fanafoanana fanambadiana satria tsy virjiny.

21. mbaliana ( 05/06/2008 14:44)
ny an'ny musulman aloha hono toa mbola mitàna be io fomba io... (namako somalienne zay nonahafantarako an'izany) dia tsy tadidiko taiza nonahenoiko an'le hoe ampisehoina amin'ny olona ilay drap misy rà après ny première nuit ...fa ny problem anie ry ari. ny hymen anie mety rovitra raha mpanao danse classique ianao na sport hafa nandritra ny adolescence e...

fijo> ho ahy mpino aloha dia tsy mitandrina an'izay intsony aho satria efa niova koa ny culture nahalehibe ... efa libre ny vhv mitondra ny fiainany .. dia en plus koa nahoana ny lhl ihany no afaka hi-exiger izany virginité ny vhv zany fa ny vhv tsy mba afaka .... FITOVIAN-JO io :wink:
22. mbaliana ( 05/06/2008 14:50)
tywa> kiss aloha njy fa ela be no tsyhita e... :-* :-* :-* :-* :-*

arakaraky le olona ihany aloha io e... ça depend ny importance omena an'io zavatra io....
23. tywa68 ( 05/06/2008 16:02)
mbaliana : eo ihany e :-* :-* ny gitanes hono toa mbola manaraka an'io koa (maika moa fa ny musulmanes). Ny lhl ihany anie no be zistoara eo e !

ari.malala : mampiomehy njy @ilay hoe ny lhl sy ny lasany :-D :-*
24. niryna ( 05/06/2008 17:36)
Samy mety manana ny fijerininy avy isika rehetra ka eo no manahirana.
Samy misy fahamarinana avokoa ny mpamaly rehetra
Raha resaka finoana no nametrahan'i fijo ny sujet eto dia aleo ary mikasika an'izany koa no amaliako azy.
Ny tenantsika (lahy sy vavy ) dia tempolin'Atra.Amin'izany tempolin'Atra izany dia manana hasina,tsy toy ny biby sanatria ,mila hajaina,mitandro sy miharo ny voninahitra.
Fifaliana ho an'ny ray aman-dreny izany hoe mamoaka zanaka vavy izany(manao mariage no tena asiko teny eto)
Mbola kely angamba isika rehetra indrindra ny vehivavy dia izany fananana tokantrano izany no tena zava-dehibe amintsika.Izany manambady misarimboaly izany,variana ery mijery ireny mpanambady ireny.Ary mino aho fa mbola samy manana izany hetaheta izany avy ny tanora ankehitriny..

Ny tenin'Atra koa dia manambara fa raha toa ka tsy mahatohatra ny fakam-panahy ny lahy sy ny vavy dia tsara ny manambady. k
HS kely eto a
Anjarantsika ray amandreny no mampianatra ny zanantsika (lahy sy vavy)fa ny atao hoe fitiavana dia tsy ny fanomezana ny tena ho an'ilay olona akory ,marobe ny lalana andehanana amin'izany fanambadiana izany ary fitaka hoy ity tovovavy iray izany ny hatsarantarehy...Nanambady ny reniny kanefa noho ny fahatsarantarehiny sy noho ny fakam-panahy dia nandrava ny tokantranony izy ka ny ankizy no nitondra faisana noho izany.

Raha nanontany ilay rangahy talohan'ny nanambadiana ka nandainga ilay ramatoa dia izy no diso fa izany izy hoe nandainga izany.
Raha nilaza ny marina kosa izy ka nanaiky azy rangahy dia mety tsy nisy olana.

Raha nisaina kely koa anefa illay rangahy ka nahafantatra ny fahotana nataony,mety nanana vehivavy maro izy vao nanambady ity ramatoa dia tokony namela saingy nisy fitiavantena tao anatiny,eritreritro io an
"Raha nibabako ilay ramatoa dia hoy ny tenin'Atra hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy,mety solafaka izy,ary na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala raha mibebaka amin'i kristy isika na izy.Ny lasa omban'ny lasa ary tsy ho tsaroaka intsony izany hoy i kristy).Saingy mbola sarotra tanterahana io raha tsy tena manolotra ny tenantsika ho amin'Atra tokoa isika.

Raha toa ka mbola tsy niaraka tovovavy mihitsy izy ka mitady tovovavy madio koa, dia tsy omeko tsiny izy fa tena voafitaka.
Dia anjaran'ilay rangahy no mandanjalanja izany,ary soa kenda ahay hitsako,soa lavo ahay hamindra,ary ny soa fianatra ho antsika rehetra sy ny taranaka mandimby
misaotra
niryna
25. yonikafopl ( 05/06/2008 20:03)
Ny aty Liban de na ry zareo manao sodomisation , na manjaitra rehefa afapo tamin'ny atao ka hanambady amzay.

Fa inona ary no tsara e, manambady olona tsy virjiny intsony, efa nahita fiainana,ka manaja anao amin'izay ao anaty fanambadiana, sa manambady virjiny mbola vo maka tsirony dia tia andranandrana amzay rehefa nahita ny tsirony de mampirafy ao anatin'ny fanambadiana???
26. fijo ( 05/06/2008 20:30)
eo le fanontaniana.izany hoe tsy ekenareo mpino intsony izany io fampianarana kristianina io?
27. niryna ( 06/06/2008 06:04)
fijo:

eo le fanontaniana.izany hoe tsy ekenareo mpino intsony izany io fampianarana kristianina io?

:roll: :roll:
diso angamba i fijo,vakio ny hafatra e,ny tenantsika dia tempolin'Atra.(lahy,vavy) hialana tsiny raha tsy azonao ny dikan'izany.
Ilaina ny fahaodiovana,ary izany no ampianarina ny ankizy sy nampianarana azy ary mbola ampianarana azy ihany.
Ny tantara nomenao no namalianay azy
28. rebeccaF ( 06/06/2008 09:50)

Raha izaho manokana dia mitandrina, ary miezaka mitandrina ny fahavirijiniko mialohan'ny fanambadina. Ary manentana ihany koa ny namako hanaraka an'izany. Misy ny mihomehy ahy, misy ny maneso, ao koa ny tsy mino, fa tsy olana izany.

Tsy noho ny maha kristiana ahy ihany no anaovako an'izany, fa noho ny maha izaho ahy mihitsy.
Ho ahy, tsy mila mampiditra resaka finoana, fa resaka morale fotsiny dia efa afaka mitsipaka ny firaisana mialohan'ny fanambadina.
Ny mampalahelo ahy dia betsaka ny vehivavy namana no voafitaka, ka simba tanteraka ny ho aviny, very ny haja maha izy azy.

Bref: ho ahy tsy ilaina ny firaisana (rapport sexuel) mialohan'ny fanambadiana.

29. xxx ( 06/06/2008 17:15)
fijo:

eo le fanontaniana.izany hoe tsy ekenareo mpino intsony izany io fampianarana kristianina io?


Inona ilay fampianarana Kristianina lazain'i Fijo eto ?

Izaho manokana aloha toa tsy mbola naheno fampianarana hoe tsy azo vadiana ny olona tsy virjiny intsony ! Ny olona maty vady aza toa azo vadiana (raha tsy diso aho). Tsy midika akory izany mandehana ario any ny mahavirjiny anao fa azo vadiana foana hono ... sao misy mandray vilana eo.

Raha ny fahalalako - ny "fampianarana kristianina" mandidy no olona hijanona virjiny alohan'ny fanambadiany dia ny hoe "Aza mijangajanga". (Mitombina foana io na lahy na vavy) ; ary hatramin'izao aloha, raha ny fahalalako koa, toa tsy mbola nisy fiangonana kristianina nangataka ny hanafoanana io hoe "Aza mijangajanga" io.
30. fijo ( 06/06/2008 19:40)
io voalazanao faharo aio le fampianarana ka,"aza miray alohan'ny fanambadiana"ka ekenareo ve io sa efa lany andro.
31. xxx ( 06/06/2008 19:55)
Toa efa ela ihany izany no voavaly ny fanontanian'i Fijo raha izany :

18. Mpandefa : majesty [ Valio ] 05-06-2008 07:20:02
noho izany dia eken'ny mpino ny fitakiana ny maha virja alohan'ny fanambadiana nefa tsy raràny ihany koa ny fanambadiana tsy virja ao anatin'ny fanambadiana.
32. mmmhh ( 09/06/2008 09:19)
ka inona le tian'i fijo ahatongavana e, ny hamalian'ny tsirairay hoe ''ekeko'' na ''tsy ekeko?''
@ zao ftona zao manko rah vao hiresaka an'io firaisana alohan'ny fanambadiana io de ny vehivavy foana no ventin-dresaka, nefa na lahy na vavy tokony hikajy ny ny tsy hanao firaisana alohan'ny fanambadiana foana,
33. fijo ( 12/06/2008 21:49)
ka ekenao sa tsia???na lahy na vavay samy malalaka haneo hevitra
34. arialy ( 29/06/2008 08:29)
ny tsy maha virijiny aloha dia tsy fahadisoana ahatanteraka divorce raha araky ny lalàna e, resaka lalàn'ny finoana ny an'ny musulman, ary tena tokony any am firenena hanjakan'izany lalàna izany no hampisy olana amin'izany, fa te ahazo fahamarinana ilay lehilahy ni publier an'io cas de divorce-ny io, nahita cas hafa koa aho, tsy virijiny ilay vehivavy dia nangataka divorce ilay lehilahy fa nilaza ilay vehivavy teo imason'i juge oe: tsy virijiny koa io vadiko io satria nahalala zavatra betsaka tamin'ny andro voalohany nanaovanay firaisana.
dia menatra teo ralehilahy, fa nohon'ny tsy fitovian-jo am lehilahy sy vehivavy any am tany silamo dia notadiavin'ny olona ho vonoina ravehivavy.
arovan'ny association izy izao, maro ny cas ny vehivavy tena mbola mampalahelo am zao, any am tany silamo na dia vehivavy violée zao dia vonoin'ny anadahiny satria manetry ny voninahitry ny fianakaviana, betsaka ny cas mampalahelo...
Raha ny maha virijiny atramin'ny fanambadiana indray dia tena sarobidy ary deraiko manokana ny vehivavy maharitra an'izay, nefa am zao fihemoran'ny taona ny fanambadiana izao, betsaka ny vehivavy efa 30 taona mahery vao miteraka sy manambady noho ny fianarana sns, ary efa manana expérience am fitiavana, mazava ho azy fa tsy virijiny intsony, fa matotra amin'ny fiainana kosa.
35. fijo ( 02/07/2008 21:54)
aza hafangaro aloha ry sakaiza ny "divorce" sy ny "fanafoanana ny fanambadiana "fa zavatra roa samy hafa be ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074