Fête de l'internet : Fizarana logiciels

1. adler ( 04/06/2008 09:36)
Amin'ny 28 sy 29 jona 2008 dia hisy ny hetsika Fête de l'internet eto Antananarivo, ao amin'ny Hotel Carlton. Handray anjara ao ny infogasy, ka hisy fizarana logiciels amin'izany. Mila famandrihana ilay izy, ka jereo izay mety hilainao :

- DVD Debian 4.0r3 etch (version stable nivoaka farany) : misy DVD telo (3)
- DVD Visual Studio 2008 Express : misy DVD iray
- Compil-na fitaovana ilaina amin'ny Developpement Web : logiciels sy documentations
- mety mbola misy hafa arakaraka ny fandaminana

Omena gratos izany ireo logiciels sy ny services nanatontosana azy rehetra, fa mba mila averina fotsiny ny vidin'ny DVD sy CD izay 700ar isany.

RDV izany ao amin'ny Stand telomiova sy jojopil amin'io fotoana io. Fanazavana fanampiny detaillé kokoa : http://infogasy.net/?q=node/2692

Manantena izany fa mba hitondra fanampiana ilay hetsika.

-------------------

Araraotina tenenina eto koa, fa misy boky azo indramina koa ao amin'ny infogasy, izay miandry mpindrana; dia misy logiciels isan-karazany miandry olona hanao copie koa, gratos daholo. Mila mi-contact ny tompon'andraikitra fotsiny.
2. fahamarinana ( 04/06/2008 10:05)
:arrow: oay tena mba tsara kosa zany ataonareo zany.Mino aho fa tsy hisy afaka hilaza fa tsy mitondra fanampiana kosa raha tsy dia efa fananina fontsiny zao.Ampitaina amin'ny namana any ho any e (l)
3. ravatorano ( 04/06/2008 10:38)
adler < raha araky ny fanazavana nomen'i tosoa taminay raha sendra nifankahita tamin'ilay fanomezana loka tamin'ny fokoclub izahay dia nilaza Ratosoa fa hisy fampahafantarana ny namana serasera dago ihany koa amin'io miaraka amin'ny tetik'asa telomiova ary izahay dia anisan'ilay handray anjara amin'izany ary efa nisy fizarana andraikitra moa momba anizay.
Isaorana izany ianareo hanome an ilay DVD sy CD fa tena hanampy betsaka ny akama mlay b rehetra izay mikirakira ny internet izany.
=D> =D> =D>
:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1647