Ry dada malala,ry dada malala a.Misento ny foko.....

1. niryna ( 11/06/2008 13:53)
Miarahaba ny ray rehetra aho.Fisaorana sy fiderana feno no atolotro ho anareo rehetra.Tsy mora ny mitondra adidy,miaro ny vady aman-janaka,miasa andro aman'alina ary mitady sakafo atolotra ho an'ny fianakaviana.Mety tsy miseho ety ivelany ny fitiavanareo toy ny reny kanefa kosa dia midera ny ezaka rehetra izay nataonareo ho azy ireo aho.Ankino amin'Atra ny fiainanao sy ny fianakavianao.Atolory Azy ny olana rehetra fa hainy foana ny mamaha izany,mangataha aminy mba tsy ho voatariky ny fakam-panahy fa mihaohao toy ny vitsika ary toy ny liona ny fanahy ratsy ka mitady izay arapany.Miambena ,miambena.Ny fahasoavan'ny Tompo anie hiaro anareo Ray rehetra.
Raha mba misy mahatadidy ity hira ity dia mba atolory kely ho an'ny Ray Rehetra .
RY DADA MALALA,RY DADA MALALA

Ry Dada Malala ,Ry Dada Malala a
Misento ny foko,misento fa lavitra anao ...


ba mamikely ho an'ny Ray rehetra
(l) niryna
répondu par niryna le 13/06/2008 04:09
2. ni81 ( 11/06/2008 17:44)
Dia atolotra ny ray rehetra izany ity hira ity araka ny nangatahin'i niryna. Miala tsiny fa misy tsy tadidy o! :lol:

Ry dada malala
Ry dada malala
Misento ny foko
Misento fa lavitra anao
Ry dada tsy foiko
Tsy manan-tsahala
Ny fanantenako
Ny hiverenanao

Tsy maty aho tsy akory
F’aza misaona
Ny fanantenako
D’izany sy izany
...........
...........
Fa mbola hihaona
Indray andro any

3. Mimhie ( 12/06/2008 06:25)
tena tsy haiko ilay hira, fa ity kosa atolotro ho an'ny Ray rehetra koa! tena tiako ity hira ity,

Dada a! olontokana
Masoandro amambolan'ny fiainako
tsy nitandro hasasarana , tsy nahalala vizana a!
satria nitsinjo anjanany

Dada a! be fitiavana
Jiro manazava ny fiainako
Nihafy de nihafy ianao
Nanao izay azonao natao
Hisaorako eto ny anaranao

Ianao indrindra no nampianatra ahy
hiatrika ny fiainako any aoriana
sns sns sns
mba tohizo fa tena tsy tadidiko ny tohiny
misaotra mialoha e! de handeh hiaraka hihira daholo!
4. tslem ( 12/06/2008 09:07)
ni81:

Dia atolotra ny ray rehetra izany ity hira ity araka ny nangatahin'i niryna. Miala tsiny fa misy tsy tadidy o!


Ry dada malala
Ry dada malala
Misento ny foko
Misento fa lavitra anao
Ry dada tsy foiko
Tsy manan-tsahala
Ny fanantenako
Ny hiverenanao

Maniry mafy
ny mbola hihaona.
Ny fanantenàko,
izany dia izany.
Tsy maty aho tsy akory
f’aza misaona,
fa mbola hihaona
'ndray andro any

Ry zaza malala
ry sombin'ny aiko.
Ny feonao miantso
dia manindrona ny saiko.
Ho avy re ny ora
hifankahita indray.
Tsy hifandao intsony
ny zanaka sy ray.




5. ni81 ( 12/06/2008 10:46)
Dia tena misaotra tslem fa tena tadidinao tokoa ilay izy! :) Mbola sambatra ny manana dada... :cry:
6. Belami ( 12/06/2008 21:08)
ni81:

Dia tena misaotra tslem fa tena tadidinao tokoa ilay izy! :) Mbola sambatra ny manana dada... :cry:



marina io teninao io, tena sambatra mihitsy !!!
7. niryna ( 13/06/2008 03:54)
ni81:

Dia atolotra ny ray rehetra izany ity hira ity araka ny nangatahin'i niryna. Miala tsiny fa misy tsy tadidy o! :lol:

Ry dada malala
Ry dada malala
Misento ny foko
Misento fa lavitra anao
Ry dada tsy foiko
Tsy manan-tsahala
Ny fanantenako
Ny hiverenanao

Tsy maty aho tsy akory
F’aza misaona


Ny fanantenako
D’izany sy izany
...........
...........
Fa mbola hihaona
Indray andro any


(l) (l) (l)

io indrindra ilay hira ,misaotra betsaka o


:-*
8. niryna ( 13/06/2008 03:58)
Mimhie:

tena tsy haiko ilay hira, fa ity kosa atolotro ho an'ny Ray rehetra koa! tena tiako ity hira ity,

Dada a! olontokana
Masoandro amambolan'ny fiainako
tsy nitandro hasasarana , tsy nahalala vizana a!
satria nitsinjo anjanany

Dada a! be fitiavana
Jiro manazava ny fiainako
Nihafy de nihafy ianao
Nanao izay azonao natao
Hisaorako eto ny anaranao


Ianao indrindra no nampianatra ahy
hiatrika ny fiainako any aoriana
sns sns sns
mba tohizo fa tena tsy tadidiko ny tohiny
misaotra mialoha e! de handeh hiaraka hihira daholo!

dia ampiko kely

:-*
9. niryna ( 13/06/2008 04:04)
ni81:

Dia tena misaotra tslem fa tena tadidinao tokoa ilay izy! :) Mbola sambatra ny manana dada... :cry:

marina tokoa izany,aleo tiavina tsara izy dieny mbola velona ,ary ho an'ny ray tena ilaina tokoa ny mizara izany fitiavana izany ho an'ny ankizy.

:D
10. niryna ( 13/06/2008 04:09)
Belami:

ni81:

Dia tena misaotra tslem fa tena tadidinao tokoa ilay izy! :) Mbola sambatra ny manana dada... :cry:



marina io teninao io, tena sambatra mihitsy !!!
dia ireo ray koa anie sambatra manan-janaka e.
Hendry hono zanak'i dada
Maditra kosa zanak'i neny :roll: :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4757