Ravalomanana hahazo diplaôma

21. penguin ( 19/06/2008 01:15)
Na manana izy na tsy manana ny fantatray dia FILOHA izy ary lany ka solontenan'ny vahoaka Malagasy izy izany.
22. kidoropamba ( 19/06/2008 10:45)
Solotenanan'ny vahoaka malagasy, reharehan'Iarivo, FILOHA manan-kaja, be voninahitra sy maro diploma.
Ravalomanana Ihany, Ravalomanana Hatrany.

God save Ravalomanana ^:^
23. penguin ( 19/06/2008 11:48)
Tandremo fa sao mivilana. President-n'i Madagasikara aza asiana resaka iarivo fa mivadika resaka masiso izany. Na misy aza ny Ministra, SG, DG, Directeurs avy amin'ny Faritany manko dia mbola lazaina fitondran'Antananarivo ka ratsy izay fisainana izay.
24. kidoropamba ( 19/06/2008 12:21)
Filohan'i Madagasikara manontolo i tompokolahy hajaina Ravalomanana ary reharehan'iarivo koa izy. Tsy misy ny maha-menatra ny amin'izany.
Izay manana fisainana ratsy avelao any izy manana an'izany fisainana ratsy izany, fa ny filoha hajaina Marc Ravalomanana dia fitaratr'Iarivo mazava tsara. Sahala ami'ingahy Ratsiraka, taratr'ireo padesm tamin'ny fotoanany.
Iarivo irery ihany, aloha, amin'izao no mahatsapa fa tena mivoatra marina i Madagasikara satria ny hafa dia faly manaratsy sy manohitra ny fivoaran'ny firenena fotsiny.
Tsy mahagaga raha toa ka mahasarika mpizaha tany vahiny ny filoha hajaina ka mahazo diplaoma, mariky ny fankasitrahana mazava dia mazava amin'ny ezaka ataony. ^:^
25. kanota ( 19/06/2008 13:02)
Tia hampiady ianao ary rakatra vao tsy ampy iray andro fa sesikidoro mpanenjika kay. :evil: :evil: :evil:
26. kidoropamba ( 19/06/2008 13:52)
Tsy maintsy henjehina ny fahavalom-pirenena hoy ny filoha hajaina Ravalomanana.
Sahia manao dingana lehibe ka mahaiza milaza ny marina.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
27. kanota ( 19/06/2008 16:26)
Mifangaro voraka ianao fa sesikidoro. Avelao higadra izay tratra fa tsy izany no mody hanaovana mpomba eo.
28. kidoropamba ( 19/06/2008 16:34)
Io ilay fomba ratsy tsy tian'i filoha hajaina ary feno voninahitra, Marc Ravalomanana: Fialonana .
Tsy mampandroso io ry kanota. Aza mialona. Ndao hiasa, hiasa tsara ary hiasa mafy fa aza faly mialona ny sasany foana. Efa miroborobo izao ny illmenite, cobalt, nickel, miroborobo ny ranch, sorgo. Miroborobo ny emeraody sy ny vaotosoa isankarazany. Miboroboro ny ronono sy ny menaka ary ny vary. Miroborobo ny vola vahiny...Raiso ireo harena ireo, miaraka amin'ny filoha hajaina sy feno voninahitra Ravalomanana, hampivoarana an'i Madagasikara, mba hialAna amin'ny fahantrana.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
29. kanota ( 19/06/2008 16:40)
tany @ ilay raikalahy no nisy izany takatsy sy takaro hajaina izany. Mbola mitadidy lesona. Ry patrick2012 aza mbola mahay oieoie. Tsy fantatry ny tanora akory izany.
30. kidoropamba ( 19/06/2008 16:50)
Samy manana ny fomba fanajany olona ny tsirairay. Aminay dia manana haja ity filoha dokotera Marc Ravalomanana ity. Raha tsy te hanaja azy ianao dia malalaka hanao an'izany.

God bless Ravalomanana ^:^
31. kanota ( 20/06/2008 08:53)
Ianao efa hita fa manao fanoherana ankolaka. Tsy misy voafitakao amin'izany. Rehefa tokony esorina ary lany bala ny fitondrana miala hoazy na hamikotra aza. Tsy mila harovana sy hanaovana resabe. Ny mpanohana miasa ary tsy manao resaky ny milelaka izany.
32. kidoropamba ( 20/06/2008 12:07)
Raha vao nesorina tamin'ingahy MUGABE ny honoris causa, dia lasa ny filohantsika no be diplaome eran-tany. Mahavalem-bolo sy mampite-hidera izany zavatra izany.

God bless Ravalomanana ^:^
33. tsoraka ( 20/06/2008 12:36)
Aza adinno lalandava fa ny be diplaoma mpiasan'ny manambola hatrany n'aiza n'aiza. Ka ny diplaomanao tsy mankaiza satria mbola mandihaloka amin'ny tompon'ny vola ianao. Ny an'olona ny orin'asa no voalohany fa ny anao no diplaoma aloha hany ka lasa solafa. :-D :-D :-D
34. xxx ( 21/06/2008 08:09)
Tsy dia azoko loatra ny probleme tenisany, rehefa tsy manana diplaoma izy dia tsy manana diplaoma e! izany akory tsy fialonana fa kosa zava-misy. Ary marina koa ny hoe: tsy dia ilay diplaoma loatra no mampahay mitondra na tsia ny filoha. Kanefa sarotra no milaza, araky ny zava-mitranga ankehitriny hoe mahay mitondra izy. Azafady fa diso za, mahay mitondra ny tenany izy. :?
35. kanota ( 22/06/2008 02:55)
Ary maninona tenisany no manao xxx?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078