4x4 député sy sénateurs : tena ilaina???

1. badboy ( 12/06/2008 09:02)
Otran'ny tsy dia tena hitako loatra no tokony hanomezana 4x4 ny sénateur sy ny député!
novalian'i penguin ny 19/06/2008 01:23
2. rajoelina ( 12/06/2008 09:04)
Manaova koa ingahy député de mahazo 4X4 :lol:

Tsy hitako zay olana leisy e, ôtrany oe mialona zany elah sa ahoana??

;-)
3. Annie2006 ( 12/06/2008 09:36)
Io ilay "corruption" e. Tambatambazana amin'ny 4x4 daholo izay olona hianteherany. Tsy ity ranagahy ravalomanana ity moa nilaza izay tsy ela akory fa tsy hanome 4x4 intsony ny député sy ny sénatera satria fandaniambola fotsiny? Io ary (efa mahazatra azy io) miverina amin'ny naloany indray.

Tsarovy fa mbvola misy député "indépedant" efatra tsy mbola nomena 4x4 mihitsy hatramin'izao. Hita mibaribary izany fa tsy misy fanarandalàna mihitsy fa samy manao izay saimpatany ny fitondrana. Loza é.
4. ainaheri ( 12/06/2008 09:38)
Za kou lesy efa niresaka an'io ra badboy fa tsy azoko we maninn no tambazana 4x4,mba nitantara an'io aho t@ vazà namako d gaga ry zareo we manankarena kou zany fanjakana any aminareo zany no manome 4x4 isaky ny mandat, Amiko manokana tsy ilaina ,na koa we tokony nanome soso-kevitra oe:Omena ny 4x4 fa tsy tompony izy,mametraka caution ,refa tapitra ny mandat d atao ny expertise,ka araka ny fahasiimbana no alohanao,ny fiara refaveo afaka atao lavanty.....Eritreritra ny ahy iny fa tsy haiko we mety sa aona hoy ny sasany lol
5. rajoelina ( 12/06/2008 09:57)
badboy: raha mba zah no député amin'izany de BMW no tiako.

sa tsy mety??

6. Jeankely ( 12/06/2008 10:50)
Ho an'i Ainahery: Ny tsy mety ve no mba resahinao ny vazah namanao sa inona no dikany. Ary aza adino fa tsy mitovy fijery koa ny vazah samy vazah.
izay rehetra tapahany ary atao ao Madagasikara ao Matetika hevitra avy amin'ny vazah ny ankamaroany ary vazah hafa sy ny gasy andafy milaza mahay koa mitsikera sy manazava ny tsy fetezany.
Izao tsy mankasitraka firy ilay fandaniambola fa ilay miveraka amin'ny vazah no mampiomehy ihany. Sokafana daholo hoe ireto no misy any @ taniko na tsy anontanian'ilay vazah aza. Asa koa raha mitady fanampiana.
Ankoatr'izay aleo hiavaka ny Solombavabahoaka sy ny Senatora na fohano rehefa tonga sy mitondra indray ianareo. Hararaoty dieny izao ny voalazanareo tsy fahaizan'ny fitondrana fa azonareo mora io ary asehoy ilay fahaizana avy eo. Tsy mila mandany andro akory fa avela izy hanao ny tsy mety fa mampety anao tia hitondra izany
Sa tsy hanao fa miwaiwaiwai fotsiny?
7. xxx ( 12/06/2008 11:43)
badboy:

Otran'ny tsy dia tena hitako loatra no tokony hanomezana 4x4 ny sénateur sy ny député!



...satria tsy takatry ny lohanao no tokony ho asan'izany depioté, misy depioté koa tsy mahay izany...
8. ainaheri ( 12/06/2008 12:52)
Politikan-dradidy io mba hanambazana an'reo député handaniany ny volavolan-dalànany,itan-dra8 fa nety le izy d narahany lol
9. Jeankely ( 12/06/2008 13:18)
hay moa i Ravony PM i Ra-didy nahita i 4x4 io. Tsy tsaroako. mahalala marina nareo zany. handray taratasy ny penina ary hanovo eto izahay izao ka
10. agoago ( 12/06/2008 14:31)
Fa tamin ny ftiondran'ny taloha, ohatra Tsiranana, inona tokoa no nanaovan'ny députés déplacements r'ireto. Tokony andramana averina indray anie ny tam'izany dia mba tsy lany vola be ohatra izao ny fitondrana. Aiza ve koa volambahoaka no ividianana automobila dia lasanao lay izy.Tsy hita fa izay lay izy, akory atao.
11. Annie2006 ( 12/06/2008 14:42)
Raha ny député voafidimbahoaka marina (fa tsy namboamboarina ato amin'ny ministera sy halabato isankarazany), ary manana fahefana mpanaramaso (ny asan'ny governemanta) marina, feno sy tanteraka (fa tsy saribakoly sy mpanao tsangatanana fotsiny) dia misy ny ilàna ny 4x4. Fa mila voasoratra mazava amin'ny tetibolam-panjakana izany fa tsy hoe avy "amin"ny prezidansa".
Izay no ilàna ny "fanamboarana" ny sehatry ny fanaovana politika ao madagasikara ao sy ny fanilihana ny jadona.

Fa raha hanaovana kolikoly ka hanambatambazana depiote tsy tiam-bahoaka fa mpisolelaka ny filoha fotsiny dia aleo hofoanana ny depiote sy ny senatera. Foananana miaraka amin'izany ny 4x4, ny finday sy ny hafa.

Ary raha omena 4x4 ny depiote dia tokony aloany, farafaharatsiny, ny antsasaky ny vidin'ny 4x4.

Fa raha ravalomanana sy ny depiote TIM kosa dia ehe, vola very e. Sady depiote tsangatanana, be torimaso, mpisolelaka ary kamo be tenda. Izany mihitsy no nanazaran'ingahy rainy azy. :@
12. Jeankely ( 13/06/2008 03:33)
I ngah rainy angah no nanazatra sy nampianatra an'ireo? Misy injeniera, misy dokotera misy mpampianatra dia midika ve fa tany andafy ingahy rainy nampianatra. Nefa toa hoe tsy nianatra izy ?
13. Annie2006 ( 13/06/2008 10:04)
Tsy tonga nivory indray ireo "notambazana @ 4x4" omaly. Ireny hoa ny kamo be tenda. tssssss! :evil:
14. Jeankely ( 13/06/2008 12:21)
Eheheh malahelo mafy mihintsy ianao izany. F'angaha nirotsaka tsy lany sa ahoana no mitady harary fo. Tsy mihaino anao anie ny olona ry tonaka e. :-D :-D
15. Annie2006 ( 13/06/2008 13:24)
Jeankely:

Eheheh malahelo mafy mihintsy ianao izany. F'angaha nirotsaka tsy lany sa ahoana no mitady harary fo. Tsy mihaino anao anie ny olona ry tonaka e. :-D :-D

Fa malahelo amin'inona indray é? efa mitapy ve ianao ity sa ahoana e?
Tsy mihaino aho amin'inona? F'angaha ny amin'ny forum misy an'izany mihaino olona izany? tssss... tena lany mofo enao ity ra JK.
:-@
16. Jeankely ( 13/06/2008 15:06)
Lany vary gasy angamba satria tsy mofo no haninay mahantra fampiresahanareo kano oooo
17. Annie2006 ( 13/06/2008 16:39)
efa mandeha ny fanangonatsonia ataon'ireo depiote sy sénatera tsangatanana sy kamo be tenda amin'ny hividianana mofo an'i JK satria tsy mahavoky azy ny 4x4. :-D :-D :-D :-D
18. Jeankely ( 14/06/2008 01:19)
Izay indray tsy haiko. Tsy mofo ho an'i JK izany fa ho azy tsy vokin'ny 4x4 hoy ianao. F'angah moa tsy nolazainao hoe tsy tonga nivory ry zalahy no manangantanana any antranony sa ahoana izany ?
19. kidoropamba ( 18/06/2008 18:50)
Na misy na tsy misy depute. Ny filoha hajaina Ravalomanana ihany no anay.
God save Ravalomanana. ^:^
20. penguin ( 19/06/2008 01:23)
Sao hanontanian'ny sasany eo koa hoe Jeankely = kidoropamba =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.9462