fa manin aza no ovaovaina fona ny fampianarana!

1. ari.malala ( 20/05/2008 08:50)
Société
Primaire à 7 ans. La réforme de l’enseignement est en cours. Et l’anglais n’est pas en reste.

20 CISCO pilotes cette année
Le prolongement du primaire à 7 ans sera effectif dès la prochaine rentrée scolaire en septembre, dans 20 CISCO (Circonscription Scolaire) du pays. Ces réformes scolaires concerneront également l’enseignement de la langue anglaise. « La langue de Shakespeare sera désormais très appuyée au ‘’grade six’’ ou à la classe de 6ème. Près de 486 écoles de ces CISCO pilotes se verront appliquer le nouveau programme. D’ailleurs, une partie des quelque 2800 enseignants spécialisés, récemment formés, assureront ce nouveau cursus. Toutefois, l’enseignement de cette 3ème langue officielle de Madagascar se poursuivra toujours dans les 2 000 établissements scolaires qui ont déjà expérimenté l’anglais dans le primaire en 8ème et en 7ème », confie Noro Nirina Ramilimanitra, une des formatrices du premier « Symposium National d’Anglais », qui s’est tenu dernièrement à l’ENS.

Dix nouvelles stratégies d’enseignement de la langue anglaise ont été adoptées à l’issue de cette rencontre pour une vision commune de l’apprentissage de la langue de Shakespeare. « L’objectif est d’apprendre plus facilement l’anglais aux enfants et de les faire participer davantage durant les cours. Il ne s’agit plus de transcrire des cours au tableau et de les faire copier dans le cahier aux élèves. Des nouvelles méthodologies comme le ‘’Jazz chants’’, le ‘’using sounds in classrooms’’, la ‘’grammaire communicative’’, les divers jeux,… seront désormais développées », indique toujours cette formatrice pour l’anglais. En tout cas, un réseau de professeurs d’anglais se chargera du suivi de l’application de ces nouvelles stratégies à travers les différentes régions du pays. Yes, indeed !

v.a.


http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=4314

(Miala tsiny fa tam teny frantsay ilay izy)
novalian'i kally ny 27/06/2008 12:46
2. Jeankely ( 20/05/2008 10:16)
Ny amaliako io dia tsotrabe. Raha ny tsirairay no jerena dia mety misy tafavoaka tamin'ny rafitra fampianarana taloha. Fa raha mijery "macro" dia tsy lasa nankaiza ilay firenena nampiasa teny Frantsay, vao mainka nirodana indray koa nanao fanagasiana, avy eo tia hamerina mafy teny Frantsay mbola halavitra ny dingana vitan'ny firenena.
Manontany tena hoe fa maninona no resin'i Mauritius tany kely io Madagasikara. Dia afaka raisina fa sady mampiasa teny Frantsay reo no mampiasa teny Anglisy. Ny text rehetra tokony hisy teny Anglisy koa. Mitady hevitra hitarika mpampiasa vola avy ivelany ny Malagasy. Ny ivelany anefa tsy ny miteny Frantsay ihany. Misy ny sasany na mampiasa ny azy aza dia ny teny Anglisy no hiasany faharoa. Noho izany rariny amiko raha asiana fanovana ny zavatra tsy nahomby.
Raha nahomby ho an'ny firenena fa tsy ny fianakavianao ihany akory dia porofoy fa ho hita eo raha manaonao foana ny Fanjakana.
Misaotra
3. lapino ( 20/05/2008 12:55)
tonga any an-tsekoly ihany ny teny anglisy ? hisy teny serieux hifaninana aminy amin'izay ilay teny frantsay tsy nampahomby antsika ?

misaotra sy mankasitraka e ! :-)

noheveriko fa mission impossible anefa ange izany, mbola any amin'ny redirediko foana no mihodina, kay efa tena miainga izy any izany. Ka inona moa fa tsy faly fotsiny ny tenanay e :P

Tsy handroso anatin'ny indray mipi-maso isika, kanefa tsy maintsy ampitomboina ny dingana vita. Sady mora kokoa koa ange ny teny anglisy noho ny teny frantsay raha samy ny fianarana azy no jerena e.

4. Jeankely ( 20/05/2008 15:56)
Ny resaka hoe mora indray aloha dia tsy mino izany aho. Fa ny hoe ilaina satria tsy Frantsay ihany no tokony hifandraisana angamba no izy.
Maro ny mahay miteny Frantsay fa lasa nankaiza i Madagasikara izay jerena.
5. ari.malala ( 21/05/2008 12:42)
tsy le resaka teny anglisy no mahatonga ahy hanokatra ny dinika fa ilay primaire nampitomboina ho 7taona! satria 5taona aza betsaka iany ny miala andaharana noho ny tsy fahampiana mainka ve fa 7taona!!!
6. Jeankely ( 21/05/2008 13:06)
Ho ry Ari.malala a!!! Na lazainao 10 taona io na 7 taona na 5 taona na 3taona rehefa hiala andaharana dia miala andaharana hatrany. Misy vokany ve ilay miala andaharana voalazanao sa tsisy vokany? Inona no vitan'ilay ankizy niala 5 taona raha izany. Io fito taona io kosa raha ny tokony izy dia tokony an'ny fanjakana ny lany satria mila ampiakarina ny farimpahaizan'ny Malagasy maro anisa. Ny zavatra mbola resahan'ny mpitondra dia ny fisian'ny mpiasa ambany karama tsy ampy fianarana no ataony hizahavana mpandraharaha vahiny ho avy. Efa hilaozan'ny toetr'andro izany. Mpiasa mahay betsaka no reharehana.
Aleo hovana ny zavatra tsy nahomby fa aza finaritra mijanona amin'ny lasa tsy namokatra Ari.malalooooo
7. evasoa ( 24/05/2008 21:26)
arimalala> za mbo gaga

ary tsisy fanazavana hoe aiza ho aiza no asiana ilay taona 2 fanampiny, any @ maternelle ve, sa atao hoe T6 T7 ?

taloha t@ andronay :-P
maternelle 1 taona, tsy voatery atao
avy eo de T1-T5 de CEPE

tsy nisasaka akory ny T1 dia efa nahay namaky teny sy nanoratra aho, toy ny ankamaroan'ny mpianatra rehetra. Tadidiko koa fa nikaly ny sorany daholo ny ankamaroany tamin'izany

aty ivelany anefa na tsy voatery aza, dia manao maternelle 3 taona daholo ny 90% n'ny ankizy : Petite section, moyenne section, grande section

6 taona vao miditra primaire mamita ny 5 taona

ny mahagaga dia mbola misy foana ny tsy mahay manoratra sy manisa ka tsy maharaka rehefa tafiditra kolejy, ary betsaka ny tsy mikaly soratra fa korontandrontana be ka misy fiantraikany @ fanehoana sy fitondrankevitra koa.

raha ny fandinihako manokana dia mba mahomby ihany ny fampianarana any amintsika hatramin'izay
tokony nantomboka efa ela io fampidirana teny anglisy io
8. xxx ( 24/05/2008 22:40)
Raha ny fijeriko manokana aloha, tsy mampaninona mihitsy ilay fito taona e. Raha azo atao aza hoe tsindriana lalàna manery ny olona tsirairay hamita an\'io fianarana 7 taona io.

Ny irina fotsiny aloha dia hoe : mba tsy hahozongozon\'izay fitondrana manaraka eo ilay fanovana fa hotohizana hatramin\'ny farany. Mampatahotra ihany manko ny politikantsika ity

Fa hono hoa : midika koa ve io fa amin\'ny teny anglisy koa no hianarana kajy sy fahalalana tsotsotra any amin\'ny primaire ?

ps : \"langue de Shakespear\"
C\'est ridicule de dire ça. Ce qui importe dans la langue anglaise, c\'est que c\'est utile et que ça passe partout, messieurs les journalistes. On s\'en fout complètement de votre Shakespear, méme si ce n\'est juste qu\'une expression; dites plutôt : \"la langue de notre siècle\"
J\'ai honte d\'écrire en français --> xxx :wink:
9. niryna ( 25/05/2008 18:33)
mitombo ny fotoana,misy antony ao matoa izy mampitombo azy.Raha ny fianarana teny vahiny hafa dia tena ilaina tokoa.Tsy midika akory izany fa amambakan'ny hafa ny malagasy .Tena mahay ny ankizin- tsika raha oharina ny mpianatra aty ivelany,tsara raha mbola ampiany sy ampitomboany ny fotoana hianarana sady tsy dia misy mandeha lavitra intsony ny mpianatra.
10. xxx ( 26/05/2008 07:17)
Laviko kosa ny lazain'i Jeankely hoe noho ny teny frantsay no tsy mampandroso antsika , noho ny teny anglisy no mampandroso ny maorisiana ! Mety ho facteur io fa tsy io no facteur déterminant fa mila manaiky isika fa vendrana ! Zatra tolorana sady zatra miandry

ari.malala : Nahoana no ovaina foana ny fomba fampianarana : satria hita fa tsy mahomby izany e , ohatr'izany daholo angamba ny fiainana , mila miova méthode @ fotoana sasany , indraindray efa tsy manaraka ny toetr'andro ohatra, raha izao no mbola nianatra ny nos ancêtres les gaullois ny gasy dia ahoana hoy ianao. Takian'ny fivoarana ny fiovàna @ lafiny rehetra
11. ravakamalala ( 26/05/2008 14:46)
xxx:
fa mila manaiky isika fa vendrana !


ekeo irery eo aloha fa raha izaho manokana indray dia tena tsy hanaiky an izany na oviana na oviana!!
12. xxx ( 26/05/2008 14:56)
ravakamalala:

xxx:
fa mila manaiky isika fa vendrana !


ekeo irery eo aloha fa raha izaho manokana indray dia tena tsy hanaiky an izany na oviana na oviana!!



vendrana satria manilika lava any @ hafa foana fa tsy mba mandini-tena : ny frantsay no toy izao , ny fomba fampianarana frantsay no toy izao, ny colonisation no toy izao , ka mba aiza izay antsika nampandroso !!!!

Isika milay be fa tsy mankaiza akory

Tsefotra ery mitantara etsy sy eroa intelligents ny gasy, nefa jereo ny firenena malagasy , miady gisitra . A qui la faute ? Evidemment que c'est la faute des autres

Malaza tsy hihinanana ohatran'ny vilian-tsaka fotsiny
13. pissoa ( 26/05/2008 16:18)
xxx:
Malaza tsy hihinanana ohatran'ny vilian-tsaka fotsiny

Ny viliantsahona no malaza tsy hinanana fa tsy ny vilian-tsaka e ! Vendrana tsss :twisted: :-D :-D :-D ( Sans rancune a :oops: :-* )

Fa misy afaka mamaly ve ito
evasoa:
ary tsisy fanazavana hoe aiza ho aiza no asiana ilay taona 2 fanampiny, any @ maternelle ve, sa atao hoe T6 T7 ?


Izaho manokana aloha raha hoe misy fanovana - tsy dia olana amiko ilay hoe atao 7 sa 5 taona ny primaire. Ilay CEPE rahateo toa tsy fantatro mazava izay ilana azy eo amin'ny lafiny asa, ka ny zavatra tokony ho hay/voafehy mialoha ny hidirana college no tokony hitondra azy angamba.

Fa raha hanova koa dia heveriko fa tokony atao interactive kokoa ny fampianarana fa tsy asaina manao copy-paste avy eny amin'ny solaitra be mankao amin'ny kahie fotsiny foana ny mpianatra :-D :-D :-D

14. ravakamalala ( 26/05/2008 19:59)
pissoa > :-D :-D :-D

xxx >
satria ve mahantra ny firenena iray, satria ny "indicateur économique " milaza fa isan'ny firenena gisitra i Madagasikara amin ny lafiny ekonomika, dia midika izany fa vendrana ny gasy?

Nivarina an-kady ilay 404 iray fa tsy nahay nitondra taxi-borosy akory ity saofera, dia ireo rehetra nitaingina io 404 io no lazaina fa tsy mahay mitondra taxi-borosy?

aoka re!


ary tsisy fanazavana hoe aiza ho aiza no asiana ilay taona 2 fanampiny, any @ maternelle ve, sa atao hoe T6 T7 ?


raha araka ny tetik' asa voalaza ao anatin ilay lahatsoratra
"Des nouvelles m�thodologies comme le ��Jazz chants��, le ��using sounds in classrooms��, la ��grammaire communicative��, les divers jeux,�
" dia mety hoe 2 taona fanampiny ao amin ny ambaratonga primaire, satria mifanentana kokoa amin ny ankizy efa bebe taona fa tsy ankizy mbola any am maternelle!

Hitako tsara ilay hevitra !! na izany na tsy izany, mbola andrana ihany koa anie io e! tsisy mangidy tsy andramana, ary ny fianarana no isan ny zavatra tsy anenenana indrindra, ( tsisy hoe very fotoana, na very vola , ahitana tombontsoa foana io ), ka aleo aloha andramana dia ho hita eo e!
15. belakely ( 26/05/2008 20:25)
k'izay manandrankandrana izay le mahavoa koooooo!!!
16. xxx ( 26/05/2008 22:09)
belakely:

k'izay manandrankandrana izay le mahavoa koooooo!!!

Io zavatra io ange tsy hoe andrankandramana fahatany e. Manana manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana isika; ka tsy maintsy zavatra efa nisy etudes mialoha vao ampiharina izao zavatra izao.

Ary jereo fa, topi-maso avy lavitra fotsiny aza, jereo fa manaraka ny lalan'ny fikarohana fampihatra rehetra ihany ilay izy, resaka scaling no tiako lazaina : misy etude atao aloha, theorique - avy eo asiana fanandramana à très petite échelle - avy eo échelle pilote - farany vao tena mise en production an'ilay concept vaovao.

Mbola vao eo amin'ny échelle pilote izao ny raharaha, dia efa mimenomenona sahady ve ianareo ? Sady izay ny fanandramana no kianinareo ho mahavoa ! Ny zavatra efa tonga amin'ny stade pilote izany ange ka efa masamasaka ihany e. Mise à l'épreuve amin'ireo contraintes-n'ny généralisation an'ilay zavatra no tena jerena amin'izay. Tsy hoe rehefa masaka ambony taratasy manko dia hifanaraka amin'izay 100% foana ny zava-misy eny amin'ny terrain, na mazana be ohatra an'i belakely aza izay olona nanao ny etudes tao. :-P

Ka tsarovy fa raha tsy hanandrana mihitsy fa tonga dia manaonao foana, dia izay no tena mahavoa.
17. xxx ( 26/05/2008 22:23)
xxx:

vendrana satria manilika lava any @ hafa foana fa tsy mba mandini-tena : ny frantsay no toy izao , ny fomba fampianarana frantsay no toy izao, ny colonisation no toy izao , ka mba aiza izay antsika nampandroso !!!!

Isika milay be fa tsy mankaiza akory

Tsefotra ery mitantara etsy sy eroa intelligents ny gasy, nefa jereo ny firenena malagasy , miady gisitra . A qui la faute ? Evidemment que c'est la faute des autres

Malaza tsy hihinanana ohatran'ny vilian-tsaka fotsiny

Facteur anankiray nampihemotra antsika ny systeme frantsay no-calquer-na fotsiny, presque bétement, amin'ny lafim-piainana rehetra. Izay kosa aloha dia lazaiko sy ambarako tsara mihitsy, na tsy voalaza ao anatin'ny fehezanteniko aza ilay teny hoe "facteur".

Ekeo kosa aloha fa TSY VENDRANA isika raha toa ka manaisotra izay facteur hita fa mampihemotra e. Farafaharatsiny, mba tsy dia vendrana loatra noho ny teo aloha ny saoferan'ilay taxi borosy.
18. ravakamalala ( 27/05/2008 16:40)
k'izay manandrankandrana izay le mahavoa koooooo!!!


inona ary hoy i belakely no mety ho fahavoazana amin ity fanandramana ity raha toa ka tsyhahomby ilay izy?
19. kally ( 27/06/2008 09:35)
Ny olana angamba tsy dia ilay hoe 7 taona na 5 taona, fa ny famerana mazava hoe inona no tokony ho voafehin'ny ankizy anatin'ireo 7 taona ireo. Dia tratrarina arak'izany ny tanjona fa tsy hoe nianatra nandritry ny 7 taona ka ny vola fotsiny no lany fa tsy misy n'inon'inona hay.Na fito taona nisambadidahana fotsiny fa tsy misy tena zavatra mivaingana hay.Tsy tsaroana intsony ny fikajiana ny efamira sy ny varingarina rehefa avy eo.Tokony hanamarika ny fiainan'ny ankizy mandrakizay ny zavatra hainy anatin'ireo fa tsy hoe tsy tadidiko intsony ny mikajy ny manodidina ny faribolana, dia mihahaka eo rehefa lehibe, na hoe aiza ho aiza tokoa moa no mikoriana ny ranon'i Betsiboka? lol Tokony ho zavatra miraikitra an-doha no hita ao fa tsy manidina fotsiny.
Jereo anie ny olona taloha (mpianatry ny fanabeazana fototra nivoaka t@ taona 60 sy ohatr'izany), nivoaka ny fanabeazana fototra izany tena mahay, izao ka .... :cry:
20. kelly13 ( 27/06/2008 09:44)
kally>ela b zany :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0823