Antsa an'i Kristy (Asandratro)

1. Verosoa ( 19/06/2008 07:49)
mangataka an'io hira io aho Asandratro an'i Antsa an'i Kristy
Misaotra tompoko
2. fahamarinana ( 19/06/2008 10:06)
:arrow: io ny tonony aloha an
ASANDRATRO NY ANARANAO
Asandratro ny Anaranao
Asandratro avo ho an’izao tontolo izao
Ka raha mbola velon’aina koa aho
Ny Anaranao tsy miala am-bavako

Tsy mila Tompo hafa aho
Afa-tsy Ianao ry Jeso soa
Izay fanandratana sy famonjena ahy koa
Koa asandratro avo ny Anaranao

Na rera-tsaina aho midera Anao
Na falyb ravo koa mitsaoka Anao
Tsy misy maha-rombaka ahy an-tananao
Ianao Jeso ilay tia ahy Mpanandratra ahy

Deraiko foana Ianao
Ambarako eran-tany fa tsara Ianao
Ianao no mbola mampiaina ahy toy izao
Asandratro avo ny Anaranao

Tantano aho sao tsy mahatatana Anao
Fihino aho fa te-hifikitra Aminao
Satria Ianao Jeso nifidy ahy toy izao
Ianao Jeso Mpanandratra ahy

Aut/comp : Lucette RAOELINIVO

:arrow: dia ity ilay video
http://www.dailymotion.com/relevance/search/asandratro/video/x4069i_asandratro-antsa-ani-kristy_music (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5122