Mpangalatra emaraody

1. kidoropamba ( 19/06/2008 12:27)
Henatra hoanareo mpangalatra emeraody ny nandefa vatosoa 500 kg mahery any ivelany any kanefa an'i madagasikara io vatosoa io.
Mankasitraka amin'ny fanidiana ny "le quartz" izahay satria fahavalom-pirenena ny mivarotra harem-pirenena.
Manaraka ankaikin'ny fandrosoan'ny madagasikara ny filoha hajaina Ravalomanana ka nahatratrarana an'ireto olona nangalatra ireto. Mihidy aloha iny. Efa hezaka mahasoa vahoaka izay.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
novalian'i tsoraka ny 20/06/2008 12:43
2. kanota ( 19/06/2008 12:53)
Efa nifampitadiavana t@ andron-dRadidy ireo ary nanao Arema vehivavy ramatoa dia nilamina. Izao tratra izao ka asa fa matetika olomarina daholo koa izay tratra ka manahirana.
3. kidoropamba ( 19/06/2008 13:58)
Tokony gadraina daholo izay rehetra AREMA na taloha na ankehitriny fa mpangalatra sy fahavalom-pirenena daholo.
Soa ihany fa mahiratra ny filoha hajaina Ravalomanana ka nahatratra ireto tsy valahara mpandroba ny harena ankibon'ny tanin'ny firenena malagasy. Misaotra anao andrimatoa filoha.

Ravalomanana ihany! Ravalomanana hatrany.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
4. patrick2002 ( 19/06/2008 14:10)
Tsy hitako ny mahasamy hafa ny AREMA sy ny TIM ,miala @ filoha hajaina Didier Ratsiraka ,dia miditra @ filoha hajaina Marc Ravalomanana, ny iray mpanondrana emeraoda sy lavanila ,ny iray mpanondrana bois de rose ,sy lavanila ihany koa ,ny iray Procops sy Decagon ,ny iray empire TIKO.
MOA KA TSY IZANY VAH ? =D> =D> =D>
5. kidoropamba ( 19/06/2008 14:20)
Tsia! Tsy mitovy ny AREMA (mpangalatra) sy izahay TIM (Mpamokatra).
Ny filoha hajaina, mamim-bahoaka, zanak'Iarivo, ary tompoin'ny vahoaka malagasy rehetra, Marc Ravalomanana, dia miasa, manorina, manarina ary mitrosa ho fampandrosoana ny firenena.

Ny Arema an-dratsiraka gilamaso kosa dia nanapotika ny firenena malagasy.
i TIKO dia reharehan'ny madagasikara satria raha tsy misy TIKO dia tsy misy mpivarotra ronono sy menaka ao madagasikara. Soa ihany fa nisy izy ary miroborobo fatratra noho ny fahaiza-mitantan'ny filoha hajaina.

Ny Arema dia nasionalizasion, ny an'i Filoha, dokotera (honoris causa), pdg na orinasa matanjaka, lehibem-piangonana lefitra ary lehiben'ny tafika, Marc Ravalomanana, mpanorina sy mpamatsy vola ny antokonay TIM, kosa dia globalizasion (Mila maharaka ny toetrandro) ka ny vahiny manana ny traikefa sy ny vola no mitantana ny firenena mba hampadrosoana ny vahoaka malagasy.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
6. patrick2002 ( 19/06/2008 14:27)
f'angaha r'ise tsy nisy mpamokatra ronono sy mpivarotra huile tao madagasikara hatramin'izay.
Raha tena ho reharehany madagasikara ny orinasa TIKO maninona tsy hatao izay haha multinational azy sahala @ DANONE dia mba manangana usine any @ firenena afa ohatra .
Valiny tsy afaka hanangana orinasa any @ firenena afa ny TIKO satria tsy maintsy mandoa hetra ,ka aleony ny marché ao madagasikara ihany ao izy tsy mandoa hetra .
7. lolabe ( 19/06/2008 14:53)
Fa efa mitampina inona ko ny masonareo ry kidonapamba a, sa ve mahazo tombotsoa amin'izao fitondrana zao ka mahavita manasoaso an'i ra-valo? aleo mba hanondrana vatosoa ny malagasy fa aza gejainareo ao, mody atao oe ambatovy e, fa inona mo hahondran'ireo ao ambatovy ao ireo? harena ankibon'ny tanin'ny vahiny ve sa an'ny gasy? sa ve rehefa ny vahiny no mitrandraka sy manondrana ny harena ankibon'ny tany eto de lazaina fa ara-dalàna fa rehefa ny gasy de lazaina fa tsy nahazoana alàlana sy nahondrana antsokosoko foana, lazaina ko fa aleo gadraina any fa tsara ho azy zany, satria nareo efa zatra mangadra de tsy olabna aminareo zany de faly ery nareo amin'izay, satria lazaina fa nanondrana ny "vatosoan'ny gasy", fa mitampina inona ny masonareo no tsy mahita ny carrière'ny gasy mba mpitrandraka harenankibon'ny tany madinika, tonga de rahonan'i ra-valo-nareo daholo ary tonga de angoniny ho azy daholo? mandehana mba midina kely any Maevatanana mijery fa lasany avy ny carrière-n'olona; de lazaina ko fa ra tsy nisy an'i TIKO de tsy nisy ronono sy menaka teto, fa mbola mitampina inona ko ny masonareo ny tsy famelany ny mpandraraha sasany mampiditra menaka avy any ivelany fa atao ampihimamba daholo ny zavatra rehetra eto? Sao de i Ra-Valo kosa no efa tokony ho samborina sy gadraina amin'izay fa efa LEO RANGA TY NY VAHOAKA A, tohano tsara eo ny ra-valon'ingahy de mahaiza misolelaka tsara, fa ny zavatra tadiaviny de ny haka ny carrière-n'i Le Quartz ho anazy ra tsy fantatr'ingahy
8. patrick2002 ( 19/06/2008 14:59)
efa mondialisation hono izao ka aleo ho an'i vahiny matianina ny harena fa ny gasy aleo hivarotra mofo-gasy.
9. kidoropamba ( 19/06/2008 15:24)
kalamna fotsiny fa tsy misy mahatezitra. Ny fandrosoana izao no mahamaika fa tsy resaka ambony latabatra sy ny fitsikerana lavareny.
6 taona izay no niasa tsy ankiato ny filoha hajaina ary mamim-bahoaka Marc Ravalomanana. hita maso ary azo tsapain-tanana ny zava-bita. Nitraka i Madagasikara. Reharehantsika izany. Indrindra fa ho antsika, zanak'Iarivo, taranaky andriamasinavalona, razabe antsika. (tsy misy mahamenatra izany ary tsy fanilihana n'iza n'iza fa zavatra marina)

Ireo mangalatra emeraody dia aleo hazava: gadrao!Fongory !
Isaorana ny filoha hajaina fa mitsinjo ny firenena fa tsy atao fieren'ny jiolahy akory i Madagasikara.
Efa maro ny hetra efa voalohan'ny TIKO izay ary mbola manohy mandoa izy hatram'inizao araky ny lalAna misy. Raha tsy izany dia efa noraisin'ny BIANCO antanana ny raharaha. Madio izany TIKO ary mangarahara sy madio ny fitantanana.

Tsy mitady harena hafa ny filoha hajaina fa efa ampy azy TIKO satria miroborobo be. Ary eo ireo mpandraharaha vahiny, manana traikefa ikoizana erantany (Exxon, sheritt...), be vola ary matanjaka, kanefa sahy miara miasa amin'ny filoha hajaina. Mariky ny fivoarana izany. Mariky ny fandrosoana izany.

Aza be fialonana! miasA! aza kamo be tenda! miasA madio, fa aza mangalatra satria ny fanjakAna dia mampihatra la lalAna, ary ny lalAna ihany. ho fampandrosoana ny firenena sy hoan'ny tombotsoan'ny vahoaka malagasy tsy vaky volo.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
10. rijaj9 ( 19/06/2008 15:49)
hitan dravalo ndray misy vola io resaka vatosoa io de io giajany io ndray eh ,

gadrainy ny tompony ,hotran ny raharaha 3 frere ihany io ,zay manelingelina de gadrao ,ny tsy ao antsainy ty ra 8 ty ve ndray andro ange izy tsy ho prezida ,tsony ka sao mba ny taranaka ndray no ho ratsy fiafara
11. kanota ( 19/06/2008 16:23)
Iza no azonareo fitahana amin'izay resaka sesikidoro any. Samy mpanenjika daholo ianareo. Satria tsy mahita lalana dia mody manao sarisari-manohana anjambany mba aha-mantsina tanteraka ilay olona. Tsy voa amin'izany koa ny olona. Fa naninona no tsy lany tao Antananarivo ny TIM fa lany tany @ faritraohatra t@'ny resaka TGV? Ka aza ampidirina resaka tananarivo io.
12. kidoropamba ( 19/06/2008 16:23)
rijaj9:

hitan dravalo ndray misy vola io resaka vatosoa io de io giajany io ndray eh ,

gadrainy ny tompony ,hotran ny raharaha 3 frere ihany io ,zay manelingelina de gadrao ,ny tsy ao antsainy ty ra 8 ty ve ndray andro ange izy tsy ho prezida ,tsony ka sao mba ny taranaka ndray no ho ratsy fiafara


Giravy be izany zavatra lazainao izany ka azo hitorina anao any amin'ny tribonaly fa mametaveta filohampirenena.
Tsy hoe ka any ivelanianareo ka manararaotra mametaveta ny anaran'ny filoha hajaina Ravalomanana. Milaza ianao io fa mpangalatra vatosoa izany ny filoha Ravalomanana.
Mety tsy ho prezida intsony izy fa afaka 15 taona any ary efa madagasikara mivoatra no misy amin'izany fa tsy olona manompa filoham-pirenena tahaka anao io.

sady kosa ange tsy misy lalAna mandrara ny filoha hajaina tsy hitrandraka vatosoa izany eto madagasikara. PDG io filohantsika io ka zo any atnteraka ny mitrandraka ny harenan'ny madagasikara.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana
^:^
13. kanota ( 19/06/2008 16:30)
Sesikodoro io miresaka io fa tsy mpomba ny fitondrana velively. Io no tena fosotra. i Patrick2002 ity mody mivadika akanjo ity.
14. kidoropamba ( 19/06/2008 16:45)
Tokony migadra koa ireo mpikambana ao @ CONECS mpomba an'ireo mpangalatra emeraody ireo, satria manao association des malfaiteurs. Aza misy avela mihitsy ireo fahavalom-pirenena ireo ry filoha hajaina, dokotera (honoris causa), mpitondra ikoizan'ny vazaha vahiny, ary reharehan'Iarivo, Marc Ravalomanana.

God bless Ravalomanana ^:^
15. patrick2002 ( 19/06/2008 20:47)
:-D :-D tsara kosa ny adiny kanota-ny jeankely kou mody manao kidoropamba dia avy eo mivadika kanota indray ,efa adala ny lohanao ramatoa ,ataony virus ny serasera mitapy ,ampidiro koa i penguin eh!
16. rakapy ( 20/06/2008 00:17)
Lelafo hatramin'ny fitombenan' i filoha Favalomanana leroa rehefa avy mangery izy. Dia ataovy hoe "reharehan' Iarivo ianao ngahy ra prezy , de aza adino ny miteny hoe TIKO be :-D :-D :-D :-D
17. kanota ( 20/06/2008 01:55)
Izao ilay tsy manompa sy ara-dalana voalazan'i hery sefo izao. Araka ny teniko dia ianareo ihany no mody mivadika ho kidoropamba na sesikidoro mikorondoha satria tsy nahavoa ary tsy maha-koty vahoaka ilay mitsikera dia mody hoe ny manohana adaladala no atao ahatezitra vahoaka. Revingadra nitsoaka ireo.
18. patrick2002 ( 20/06/2008 02:11)
:-D :-D zany hoe ny tanjonao izany ra jeankely be kanota ,hiteny ratsy @ Ps ny kidoropamba ianao dia lazaina hoe io patrick 2002 :-D :-D
Tena vehivavy mitonatonana mihintsy ty :lol: :lol:
19. kanota ( 20/06/2008 02:17)
Efa tsy resaka pilitika intsony ilay izy ka tairo indray ilay pilitiky aloha fa miverina eo ihany iny. ra-pa2012 tomorina ankaiky
20. lolabe ( 20/06/2008 07:56)
Aza de taitra amin'izany tsony fa ry tsy haiko tsony toy ny kidoro sy ny tsy fantatro efa mitampina t.... ny masony fa aleo hisolelaka eo ihany fa izy ko ange mahazo subvention avy any amin'i ra-8 e, za alo de menatra satria merina mitovy amiko le filoha mba nantenaina hampandroso ny vahoaka na de teto iarivo fotsiny aza nefa de atao fairano ny eto amin'ny tanàna, zany ve de ma fière-nao, valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia. Zao manao fangatahana @ any ivelany @ le MAP nefa h@zao tsy mbola nahazo na de vola kely akory aza satria tsy hainao akory ny mitantana le vola fa zarazarainao etsy sy eroa fotsiny, hanaovanao frais mivoaka any ivelany any foana, mazotoa manohana e, fa zahay efa tsy ao intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.052