Sakafo mampihena tosi-drà(tension)

1. zizi ( 05/06/2008 09:46)
Hono ho aho, mba misy namako izay te hahalala ny sakafo mampihena tension fa tsy dia mahalala loatra aho(ny papay no mba fantatro fa tsy haiko koa na tena mandaitra io). Sao ianareo mahalala ankoatr'io ary inona no mba fitandremana tokony hatao, raha tsy te hihinana fanafody fa mba pratique amin'ny fiainana andavanandro no tiana hatao. Tsy haiko na efa nisy dinika momba ity fa tsy hitako. Misaotra anareo mialoha.
novalian'i xxx ny 17/06/2008 08:33
2. sakaizakely ( 05/06/2008 12:24)
mila fantarina ny antony mampiakatra azy ?

tavy, diabeta, cholesterol, misotro alkola, mifoka sigara sns...


tsy misy afatsy ny fananana hygiène alimentaire aloha voalohany indrindra : ahena ny SIRA, menaka, ny hena mena satria be "mauvais" cholesterol, ajanona ny sigara, manao fanatanjahantena, mihinana legioma sy voankazo betsaka, tongolo lay sy trondro, mitsako tahona céléri

http://santepourtousassoc.blogspot.com/2007/01/lhypertension-artrielle.html

de manatona dokotera fa aza manao dokotera tena
3. andraso ( 05/06/2008 12:32)
manandrama mihinana chocolat noir 2 carrés isan'andro
4. Zina ( 05/06/2008 12:36)
tsy mihanana hena aloha ny voloany.... soloy vo maina, sy amande (be proteine mantsy ireo)
fa marina io lazain'i sakaiza io indray2 ko rehefa miari-tory dia miakatra be ny tension.
Vokazo sy legume ary anana no tena ataovy betsaka
5. papala ( 05/06/2008 13:19)
- TONGOLO GASY
- ANAMADINIKA NA ANATSINAHY
Ireo no tena sakafo haingana be mampihena tosidrà. :miam: :miam: :miam:
6. xxx ( 05/06/2008 13:43)
Je confirme TONGOLO GASY, rapidos mihintsy
7. ikaretsaka ( 05/06/2008 21:49)
garanadrel koa
8. niryna ( 06/06/2008 04:01)
aza mihinana betterave kosa anefa fa mampiakatra ny tosi-dra io,fadio ihany koa ny manao tezitezitra fa vao maika mampiakatra azy ainga ,mety ho safotry ny hatezerana mihitsy aza raha tezitra mafy . Fadio ny misotro divay,cramberries juice fa mampiakatra ny tosi-dra ireo .Ny anandrano ,ny ati-kena koa toy izany- fampiakarana tosi-dra avy ireo
9. ikaretsaka ( 10/06/2008 03:25)
fampidinanan ny resaka fa tsy fampiakarana ..
mampidina fa tsy mampiakatra :-D
10. xxx ( 10/06/2008 08:19)
ikaretsaka:

fampidinanan ny resaka fa tsy fampiakarana ..
mampidina fa tsy mampiakatra :-D



:-D :-D :-D
11. booboo ( 10/06/2008 09:01)
- tongolo gasy (sady fahita isan'andro)
- anatsinahy
- garana
- anandrano

12. endrika01 ( 13/06/2008 11:18)
sakaizakely:
mila fantarina ny antony mampiakatra azy ? tavy, diabeta, cholesterol, misotro alkola, mifoka sigara sns... tsy misy afatsy ny fananana hygiène alimentaire aloha voalohany indrindra : ahena ny SIRA, menaka, ny hena mena satria be \"mauvais\" cholesterol, ajanona ny sigara, manao fanatanjahantena, mihinana legioma sy voankazo betsaka, tongolo lay sy trondro, mitsako tahona céléri http://santepourtousassoc.blogspot.com/2007/01/lhypertension-artrielle.html de manatona dokotera fa aza manao dokotera tena
Marina be ny voalazan\'izakaizakely.Misy mantsy mahafantatra fotsiny we misy tension,dia mihinana izao zvt rehetra zao;fa ilaina ny fandehanana mamonjy dokotera @fantatra mazava we be tension ianao,ireto no toro-hevitra arahina,raha tsy te ihinana fanafody dia ireo efa voalazan\'ny namana ireo no arahina! Raha ohatra kosa mihidina dia mitovy @io voalaza ambony io,manatona an-dradoko!Aloha!:-*
13. diamondra27 ( 17/06/2008 07:42)
ra tena efa grave hono an de tongolo gasy voniny 1 atao suppositoire, atsofoy ary ambany

zay aloha no nolazain olona ahy fa tsy haiko na efficace na tsia an
14. xxx ( 17/06/2008 08:33)
endrika01:

Marina be ny voalazan\'izakaizakely.Misy mantsy mahafantatra fotsiny we misy tension,dia mihinana izao zvt rehetra zao;fa ilaina ny fandehanana mamonjy dokotera @fantatra mazava we be tension ianao,ireto no toro-hevitra arahina,raha tsy te ihinana fanafody dia ireo efa voalazan\'ny namana ireo no arahina! Raha ohatra kosa mihidina dia mitovy @io voalaza ambony io,manatona an-dradoko!Aloha!:-*



Fa na izany aza cela ne fait pas de mal si on arrive à faire baisser la tension mandram-pahatonga any @ Dr => tsara ihany ny mahalala ireny bozaka mampidina azy ireny

mitovy @ hoe manavy ity zaza ity, omena doliprane et cie mandram-pahazoana RDV any @ Dr , mba hidina ilay hafanana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1164