ny vady

21. rebeccaF ( 16/06/2008 13:07)
Izaho kosa aloha tsy mba momba ilay hevitra hoe: tsy mety ny celibat satria ilaina ny lehilahy e (ohatran'ilay voalazan'i sakaizakely io).
Amiko izany vady izany dia: "namana" fa tsy sanatria "fitaovana" na "machine", ka ilaina mba hanao an'izao sy izao.
Io fomba fijery io dia tsy mampaharitra ny tokan-trano satria rehefa tapitra izay ilaina ilay "lehilahy" dia azo soloina hafa izy satria tsy misy dikany intsony (toy ny pile lany, na akanjo fitafy tsy manendrika intsony, sns...)


Mba hampaharitra ny tokan-trano dia tokony samy hanaiky ny mpifankatia aloha hoe: Ity olona miaraka amiko ity dia tsy fanamperana, fa saingy tiako ka vonona aho handefitra ny fahaleminy sy ny kilemany. Ary ny fitiavako azy dia hahatonga azy ho fanaperana lalandava ho ahy.

Ny fifampitokisana no tena fototra ijoroan'ny tokan-trano, raha tsy misy io dia afo be no iainana. Andraikitry ny mpivady no mampisy na tsy mampisy an'io ao amin'ny tokan-trano.
22. xxx ( 16/06/2008 13:26)
sakaizakely:

Fa maninn kay no lasa otran'zany e ?


Satria tsy tia mi s'engager, tsy tena vonona hiaritra ny mafy fa zatra tany malemy hoy ilay namana tary aloha, tsy vonona hanao concession, matahotra olana ... bref tahotra sy fitiava-tena no mbola mameno ny saina sy ny fo ... tsy tena tia ve ?


23. ikaretsaka ( 16/06/2008 15:20)
ari.malala:

ie aleo iany selibany otranà aky a ;-):-P:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D



tsa selibany ny filaza azy fa devorseh
24. ari.malala ( 17/06/2008 07:47)
ika, zany onnnn :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
25. malalatinasoa ( 27/06/2008 07:42)
Mety hoe zatra ny fiainany sy ny liberte t@ celibataire dia matahotra ny hanao concession @ fanambadiana.

Mety koa hoe mbola tsy nitapo t@ le tena izy manpamandrimandry ny fiainany, fa refa otraotrizay na i Philippe de Monaco ary mety hanambady.
26. naritsimba ( 01/07/2008 13:52)
Aza maika ny hanambady eh! (hiran'ny ROSSY) hoy izay hira izay;
27. tsiafoi1 ( 03/07/2008 15:08)
Za manokana indray de mamporisika ny célibat mba hanambady raha tojo izay tia sady tiana. Ny antony, raha ny fanirian'olombelona dia tsy mety afa-po, fa mitady ny vao sy ny tsara mandrakariva. Izany anefa raha @'ny lafiny fitiavana, de tsy mety ho ritra raha mbola misy koa ny atao hoe aina. Misy foana ny fahaterahana isan'andro. Ny filana tsy foafetra no mampirongatra ao anaty ny filàna hafahafa de ireny miseho @'ny resaka pédophilie sy hosexualité ireny, satria tsy mahalala onony ra-Olombelona.

Noho izany tena Hendry Andriamanitra nametraka ho modely hatrany ampiadohana ny Fanambadiana (Adam + Eve = Lehilahy 1 + Vehivavy 1). Ny fanambadiana no limite iray mandrindra ny fiaraha-monin'ny olombelona.
28. naritsimba ( 07/07/2008 13:12)
« Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy. Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay. » (1 Korintiana 7:8-9)

Azo vakiana daholo ny (1 korintiana 7)



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0726