fanafoanana fanambadiana satria tsy virjiny.

1. fijo ( 03/06/2008 20:26)
herinandro mahery izao eto frantsa ,no lasa resabe hatrany ambony "namoaka hevitra mihintsy ny minisitry ny fitsarana".
ny nahatonga io resabe io,dia nisy mpivady silamo,izay nofoanana ny fanambadiany,satria nangataka ralehilahy.
ny antony nangatahana io fanafoanana io ,dia satria tsy virijiny intsony ravehivavy ,nefa nandainga.

raha ny lalana aloha dia nanaiky ny fitsarana hanafoana io fanambadiana io,satria noheverina fa "antony lehibe nitarika ny faneken dralehilahy "ny maha virijiny,ka raha nodisoana izy teo dia nisy fitaka izany ny nahazoana ny fanekeny.

amin'ny lalana io dia mitombona,na dia tsy ankatoavin'ny sasany aza.

fa raisintsika ami'ny resaka finoana ilay izy.aminareo ve mbola mitombona izay fotopisainana izay sa tokony efa hoariana?

novalian'i fijo ny 02/07/2008 21:54
2. Koditra ( 03/06/2008 21:43)
Raha resaka finoana aloha dia efa voalaza ny hoe "aza mijangajanga" eh, izany hoe ny firaisana ara-nofo mialohan'ny fanambadiana dia efa tena tafiditra tsara ao anatiny.
Nefa raha ny zava-misy @zao vaninandro iainantsika izao no mbola ifikitra sy hametraka an'io fepetra io dia, na hahita fa itady ao anatin'ny maro, na mbola vao 14ans ilay zavavy dia efa hanaovana réservation , na tsy hanambady mandrapahafaty na mandrapiova hevitra. Ny tiako lazaina izany dia mety sarotra.
Na izany kosa aza aloha dia tena misy ny vhv mahatandrina an'izany mandra-panambadiny, fa tsy fantatra fotsiny hoe iza dé aiza no misy azy?
Ajanoko eo aloha. :lol:
3. rakapy ( 04/06/2008 01:19)
Amiko manokana dia tsy asiako olana na virja na tsia.Refa hitako fa afaka ny hiaraka amiko eo @ fanambadiana dia izay.
Ny fanambadiana mantsy dia tsy hoe fitiavana ihany dia ampy fa mbola maro ireo zavatra takian'ny andaniny sy ankilany mba hampateza sy hahasoa ny fanambadiana. Ka eo no tsy hanomezako tsiny raha toa ka misy ny mitaky ny maha virijny vao hanambady olona iray izy.
Ny momba ilay tranga niseho tany Frantsa indray dia tsy hitako ny olana raha toa ka nangataka ny hanafoana fanambadiana rangahy. Hoatra ny mariazy tsy raikitra rehetra ihany io. Manana ny zony tanteraka ny lhl sy vhv handa na hanafoana fanambadiana. Zara aza i lery nanafoana toy izay mody nanao mariazy nefa rehefa mahita virjiny dia manamboatra any @ sisiny ihany.
4. ari.malala ( 04/06/2008 06:30)
fa ny tsy azoko dia izao, (mety ho hors sujet fa ialako tsiny aloha) ireo mitady ny virjiny ve tena nahatandrina ny tenany hoe tsy niray na taiza na taiza fa virjiny iany koa? nahoana no ny vehivavy iany no takiana ny mahavirjiny azy? ary raha ilay lehilahy izay avy nitety tetsy sy teroa no angatahana fanafoanana mariazy d mba mety hahazo rariny v ny vehivavy?
5. paris10 ( 04/06/2008 07:14)
marina ny fanontanian'i arimalala ry zalahy;tsisy lalàna milaza hoe ny vehivavy tsy virjiny tsy mahazo manambady na tsy fakàna vady.Mandiso io lehilehy io aho ra aty frantsa izy no mipetraka, tokony any @ firenena fiaviany izy no naka vady,mandiso ny fitsarana koa aho.
arimalala:aty amitsika tsisy lalàna mandrara ny lhl haka vhv tsy virijiny,ra misy izany dia tia-tena ny lhl satria lhl no naka ny maha-virijiny ny vhv!
6. paris10 ( 04/06/2008 07:19)
momban'ny fijangajangana dia raha manodina ol manambady ny tsy manana,na ny manana mierika @ tsy manana dia mijangajanga lay ol,betsaka koa ny didy raisina sy arahina eo @ fianan'ny kristiana momba ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo, miankina ny fanarahana ny didy folo sy ny didy hafa!ny mpitondra fivavahana tsy miraika izay anatinao any .
7. Ilo ( 04/06/2008 07:52)
Araka ny lalàna dia fahotana ny mijangajanga, ary aty @ testamenta vaovao aza dia manamafy izany. Santioany fotsiny ny ao @ IKorintiana 6:18:"Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany."
Fa kosa A/tra aza mamela ny otantsika rehefa miaiky isika ny fahotantsika isika ka isika indray ve no tsia? sady tsy anjarantsika koa no hitsara e!
IJaona 1:9: "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra."
Fa ny fototry ny fanambadiana dia tsy tokony ho any @ maha-virjiny na tsia fa any @ fitiavana sy ny hoe araka an'A/tra ve sa tsia.
IIKorintiana 6:14: "Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina? "
Izany hoe ny Kristianina dia tsy tokony hanambady tsy mpino.
8. xxx ( 04/06/2008 08:16)
shhhh!!!kou manin nefa rà tena important zany ka tsy nivérifiéna t@docteur alou!nanao consultation prénuptial fa eo vô miwawawa eo!refa mivady dé tsy akveriverina tsony zany na vôfitaka taknin aza.betsaka né n vôfitaka ee ary bola pire aza nen sasany.nefa eretany ao fa tsy anôvana procès sns...mieritreritra zao izy oe anala baraka anlé sipa nef aiz ntena afabaraka satri STUPIDE!TEL EST PRIS QUI CROYAIT PRENDRE!bien fait!!!
9. yonikafopl ( 04/06/2008 08:32)
Za kousa kalou raha iny resaka iny an, dia omeko tsiny ilay sipa eee, satria mety nanontaniana izy we mbola virja ve de mety nanamafy be mintsy we eny , tena diso rakalakely raha zay no zavatra nitranga satria dia fitaka no nataony.Tsy hidirako na nitety na tsy nitety le lhl, fa ilay sipa no tokony nilaza sy nanambara ny marina ee, ary na any frantsa aza izy no mipetraka, samy silamo ary samy mahay ny fombafomba silamo zany .
ny ana zany tsy ny olana eo amin'nymaha virjiny na tsia no ilazako fa diso rakalakely fa eo amin'ilay lainga sy fitaka, fanafenana ny marina nataony.
10. Koditra ( 04/06/2008 08:33)
xxx:
shhhh!!!kou manin nefa rà tena important zany ka tsy nivérifiéna t@docteur alou!nanao consultation prénuptial fa eo vô miwawawa eo!refa mivady dé tsy akveriverina tsony zany na vôfitaka taknin aza.betsaka né n vôfitaka ee ary bola pire aza nen sasany.nefa eretany ao fa tsy anôvana procès sns...mieritreritra zao izy oe anala baraka anlé sipa nef aiz ntena afabaraka satri STUPIDE!TEL EST PRIS QUI CROYAIT PRENDRE!bien fait!!!


Marina zany! :-D :-D :-D

Io ko rangah refa tena tinao lé olona d mety foana io a. Averiko iany oe efa tsy mety @zao vanipotoana iainatsika @zao fotoana izao intsony io fepetra io raha tsy izany dia ho betsaka ny selibatera mandrapahafaty.
11. rakapy ( 04/06/2008 09:21)
Ka izy anie ry Koditra sy xxx tsy gasy ka hoe voafitaka na omenao vary masiso de hoe hiaritra eo ihany fa hoe fanambadiana fandeferena.
Amiko dia tsy misy mahadiso ny lhl na vhv raha toa ka hitany fa tsy ho tiany ny olona hovadiany ka dia aleo mitsotra hoe : aleoko miala. : :-D :-D :-D
12. mbaliana ( 04/06/2008 12:23)
za koa aloha efa naheno ohatrohatra izao fa le sipa ndray no nangataka onitra tao amin'ny fitsarana fa ni devierger- n'ny sipany izy satria nomen'ilay lhl toky fa ho alainy vady kanjo nosarahin'ilay lhl izy nony avy eo .. dia nahazo rariny ilay vhv ....

ny hitako tsy rariny fotsiny amin'ity cas nasehon'i fijo ity dia hoe ilay lhl mitady vhv vierge ve dia mbola vierge ihany koa .. ??? sa efa nidevierger ny hafa tany dia mbola mitady vierge foana .....
13. yonikafopl ( 04/06/2008 12:48)
mbaliana mety efa namaky tany ho any izy de nahita tsirony de nitady ny mbola tsy vaky hovakiana ndray kou hihihihihihihihih
14. mbaliana ( 04/06/2008 13:14)
tss hahahahhahaa
15. tywa68 ( 04/06/2008 13:34)
mbaliana : ho sahirana koa raha hifampitory daholo na lahy na vavy fa ho feno ny tribonaly :-D :-D
16. Jeankely ( 04/06/2008 14:04)
Tranga manokana io fa tsy hisy hifampitory lava izany. Ny fitaiza asesika ao antsain'ny Malagasy dia hoe: manaova be de be alohan'ny hanambady. Saina tsy haiko na izany no tafakatra avo na koa simba. Asa fa samy manao izay tiany io. Na tsy fohanana aza io fanambadiana io dia tsy maintsy kabary hatrany satria efa nifampitady araka ny lalana. Tsy tokony hivitrana fa vao mainka tantara hafa no hiseho.
17. ari.malala ( 04/06/2008 14:20)
jaonakely, fisainana nasesikao angamba :°)

yonika, za ts mandà ilay hoe namitaka ilay rakalakely k, tsy mety ilay mamitaka! tsitako rahateoi zay andaingana aminzany... fa ilay hoe mila virjiny nefa efa nahatety taiza sy taiza no tsy eken'ny fieritreretako! satria matoa misy ny lavaka d nisy nandavaka izany tao, ary amiko manokana, amiko manokana hoy aho averiko tsara, tsy ny maha virjiny na tsia ny olona no itiavana azy fa ny maha olona azy iray manontolo! samy manana ny hatsarany sy ny kilemany ny olona ka anjaran'ny tsirairai no manaiky ireo roa ireo fa ny kilema sy haratsiana no mandrafitra ny mahaolona ny olona! ho inoko izay lasany any rehefa manaiky izy fa tia ahy sy manaiky hanorina fiainana vaovao miaraka amiko? ho inony koa ny lasako rehefa mifanaiky fa hiara hanorina fianana vaovao izahay? d miara manomboka fa tsy hoe enao ts virjiny tsony tam nalaiko... adalana ny azy raha izany! (fa eto moa izany voafitaka ilay lelà d ts haiko we iz kou v hoa mba virjiny?)
18. fijo ( 04/06/2008 20:28)
raha ny fandehan'ilay resaka,dia efa nanontaniana rakalakely ary nihaiky fa nandainga.
tsy misy fahadisoan'ny fitsarana aloha eto,fa fampiharana ny lalana no ataony.ka aza any no tifirina .

ny tena fanontaniana dia hoe:"mbola ekenareo mpino ve ny fitakiana ny mahavirja alohan'ny fanambadiana"?toa voasoratra ao anaty boky mantsy izay.ka mbola mila tanterahina ve sa efa diso daty?
19. majesty ( 05/06/2008 05:20)
Voalaza teo:
ny tena fanontaniana dia hoe:"mbola ekenareo mpino ve ny fitakiana ny mahavirja alohan'ny fanambadiana"?


Io no filamatra ary azo inoana fa ny ankamaroan'ny fiangonana dia mitaiza ny mpino ao aminy ho toy izany kanefa tsy misy milaza ao amin'ilay pejy voasoratra fa hoe tsy azo atao ny manambady tsy virja noho izany dia eken'ny mpino ny fitakiana ny maha virja alohan'ny fanambadiana nefa tsy raràny ihany koa ny fanambadiana tsy virja ao anatin'ny fanambadiana.
20. ari.malala ( 05/06/2008 06:41)
fanontaniana, ilay hymen ve no marika fa virjiny ny olona iray? iny mantsy tsy voatery hoe firaisana aranofo no maha afaka an'iny ao fa maromaro iany (cf dinika efa imbedebe nande teto am serasera) k raha tsy misy hymen ilay olona d ts ho azo vadiana ve? ho ahy manokana, tsy ny lasan'ny olona iray no mikaonty amiko fa ny ankehitriny iarahanay miaina noho izany na virjiny izy na tsia rehefa manaiky izy fa hiaraka hanorina fianana vaovao miaraka amiko tsy misy ifamatopatoran'ny lasanay intsony d manaiky azy aho:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3938