Bony fety daholo ny DADA !

1. Gie ( 15/06/2008 07:05)
Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan'ny fiainako
Tsy mitandro hasasarana
Tsy mety valalanina
Satria mitsinjo an-janany

Dada be fitivana
Jiro nanazava ny fiainako
Niafy dia niafy ianao
Nanao izay azonao natao
Isaorako eto ny anaranao

Ianao indrindra no nampianatra ahy
Hiatrika ny fiainako any aoriana
Niaritra ny mafy ianao
Tsy hisy hahasolo ny anaranao
Hitoetra ao am-poko ny fitiavanao
Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra
O! ry Dada o! Tena tiako ianao

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan'ny fiainako
Nitaiza sy nanalokolo
Eny, na dia fotsy volo
Zay nataony vokatry ny fo

Dada be fitiavana
Jiro nanazava ny fiainako
Nananatra, nampianatra
Nikolokolo fatratra
Fitiavana tsy takatry ny loha

bonne fête daholo Dada rehetra ! Ho tahian'Andriamanitra lalandava ! :-* :-* :-*
répondu par diamondra27 le 15/06/2008 16:59
2. endrika01 ( 15/06/2008 14:57)
Mirary fety sambatra hoanareo raim-pianakaviana rehetra ato @ namana serasera!Amin'izao anio izao ,izay andro natokana hankalazaina
izany vanim-potoana izany!

Mirary sy maniry anareo hitraka hatrany eo @ fiainana,
hahafahanareo manandratra avo lay ,tokan-tranonkely,satria ianareo no lohan'ny fianakaviana,ray be fitiavana,sy fandeferana,sy masiaka koa ndraindray ,hi hi hi .Mirary fety sambatra ary e! :-* :-* :-*
3. pissoa ( 15/06/2008 15:51)
Dada malala,
tsy foiko indrindra
Lazalazao re fa manina azy aho izany

...

Mirary soa an'izay efa dada rehetra :-P
4. diamondra27 ( 15/06/2008 16:59)
je dedie ceci a tous les papas du monde

http://www.dailymotion.com/video/x25x5g_bodo-dada

:-* :-* :-* :* :* :* :* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2847