Ny teny malagasy : teny ibeazako, teny ahombiazako

1. sitlo ( 14/06/2008 05:56)
Mba mangataka ny fehi-kevitr'io aho izay mba afaka manoratra. Na raha misy afaka manome rohy dia tsy maninona koa.

Tsy ilay sarisary ao amin'ny flirk an. Fa ny fehin'ireo hevitra noresahana tao amin'ny akademia mihitsy.

Misy mpitantana roa ato amin'ny serasera mantsy hitako tao amin'ny sary. :°)

1- Rakotomalala Daniel
2- Rasoarifetra Bako
3- Raoelina Andriambololona

Ilay an-dRaoelina no tena tiako ho fantatra.

:wink:
2. xxx ( 14/06/2008 07:29)
Tongava namana, hidiro sy hirotsahy ny http://telomiova.org/
3. sitlo ( 14/06/2008 08:48)
Marina hoe ny firaisana no tsiky dia ampy. Fa saingy amin'ny lafiny iray, somary tsy maharisika amin'io tetikasa aho. Ny antony dia mbola tsy ampy ny fahaizako :oops:, dia hitako mampikatso ahy ny miditra anaty projet. :wink:
4. tess ( 14/06/2008 09:46)
aza avela hikatso e! :°)

tsy manan-kery io amiko amin'ny toerana misy ahy sy ny fiainanko iainana ankitrio

8)
5. xxx ( 14/06/2008 11:44)
hoy i tess hoe tsy manan-kery amin'ny toerana misy ahy, sy ny fiainako iainako ankitrio!!!!!! fa inona ny ataonao izoa tsy manoratra teny Malagasy? misy ilainao ny tenindrazanao ihany izany, fa aza dia manao valalan'amboa e!
6. tess ( 14/06/2008 11:51)
[quote=xxx]
hoy i tess hoe tsy manan-kery amin'ny toerana misy ahy, sy ny fiainako iainako ankitrio!!!!!! fa inona ny ataonao izoa tsy manoratra teny Malagasy? misy ilainao ny tenindrazanao ihany izany, fa aza dia manao valalan'amboa e!
[/q

izay ny hevitro sy ny fahitako azy ry xxx ah! tsy misy idiran'ny valalanao izany...tsy miresaka ny eto am internet sy ny dite sera aho akory

7. tess ( 14/06/2008 11:54)
azavaiko: tsy hibeazako satria tsy misy miteny gasy eto am manodidina ahy am fiainanako andavan'andro, tsy ahombiazako ihany koa satria tsy misy liana amin'ny teny gasy ihany koa ny toera-piasàna sy ny rehetra izay alehako eto amin'ny manodidina ahy! mazava amizay ve ry xxx?????? :P
8. sipagasy ( 14/06/2008 11:57)
hihih tess, ento mora e!!!, amiko aloha dia miasa andro aman'alina ny teniko é!, indraindray aho mampirafy teny ihany dia menatra avy eo hoe, ity lozanao lahy é!. Izay koa ngamba ny maha izao ahy? tsy voatery hitovy ny rehetra kan, somary feno angolan-teny mahafinaritra ny sofiko izany mantsy io teny malagasy io é!
Ny anareo ksoa teny inona no tena ankafizinareo?
9. tess ( 14/06/2008 12:06)
sipagasy: ka nomariniko tsara anie ilay izy hoe

3. Mpandefa : tess [ Valio ] 14-06-2008 11:46:50
Lohateny : Re : Ny teny malagasy : teny ibeazako, teny ahombiazako
aza avela hikatso e!

tsy manan-kery io amiko amin'ny toerana misy ahy sy ny fiainanko iainana ankitrio

ngamba mazava kosa ny tiko lazaina....hihihihih
raha eto aminay dia ny fahaizana miteny allemand no tena mahomby.....
torakizany ny fampiasàna io langue io am fiainana andavan'andro.....raha misy miresaka aminao am teny allemand ka mamaly am teny frantsay enao de efa miova ratsy velona ny tarehiny, indrindra fa ny teny gasy tsy ahombiazako mitsy aty aminay aty :-D izay no tiko lazaina......eo
fa tsy hoe akory hoe tsy tiko ny teny gasy......fa toa otrzay mantsy ny fandraisan'i xxx azy ny fahitako azy......
vakio tsara moa izay vosoratry ny hafa vao manakina e! :-P
10. xxx ( 14/06/2008 15:27)
sipagasy:

hihih tess, ento mora e!!!, amiko aloha dia miasa andro aman'alina ny teniko é!, indraindray aho mampirafy teny ihany dia menatra avy eo hoe, ity lozanao lahy é!. Izay koa ngamba ny maha izao ahy? tsy voatery hitovy ny rehetra kan, somary feno angolan-teny mahafinaritra ny sofiko izany mantsy io teny malagasy io é!
Ny anareo ksoa teny inona no tena ankafizinareo?
ILAY OHATR'IZAO no manome vahana ireny mpanao valiteny masika ireny, ENTO MORA AHOANA KOSA? tsy ianao no mahazo paquet ka mora ny fandraisanao azy ...

:twisted:
11. xxx ( 14/06/2008 15:30)
8O oudryyyyyyy! misy tratran'ny haretin'ny haromotoana koa ato izany :-D
12. xxx ( 14/06/2008 15:54)
alao mora e, mipotsaka eo ny voamasonao io!!!!!!!
13. xxx ( 14/06/2008 16:02)
hay ve e! izay vao azoko ny tian'i lazain'i xxx9
14. sitlo ( 14/06/2008 17:24)
Hihihi, mampihomehy koa ianareo.

Ilay telomiova tsy misy compte rendu. Efa nojereko daholo fa e e e... groupe google, groupe yahoo, ny gazety, ny blog isan-karazany moa mazava ho azy.

Ohatra ny tsy mihidy amin\'ny fampitam-baovao ihany isika malagasy an.
15. Maevasoa ( 29/06/2008 16:15)
Ny teny malagasy : teny ibeazako = Teny nahalehibe, amin'ny maha malagasy anao dia io no teninao. Ny hifandraisanao amin'ny fianakavianao, ny fanantontosana ny fianaranao, ny fiaiananana andavanandro dia amin'ny teny Malagasy, raha mbola malagasy ianao dia tsy afaka ny hiteny hoe tsy ibeazako ny teny malagasy satria teny ampiasainao amin'ny tontolo iainanao. Raha eto madagasikara ianao no mipetraka dia mitombona io, fa ho an'ireo malagasy mipetraka any ivelany dia arakarakin'ny manodidina, ny fiaraha monina ary ny fomba fitaizana ao an-tokantrano.

Ny teny malagasy : ahombiazako = amin'izao vaninandro iainantsika izao dia azo lazaina fa tsy ampy hahombiazana amin'ny fiainana ny teny malagasy, tsy hoe fanambaniana ny teny malagasy akory, fa tsy maintsy jerena ny réalité, ilaina ny mahalala teny maromaro, raha ny domaine scientifique aloha dia ny teny frantsay no mbola teny iraisam-pirenena, raha ny domaine communication, affaires, dia ny teny anglisy, allemand, espagnole, ary efa manomboka izao ny resadresaka fa atsy ho atsy ny tenin'ny ho avy dia ny teny sinoa, japoné. Raha hijery ny sehatra internationale dia tsy ampy ny fitenenana teny Malagasy tokana.
16. endrika01 ( 10/07/2008 15:44)
Efa hitako tany ho any ity dinika ,entiny namana eto ity.T@zay koa voalaza tao we Ny Tenin-dreny ,Teny Reny,fa tsy dia nazava tamiko loatra! Tany ho any @volana febroary tany,:D:D:D
17. tess ( 10/07/2008 16:06)
Maevasoa:

ka io voalazanao io indrindra no tiko lazaina etsy ambony, hainao ny nanazava azy!

:-P
18. tess ( 10/07/2008 16:07)
endrika01:

Efa hitako tany ho any ity dinika ,entiny namana eto ity.T@zay koa voalaza tao we Ny Tenin-dreny ,Teny Reny,fa tsy dia nazava tamiko loatra! Tany ho any @volana febroary tany,:D:D:D

endrika: izay izany ilay hoe ny dinika tary no entina aty.....

:^) :-D
19. endrika01 ( 10/07/2008 20:01)
tess:

endrika01:

Efa hitako tany ho any ity dinika ,entiny namana eto ity.T@zay koa voalaza tao we Ny Tenin-dreny ,Teny Reny,fa tsy dia nazava tamiko loatra! Tany ho any @volana febroary tany,:D:D:D

endrika: izay izany ilay hoe ny dinika tary no entina aty.....

:^) :-D

Tess>tsy tato @forum kah,tany @ GAZETIKO le 20/02/2008
20. tess ( 10/07/2008 20:16)
ka eny wa! dinika tary no netina taty :wink: :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4553