Ny tsy te am-piasa saina ihany hono no be mokon-doha ??

1. niryna ( 09/06/2008 17:49)
Raha natao hono ny fandinihana dia 10% ihany saina am-piasaintsika,kanefa afaka mihitatra hatramin'ny 70-95% mihitsy aza izany.
Ireny olona tsy te hivaky saina,toa dondrona ,na manda ny tsy hianatra na hikaroka ireny anefa hono no tena be mokon-doha.Ahoana izany?
Ka tsy tsy aleo tokony ary ve manao fikarokarohana,mamaky boky,mamorom-porona ny saina na ny fanaovana karazana sakafo fotsiny aza.Raha vao tsy miasa hono ny saina dia mihena izany fahalalana izany ary raha vao miasa ny saina dia mitomba indray ny sela fa ilay maty teo aloha dia tsy miverina intsony .Mikatona izany ny saina ary rehefa antitra dia very fitadidiana (misy aretina tsy mahatsiaro intsony)
Ahoana ny eritreritrao?
(l) niryna
novalian'i niryna ny 01/07/2008 00:21
2. niryna ( 13/06/2008 05:19)
Dia rehefa tsy mampiasa saina hono ny olona dia miha-maty ny sela ka tsy mitombo intsony ?
3. sakaizakely ( 13/06/2008 08:32)
ny ahy ny satroko omby vomanga 5 kilao
;-)
4. niryna ( 13/06/2008 16:31)
sakaizakely:

ny ahy ny satroko omby vomanga 5 kilao
;-)



:D
5. ikaretsaka ( 26/06/2008 02:41)
dia ahoana indray ny momba ilay olona bornE ry lilina
6. niryna ( 26/06/2008 22:06)
ikaretsaka:

dia ahoana indray ny momba ilay olona bornE ry lilina

booo!!!

:D :D :D ahoana tokony hono ry lilina ?
7. hery ( 27/06/2008 15:07)
Resaka exercice io. Ohatra ny exercice amin'ny vatana ihany. Rehefa karakaraina dia mihatsara sy mivoatra. Amin'izao misy an'ireny hoe "Brain trainer" ireny dia hita fa tena mandaitra tokoa.
Izany hoe rehefa asaina miasa ny ati-doha dia miha-mitombo ny fitadidiana sy ny fahalalana.

8. niryna ( 01/07/2008 00:21)
hery:

Resaka exercice io. Ohatra ny exercice amin'ny vatana ihany. Rehefa karakaraina dia mihatsara sy mivoatra. Amin'izao misy an'ireny hoe "Brain trainer" ireny dia hita fa tena mandaitra tokoa.
Izany hoe rehefa asaina miasa ny ati-doha dia miha-mitombo ny fitadidiana sy ny fahalalana.



misaotra hery a,marina tokoa izany na firy na firy taona rehefa mbola te am-piasa ny ati-doha dia mety e


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1298