TATITRA : fivoriana izay natao ny 15/06/2008/NSD

1. ravatorano ( 16/06/2008 10:56)
Voalohateny dia fisaorana lehibe atolotra ny Mpahary nahafahana indray nanatontosa antsakany sy andavany ilay fivoriana natao tamin\'ny 15 Jiona 2008 tao Antsahabe iny.
Isaorana ny namana nikarakara manokana ny trano nahafahana nanao izany fivoriana izany.
Isaorana sy ankasitrahana eto avokoa ianareo izay namaly ny hafatra sy niditra tany amin\'ny dinika nandray anajara tamin \'izany ary dia isaorana tena isaorana ianareo namana tonga tany nanatrika sy nanome soso kevitra marobe tamin \'io andro io.

Ny resaka nifanaovana sy nifanapahana hevitra tao moa izany dia mikasika ny fikambanana namana serasera dago ihany.Nojerena tao izany ny fitsipika anatiny sy izay hifandraika amin izany.
NY birao teo aloha dia mbola moblamiasa ihany amizao satria tsisy nilatsaka ho fidiana ka dia naleo izany ry zareo ireo ihany no hanohy ny efa natombony .
Nojerena akaiky koa ny fiarahana miasa amin\' ireo namana mikirakira ny internet toa ny foko blog club, ny telomiova, ny infogasy izany ary tapaka tao fa hisy namana nanolo tena mba hiandraikitra ny stand izay hisy ny tranokala an\'ny namana serasera.org amin\' ny \"fête de l\'internet\" amin\" ny 28-29 juin ho avy izao.
Araraotiko eto fa hisy fivoriana amin\'ny sabotsy izao 21 juin ho andry zareo ireo eny amin\'ny trano Foiben\'ny Antilin\'I Madagasikara manomboka amin\'ny 11 ora atoandro mba handaminana ny zavatra atao ao.
Nodinihina tao koa ny \"asa sosialy\" ho tanterahan\'ny namana serasera dago amin\' ity taona ity ary izany dia mila ny enti-manana rehetra ka hisy hetsika entina hitadiavam-bola hahafahana hanaovana an\'izany rehetra izany atsy ho atsy ary ho lazaina eto ihany ny momba azy io.
Hisy koa hetsika madinidinika hatao eny anelanelany eny mikasika ireo asa sosialy ireo .
Izay aloha no fivoriana tao ary nifanome tanana indray ny mpivory avy eo nanao tsipaipaika mba hahafahana manao adidy mikasika an\'i Kamba ilay ankizy kely izay efa hitantsika teto amin\' ity dinika serasera ity ihany ny momba azy.
Nisy izany solotenan\'ny namaan serasera dago tonga tany amin\'ny Hopital HJRA namangy sy nanolotra fanomezana kely tamin\'ny alalan\'ny namana serasera dago.
Efa nisy fotoana maharitra ihany moa niresahana momba azy io ary dia efa miroso amin \'izany izao ny fikambanana .
Tsetsatsetra tsy aritra no ampilazana eto fa io zaza io dia hatao fandidiana rahampitso talata reefa avy natao scanner sy fizahana maro.
Nisy namana anankiray aidan izay koa novangiana fa nahazo zazalahy tao amin\' io hopitaly io ihany.
Izay sy izay no vita sy natao tamin\'iny fivoriana iny ary mamerina ny fisaorana anareo rehetra tonga indrindra ireo nikarakara ny nem sy sambos ary koa ny zi de frezy sy goavy e !
Amin\'ny fivoriana manaraka indray é !

namana serasera dago
:D
novalian'i sasa ny 19/06/2008 10:08
2. ravatorano ( 16/06/2008 11:08)
farany misaotra an ilay nitondra anay nody ihany kosa e !fa raha tsi nisy anazy klou defa nasian'ny hatseka mihitsy za sy ra T-jay :-P :-P :-P
3. diamondra27 ( 16/06/2008 11:17)
ravatorano: de arahabaina vita soa amantsara zany ny fivoriana e

de manome fampaherezana ny birao ihany koa

4. angotiko ( 16/06/2008 11:18)
ravatorano: misaotra anao nanao ny tatitra, misaotra fa d mahafa po

ho antsika rehetra: mangataka antsika mba iombontsaina amampanahy hiaraka hivavaka mangina ho an'i ilay zaza kambana ho didina rampitso, fa mahontsa ny fo , mba ho tanteraka soa amatsara ny fandidina azy ary hivoaka soamatsara io, andriamanitra anie no hanolotsaina ny mpitsabo, andriamanitra no hiasa fa ny dokotera no fitaovana ampiasainy

5. sipagasy ( 16/06/2008 11:25)
ho ela velona anie ny fikambanana namana.serasera.dago e! ary ny fiarahany miaraka miasa @ ireo sampana hafa ihany koa, ho tontosa ihany koa anie ireo fikasana maro tsy tambo ho isaina vinavinaina hatao e!

:-*
6. ari.malala ( 16/06/2008 12:12)
Marina ny tenin'i Angotiko. Hoan'izay te hitsidika na mba te hitondra izay voatsirambin'ny tanana dia ao am HJRA service neurochirurgie (1er étage) chambre 125 no misy azy ireo. Nanentana moa i Mme Mavo hoe mba tsiditsidiho izy ireo fa mangingina irery, ary anisan'ny manome hery azy ireo koa ny fitsidihana.
7. RATOVOARY ( 16/06/2008 12:43)
Misaotra ny @ tatitra ary misaotra ireo zay nanatrika ny fivoriana ihany koa indrindra ny @ fandraisana anjara t@ fanampiana an'i Kamba , Arak'izany de mitondra ambavaka ho azy ny tenanay. Zahay moa aty @ province ka tsy hita fa de izay no hany azo hatao.
Farany: miala tsiny raha toa ka tsy afaka t@ fivoariana natao teo noho ny eleneleantany sy ny asa zay tsy azo ialana.
Mampahery reo birao vaovao koa e!
8. glou ( 16/06/2008 13:25)
dia vita soamantsara tokoa ny fivoriana natao omaly iny , @ maha anisan' ny birao anay dia mbola vonona izahay ny hanoy ny asa sy hitarika ireo namana rehetra ato @ ty site serasera ity izay raha ny fahalalako azy dia efa aman' arivo ny misoratra anarana ato nefa rehefa tonga ny fiantsoana mba hanasoavana sy hijerena izay mahasoa sy izay azo atao @ ny fikambanana dia olona vitsivitsy sy ireo olona efa mpandeha hatramin' izay foana mba tsy hitenenana hoe les memes tetes eny fa dia nisy aza ankizy vaovao vitsivitsy nanohana ny antso,ka dia mbola manao antso avo foana izahay birao ny mba hanantevenanareo ny NAMANA SERASERA DAGO, fa ato ny tokotany filalaovantsika izay hahitantsika ny mahasoa eo @ fiainana ary ny mafinaritra ihany koa , izahay dia efa miezaka foana ny hamaly ny hetahetanareo @ fanaovana hetsika isankarazany ka mba miangavy raha azo atao mba omeo tanana re fa ny hevitry ny maro hono mahataka davitra , fa raha hanao hetsika toy ny inona ary izahay rehefa tsy eo ianareo dia hiasa maina izahay nefa fitiava_namana sy fifanampiana @ samy namana dia anisan' ny vahaolana hiatrehana ny fiainana koa manasa anareo ho tonga maro @ manaraka , indrindra moa hisy hetsika goavana hatao ato ato ka dia manantena antsika rehetra ehhhhhh!!!
glou_
9. naritsimba ( 16/06/2008 13:45)
Dia faly miarahaba antsika namana rehetra indray.
Fanampin'ny efa voalaza ihany no ho soratana eto.
tsapa t@ iny fivoriana iny fa misy hatrany ny fahavitrihana ho an'ireo izay efa nahita ny tsiron'ny fiarahana teo @ ireo namana efa nifankahita sy ireo nahare dia tonga nanatrika.
Matoa mbola nanaiky hanohy ny asa izay natombony ireo Birao izay efa nitantana teo aloha dia mahatsapa izany fa misy ny asa ilana fanohizana, izany anefa dia tsy vitan'izy ireo irery fa ilana finiavana avy amintsika rehetra.
Ny tsapa t@ fivoriana omaly dia ny fiezahana hamoaka hevitra na izany ireo namana efa nifankazatra na ireo namana vaovao, ny fotoana nifampiresahana indray no tsy ampy satria tsy manaiky tampenam-bava ireo tsy mpiteny teo aloha, indrindra i "Budspencer sy terence hill" hihihihi!
dia manantena ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay amin'ireo hetsika rehetra izay atao mandritra ity taona 2008 ity.
naritsimba
10. tsiafoi1 ( 16/06/2008 14:07)
Mankasitraka eram-po anareo mpitantana ny serasera dago nandefa ny tatitra feno. Ialan-tsiny indrindra moa fa na teo aza ny fikasana, de tsy afa-nanoatra nanoloana iny fetin'ny Raim-pianakaviana iny. Na izany aza vonona ny hanohana sy hampahery anareo hatrany @'ireo asa efa natomboka.
11. tsiafoi1 ( 16/06/2008 14:13)
Mankasitraka eram-po anareo mpitantana ny serasera dago nandefa ny tatitra feno. Ialan-tsiny indrindra moa fa na teo aza ny fikasana, de tsy afa-nanoatra nanoloana iny fetin'ny Raim-pianakaviana iny. Na izany aza vonona ny hanohana sy hampahery anareo hatrany @'ireo asa efa natomboka.
12. mamzelkely ( 16/06/2008 16:33)
faly miarahaba antsika rht, ialana tsiny alou tam ts fahatongavana tam fivoriana fa sahirana matetika amin'ity volana ity fa efa nahazo tatitra ihany fa de mandray anjara fôna amin'ny zvt rht izay karakaraina

:-*
13. angotiko ( 16/06/2008 18:36)
izaho dia manohana ny tenin'ny raprezy glou we, amin'ny arivo ny olona mifanerasera eto, nefa rehefa tonga ny fihaonana mivantana sy ny fivoriana ary ny hetsika samy hafa dia olona vitsy no tonga, dia mahagaga sy mahavariana be, tsy haiko misy antony manokana ve sa ahoana, ekeko fa misy ny fahasahiranana samy hafa, fa tsy we ao anatin'ny iray andro dia olona aminarivo dia miaraka tsy afaka fa sahirana, fa tena mahagaga be aloa e nefa koa tsy fanomezatsiny koa, fa dia ho antsika zay tsy tonga moa zany dia aoka tsy hanome tsiny fa dia manaiky zay tapaky ny fivoriana koa
nefa kosa:
zaho anefa dia manentana sy maporisika antsika rehetra we mba tongava aminn'y ireny fihaonana ireny fa tena mafinaritra, ny adidy vita ny fialamboly vita, ny fivoriana vita eo ihany, betsaka ny zavatra tsy fantatra manjary fantatra
14. ravatorano ( 17/06/2008 04:46)
ry buds sy ra terence marna tsy laitra ra naritsimba an !
indrindra fa ry navany sa ahaoan msé glou ?
tsy maitsy misy foana moa ny sampona ary izany tsy midika fahoe tsy ao anatiny ianareo tsy tonga fa hery mankahery an'dry zareo tonga tany aza ny fanohananareo ny fanapaha-kevitra niseho tao.

Momba an i Kamba dia anio izany ilay fandidiana atao aminy ary dia rahariva dia ho retsika eto ny fandehany tao.Mino aho nefa fa hizotra tsara izany fandidiana izany satria dokotera efa zadraharaha ny mpandidy hikarakara an'i Kamba.Na izany aza dia hiombom bavaka isika mianakavy hangataka ny fitahian'Andriamanitra mba ho tontosa soa aman-tsara ny fandidiana.
:D
15. ikalamako ( 17/06/2008 11:31)
miarahaba daholo,
misaotra sy manohana hatrany e.
Nisy contre-temps indray izany ka nahemotra amin'ny alakamisy ny fandidiana an'i Kamba kely. Dia tonga amin'ny tenin'i sefo moa hoe "mba mitombo ihany ny andro ivavahana" .
Mirary andro finaritra daholo.
16. ikalamako ( 17/06/2008 15:59)
Vaovao farany voaray izao indray izany dia aroso rahampitso fa tsy amin'ny alakamisy ilay fandidiana.
17. fijo ( 17/06/2008 22:25)
dia mankasitra sy misaotra anareo nitatitra sy nahavita soa ny zavatra nokasaina tany.ary dia mankahery hatrany koa mba hirosoana amin'ny manaraka e.
18. niryna ( 18/06/2008 04:08)
Misaotra antsika rehetra nitondra ny tatitra ary mivavaka ho an'ny zaza marary ihany koa aho.
19. akamatiana ( 18/06/2008 06:54)
ny tenanay kou mou zany de naniry ny ho tonga nefa kay le fotoana nifanontona ka tena miala tsiny . Am manaraka manao ezaka be ho tonga
Misaotra anareo izay mampiroborobo hatrany ny namana serasera .
:-*
20. MCZ ( 18/06/2008 13:22)
miandry ny tohin'ilay programa zao angambany no zava-dehibe de misaotra ny rehetra ihany ko .
ravatorano< marina mihintsy alony éé raha tsy teo ilay ranabavy tena matin'ny hatsika teo enao sy ra T-jay aaa
naritsimba< i buds sy terence alony tena mahay manisy sira ka tsy laitra ireo ka
fa dia mino za fa tafavoka somatsar izay ny operation andry kambana satria efa maro isika no nitondra ambavaka azy 2 kely ; dia mbola manainga hatrany antsika namana ny hampitombo ny vavaka izay efa natao, ka hoampetrantsika eo ampelatanan'A/tra ny hoavindry zareo.
:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3695