NEKEN`NY TRIBONALY NY NANAFOANA NY MARIAZY FA ...

1. milaibe ( 29/05/2008 22:19)
Voafitaka ity tovolahy fa tsy virijiny intsony ilay tovovavy dia nitoriny fa nandaiga dia nomen`ny fitsarana ny marina izy ary nanaiky ny fanafohanana ny mariazy koa ity tovovavy ,marihana fa samy silamo izy roa ireo ,ahoana ny fomba fijerinareo an`izany??? teto Frantsa io no nitranga
novalian'i cyril ny 16/06/2008 19:35
2. xxx ( 29/05/2008 22:29)
Ny olana amin'ity tantara ity dia ilay interpretation vendrana ataon'ny olona fa ohatra ny mariazy annulé rehetra ihany io : namitaka ny andaniny, donc misy vice ilay mariazy.

Tsy misy idiran'ny resaka virjiny na resaka silamo mihitsy ilay fanapahan-kevitry ny tribonaly.
3. xxx ( 29/05/2008 22:34)
Jereo ange ny fihodin'ilay resaka e. Ity izao lohatenina article vao hitako teo :
Colère après l'annulation d'un mariage pour non virginité

Tsy pour non virginité mihitsy no izy fa pour fitaka
4. Jeankely ( 29/05/2008 23:38)
Silamo ve xxx. Raha Silamo samy Silamo no nifampitory dia tafiditra ny fisainana maha-Silamo azy. Izaho tsy milaza hoe ratsy na tsara ny fombany fa tena tsy eken'ny fianakaviana iray manontolo ny manambady vevivavy efa nolalovan'ny sasany. Tsy Silamo ihany izany fa fomba tranainy rehetra. Hatramin'izao ny Indian, Sinoa sy ireo voalazanao ireo mbola mandala izany. Ireo izay efa "moderne" no asesika ao antsaina fa mahazo mitety lehilahy 15 mahery ny vehivavy vao manambady ary na ny Malagasy aza bevehoka vao atao ny Mariazy.
Fijery ankehitriny no milaza hoe pour fitaka satria lalana "civil" fa raha amin'ny taniny Silamo izay mampiasa ny "Sariah law" dia sahirana hatramin'ny fianakavian-drazazavavy.
5. xxx ( 29/05/2008 23:46)
Ilay lalàna ange amin'ity tantara ity ka amin'ny tany laika e!
Noho izany dia tsy misy idiran'ny maha silamo an'ilay olona ny fanapahan-kevitry ny tribonaly, na kely aza.

Ary tsy fijery ankehitriny na fijery taloha araka an'i Jeankely no milaza fa fitaka ilay zavatra, fa c'est un FAIT ! na ilay ramatoa aza manaiky fa namitaka izy. Ary io fitaka io no nanafoanana an'ilay mariazy fa tsy zavatra hafa akory, fa ahodin'ny sasany ilay resaka.

NB: tsy silamo aho no miresaka
6. milaibe ( 30/05/2008 00:16)
lay tapa-kevitri`ny fitarana mazava iny fa lainga no nahatonga ilay mariazy ho foana ,fa ilay tiako lazaina dia hoe mila virijiny zany vao mety ve sa fifankatiavana no mitondra azy fa mino aho fa @ zao fotoana izao raha virijiny daholo no tadiavina dia mety ho be ihany ny fanambadiana fohana, ary inona ny anareo no mety hanafohananareo ny mariazinareo???
7. xxx ( 30/05/2008 01:52)
milaibe:
ahoana ny fomba fijerinareo an`izany???

Ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana manko no mampisy adihevitra be amin'ilay tantara, lojika raha izay koa no namaliako an'ilay fanontanian'i milaibe :wink:
milaibe:
lay tapa-kevitri`ny fitarana mazava iny fa lainga no nahatonga ilay mariazy ho foana ,fa ilay tiako lazaina dia hoe mila virijiny zany vao mety ve sa fifankatiavana no mitondra azy fa mino aho fa @ zao fotoana izao raha virijiny daholo no tadiavina dia mety ho be ihany ny fanambadiana fohana

Tadidio fa ho an'ny bandy dia mitana laharana ambony ny resaka sexe eo amin'ny fiarahana, fa fisainana sipa izany hoe fifankatiavana fotsiny izany. Dia misy karazany roa ny bandy : ao ny mitady sipa mahay sy tia vetaveta, ao kosa no mitady sipa "madio". Mety misy extremista sy modéré ireo aloha, arakaraka ny toetran'ilay olona sy ny kolontsainy. Raha sokajy voalohany ianao dia tsy miraharaha izay virja sy tsy virja any ; fa raha sokajy faharoa kosa dia miraharaha.

Fa na ahoana na ahoana aloha, tsy misy an'izany hoe virijiny no tadiavina dia ho foana daholo ny fanambadiana izany mihitsy e. Satria raha tsy misy ankamitapitaka io dia na tsy raikitra mihitsy ilay fanambadiana, na raikitra ihany fa en connaissance de cause ny rehetra.

ary inona ny anareo no mety hanafohananareo ny mariazinareo???
Ko raha tsy adala ko hikasa ny hanafoana ny mariaziny ? :-D :-D
Rehefa dinihana toa tsy misy afa-tsy ny fitapitaka sy ankanafinafina ihany no mety mahatonga cas ohatra an'izao kle.
8. belakely ( 30/05/2008 02:33)
ny lalàna any amin'ny tribonaly kosa tsy mijery izay mahasilamo azy any e; antony hafa no nahafoana ilay mariazy...
fa le resaka virja no nde itariko kely, inona no tena blem rehefa tsy virja intsony le olona? angaha tsy mitovy ihany?
amin'ny voalohany marary dia rahampitso mitady anle milaibe : :* :-* :*
9. xxx ( 30/05/2008 02:47)
belakely : sokajy voalohany :-P
10. Jeankely ( 30/05/2008 03:36)
Satria tsisy "Sariah Court" ao amin'ilay toerana dia izay hevitra hanafohanana azy no noketrehina ary tratra tamin'ilay hoe FITAKA. Fa amin'ny maha-Silamo an'ireo niharan'ny resaka no tena fototr'io. Ho an'ireo mpahay lalana rehefa tsy hita amin'ny lafiny iray dia zahavina ny lafiny mety ahavoazana mamely ilay andaniny. Izay no antony hitaran'ny resaka fa tsy hoe tia hanitatra fotsiny.

Ho an'ireo "Free Sex thinking" tsy izany ny fitiavana fa afaka mivady na efa notetezin'ny lelahy 25 ary nanala zaza imbalo aza ilay vehivavy. Mazava ho azy fa vitsy dia vitsy ny ahitana hoe vita ny mariazy vao ho santarina ity tantara. Ny fisainan'ny sasany aza hoe tsara raha bevohoka vao atao ny mariazy satria raha vehivavy tsy afaka hiteraka na momba sarotra ny hanolo na hanary azy aorian'ny mariazy.
11. ainaheri ( 30/05/2008 03:38)
xxxx t exprime bien,mais maninn miafina lol

Vao itako t@ infos ,1 sem zay fa misy Hop manao operation'io ,d ny sipa silamo no betsaka zany no tena marina,nanazava le Doc fa tsy tokony ataony hono fa nataony hono nohon'ny fiangavian'ilay sipa sy ny reniny mba hanalana henatra eo @ fiaraha-monina!!
Za alou ra ny hvtr manokana tsy miandry virj sy ny karazany any vô anambazy na tsia ee,refa tia ahy sy tiko d'efa lasa iny;ny Fitiavana iany no zava-dehibe,fa refa hain'ny tsi11 mampita an'iny eo @ andaniny sy ny ankilany ataoko ho voavaha foana ny olana na misy indro kely aza eny antsefatsefany eny!!
12. tess ( 30/05/2008 05:01)
f! hay ve silamo e! manahirana be, aza miditra am pataloha tery raha otraotrzay e!
13. AndoRAL ( 30/05/2008 08:50)
Rehefa manao mariage anie dia tonkony hadinoina daholo izay zav taloha fa fianam-baovao no tokony hatrehana e!
seulement ça dépend de chacun. normalement, on doit tout oublier et seulement l'amour compte. rehefa tianao ilay andaniny dia izany no entina hiatrahana ny fianana vaovao ary fiainan'olon-droa no miantomboka fa tsy ny fianana celibataire intsony no atao.
14. xxx ( 30/05/2008 09:03)
ka ry zareo samy silamo silamo ireo ihany no nanatataka azy teo ko :°)

avy eo ry zareo mila vanona mitady tsy virja ntsony

mendimendy toy ny kisoa natsantsy midikiditra etsy sy eroa anatin'izay lavaka hita rehetra izy menakavy, fa nony tonga ny fampakarana de mitady mafy ny mbola tsy vaky :-D :-D :-D :-D

nefa zay tsy mbola novakian'ny iray efa nandalovan'ny hafa

zany no atao hoe mila voatsiary

maninona no mbola atao fepetra fanorenana tokatrano io nefa efa fantatra hatramin'ny fahagola fa tsy mahafehy tena ny ankamaroan'ny lehilahy à 99,99 %, ary mahavita manolaka zaza tsy ampy taona aza,

ary izany no antony nanapahina ny an'ireny lehilahy mpanotrona harem ireny satria fantatra fa tsy hisy hatokisana raha vao mbola balita no mibaiko ny lohany

ny voatapaka sy ny malemy hozatra ihany ary ny botry kely kankana tsy sahy mampiseho balita ihany no tsy sahy mitsaingotsaingoka mialoha ny mariazy hatramin'izay ka mandrakankehitriny. Zay sahy midradraka ho tsy mpandehandeha de mazava wazy

matoa misy ny vehivavy goaka dia misy koa ny mpandoaka

samia mandray ny andraikiny fa tsy hilaza fotsiny fa heloky ny andaniny na ny ankilany fotsiny

[size=13px]tokony asiana lalàna koa manasazy ireo lehilahy sahy mandavaka tovovavy alohan'ny mariazy[/size]
15. kelly13 ( 30/05/2008 09:03)
ary le lhl v mbola virja? sa tsy MAINTSY le vhv fôna no virja @ dry zareo?
16. kiadi ( 30/05/2008 09:13)
kelly>zah virja raha tinjy :-D :-D :-D
17. kelly13 ( 30/05/2008 09:19)
asehoy zany :-P
18. vahiny2004 ( 30/05/2008 09:22)
tsy misy tokony mampirongatra an'i xxx izany raha toa ka tsy silamo i xxx

Mila mandeha mianatra any @ silamo aloha mianatra ny culture-ny, fa raha mbola tsy mahalala ny fombany dia aza miditra @ pataloha tery hoy i tess izay

Jereo fa na ilay vehivavy aza nanaiky

19. xxx ( 30/05/2008 09:23)
ny silamo tsy dia tena fitiavana loatra no fototry ny mariazy

ny azy ny vehivavy natao hanokona sakafo sy hamafa trano no tadiaviny, ny virjiny angamba mahay manao sakafo kokoa :-D :-D :-D :-D :-D :-D
20. kiadi ( 30/05/2008 09:26)
kelly>avy jerevo fa zah virja beuu :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1643