Aleo aloha ambara

1. Solitikabe ( 20/06/2008 02:12)
Aleo ambarako fa izaho Solitikabe no nangataka ny mpikarakara ny hanalana an'i Jeankely. Ny antony tsy hoe izy mpanohana ny fitondrana na hoe ahoana, fa ilay fifanajana mifehy ny fiseraserana no tsy tantiny ka nanompany ahy teto efa in-droa izao. Dia mba niangavy ny mpikarakara aho ny hanalana azy.
Ilay izy izany adihevitra no eto, koa rehefa tsy zakan'ny sainao izay lazaiko na ny namana dia aleo tsy manoratra toa izay manompa olona fotsiny.
Ny politika raha teo samy manana ny fijeriny sy ny zavatra hainy momba ny tanana sy ny mpitondra, ka izay no iadiana hevitra fa tsy hoe iza no manoratra. Mbola sarotra ny fanaovana politika indrindra rehefa tafaroana amin'ny antoko iray ny olona. Izay ilay hoe izay tia adala. Anefa izany tsy entina ankahalana olona. Fa mba tsara lanjalanjaina ny zavatra lazaina.
Ny zavamisy eny an-tanindrazana raha teo tsy hoe ny eo dia ny eo ihany fa mivotra ny tantara ka tsara ny fijerena ny tena iainan'ny valala be mandry. Izaho aloha dia manohitra ny fitondrana Ra8, ankehitriny noho ny antony maro, saingy tsy mandala koa ny mpanohitra misy ankehitriny izay tsy mitsinjo afa tsy ny fakana ny toerana hihinana toa an-dRa8 sy RaDidy ihany. Mila ankolafy politika vaovao isika raha tena te-handroso marina.
Nefa koa mila olona manana ny fitiavana marina an'izany atao hoe Malagasy sy Madagasikara izany.
novalian'i penguin ny 23/06/2008 23:46
2. kanota ( 20/06/2008 02:22)
Jereo fa misy manompa maro ao ry sinoa a. Na ny vao herinandro aza jereo fa tsy ny anao ihany akory no maharary.
3. kidoropamba ( 20/06/2008 12:04)
Tsy mihinana ny anjaran'ny malagasy ny filoha hajaina Ravalomanana fa mamokatra ny harena tsy nisy nikarakara hatr'izay. Nitondra vazaha be vola sy matianina izy hampiroborobo ny solika, ny illmenite, cobalt, nickel uranium, bois de rose. Tsy nisy mpitrandraka kalaza no mahafehy ny lalambarotra hatr'iozay tamin'ireo harena ireo. Tonga ny filoha hajaina Ravalomanana, nitondra fitaovana moderna (fa tsy angady sy harona mihitsy), veterinera amerikana, mpandinika norveziana, mpiasan'ny ONU, mpandraharaha kanadianina sy ny sisa hanampy azy amin'ny fitrandrahana ny harena tsy nisy mpikarakara hatr'izay.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
4. tsoraka ( 20/06/2008 12:30)
Iny indray tena marina. Raha mahazo vahana ny anao mamokovoko fa tsy mitondra fivoarana. Ary tsy Malagasy izany ilay voa fa metisy. Mazava fa manana ny metisy mihoatra ny Malagasy vizana saingy tsy alehany kosa rehefa tonga ny tena vazahabe. Lanin'ny vazahabe ve????? ny vazaha tapany eeee?
Faly ahazo fotsiny angaha ???? :-D :-D :-D :-D
5. kidoropamba ( 20/06/2008 13:19)
Ny malagasy dia tena mahatsiaro sambatra satria mahay mitondra ny filoha hajaina Ravalomanana .
na dia maro aza ireo izay manaratsy, maro ireo maneso, dia i madagasikara tsy maintsy mandroso.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
6. Marindrano ( 20/06/2008 21:06)
Tsara rehefa mandroso: mihatsara sy mandeha amin'ny lalana tokony hizorany ny toerana na faritra na firenena iray. Izany hoe mihatsara ny fari-piainan'ny olona mipetraka ao mihoatra noho ny teo aloha. Miova ny fisainan'ny olona ao aminy ka afaka mandefitra ny hambom-pony ny tsirairay mba hitandrovana ny tombotsoan'ny firenena sy izay mahasoa ny besinimaro.

Izay tia mandefitra tsy midika hoe resy fa mitsinjo ny hoavy sady mitandro ny fihavanana sy firaisan-kina. Tsara ny fanaovana izany sady rariny sy hitsiny.
" Toy ny vero (zava-maniry) notaingenam-pody (fody=vorona), tsy folaka fa mandefitra"



...ny atao no miverina.
7. kanota ( 21/06/2008 01:33)
Ny an'ilay kidorompamba indray ny fikan'ny diska loaka taloha no averimberina ahaleo ny olona. Na olona ininona aza tsy hamerimberina izany hajaina hajaina izany. Raha tamin'ny andron'ny Mpanjaka angamba tapa-doha satria fantatra fa hamadika afaka 1 segondra.
8. rakapy ( 21/06/2008 01:35)
Tohizo ny lalanareo fa aza eo no mifanilaka eo :-D :-D :-D hajao ny anareo :-D :-D :-D
9. kanota ( 21/06/2008 01:55)
Mino aho fa tsisy izany sesikidorpamba izany any amin'ny TIM any. Mety ilay niala AREMA ary niditra TIM avy eo voadaka angamba satria mitapy sahalan-drakapy. Aiza no hisy hajaina hajaina izany foana no averimberina sahalan-dry diska loaka teo aloha =)) =)) =))
10. rakapy ( 21/06/2008 02:00)
Toa miavona koa ny TIM izany :-D :-D :-D Efa mba manohana hono ilay olona dia dakana indray. Tena manao fisananana lany andro :-D :-D :-D
11. kanota ( 21/06/2008 02:04)
Tsy TIM no miresaka aminao ary mino aho fa tsy hampiditra ekipa dondrona ny fikambanana mpanao baolina sao resy lava eo. =)) =)) =))
12. rakapy ( 21/06/2008 02:09)
Ka aiza ilay fandrosona haingana sy maharitra e! efa firy taona no lasa ,firy sisa?? :-D :-D :-D
13. kanota ( 21/06/2008 02:17)
Izay tsy vitany raisin'ny mahavita tsara kokoa ary miomana ianao dia raiso sy ataovy tsara in-jato mihoatra izay vitany. Akaiky kely ny 2012. Inona no mahaosa amin'ny adva reraka fa tsy izay aza no hampidirana baolina =)) =)) =))
14. rakapy ( 21/06/2008 02:29)
Ka izaho anie tsy dedaka ny hitondra toa an-dra8e :-D :-D :-D
15. Marindrano ( 21/06/2008 20:37)
Tsy miankina amin\'ny mpitondra irery ny loharanon\'ny fahombiazana na fandrosoan\'ny faritra na firenena iray fa isan\'ny singa iray koa ny vahoaka.
Na mahay sahala amin\'inona aza ny mpitarika nefa ny olona entina mivaralila sy tsy mankato, dia zava-poana ny ezaka rehetra atao.

Ny singa fahatelo dia ny Vintana (\"chance\" @ en./fr.). Tsy hiadian-kevitra iny satria nanam-bintana i Madagasikara sady niangarana manokana raha ny fananany harena (voajanahary) sarobidy isan-karazany no jerena (oh.: olona, tany, ranomamy, ranomasina, volamena, diamondra, karazam-biby sy zavamaniry tsy fahita any ivelany sns...)

Isan\'ny loharanon-karena lehibe tokoa ny fahasamihafana raha hay ny mampiasa izany. Fanetribe tsy afahana mandroso sy mivoatra kosa ny fankahalana sy fanavakavahana ary ny tsindrihazolena.

Ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo amin\'ny izay mitondra sy entina no fanalahidy ho amin\'ny fahombiazana raha i Madagasikara no resahina.
Io no hany fepetra tsy feno sy mbola vato misakana.

...ny atao no miverina.
16. kidoropamba ( 22/06/2008 17:27)
rakapy:

Ka aiza ilay fandrosona haingana sy maharitra e! efa firy taona no lasa ,firy sisa?? :-D :-D :-D

6 taona monja dia 1 miliona ny gasy nivoaka avy amin'ny fahatrany. Na maty, na sesitany, tsy fantatra intsony fa amin'ny salan'isa aloha dia 1 miliona no efa tsy mahantra intsony. Fivoarana izany ary fandrosoan izany.

Amin'ny 12 taona ho avy dia mety ho 3 miliona na 5 miliona no tsy mahantra intsony. Ary aza afangaro amin'ny filazan'ny mpanohitra hoe: Hiena ny isan'ny gasy mahantra satria potehin'ny filipianina 12.000, fongorin'ny fitrandrahana nickel, coblat, illmenite, petrole, uranium; fongorin'aretina izay hihanaka satria tsy misy mpanaraka, fongorin'ny fahapotehan'ny tontolo iainana, mitsaoka any antsesitany, na koa maty any amponja...Tsy izany mihitsy ilay tian'ny filoha hajaina Marc Ravalomanana amin'ilay hoe "nivoaka ny fahantrana " fa fialonana'ireo kamo be tenda ao amin'ny mpanohitra no milaza an'izany.

Ravalomanana filohako
Ravalomanana hiankinako

God save Ravalomanana^:^
17. Marindrano ( 22/06/2008 20:51)
Efa mihoatra ny 19 Tapitrisa ny isan\'ny malagasy tamin\'ny 2006. Tsara raha mihatsara hatrany ny fari-piainan\'ny maro an\'isa satria izany no zava-kinendrin\'ny fandrosoana. Ny tanjona hatramin\'ny 2015 (afaka 7 taona) dia ny hampihena amin\'ny an-tsasany ny isan\'ny malagasy mbola ao anaty fahantrana. Izany hoe malagasy eo ho eo amin\'ny 7 tapitrisa eo.

Izany hoe mbola mila ampitomboina hatrany ny ezaka atao. Tsy tokony hionona amin\'ny hoe 1tapitrisa tao anatin\'ny enina taona (raha ohatra ka tena izay no izy).
Tsy ny mpitondra irery no tompon\'andraikitra amin\'izany fa izay mahatsiaro tena fa manana andraikitra sy adidy amin\'ny tanindrazany ary tia ny malagasy mpiray ra sy tanindrazana aminy.

\"Ny adidy tsy an\'olon-dratsy\".

...ny atao no miverina.
18. kanota ( 23/06/2008 07:59)
Samy miventy ny FIRAISANKINA fa ny fampiadiana aza no tetika ahazoana sezaary ny fikorotanana no mahafaly satria io no hipitian'izay eo. Tsisy fitiavana tanindrazana izany no voizina eto fa fiatsarambelantsihy no marina. Hita izany ary na tompon'andraikitra aza manana ny hiraka nanokafany ity SERASERA ity
19. ratakktikk ( 23/06/2008 21:59)
mba azon'i Kanosa, ay kanota mantsy e, tenenina ve oe inn ny iraka nanokafa'i Hery an'ty serasera ty?
Sa kanota no iza no mseho mahalala izay any antsain'ny ol any?

I Kanosa ndrindra mits no t animba zavatra sy hampiady eto ka i Hery no lazaina fa i Kidoro.
Mba nianatra ihany i Kanota fa ts....Mahamenatra. Ny T5 niala ary mbola matakatra zavatra noho izy.
Ho kanotain'i Kidoro @zany koo ra i kidoro no tiany ampiadiana @ Hery.

Mbola tsy i Kanota sy Tsoraka mits........ndana aloha manao stazy any zamerika ozizy kidoro zay.
20. penguin ( 23/06/2008 23:46)
vaky manta kosa aloha ilay ratakktikk vao omaly dia voapeka ary ilay vao tamin'ny 21/06 tsy ampy herinandro dia sirika. Eh, manampahaizana fa lasa amin'ny adabo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1777