Maurice- Singapore (mitady hotel tsara/tsy de lafo loatra)

1. Mirindra02 ( 19/06/2008 12:34)
Azafady sao mba misy mahalala hotels tsara sy tsy de lafo loatra ao Maurisy sy Singapore.
Maurice : Hotely afaka mandray fianakaviana (olona 4) - tsy voatery amoron-dranomasina nefa tsy lavitra ny ranomasina koa. Manodidina ny 60- 100 Euro/ alina
Singapore: Hotely afaka mandray fianakaviana. Tsy dia lavitra ny aeroporo ary mora ahitana restaurants tsara eo amin'ny manodidina. Manodidina ny 100 Euro eo no tadiaviko.

Raha afaka azo ny contact na numero tel n'ilay hotel dia tena ho faly tokoa aho.

Mety ohatrinona eo ny vidin-tsakafo any amin'ny restaurants ny olona iray any amin'izao raha sakafo tsotsotra no tiana ho hanina.

Misaotra mialoha.
2. ikaretsaka ( 19/06/2008 12:46)
Singapore: Fragrance pearl (Any geylang) .. eo @ 60-75US$ eo
raha mila classy kokoa dia any @ peninsula (eo @ 120$ eo)
Raha tena top be dia any @ Stamford sy ny raffles (220$)

Ny marriot sy ny le meridien indray misy foana na aiza na aiza rtaha any asia atsimo atsinanana any

Ny kaly ao Singap eraky ny sisindalana feno food court...
Soava dia
3. zandikely ( 19/06/2008 13:05)
Efa amin'ny Internet daholo ny adresses Hotel rehetra, miaraka amin'ny prix dia eo mampitaha e!
4. malalatinasoa ( 30/06/2008 06:26)
Raha miaraka @ fianakaviana antitrantitra na zazakely dia aza mandeha ao Geylang entre lor 6 sy lor 16 na dia mora aza fa tena red-lights district be io (surtout Kallang station). Milahatra @ makorela mihintsy rehefa mandedeha @ alina, rehefa atoandro indray dia ny pelaka no mivarotrentana eraky ny lalana.

Manomboka eo @ lavender station ka hatramin'ny centreville izao no hitako tsaratsara. Mijereva hotely akaiky station fotsiny (eto @ internet) na dia centre-ville aza fa vetivety kely dia tonga any @ aeroport.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6803