bonne féte ny Reny serasera rehetra.

1. Gie ( 25/05/2008 06:32)
bonne féte daholo ny Reny serasera rehetra.

Ho tahian'Andriamanitra lalandava ary ho ela velona .
:-* :-* :-* :-* :-* :-*
2. rakaroka ( 25/05/2008 07:14)
Misaotra :-* :-* :-* :-* :-* Dia mirary hery sy tanjaka sy "fahasalamana" sy valim-pitia sy hasasaran'ireny reny mifofotra hisiam-piainana ireny! (l) (l) (l)
3. melody ( 25/05/2008 09:20)
dia atolotro hoany RENY rehetra ary ity hira ity - manaova fety sambatra daholo :-* :-* :-* :-*
http://www.dailymotion.com/relevance/search/Neny%2BTiako-BODO%2B/video/x3xdnc_neny-tiakobodo_music
4. endrika01 ( 25/05/2008 10:41)
melody:

dia atolotro hoany RENY rehetra ary ity hira ity - manaova fety sambatra daholo :-* :-* :-* :-*
http://www.dailymotion.com/relevance/search/Neny%2BTiako-BODO%2B/video/x3xdnc_neny-tiakobodo_music



Misôtsa e!afa-po tokoa zahay maman,ay demi-maman makou e,


De mirary fety sambatra feno tsiky mafinaritra be hoan'ny namana tsy manana Neny intsony!Aza malahelo fa eo anilanao mandrakariva izy! :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-*
5. rush ( 25/05/2008 16:47)
tratry ny fetin'ny reny daolo ,ny Tompo anie homba ny reny rehetra lalandava,hitombo fahasalamana ary ho tratry ny ela indrindra , hisondrotra @ avo indrindra daolo.
6. ds ( 25/05/2008 17:38)
Manantitra ny arahaba ho an'ny Reny rehetra. Samia ho ambinin-java-manasatra daholo ka ho lava andro iainana hanabe ny ankizy. :-*
Dia mba tantarao ny niainanareo izany fetinareo izany e.
Ny ahy ilay zanako faralahy (10 taona) tonga nanolotra sakafo maraina ho an-dreniny tao am-pandriana no nanaitra ahy. Tsy mba nisy anjarako akory... :-(
7. kiadi ( 25/05/2008 17:57)
miarahaba ny reny retra ohhhh!!! :wink:
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Amour/offre-fleurs-9523.gif[/IMG]
8. niryna ( 25/05/2008 18:25)

FETIN'NY RENY
*
"Arahaba, ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao"
Lio.1:28
Ny fiarahabana tsara indrindra ho an'ny Reny tsy an-kanavaka
Dia ny teny soa mirindra izay ombàn'ny fivavaka ;
Hilazana fa tsy foana ny fitiavana nomeny,
Rahatrizay mbola ho tsaroana fa tsy misy toa ireny.
Ny fiarahabana tena kanto dia ny fo izay manambara
Teny soa milantolanto horaketina tantara,
Hizarana fifaliana tojo fetinao ry Neny,
Hihirana fihobiana tsy hangina ombieny ombieny.
Ny fiarahabana soa finaritra ho an'ny Reny rehetra rehetra
Dia ny fitiavan'Andriamanitra izay nomeny tsy hisy fetra,
Mahatonga fitokiana, aina, hery, fiadanana,
Mahafeno fitahiana ka tsy hisy izay tsy hanana.
Ny fiarahabana tonga lafatra dia ny Tenin'Andriamanitra,
Izay mampita ireo hafatra mampisokatra ny lanitra,
Loharanom-pitahiana mibosesika tsy lany,
Fandresena fahoriana, famafàna ny tomany.
Ny fiarahabana tsy hatakalo dia ny fo izay mahatsiaro
Fa niady tsy nimalo ireo Reny raha niaro
Ny taranany malala, tsy nitandro ahiahy
Niezaka hampahalala fa ny Tompo no miahy.
Ny fiarahabana tsy ho voavidy ho an'ny Reny dia ny haharitra,
Hahavita ny adidy izay napetrak'Andriamanitra:
Dia ny hitaiza, hanabe, hisikim-ponitra, hilofo,
Ndrey ho lany be dia be, mba hahavanona solofo.
*
Reny satry arahabaina, Reny soa sambasambaina,
Reny tsy mba re taraina, Reny tsy niferinaina,
Reny niharitra aman'aina, Reny mendrika hajaina,
Reny tia sady tiana, Reny antom-pifaliana,
Reny tiana sady tia, Reny tokana ho doria!
Mpanoratra:
Rabarihoela Bruno - OMDA 4377
25 Mey 2003.
---------------------------------------------------------------------------



9. mangidy ( 25/05/2008 22:55)
kiadi hummm bisous elà
de faly be zao i neny raha mahita an'io :-*
10. miradokely ( 26/05/2008 13:38)
he!! mampihetsi-po e! dia ho reny koa izay maniry an'izany.
11. sakaizakely ( 26/05/2008 15:45)
misaotra anareo dia koa
12. fahamarinana ( 26/05/2008 18:12)
:arrow: Dia misaotra anreo dia torak'izany koa e,arahaba ry Reny rehetra!!!! :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1409