Sold sold, tongava izay hividy eh

1. Solitikabe ( 13/06/2008 03:32)
Ho anareo vahiny, tsy Gasy tsy Karana na Sinoa teratany, tongava mividy fa Madagasikara no amidy.
Ireto ny santionany koa aza miveravera.
http://www.panafrican.com/documents/MRA%204%202005%20-%20MADAGASCAR%20PG%2016-19.pdf
http://www.riotinto.com/media/5157_3440.asp
http://www.alcan.com/web/publishing.nsf/Content/Alcan+to+Explore+Development+of+Bauxite+Mine+and+Alumina+Refinery+in+Madagascar
http://www.sherritt.com/doc08/pdfs/news/2007/SIC_Financing_Release_20070824.pdf
Raha mila mpiasa aza misalasala fa ny karama eto mora eh. Sady izahay fanjakana miaro anao tsy misy fe-petra
(Mbola eto am-panamboarana ny dika teny vahiny ho anareo ny Filoha)
novalian'i rahiratra ny 18/06/2008 03:21
2. badboy ( 13/06/2008 14:50)
jeankely >> Hiadio ny hevitra raha manakevitra f'aza laozana manompa olona!!! :twisted: :twisted: :twisted:
3. Jeankely ( 13/06/2008 15:05)
Diso tsipelina kay :-D :-D
4. LazaDaddy ( 16/06/2008 05:32)
solitikabe> io r'ise ny vokatry ny "ramatahora" a. Tsy sahy mampiasa ny vola sy fahaizany eto Madagasikara intsony ny Malagasy noho ny "ramatahora politika". Mampalahelo indrisy fa hatramin'ny "boto" aza toa afarana hatrany Philippines fa tsy mba "executive officers" na "teknisianina" farafaharatsiny.
5. Jeankely ( 16/06/2008 06:40)
Manaporofo io fa mbola misy mahantra betsaka nohon'ny Malagasy ny "filipinas" noho izany manaiky karama ambany kokoa. Averina foana eto hoe ahoana ny karaman'ny Zone Franche ohatra ary hidiran'ny mpanao politika ary hirairain'ny mpanohatra ny hakelin'ny karamany. Koa inona no olana raha mitady boto hafa izy. Tsy fifanarahana iraisampirenena angaha izany ny fidiran'ny vokatra, fivezivezen'ny olona sy ny vola?
Misy ny Malagasy vitsivitsy lasa manao mpiasa antrano ao "Dubai" satria mitovy @'izay ihany koa ferana ve ?
Teknisianina no tena tokony hanehoan'ny Malagasy ny maha-izy azy ary afaka mandray izay fahalalana tsy mbola hanany fa tsy hifandrom,baka ho BOPTO araka ny teninao.
6. LazaDaddy ( 16/06/2008 06:56)
Jeankely> Diso hevitra ise raha izany fa manodidina ny $60K - $80 K ny karaman'ireo "boto" Philippinos ireo. Misy "standard" io karama io amin'ny kaompania toy itony fa tsy hoe miovaova araky ny firenena. Tsy zone franche io akory na hoe "import-export" fa manana ny "standard" ireo kaompania lehibe ireo amin'ny firenena rehetra misy azy.

Ny mampanahy dia hoe mety tsy nankatoavin'ny fitondrana angamba (sanatria) ny andraisan'ny tera-tany Malagasy vola toy izany, dia izay no mety antony anafarana "boto" avy any Philippines.
7. Jeankely ( 16/06/2008 15:25)
Dia ianao indray izany no namadika ny dikan'ny BOTO. Aminay tsy BOTO ny be karama. Porofon'izany na nianatra sy mahay inona aza ianao ka kely nohon'ny karaman'ny Miaramila vatata..na polisy vao nivoaka dia hiomehezana ka asa na iza no tokony atao hoe BOTO amin'izay ? Aleo ho avy hanatsara taranak'akoho e :-D :-D :-D
8. LazaDaddy ( 16/06/2008 23:14)
Jeankely> ny hoe "boto" amin'ny orin'asa toy itony dia ny "operator", na ireo fanirakiraka.
9. Jeankely ( 17/06/2008 00:58)
Tsy haiko izay Famiratanao ny BOTO fa aminay dondrona dia maro ny ankizy samy nianatra teny ankatso ohatra misy ny lasa manao asa tsotra any @'ny Tetik'asa (Projet) ary mandray karama betsaka misy ny miasa fanjakana. Raha jerena ny zava-bitan'ireo ankizy roa ireo dia mahavita mamelona ny tokantranony tsara ilay iray any @'ny "Projet" ka asa iza no tokony atao BOTO amin'ireo.
Tsy ahafahany mody isankerinandro angamba ny karamany fa kosa ahafahany miaina eto amin'ny tanana. Asa na vary sy sakafo ary ny rehetra avy any "Filipino" koa hoy ianao no haniny sy ampiasany ?
Ny Malagasy mitady lalana hivoaka ary izay tafavoaka mitady lalana hijanona kay moa izany efa misy ny hazakazaka ho any Madagasikara ka aiza no olana.
Io rehefa atao ho ratsy dia ratsy fa rehefa heverina ho tsara dia tsara. Ka asa na ny eritrerutrareo ihany no tokony arahina.
10. LazaDaddy ( 17/06/2008 01:30)
jeankely> mivoaka ny adihevitra isika :). Nanontany ny famaritana ny boto amin'ny orinasa toy ireo nomen'i Solitikabe ireo ianao dia io nomeko io.
LazaDaddy:
solitikabe> io r'ise ny vokatry ny "ramatahora" a. Tsy sahy mampiasa ny vola sy fahaizany eto Madagasikara intsony ny Malagasy noho ny "ramatahora politika". Mampalahelo indrisy fa hatramin'ny "boto" aza toa afarana hatrany Philippines fa tsy mba "executive officers" na "teknisianina" farafaharatsiny.
11. Jeankely ( 17/06/2008 03:01)
Ka saina tsy mitovy dadakoto ooo. Tsy ny takatry ny sainao no arahina fa izay ataon'ny eo amin'ny fitondrana. Mba miakara dia mba mahazo ny alalana avy amin'ny vahoaka ihany koa hitondra ny firenena. Ankoatr'izay rivotra sa resaka BOTO ??? =)) =)) =))
12. LazaDaddy ( 17/06/2008 03:12)
jeankely:
Ka saina tsy mitovy dadakoto ooo. Tsy ny takatry ny sainao no arahina fa izay ataon'ny eo amin'ny fitondrana.
hay ve izany ka kely saina ny eo amin'ny fitondrana! :)
13. Jeankely ( 17/06/2008 05:02)
F'angah rehefa tsy mitovy amin'ny anao dia kely sa ny anao no "reference". Ny lehibe noho ny anao no betsaka ao ary efa nantontanianay tsy nianatra ny sasany milaza mahay atsy ambadika ka nalahelo mafy. Averiko aminao ary ilay fanontaniana hoe misy PhD maro ny Ministra ka ny anao PhD amin'ny inona no mihevitra fatratra? =)) =)) =)) =)) . Raha mbola tsy manana dia jereo fa manana ny sasany =)) =)) =))
14. LazaDaddy ( 17/06/2008 05:47)
jeankely:
Averiko aminao ary ilay fanontaniana hoe misy PhD maro ny Ministra ka ny anao PhD amin'ny inona no mihevitra fatratra?
Jeankely>mampitsiky ahy ise :) ...mandehana jereo ao amin'ny google :-$
15. Jeankely ( 17/06/2008 08:19)
Ampidirina ao google ve hoe LazaDaddy ? :-D :-D :-D dia mivoaka fa Professor ? :-D :-D :-D . Tsy voavidin'ny gasy ka any andafy satria tsy Sold sold sold akory
16. LazaDaddy ( 17/06/2008 23:02)
Jeankely> ampidiro ao amin'ny google hoe jeankely dia mivoaka hoe "kanota" =)) =)) =))
17. kanota ( 18/06/2008 01:27)
tsisy mbola nampiditra kanota ao @ google aloha fa izay hifanarahanareo tairina. Jeankely no niresaka taminao fa aza sokafana ny gidraka amin'i kanota.
18. LazaDaddy ( 18/06/2008 02:04)
http://www.google.ca/search?q=jeankely+kanota&hl=fr&filter=0 anie ry jean kanota kely e! =))
19. rahiratra ( 18/06/2008 03:21)
Manja kosa ilay izy an. Efa tsy mpikambana serasera tsony vao atao malaza indray. Mandany andro amin'ny efa dila ve ry LazaDaddy a =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0427