zesijesta fahatany!!!

1. ronaldo09 ( 21/05/2008 10:34)
Dia tsy haiko hoe inona no mbola izesitiavana amina teny vazaha nefa ity serasera.org ity dia natao amin'ny teny gasy iray manotolo ary isaorana manokana ny webmaster amin'ny ezaka nataony satria mandala ny mahamalagasy izy!!!Ny tsy azoko dia misy ny sasatsasany amireo namana ato indrindra ireo any Frantsa no manao teny frantsay tsy tonga volana rehefa miditra eto!!!Iza moa no hizestiavanao io ???Ary moa ve misy lanjany ny teny frantsay izay idedahanao?? Vao nateraka aho dia nahay ny teny frantsay sy Malagasy ary vao 12 taona aho dia nahafehy ny teny Anglisy ,ary nanomboka t@ 2002 aho no niteny ny fiteny rosiana koa ianao ve no hizesta amiko????
I Hery webmaster dia ao Italia no mipetraka nefa dia amin'ny teny gasy iray manontolo no nananganany an'ity tranonkala ity ianao tonga tsy nantsoina miaraka amin'ny teny frantsay tsy tonga volanao ,ary raha toa ary ka i Hery haneho hevitra amin'ny teny italiana ,i ronaldo09 amin'ny teny rosiana i aino sy rajoelina amin'ny teny Espaniola ary i jeankely amin'ny fiteny Indoneziana dia ahoana ny fomba ahafahana hifanerasera eto!!!Ny olona tokony hizesta dia ireo mahay sy mahafehy ny teny anglisy saingy ny sasany mbola giazan'ny frantsay ka mi-jesijesta fahatany!!!!!!
2. nickie2 ( 21/05/2008 11:54)
Aza tezitra be toa io re ry Ronaldo09 fa mety diso tsipelina angamba izy na efa zatra lay fiteny frantsay fa ohatra izao enao tokony mba nataonao tany gasy koa lay solonanaranao de misosa isika @ teny gasy e.Eza mifanome tsiny ranga fa samy manana ny mahazatra azy io an.
3. XxxX ( 21/05/2008 13:20)
ronaldo09:

Vao nateraka aho dia nahay ny teny frantsay sy Malagasy
vao nateraka?


:-w :-w :-w :-w :-w =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
4. cutie ( 21/05/2008 14:01)
:-D
5. pseudo38 ( 21/05/2008 17:23)
An'i ronaldo,
Tsy mahay teny gasy loatra intsony aho. Marina izany. Efa 30 taona aho no tonga teto ary marina fa "mélange" be ny fiteninay mivady ary ny zanakay (2 lahy : 20 et 18 taona) tsy mahay teny gasy. Marina izany. Izaho dia "génération" '73.
Tsy matahotra miteny gasy aho an-tsoratra saingy "technicien" aho. "Technicien" avy teny Alarobia.Fanontaniana : "moa ve efa teraka ianao t@ '73 ?".
KA RAHA VOA TERAKA IANAO DIA NAHAY NITENY FRANTSAY SY MALAGASY , HOY IANAO , ahoana ny filaza ny "Pneu, armoire, bielle, sns, sns,... Ahoana ny filaza ohatra ny "fonction affine, le moment en mécanique, tansistor, µprocesseur" et j'en passe et des meilleurs ?
Marina kosa aloha fa misy olona te hisehoseho (zesijesta : zesizesita) hoy ianao. Misy ireo sasany tahaka izany fai : " il ne faut pas mettre tout le monde dans le même sac." (j'attends ta traduction malgache).
Hoy ny ohabolana : "Ambava homana, an-tsaina mieritreritra."
Au fait, tu as déjà eu l'occasion de discuter avec les paysans malgaches ?
Tu permets que je t'embrasse ? {hoy ny gasy hoe manoroka. Cela n'a rien à voir avec le "bisou". On a encore gardé ce coutume mais peu de gens le sait. Cela veut bien dire ce que cela veut dire. On n'embrasse pas. On sent "l'odeur" de la personne (tout comme les animaux). Ami ou pas ami ?} Dis-moi que tu le savais, juste pçour me faire plaisir.
6. zandikely ( 21/05/2008 18:14)
Ronaldo: Tena miombona hevitra aminao mihitsy ao!
7. xxx ( 21/05/2008 19:54)
Marary fo @ izany eo! Odoié!
8. fijo ( 21/05/2008 20:09)
marina tanteraka io voalazan'i ronaldo io,na dia somary amin'ny teny tezitra aza no nanehoany azy.
lainga izany gasy hoe tsy mahay teny gasy izany satria 30 taona no nipetrahany taty.ny cousin(ako) niala tany madagasikara tamin'ny 1968.asa na firy taona izany izao.ataovy ny kajy,fa tena mbola teny gasy soa amantsara ny hifandraisanay aty.
io toa ny bisikileta,rehefa hay dia tsy hadino.
ary mbola antony iray hitenenana gasy ihany koa,raha sanatria ka tena manomboka very tadidy amin'ny teny gasy ny tena.
9. rova30 ( 21/05/2008 20:18)
Izaho indray , te- hizeeeeeeeeeeeeeeesta be te-hiteny gasy ...

...fa tsy manan-kolazaina! :P
10. ni81 ( 21/05/2008 20:26)
Dia tsy haiko hoe inona no mbola izesitiavana amina teny vazaha nefa ity serasera.org ity dia natao amin'ny teny gasy iray manotolo ary isaorana manokana ny webmaster amin'ny ezaka nataony satria mandala ny mahamalagasy izy!!!Ny tsy azoko dia misy ny sasatsasany amireo namana ato indrindra ireo any Frantsa no manao teny frantsay tsy tonga volana rehefa miditra eto!!!Iza moa no hizestiavanao io ???Ary moa ve misy lanjany ny teny frantsay izay idedahanao?? Vao nateraka aho dia nahay ny teny frantsay sy Malagasy ary vao 12 taona aho dia nahafehy ny teny Anglisy ,ary nanomboka t@ 2002 aho no niteny ny fiteny rosiana koa ianao ve no hizesta amiko????
I Hery webmaster dia ao Italia no mipetraka nefa dia amin'ny teny gasy iray manontolo no nananganany an'ity tranonkala ity ianao tonga tsy nantsoina miaraka amin'ny teny frantsay tsy tonga volanao ,ary raha toa ary ka i Hery haneho hevitra amin'ny teny italiana ,i ronaldo09 amin'ny teny rosiana i aino sy rajoelina amin'ny teny Espaniola ary i jeankely amin'ny fiteny Indoneziana dia ahoana ny fomba ahafahana hifanerasera eto!!!Ny olona tokony hizesta dia ireo mahay sy mahafehy ny teny anglisy saingy ny sasany mbola giazan'ny frantsay ka mi-jesijesta fahatany!!!!!!
Indraindray tsy hita mihitsy ilay andikana ilay teny ange dia lasa manoratra ilay izy @ teny faran'izay tsy hay e!
Mety hisy angamba ireo karazan'olona voalazanao ireo hoe miZESTA, nefa asa na ahoana koa no mba fandinihin'ny olona sasany ny teninao manao hoe: vao nateraka aho dia nahay ny teny frantsay sy malagasy . Eto koa izao dia tsy voadikanao @ tena tokony ho izy fa mampiasa teny faran'izay tsy hay nagasigasiana ianao milaza hoe: zesijesta. :roll: Sarotra ange io tenintsika io e, ary maro no tsy mahafehy ny dikany mazava tsara dia mitady izay mora² mahazatra ny sofina; eny na ny manoratra azy koa aza dia be diso.
11. patrick2002 ( 21/05/2008 20:39)
raha tena hi zesta aloha no hitondrana an'ilay teny dia tsa mety ,misy kosa tsy ilay olona mitarogna no mi-zesta fa ,i roky ro mihengno azy ro matilolo ,dia lasa mi-zesta tokoa gnay rehefa mi-tarogna. :roll: :roll:
kay lety ah! tena lasa mi-zesta @ teny betsileo indray izay zany :lol: :lol:
12. rakaroka ( 21/05/2008 21:33)
Ny ahy ny tsy azoko mihitsy :roll: 8O 8O ilay foto-pisaina mihevitra fa rehefa miteny franc tsa hay ilay olona dia mi-zesta :roll: :?: Sahala amin'ny mitory "fankahalana" tsotra izao mihitsy, satria tsy ao an-tsain'ny
maro mihitsy ny hoe 'ndeha hi-zeste amin'izany fa "automatisme" no fiheverako izany ary somary logique ilay izy araka ny fanamarihan'ny namana teknisiana etsy ambony no amin'ny naha firenena francophone an'i Dago. Ny tsy logique aza dia ny fampiharana teny "anglisy", satria ara-tantaran'ny gasy dia vao io.Fa tsy ilaiko ny manenjika ny fiteny satria fitaovana ampiasaiba amin'ny ilana azy izany e!
13. xxx ( 21/05/2008 22:42)
pseudo38:


"Pneu, armoire, bielle, sns, sns,... Ahoana ny filaza ohatra ny "fonction affine, le moment en mécanique, tansistor, µprocesseur" et j'en passe et des meilleurs ?


Fanontaniana ho an'i pseudo valo ambitelopolo: Inona kay le " tansistor "???

:?: =))
14. razaordira ( 22/05/2008 06:23)
Onntss...Izany ve ? Anjaaay !!! ...Aza teztsa moa fa lasa antitsa vetivety eo nge naleo e. ^:^ Ary maninona kosa moa naleo no miteny hoe ny teny anglisy ihany no azo "izestiavana" ? hihihihi
anjaaay . Izany ve dia mba tiako ? ^:^
(Tsy ratsy kosa aloha ilay teny gasy noforoninao e: "zesta" ==> teny verindroa : "zesijesta" . Tena manam-pahaizana ise kely. )
ronaldo09:

Dia tsy haiko hoe inona no mbola izesitiavana amina teny vazaha nefa ity serasera.org ity dia natao amin'ny teny gasy iray manotolo ary isaorana manokana ny webmaster amin'ny ezaka nataony satria mandala ny mahamalagasy izy!!!Ny tsy azoko dia misy ny sasatsasany amireo namana ato indrindra ireo any Frantsa no manao teny frantsay tsy tonga volana rehefa miditra eto!!!Iza moa no hizestiavanao io ???Ary moa ve misy lanjany ny teny frantsay izay idedahanao?? __ Ny olona tokony hizesta dia ireo mahay sy mahafehy ny teny anglisy saingy ny sasany mbola giazan'ny frantsay ka mi-jesijesta fahatany!!!!!!



15. rabingogilabanga ( 22/05/2008 16:28)

mi-zesijesta fahatany: ataovy teny gasy aloha e! mieboebo, na mipoerapoera, na mi-bohaboha,na..., ianao mitsara indray no bingo.

ataovy resaka matotra @ izay,
Ny hevitra lazainy no tena asio importance e! ny fond no jereo fa tsy ny forme.

farany na mipoerapoera, na mi-bohaboha, na mieboebo izy,
raha izay no mahafaly azy sy maha à l'aise azy , tsy olana , namana serasera ihany izy.
ny tsy mety dia le mi-bohaboha mifangaro fanambaniana namana , fa raha mieboebo ne fa tsy manambany, dia andao hiara-hifaly aminy e!
16. Aino ( 22/05/2008 18:25)
oddioooo!!!

raha ho ahy manokana aloha dia tsy mizesita fa fahazarana ihany ilay izy!!

raha izaho miresaka an'ny i rajou ireny izao na tsy espagnole aza dia fahazarana ihany fa tsy mizesita, na mivatana izany na @phone na manotra dia miovahova ny teny ary mifangaro ny teny gasy sy ny vahiny.

tsy hoe manary ny teny gasy fa fahazarana ihany ilay izy, sady tsy mizesita koa, inn moa no antony hizesitiavana @izany.

raha ho ahy manokana dia tiako ny teny gasy ary mihezaka ny mianatra faona aza saingy arakaraka ny toherana misy ahy sy ny olona miresaka aminko no ampiasaiko azy. :wink:
17. Aino ( 22/05/2008 18:31)
za ry zareo tena mahay teny gasy mba ampianaro ah!!!

ny manoratra fotsiny aza moa matetika lasa fotsony faona azon'le izay faona no nanononana azy hatr@ izay, raha tsy i simplex no nanintsy, de misaotra azy.
18. niryna ( 24/05/2008 04:37)
misy ny mi-zesta
misy ny tsy mahay
misy ny dedaka
misy tsy mety mivoaka mihitsy ilay izy ka asiana teny vahiny kely
misy tanora tsy dia azony ilay teny dia asiana (..) hanazavana aza

ka izay tiantsika sy azokazontsika.
Tsiky dia ampy ka tsy tokony atao mahatezitra,dinganina fotsiny dia izay, izay meeeetttyy ho tezitra amin'ny tsy misy dikany dia ny ao anatiny mihitsy no misy mampahasosotra azy ka any amin'ny fitsikerana olona izy no miala vokona
sarotra anie ny teny gasy e,mety ho mora @ ny sasany milaza azy ho mahay
:roll: :roll: :D :-*
19. ainaheri ( 24/05/2008 19:00)
ronaldo>> Miombokevitra @ twa za @ le tenyvahiny(lol za nanao twa sy le hihihi),Ilay mizesta alou hazavao tsara!! Manisika teny vahiny kely ao anatiny sa ilay manoratra ranoray? D ataovy teny gasy iany klou le ps ee :roll: :-D :lol:
20. evasoa ( 24/05/2008 21:43)
Vao nateraka aho dia nahay ny teny frantsay sy Malagasy


izaho indray vao nateraka dia tsy nahay afatsy nikonetaka

fa nitovy konetaka tamin'ilay kala sinoa kely zanaky lay mpivarotra teo ampitanay

zany oe vao nateraka dia efa nahay konetaka sinoa

bilengy fikonetaka ve izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3214