zesijesta fahatany!!!

21. xxx ( 25/05/2008 16:22)
samia manao zay reviny e , izay tey te hamaky teny frantsay na angalisy dia aza mamaky fa inona ary no mamparary fo @ izany
22. rakaroka ( 25/05/2008 19:05)
Tairo 'ndray aza ny zesta amin'ny teny sinoa amin'ny andron'ny jeux olympique izao e: "nin hao!" :wink:
23. xxx ( 27/05/2008 08:45)
ainaheri:

ronaldo>> Miombokevitra @ twa za @ le tenyvahiny(lol za nanao twa sy le hihihi),Ilay mizesta alou hazavao tsara!! Manisika teny vahiny kely ao anatiny sa ilay manoratra ranoray? D ataovy teny gasy iany klou le ps ee :roll: :-D :lol:

Tsy aleo ve mijery teny frantsay toy izay mijery an'ity twa, klou , za, D ... teny inona izao ireo ?
:-D
24. ronaldo09 ( 27/05/2008 11:33)
Ka ny mahagaga anie samy aty an-dafy daholo isika ,misy ny sasany any Indonezia ,misy ny sasany any Amerika misy ny sasany any Espana ,Porotogaly fa toa tsy mba mahita azy ireny manafangaro ny teny gasy toa an'ilay teknisiana etsy ambony aho !!!
Azo atao ange ry zareo ny miteny frantsay saingy mba rehefa amin'ny fotoana tsy azo anoarana fa tsy fehezan-teny iray dia fenoinao teny frantsay ary iray ihany no mba teny gasy tafiditra ao!!!
Le hoe koa za rehefa nateraka dia niteny frantsay sy ny teny gasy dia izao vao nanomboka nianatra za dia teny frantsay no nianarako ary vao nibadabada za dia teny gasy no teo ambavako !!!
Za amiko tena faly mahita ny gasy miteny vahiny " T@ za nianatra teny Anglisy tao amin'ny ACCEM dia toy izao ny teny filamatra "Andrianiko ny teniko ,ny an'ny hafa koa feheziko" zany hoe :mba mirehareha tsika fa gasy ary miezaha miteny gasy e!!! Aiza ianao nahita Frantsay nipetraka 30 taona tany Dago ka tsy mahatadidy intsony ny teny Frantsay ??? Raisintsika ohatra izao ilay mpilalao Tennis Rosiana Maria Sharapova any Amerika izy no mipetraka ary tany no lehibe nefa miteny Rosiana tsara ary tsy misy azo anavahana azy amin'ny Rosiana mpiray tanindrazana aminy rehefa miteny !!! I Teknisiana etsy ambony zao manan-janaka 18 sy 20 taona fa tsy mahay intsony ny teny gasy (saika nitomany aho nahita an'io ),za na rosiana no hovadiko dia tsy maintsy mahay teny gasy ny zanako sao dia very ny mahagasy azy!!!!
Tsy ratsy ny mahay teny vahiny hoy aho fa raha mbola azo adika amin'ny teny gasy ilay izy mba iezaho e! ohatra Foot-ball : baolina kitra =D>
Ny solon'anarana ronaldo indray ange ka anaran'olona ilay hoe ronaldo e! I Ronaldo Luiz Nazarrio da Lima ny anarany ka ataonao ahoana ny fandikana an'izany @ teny gasy ???
ANDRIANIKO NY TENIKO NY AN'NY HAFA KOA FEHEZIKO !!!!!
25. niryna ( 27/05/2008 17:10)
ronaldo09:

:D :D
aza atao mahakivy izany e.Na ny teny gasy soratana aza anie raha tena hitsongolohana be diso e .Aleo anie alaiko ireo ambony ireo e
zesijesta ,teknisiana ,azo atao ange ? tsy azo anoarana,le hoe koa za? za amiko? teknisiana etsy ambony zao? hitanao dia be diso be ilay teny gasy ka aleo izay mahay miteny hiteny fa rehefa tsy tafavoaka dia izay amoahany azy,toy ny mangahazo mangidy malemy ka hohanina amin'ny halemem-panahiny sa ahoana ?
26. vahindanitra ( 27/05/2008 18:40)
Be ny toerana nalehako, tao ny soa, tao ny tsara,
fa tokana ry reharehako, dia i Madagasikara.
Nianarako ny teny hafa isaky ny niova lasy,
fa tiako indrindra ny mitafa amin'ny Teny Malagasy !
.....

Tsy mizesta aho fa mihambo ho manaja ny fitenin-drazako ary mifehy ny teny vahiny nianarako...

Fa ny fiezahana tsy hanadino ny teny malagasy na aiza na aiza misy ny tena dia efa tena zava-dehibe ! Homam-bary aza, hono, misy latsaka, koa raha misy teny vazaha tafiditra tsy nahy, aza tebahina fa ahitsio raha hainao ny manitsy, ary karohy raha tsy fantatrao.

Hoy ilay namako nianatra tany Angleterre izay : "Tratra evening nitsangatsangana teny amin'ny grass izahay, ka voatery ni-run nanenjika bus"
Saika tsy azoko ilay resany raha tsy nieritreritra kely aho !
:idea: "Tratra hariva nitsangantsagana teny an-tsaha izahay, ka voatery nihazakazaka nanenjika ny fiara mpitatitra"...
:lol:
Mazotoa miteny malagasy daholo e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4358