Mpangalatra emaraody

21. kanota ( 20/06/2008 08:41)
Ianao no tsy mijery tsara ry lolabe fa any amin'ny misy anao no toeran'io kidoropamba io ary tsy mpanohana ny fitondrana velively io.
Voalohany ny resaka Iarivo tsisy milaza fa mandova an'Andriamasinavalona daholo Antananarivo. Izaho ohatra tsy manana singany amin'ny Rova fa misy ny taranak'Andriana izay tsy azo hidirana. Ny fanohanana izay mitondra na avy aiza izy na avy aiza tsisy resaka Andriana ra-kidoropamba.
Ankoatr'izay ireo rehetra mipetraka andafy dia mitanisa ny tsy fivoaran'ny Malagasy na i Madagasikara. Rehefa tia ampiseho ny fandrosoana izy dia resahany io fa rehefa tia hiaro ny havany izay nitondra ny harena nivilana ary tsy manaraka "Normes" kosa izy dia avy manohitra. Raha tena tonga ao Madagasikara izany "mondialization" ary dia manjavona ireo izay tsy manarapenitra fa izay matanjaka no hiasa. Hita n'aiza n'aiza izany.
Ohatra farany tsotra. Rehefa samy vizana dia afaka taritina eny ny taxi tranainy efa asiana daba trohana, fa raha tonga ny manambolabe ary mampiasa taxi tsara sy mora miala ho azy izay vizana.
22. kidoropamba ( 20/06/2008 11:54)
Rangita no nipoiran'ny razambe antsika. Ary nandalo tamin'ny andriamasinavalona. Tsy misy mahamenatra izany satria tantarantsika. Tsy azo kosehina ary reharehantsika. Misy zanany tonga filohampirenena ary nahazo diplaoma be indrindra erantany raha avy nivarotra ronono. Tsy henatra izany fa reharehan'Iarivo. Tsy fanavakavahana izany fa tantara. Tsy resaka manohitra na manohana izany fa fitiavana malagasy indrindra fa filoham-pirenena sady fotsy no bĂ´gosy ary hany filoha afaka nampandroso marina an'i Madagasikara.
Tsy misy fanavakavahana hoa io satria any toamasina no hanaovantsika fety amin'ny 26 jona ho avy izao hiarahana amin'ireo rahalahy sy ranabavy any anindran-tany, bobokin'ny fijaliana tao anatin'ny 40 taona nanaovan-dratsiraka azy ireo. Firaisam-pirenena mipetraka izany ary porofo mitohoka amin'ny tenda. io ilay engament 8: solidarité nationale ao amin'ny MAP.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
23. tsoraka ( 20/06/2008 12:43)
Tsy taranak'Andriamasonavalona mihintsy ny olona rehetra ao Antananarivo. Tsy mpandova ny Rova daholo fa misy ny taranaky ny vizana na efa lasa manandoha aza :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0066