Fialonana:Avy amin'ny teny inona? Ny antony?

1. niryna ( 07/06/2008 17:56)
Avy amin'ny teny inona tokoa ny hoe Fialonana ary inona no mahatonga ny olona hialona?
harena,fahaizana,fahalalana,fahantsarantarehy,fialonana fotsiny izao,toetra,firazanana sns mbola misy ve ?
misaotra mialoha
(l) niryna
novalian'i niryna ny 13/06/2008 04:15
2. niryna ( 08/06/2008 04:15)
Misy tovovavy iray izay,isaky ny miteny izy dia feno fahatezerana foana ny teny avoakan'ny vavany ary miteny foana koa izy hoe mialona ny zokiny,manan-karena ,manambady daholo koa ,manana tranobe misy piscine.Dia nasain'ity zokiny hono izy hanao picnic ary dia misy fanatonotonoana hena ireny,tsy nanafatra hono ity ramatoa fa nasainy hoe tongava fotsiny(mpanan-karena izy hoy izy ary dia tsy nieritreritra nitondra na rano kely akory hono izy).Nony tonga tany izy mivady dia hoy ny zokiny hono hoe ary hianareo toa tsy mba nitondra zavatra akory fa toa tanam-polo? Dia lasa nijaingijaingy nitady zavatra ho vidiana .
Io teny fialonana io foana no ambetin-teniny.

I
3. mmmhh ( 09/06/2008 09:28)
aiza ho aiza amin'io tantara io kay no maneho an'le fialonana?

Ny ahy ndray ny zavatra ni-remarkeko hatram'zay, matetika ny oul tsy ahoan-tsy ahoana no mahasahy miteny hoe Ranona mialona ahy, Anona mialona ahy, nefa izy @ io rah dinihiko tsisy zavatra tokony hialonana azy, be de be ny oul hitako mahasahy miteny hoe be mpialona, de ireny oul tsy de manao ahoana ireny.
Fa ny oul tena manan-katao tsy de milaza an'zany,
fijeriko izany @ ireo oul be de be miteny hoe be mpialona
4. xxx ( 09/06/2008 13:25)
Avy @ hakamoana no tena fototry ny fialonana. Raha tsy kamo ny oul 1 de mahavita toy le an'ny le oul ialonany. Ary matetika tsy de manao ahoana izy ireny ( tsy ambony tsy ambany ) ary tsapany fa latsaka ambany izy raha miohatra @ namany ka izay le mitarika ny fialonana. Tsy mahay mionona @ kely ampelatanana koa.
5. Koditra ( 09/06/2008 21:36)
Ny hitako indray dia matetika ilay olona miteny hoe misy olona iray mialona azy no tena mialona sy mifaninana.
Ny olona tia mifaninana, na manana izy na tsy manana, na mahay izy na tsy mahay, variana mijery ny fiainan'ny olona afa dia te-hihoatra kely foana fa tsy manaiky gisitra, ireny ilay hatao hoe mialona, ilay olona ifaninanany @ io mety tsy mieriteritra izay hifaninana aminy akory.
Ekena aloha fa misy dia misy tokoa ny olona samy tia mifaninana e! Omeko ohatra iray nareo : eny @ireny cité ipetrahan'ny miaramila na zandary ireny ohatra, tonga ny fandraisam-bola, miala @taxi eo antokontaniny ny vadina kapiteny iray mitondra akoho velona, mahita an'iny ilay vadina commandant dia tsy manaiky fa mande metsena ihany koa, dia miala @ taxi eo atokotany, fa nenazy ganagana fa iny lafo vidy kokoa :lol: . Ka vadina kapiteny aza mahatakatra akoho sy taxi ka vadina commandant indray ve tsy hahatakatra? Nefa mety hoe ry kapiteny 3 mianaka fotsiny fa ry commandant mety 7 mianaka, ka na dia kely kokoa aza ny karaman'ny kapiteny dia mahatakatra izy satri 1 fotsiny ny zanany.
D aoka aloha zay fa sao dia lavabe, azonareo no tiako lazaina, izay ilay fifaninanana miteraka fialonana. :lol: :lol:
6. tsiafoi1 ( 10/06/2008 13:36)
FIALONANA (FI-ALONI-ANA), avy @'ny teny we ALONA na LONY,
Tahaka ny hoe misy zavatra milona anaty rano iray, de mamoaka fahalovana na fahasimbana (fermentation); Zany hoe maneo voka-javatra ratsy.

Mety sary an'ohatra iray azo andikana azy ihany koa ny ALON-DRANO be, zany hoe mbola maneho endri-javatra ratsy ihany ko.

Fa raha raisina @'ny heviny hoe LONILONY ihany koa de mbola maneho endrin-javatra iray misy fahalovana ka mitsolitsoly mahatsiravina.

NY FIALONANA dia vokatry ny tsy fitiavana miotrika lalina ao anaty

Izay no mba fahatakarako azy
7. fahamarinana ( 10/06/2008 13:53)
:arrow: mampahatsiaro ilay cours de malagasy fahiny koa ny fanazavan'ny tsiafoi1 azy eto. :) ,za manokana dia ohatran'ny mitovy hevitra amin'ny tsiafoi1 hoe tena tsy fitiavana tokoa,raha ny cas-n'io vehivavy lazain'ny niryna io no jerena.(l)
8. niryna ( 11/06/2008 13:58)
mmmhh:

aiza ho aiza amin'io tantara io kay no maneho an'le fialonana?
izy miteny lava hoe mialona ny zokiny izy fa manan-karena ny zokiny

Ny ahy ndray ny zavatra ni-remarkeko hatram'zay, matetika ny oul tsy ahoan-tsy ahoana no mahasahy miteny hoe Ranona mialona ahy, Anona mialona ahy, nefa izy @ io rah dinihiko tsisy zavatra tokony hialonana azy, be de be ny oul hitako mahasahy miteny hoe be mpialona, de ireny oul tsy de manao ahoana ireny.
izany ve tsy mifanohitra ry mmmmhh ?

Fa ny oul tena manan-katao tsy de milaza an'zany,
fijeriko izany @ ireo oul be de be miteny hoe be mpialona
io no mitombina indraindray ,ary misy aza mifampitazana dia mangalatahaka ny eo akaikina dia eo no mitsiry ilay fialonana ,sa ahoana ?

9. niryna ( 11/06/2008 14:39)
Koditra:

Ny hitako indray dia matetika ilay olona miteny hoe misy olona iray mialona azy no tena mialona sy mifaninana.
eny angamba ,tsia angamba
Raha mitantara aho izaho hoe be fialonana ilay vehivavy,ny iray tampo aminy tsy misy tiany fa toa misy tsiny avokoa,
"ratsy ialahy matoa ataon'ny olona akopany hoy dadabe-nay izay fahiny ",rehefa manao tantara hono ny ankizy ka tsy mety manome hena ilay iray dia mibonoka bodofotsy ny ankizy mba tsy afaka hihaino ilay tsy nanome hena ,hi,hi.

Ny olona tia mifaninana, na manana izy na tsy manana, na mahay izy na tsy mahay, variana mijery ny fiainan'ny olona afa dia te-hihoatra kely foana fa tsy manaiky gisitra, ireny ilay hatao hoe mialona, ilay olona ifaninanany @ io mety tsy mieriteritra izay hifaninana aminy akory.
io dia miombo-kevitra amin'i koditra aho.

Ekena aloha fa misy dia misy tokoa ny olona samy tia mifaninana e! Omeko ohatra iray nareo : eny @ireny cité ipetrahan'ny miaramila na zandary ireny ohatra, tonga ny fandraisam-bola, miala @taxi eo antokontaniny ny vadina kapiteny iray mitondra akoho velona, mahita an'iny ilay vadina commandant dia tsy manaiky fa mande metsena ihany koa, dia miala @ taxi eo atokotany, fa nenazy ganagana fa iny lafo vidy kokoa :lol: . Ka vadina kapiteny aza mahatakatra akoho sy taxi ka vadina commandant indray ve tsy hahatakatra? Nefa mety hoe ry kapiteny 3 mianaka fotsiny fa ry commandant mety 7 mianaka, ka na dia kely kokoa aza ny karaman'ny kapiteny dia mahatakatra izy satri 1 fotsiny ny zanany.
D aoka aloha zay fa sao dia lavabe, azonareo no tiako lazaina, izay ilay fifaninanana miteraka fialonana. :lol: :lol:
ilay toe-tsaina mihitsy no misy maizina ao,
fankahalana,fahatezerana,fahoriana, tsy mionona,tsy tia ny tenany ,tsy fahaizana mihonono ,kamo be tenda ,ireo dia mety miteraka fialonana.
Ahoana ny sasany miadana ahoana aho no toa izao?
Dia tonga ny fanomezan-tsiny an'ATra ,mba miangatra izao Atra izao.
Raha vao tsy mianatra ny mitia ny tenantsika isika dia tonga ho azy ra fialonana e?
Inona moa no dikan'ny hoe fialonana koditra fa mbola tsy nisy nanazava anie e
:D
10. niryna ( 11/06/2008 14:43)
tsiafoi1:

FIALONANA (FI-ALONI-ANA), avy @'ny teny we ALONA na LONY,
Tahaka ny hoe misy zavatra milona anaty rano iray, de mamoaka fahalovana na fahasimbana (fermentation); Zany hoe maneo voka-javatra ratsy.

Mety sary an'ohatra iray azo andikana azy ihany koa ny ALON-DRANO be, zany hoe mbola maneho endri-javatra ratsy ihany ko.

Fa raha raisina @'ny heviny hoe LONILONY ihany koa de mbola maneho endrin-javatra iray misy fahalovana ka mitsolitsoly mahatsiravina.

NY FIALONANA dia vokatry ny tsy fitiavana miotrika lalina ao anaty

Izay no mba fahatakarako azy
tonga soa aky tsiafoi1 a
misaotra betsaka fa mazava.
Tsy ho voatery ho olona tsy manana ihany no mialona e ?
Raha misy olona izao ka mahafinaritra ahy ohatra ,dia tiako ny tarehiny dia mahafatifaty ny mijery azy.Hatreo ihany ,fa raha ohatra kosa ka isaky ny mahita olona iray aho ka mahasosotra ahy ny mijery azy na dia tsara aza izy dia efa fialonana izay e, sa ahoana ?


11. niryna ( 11/06/2008 14:49)
fahamarinana:

:arrow: mampahatsiaro ilay cours de malagasy fahiny koa ny fanazavan'ny tsiafoi1 azy eto. :) ,za manokana dia ohatran'ny mitovy hevitra amin'ny tsiafoi1 hoe tena tsy fitiavana tokoa,raha ny cas-n'io vehivavy lazain'ny niryna io no jerena.(l)

ny mampihomehy ahy aky fahamarinana dia efa tazako mialoha io toetrany io saingy tsy norarahiko,taty aoriana dia nivoaka habibiana ilay tovovavy ka izay rehetra manana na tsara na inona zavatra tsara amin'ny olona dia mahita fitsikerana foana izy.
Tsy aiko ry ireto hoy izy fa manana fialonana aho,ny namako rehetra hoy izy tafita daholo,izaho tia eto ihany , :roll: ,dia tanisany eo daholo ny fananan'ny namany. :oops: :cry:
Dia miteny koa izy rehefa mahita rojo na zava-baovao anaovana dia hoe tiako iny ary mampihalona ahy hianao,toa sangisangy kanefa dia tsy niresaka ilay olona intsony izy fa lazainy hoe tsy tiany fa mizitizity :cry:
12. Koditra ( 12/06/2008 15:52)

niryna> io efa nomen'tsiafoi1 io ilay izy, tsy marina mihoatran'io tsony a fa isaoratsika azy.
13. niryna ( 13/06/2008 04:15)
Koditra:


niryna> io efa nomen'tsiafoi1 io ilay izy, tsy marina mihoatran'io tsony a fa isaoratsika azy.

misaotra koditra a

:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0073