Christian sy ny fahalalahana, tsara fa misy maharatsy azy

1. Jeankely ( 19/05/2008 00:52)
Toerana Silamo no misy ahy sy hiodikodinako saingy misy vahiny Christian ihany. Ny zavatra hita dia malalaka ny saina Christian. Tsy fanaratsiana na fanamboniana fa ny zava-misy no resahiko. Raha miditra fiangonana ianao dia misy vehivavy manao akanjo foika kely, pataloha mifinjika. Ny lehilahy manao kavina ila, mifato-bolo sns. Tsy miteny aho hoe ratsy ireo fa kosa ho an'ny Silamo dia manakorontana azy ny fahitana izany. Izaho aloha dia vaka satria tena maro no hivavaka no aleha ary tsy mahita izay ataon'ny sasany fa ny fivavahany no atao. Saingy misy ihany ny manararaotra mitsikolo kely ary tena misy ny mifampi-koty sy efa mifanaraka havia sy havanana. Ary rehefa tia hilalao dia any @ Christian no maka ny tanora. Raha mijery sy mihaino ny fihetsiky ny Malagasy eto aho ohatra dia misy masahy milaza fa tsy ilaina ny fivavahana nefa tsy mampaninona ny Christian izany fa miady hevitra fotsiny izy.
Aza mikasika sy manandrana miteny hoe tsisy dikany kosa ny "Q'ouran" imason'ny Silamo fa tsy heloka ny mamono anao eo no ho eo ihany.
Ka amiko dia sady misy fahatsarany ilay fahalalahana no mety misy mampibirioka sy hararaotin'ny sasany ihany koa.
novalian'i Jeankely ny 31/05/2008 15:42
2. razaordira ( 19/05/2008 03:19)
Fa iza ihany ity Mr. Christian lazainareo ity e ?
I Mr. Christian ve no manao kavina mandeha miangona ?
Zara aza izy mba mety mandeha miangona kouh. :lol:

Variana mijery sipa ve i Mr. Christian rehefa misy manao mini-jupe ny vehivavy mandeha miangona ?
Tsy aleo ve mba hisy an'izay aloha mba hanomezana azy "incentive" hanampy ny motivation-n' i Mr. Christian handeha hiangona. :lol:


3. Jeankely ( 19/05/2008 05:04)
Misaotra razaordira. Tsy maninona fa ataoko sahala ny solonanaranao ary hoe Kristianina e. Tsy ny Jupe foikany na ny kavin'ilany no tiako hiaviana fa ilay fahalalahana mety hanararaotan'ny hafa azy. Niteny aho ery ambony hoe sahin'ny sasany no milaza fa olona tsy mahatoky tena no mivavaka. Raha kristianina no mahare io dia mifanazava fotsiny amin'ny maha malalaka azy fa tsy azonao atao izany ny Silamo raha mahatoky tena ianao dia afaka avy izy hitsapa izany hoe tsy mivavaka ary tsisy finoana mahatoky tena izany.
4. patrick2002 ( 19/05/2008 14:28)
Hitako ianao izao no famalinao kay ianao mihaina any @ tany silamo kou. :lol:
al shalam le koum ,allh akbar. :@ :@
5. cutie ( 19/05/2008 14:53)
Mpandefa : razaordira [ Valio ] 19-05-2008 05:19:49
Lohateny : Re : Christian sy ny fahalalahana, tsara fa misy maharatsy azy
Fa iza ihany ity Mr. Christian lazainareo ity e ?
I Mr. Christian ve no manao kavina mandeha miangona ?
Zara aza izy mba mety mandeha miangona kouh.

Variana mijery sipa ve i Mr. Christian rehefa misy manao mini-jupe ny vehivavy mandeha miangona ?
Tsy aleo ve mba hisy an'izay aloha mba hanomezana azy "incentive" hanampy ny motivation-n' i Mr. Christian handeha hiangona.

:-D
6. Jeankely ( 20/05/2008 02:03)
Tian'i cutie ngah io famaliny io ?
7. Veloo ( 20/05/2008 15:17)
sarotra ba io fisainana io, misy ny conservative be ary misy ny liberal...
manontany tena isika rehetra oe: hatraiza no tokony ho conservative ary hatraiza no tokony ho liberal? dia rehefa ita ny valony dia ny fomba kristiana tsy misy maha ratsy azy mihitsy... mila mahay mandanjalanja fotsiny hihihihi
8. cutie ( 20/05/2008 15:19)
ekena :wink:
9. Veloo ( 20/05/2008 16:09)
hihihihi :-*
10. rijadolly ( 20/05/2008 17:32)
Tataraiko zavanisy nareo izay tao amin\'Fiangonana Andohalo(katolika)notatarain\'zanako:Niditra tara ireto vehivavy roa no sady nandeha teny aloha nefa ny fitafiny dia hitan\'Mopera fa tsy mendrika,dia niteneniny,ao am-Piangonana an!Ra vao nitsangana andray komnio iny dia nangalany Mopera ankanjon\'ilay Mpi-servir dia natafiny azy,grave an!
Tsy misy afatsy ny manome modely ny hafa é!Na dia samy ao anatiny fiangonana iray aza isika dia izay ihany ny vaha olana.Ilaina koa ny mifampiteny oh io ataon\'Mopera io.eny é na dia lasa nivoaka aza izy roa vavy no sady nasoriny ilay ankanjo:?: ;dia afaka mandini-tena ny hafa,izay inoako ihany koa fa tsy roa fotsiny oh izy roa vavy sy izay maheno ilay tantara.
11. Veloo ( 20/05/2008 17:54)
Ra vao nitsangana andray komnio iny dia nangalany Mopera ankanjon'ilay Mpi-servir dia natafiny azy,grave an!


mety ny an'ilay damopra ka hihihih izay ilay fahaizana mi-equilibre ny maha kristiana an'ny tena ko :wink:
ny ahy zao afa mihitsy ny fijeriko an'io mety hafa ny fijerin'ny sasany an'io geste io
12. cutie ( 20/05/2008 18:24)
ohtran'ny ahona zany fitafy tsy mendrika
13. patrick2002 ( 20/05/2008 18:33)
Ny ahy indray dia NON AUX EXTREMISTES =D> =D> ,na inona Andriamanitrao na inona ,ary izany dia hoentiko eto @ serasera ho an'ireo izay ,tonga dia hitsara ny afa izay mitondra loha-hevitra eto ,na inona loha-hevitry ny na inona ,omeo ny arguement nao dia izay no hatao hoe forum ,fa tsy misy mitondra loha-hevitra iray dia exagerer-na ny loha-hevitry ny olona ray ,dia hoentina amin'iny ilay forum .
14. fijo ( 20/05/2008 22:18)
ra jeankely an,misy kristrianina tena mbola tsy manaiky ny sipa manao akanjo mifinjifinjy miditra fiangonana koa ko.de maro koa ny kristianina no mitsara an'i njila mpihira fa manao kavina ila lery.
15. cutie ( 20/05/2008 22:22)
hijery akanjon'ny oul nga ny atao any am-pengonana
16. fijo ( 20/05/2008 22:23)
mba ita ihany kosa rah aeo aloha eo le sipa no mipetraka ko
17. cutie ( 20/05/2008 22:26)
maso mijery tsy mitondra mody
18. fijo ( 20/05/2008 22:29)
fa manome herim-po
19. cutie ( 20/05/2008 22:30)
refa mivavaka ve
20. fijo ( 20/05/2008 22:34)
rehefa avy nahit aka,falifaly sy mirana ery mody sy manantena sao mba hety hisy fihaonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078