mariage religieuxmusulman sy protestant:possibl ve eto tana?

1. xxx ( 04/06/2008 08:05)
manakôry daôlôôô,

za rreto dé manana olana goavana a!zazan protestanta.misy olontiko any,nisipa izahay,tsisy problème mits atreo.na resaka sakafo sy toaka,tsis problèm mits.zao nefa izahay efa mieritreritra ny hivady @zay.sakana be lé finoana.sam tste iala @zvtr inoany.aôana ary n ahataterahina anlé mariage?sao efa nisy nanana olana tahakzao?na mafatatroul niaina ôtrzan kay?mba apio reeeee
novalian'i fijo ny 15/06/2008 20:14
2. yonikafopl ( 04/06/2008 08:37)
ataovy soratra eny am Mairie fotsiny fa aza manao mariage ra resaka finoana no sakana eeeeee. Samia mitana ny finoany fotsiny , dia samia mahay manaja ny finoan'ny hafa. Rehefa mifankatia sy miray saina de zay no zavadehibe amiko. Fa raha io resaka finoana io no idirana lalina de tsy hisy hanjary izay atao.
3. prime ( 04/06/2008 11:57)
xxx> D mirary soa ho anao hahita izay mendrika...

Amin\'ny ankapobeny dia tsy mety io satria any amin\'ilay fiainana ho avy mihitsy no ipetrahan\'ny olana...

Ny tsy itrangan\'ny zavatra toa izao no antony mahatonga ny fampianaram-pinoana hiditra lalina kokoa amin\'ny andavanandron\'ny mpino...

Vahaolana vonjimaika ny an\'i yonika nefa rehefa tena tsy mahalamina azy moa ianareo akory atao fa anisany iray io atolony io saingy tsy mahavaha olana velively io satria rehefa hiteraka ianareo dia hanao ahoana ny fitaizàna itondràna ny ankizy???
4. tywa68 ( 04/06/2008 13:39)
xxx : mila fandeferana e : rehefa tia d mahita foana ny fomba hizaràna zany finoana izany, na misy aza ny tsy fitovizankevitra.
5. Jeankely ( 04/06/2008 14:33)
Raha tena mpifankatia mandeha hoazy izany. Manaraka ny iray. Ny voasoratry ny tompon'ny loha-hevitra dia hoe samy tsy misy tia hiala fa tsy hoe ny fianakaviana no manakana. Resaka sakafo sy toaka tsisy olana hoy izy. Raha Silamo no efa nihinana kisoa na nisotro toaka dia efa tsy Silamo ara-dalana intsony izy ary tokony hanaraka izay hafa.
Tsy mety ilay hoe samy mandeha any @'ny finoany satria tsy maintsy handray roa izay zanaka ary tsy maintsy mianatra ny roa izay tsy azo atao mihintsy satria misy zavatra mifanipaka.
Samy mahalala fa afaka manambady efatra ny Silamo lahy ka ahoana no ataonao raha vehivavy no Protestanta dia hiala ve sa hanaraka ilay fombany. Raha vavy indray ny Silamo tsy olana satria vao mifandray @'ny kristian iny dia tsy tian'ny fianakaviana ary tsy afaka miditra @'ny fombafomba Silamo izany.
Tsy mety io amiko.
6. fijo ( 04/06/2008 20:16)
tsy hoe manitatra,fa dinio io zavatra voalazan'i prime io,fa be ny efa voa tao vao nihogahoga;amin'ny voalohany mantsy terempitiavana de lasa ity,fa aza hadino,fa ny fanambadian atsy hialandromoromo.ary eo no tena mitranga ny tantara matetika.eo vao miseho daholo ny tsy fitoviana rehetra,ka dinio tsara ihany .
7. ikaretsaka ( 04/06/2008 23:06)
aza maika fotsiny dia ivereno dinihina miandalana...
io maimaika io ihany no tsy nampanidina ny akoho
8. majesty ( 05/06/2008 05:26)
voalazan'i yonika teo:
ataovy soratra eny am Mairie fotsiny fa aza manao mariage ra resaka finoana no sakana eeeeee. Samia mitana ny finoany fotsiny , dia samia mahay manaja ny finoan'ny hafa. Rehefa mifankatia sy miray saina de zay no zavadehibe amiko. Fa raha io resaka finoana io no idirana lalina de tsy hisy hanjary izay atao.


Amin'ny voalohany anie mety hifanaja e,fa aharitra mandra-pahoviana izay ?
Fa ny olona mitovy finoana aza ange wa mbola misy fifanolanana e maika fa ny tsy mitovy,sady izay ny mpivady rehefa ao anatin'ny tokantrano dia lasa tena iray izy roa,kanefa raha io tranga io no arahana izany dia lasa zarain'ny finoana samy manana ny azy izy dia rehefa misy zaza ohatra dia manomboka ny olana,ny iray misisika ny hampanao batisa azy,ny iray misisika ny hitondra azy any la mec,ny fanabeazana azy,ny iray te hanabe amin'ny fomba silamo,ny iray te hanabe @ fomba Kristiana .....sns dia ho aiza ho aiza ny toerana misy ilay zaza.
Fa diniho tsara ihany aloha!
9. yonikafopl ( 05/06/2008 06:15)
eksperiansa hiainako no lazaiko, tsy silamo kalou fa za tam talou propesta(hihihhihih zao no fanoratr'izay ankizy zay refa anontaniana ny finoany izy) de ny vadiko katolika maronita hiringiriny, ny aty Liban mivavaka amzao saint retraretra zao,mande mamangy ny toerana fivavahana misy anreny sarin'olomasina reny.Tam voalohany izahay nifanjinja fona satria za no tadiaviny tsy maintsy hanaraka ny azy, de za kou tsy nanaiky fa nahoana za no asainy mivavaka sy miankohoka am oll tsy fantako efa maty any.Fa nandany fotoana mihintsy izahay nifampiresahana ny nifampidinihana, dia nifanaraka fa tsy asiana resaka adihevitra momba ny finoana intsony fa samy mivavaka amin'izay hivavahany,dia samy manaja ny finoan'ny hafa koa.de tsy misy olana mihintsy eo aminay hatramzay. Izy mandeha mamangy ireny toerana misy ny saint reny , de za manaraka fa maka sary fotsiny no alehako any, de mividy izay souvenir tiako,de zay samy manana ny interet ny.

Ka izay no ataoko hoe rehefa mifampiresaka sy mahay mifanaratsaina io mety foana. Eo amin'ny fomba fitaizana ny zaza indray dia tsy maninona ngamba aseho ilay zaza daholo ny karazana finoana rehetra,dia anjarany no misafidy izay lalana hizorany fa tsy tokony ho terena izy.
10. prime ( 05/06/2008 06:50)
Na lafiny ara-piarahamonina, na ara-kolontsaina, na ara-pitaizàna, indrindra fa ny ara-pinoana dia tsy mety io...

Ara-kolontsaina, ny silamo tsy mba mampirafy na mijangajanga (raha tsy hoe miray amin'ny vehivavy tsy vady) fa afaka kosa mampiaka-bady na firy na firy raha tiany ka zakan'ny ho enti-manana... mety tsy mbola manao izy ankehitriny fa rehefa mba velona tsara ka tsaratsara fihariana, dia tsy ho voasakana izany...

Ara-pitaizàna, rehefa miteraka no hanomboka ny olana, ary ny silamo tsy manaiky fitaizàna kristiana, indrindra koa protestanta... nefa na ianao aza dia toa hita fa tsy vonona hanaraka azy ka hiova finoana ho silamo... ny zavatra manahirana indrindra amin'ny fitaizàna ankehitriny dia ny tsy fananan'ny zaza sy ny ankizy "repères" intsony fa toa tsara sy mety ihany avokoa satria mamiratra dia mamiratra daholo... ny fitaizàna kristiana no toa mbola tery dia tery ka manahirana ny maro satria "toa" tsy mivelatra loatra (ny fijery azy ivelany)...

Ara-pinoana, eto no tena mitoetra ny olana satria tsy fomba io ka hoe azo atao ny mifandefitra ny amin'io noho ny fitiavana... asam-pamonjena ny fanahy ny ao ambadik'io ary ny finoana kristiana dia mamaritra tsara ny momba izany... ka ilay mandrakizay tsy dia azo atakalo...

Izay no tsy mahamety an'io...
11. manidina ( 05/06/2008 11:58)
izay tia mandefitra, betsaka ny tsy mitovy finoana mifanambady ,tsy hitako ny olana ,fa ry zareo komplike be reo no manisy olana,mba apetrako ity fanontaniana ity aminareo mpivavaka : natao hampisaraka olona ve ny finoana sa hampitambatra? raha oh ka tsy vitan'ny finoana ny manambatra ny olona inn ny antony ilana azy?atao innnnnn?
12. yonikafopl ( 05/06/2008 19:43)
prime, ny olona rehetra samy manana ny finoany ary samy mino fa ny finoany no mitondra azy any amparadisa. Ary raha tena kristiana ianao tsy anjaranao mihintsy no mi imposer hoe ny anao ihany no marina ka tsy maintsy arahana, fa na Kristy aza tsy nanery ny olona hanaraka azy,nitory sy naneho ny voninahitr'Andriamanitra tamin'ny asany sy ny fiainany no nataony, ka izay resy lahatra tamin'izany no nanaradia Azy. Ka ho anareo milaza ho kristiana, aza asiana olana ny fahasamihafan'ny finoana, fa asehoy amin'ny asanao sy ny fiainanao isanandro ny finoanao fa ho hitanao fa hanaraka anao tsy mila taritina ilay olontianao sy ny manodidina anao.
13. ikaretsaka ( 05/06/2008 20:17)
raha ny fahazoako azy izany dia tonga de tsara raha efa mifamarafara dia ny aty amboalohany hoe finoan'ia ro arahina , rehefa teraka ny kilonga dia beazina tahaky ny ahoana.. ahoana ny ami'ny sakafo sns....

izay tia mandefitra: de hanaiky lembenana eo foana ve? satria tiako izy de milefitra aho na ho faty aza? aoka le
14. fijo ( 05/06/2008 20:26)
ny cas ny yonika anie mbol ahoe samy "kristianina e"nefa efa izay no nisy.ka maika fa sailamo sy kristianina.ary araka io voalazani prime io,rehefa tonga ny zaza,hanaiky ve hianao io ,raha tereny hoe tsimaintsy fomba silamo no hitaizana ny zanako????izay aloha valiana dia mitohy ny dinika.
15. rakapy ( 06/06/2008 01:10)
Tsy tokony hiisy olana izany manambady hafa finoana izany raha toa ka tena te hiaraka hiaina izy roa. Tsy mahasaka ny olona tsy hiaraka na hifankatia izany resaka finoana izany. Hoatrany hoe gasy manambady vazaha! samy nanana ny nitaizana sy nanabehazana azy ary samihafa kolo-tsaina eny na dia ny volokoditra aza dia samihafa ka nefa dia hita ihany izay hifanarahana.
Ny olana mipetraka eo @ ilay Musulman sy Protestant dia ny hoe samy te hitarika, samy te ho deba, ny ahy no mety, ny ahy no marina sns... ka eo no mety hipetraka ny olana.
Azo atao tsara ny mampifandanja ny finoan'izy roa raha toa ka samy te hitana ny azy izy ireo. Raha te hanaraka moa ny iray dia safidiny izany.
Ny fifanajana no tena zava-dehibe ahatonga ny tokatran'izy ireo ho soa na ratsy.
16. prime ( 06/06/2008 10:47)
manidina> ny finoana tsy fitaovana entina ampiasaina amin\'ny filàn\'ny olona fa avy amin\'Andriamanitra ary Izy no tompony sy mibaiko azy ka izay teniny no arahana ho an\'ny mpino fa tsy izay mety amiko sy ianao...

Raha ny hevitrao no alefa lavitra kokoa, tsy tokony nisy ny olana teo amin\'ny Kristy sy ny Sadoseo sy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna tamin\'ny fotoan\'androny... tsy tokony noravan\'Andriamanitra Sodoma sy Gomora (mpanompo sampy sy mpandrafy an\'Andriamanitra ary vetaveta teo imason\'i Jehovah...)

yonika> ny finoana kristiana samy kristiana, na samy manana ny azy aza mety hatrany ny mifandamina na dia sarotra aza indray2 noho ny antony samihafa (ohatra ny anareo io izao nety)...

Fa ity indray maka ity tena finoana samy hafa mihitsy ka tsy vitan\'ny hoe fifandeferana sy fitiavana be ka azo alamina amin\'izao... ny asam-pamonjena nataon\'i Kristy mazava tsara ary tsy azo atakalo zavatra hafa araka ny filàn\'ny tena... ny tanjona ho any am-paradisa dia iraisana tokoa fa eo indrindra no fototra iorenan\'ny finoana tsirairay avy, fa raha ny finoana silamo sy kristiana dia tsy misy iraisany mihitsy...

Ikaretsaka> itoviako hevitra tanteraka...

rakapy> ny hevitrao sy yonika mifanjohy tsara... raha raisina amin\'ny fo tsotra tokoa ary jerena amin\'ny maso tsy miangatra eo amin\'ny ara-piarahamonina dia mitombina ny ambaranareo... fa idiro lalina kokoa ilay olana tian\'i xxx ilàna soso-kevitra, tsy resaka fiaraha-monina loatra fa misy tranga ara-pinoana goavana... ary aoka tsy hadino fa eto Antananarivo ilay izy fa tsy any Paris na any Lyban...

Raha mandinika tsara ianao dia tsy resaka hoe iza no te-ho \"deba\" no olana fa ny fanajàn\'ny tsirairay ny finoany izay samy mavesa-danja ka ihazonan\'ny ny andaniny sy ny ankilany ny voady sy fanekena rehetra efa nataony tamin\'ilay Andriamaniny avy talohan\'izao hetahetan\'izy roa izao... satria rehefa hiditra fanambadiana dia hiditra voady lehibe vaovao amin\'ny fanorenan-tokantrano amin\'ny tsy ivadihana izay efa vita sy nekena tany aloha rehetra...

Io anie ry rakapy tsy resaka eny sy tsia eo anoloan\'ny alitara na \"rituel musulman\" hoe azo leferina fa amin\'Andriamanitra mihitsy e... ny batisa, ny tena sy ny ràn\'i Kristy iraisanao isanandro (tsy hay moa na mpanompo manokana mihitsy koa aza hoe diakona na ny toa izany) ve dia handeha ho \"renier\"-vana noho ny antony mandalo???

Raha tsy maintsy hiditra i xxx dia mazava ho azy fa i xxx no \"tokony\" hivadika \"musulman\"... zakanao ve izany??? diniho tsara dia halaivo ambony halaivo ambany... fa raha mihazona ny finoanao ianao (izay tsy misy maharatsy azy velively satria antoky ny famonjena ny fanahinao mihitsy koa izany) dia tsy mety io... izaho tsy mino mihitsy hoe ilay iray hivadika ho lasa kristiana (asa nefa, enga anie aho ho diso satria ny asan\'ny fanahy masina dia tsy takatry ny saina)...
17. xxx ( 06/06/2008 11:11)
zay dray zà vao tafaverna ry reto aaa

merci be alou @fanolorana sosokevitra eee

zao an.zay sy izy alou dé tena tsy fatatry ny ray amandreniko mitsy ny fiarahanay.possessif be manko ny ray amandreniko ary ny dadako zan drindrindrindra dia be critères be,izy mila merina,gasy (iz nefa dé métisse arabo) ary manana situation stable (ny paren-any efa nisaraka efa ela kou nefa).tena mifanohitra tanteraka.tena ento ambavaka ry reto aaa.dé sanatria ve zan zahay dé condamné isaraka?? tsy aiko kou na lé paren-ako diso nandrararara be anay menadà avy talou ka vao maika zà ôtran nibolila.
ny zvtr eritreretinay momban n akiz an dé apifatarina n zvtr rehetra izy.ampenarina ny rehetra ary izy misafidy avteo.
18. fijo ( 06/06/2008 19:38)
io voalazan'i prime io e.tsy vitan'ny indray andro io fa fiainana iray manontolo,ka dinio tsara raha ho zaka.fa amin'ny silamo dia ianao no miova finoan afa tsy izy mihintsy.ka anao no mandinika.
19. Jeankely ( 08/06/2008 02:45)
Ny tena olana dia ilay vao milaza hoe mpifankatia avy dia miakatra sahalan'ny mpivady eo ambony fandriana. Avy eo vao miseho hoe ty Silamo, ty Kristianina fa ireo niasa tao ampandriana tsisy finoana.
Samy mitady hevitra ny hifanaraka. Raha zavatra nandrarana no mampibilioka dia inona fa tokony harahina hatramin'ny farany izany. Ity hoe ento ambavaka ity aloha dia somary mampiomehy ihany satria mivavaka, mandinika vao manao zavatra fa tsy atao daholo ny rehetra vao hoe ento ambavaka. Asa aloha fa ao Antananarivo sahalan'ny Tsy misy izany Silamo izany fa ny tena sain'ny Silamo tsy afaka milona amin'ny kristianina mihintsy. Ny zavatra ao Madagasikara mifangaro daholo ka kristianina sady mihinana sakafo avy any amin'ny dadarabe, no mamadika, no misipasipa @'izay hita manja rehetra.
Tsy misy afatsy ianao ihany no mitondra ny fiainantokatranonao. Ny hafa hitondra ambavaka ny hataonao tsy hinoako. Ny hafa hitondra ambavaka nefa ianao milentika ihany ary ny fanambadiana araka ny voasoratry ny sasany hoe lasa iray ny mpivady ka ahatsotra azy manaraka ianao. Ankoatr'izay tsy maintsy ahamay ianao satria maro no tsy tantinao ny hitranga. Saingy matimaty @'ny raha tiana tsy maninona.
20. rakapy ( 08/06/2008 05:18)
kalalao matin-dronono izany ka maty @ raha tiany! :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3403