindra indrindra ny nahitana ny atsoina hoe THÉORIE DES CORDES amin'ny fikarohana amin'ny mécanique quantique.
http://www.dailymotion.com/relevance/search/th%25C3%25A9orie%2Bdes%2Bcordes/video/xi111_ce-queinstein-ne-savait-pas-encore

39. endrika01 ( 28/06/2008 13:06)
endrika01:

Ty tantara iray ity,tsy finoanoam-poana fa tena nisy.Resaka lolo.Teny Analamahitsy,zazavavy kely tsara tarehy,tonga mamangy ana-ramatoa iray ,Maman'ny namako akaiky!!!!notenen'ilay zazavavy izy we,zah mba hipetraka aty aminareo;de oizy lay ramatoa we,mila heraina @ ray aman-dreninao aloha,

de notaritin'ilay sipakely ty ramatoa,izy @io tsy matory fa tena andro atoandro be nanahary,tsara tarehy be daholo zay nojereny.Ny zanany lahy no nanaraka azy satria efa mailo.

namikiviky ramatoa miaraka @lay zazavavy kely,hay ka fasana ity toerana
ilay zanany lahy tato aoriana no nisitona ny reniny,zay vao hitan'ilay
ramatoa fa hay fasana ity toerana hitondrana azy,mpivavaka be io ramatoa io ary tsy minomino foana izany,fa t@io andro io dia nino ny zavatra lazainy olona ,satria nahita maso.

efa nifindra eny Anosizato zao ry zareo



40. joace91 ( 28/06/2008 14:30)
endrika01 >dia aona indray ilay oé refa misy tandra mainty be ny kibo dia tsy miteraka hono hahahahaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4061