Hitsara an\'iza no hahatongavan\'i Kristy ?

1. bor2lais ( 17/05/2008 11:39)
Miarahaba antsika rehetra.
Voalaza @ fanekem-pinoana apostolika fa \"avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty\".
Voalaza ao @ Jaona 3 : 18 fa \"Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran\'ny Zanakalahy Tokan\'Andriamanitra izy\"
Raha io andininy io no jerena dia :
1. na ho avy haka avy hatrany izay mino Azy Izy (tsy misy fitsarana intsony)
2. na hisy ny fitsarana fa ho an\'ireo izay milaza fa mino Azy (satria izay tsy mino dia efa voaheloka rahateo)
Ahoana ny hevitsika ny amin\'io ?
novalian'i fijo ny 04/06/2008 20:42
2. ravakamalala ( 17/05/2008 12:46)
Hitsara an\'iza no hahatongavan\'i Kristy ?


hitsara ny velona sy ny maty, na koa hoe isika rehetra olombelona izay noforoniny.

1. na ho avy haka avy hatrany izay mino Azy Izy (tsy misy fitsarana intsony)


tsaraina koa na dia ireo milaza fa mino aza ka! tsy hoe manambara fa mino dia ho voavonjy an! (ohatran ny rehefa mitady asa ihany ianao, hita ao amin ny cv nao hoe manana diplome toy izao sy toy izao fa tsy afaka ny hionona amin iny ny mpampiasa fa tsy maintsy mbola asiany entretien kely amotorana sy anadihadiana izany dia avy eo aza mbola misy ny "période d'essai" vao tena hoe raikitra ny tantara).
betsaka ny zavatra takian 'Andriamanitra amin ny atao hoe "Mino azy" ary tsy ireo rehetra mitonona ho kristiana dia azo lazaina hoe tena mahatanteraka izany.



3. rakaroka ( 17/05/2008 16:38)

betsaka ny zavatra takian 'Andriamanitra amin ny atao hoe "Mino azy" ary tsy ireo rehetra mitonona ho kristiana dia azo lazaina hoe tena mahatanteraka izany.
^:^ ^:^ ^:^

Miombonkevitra !





4. ikaretsaka ( 17/05/2008 17:08)
marina mihitsy izany
5. fahamarinana ( 17/05/2008 18:49)
:arrow: miombon-kevitra tanteraka ihany koa aho eto e ^:^ (l)
6. badboy ( 17/05/2008 23:15)
Mazava ho azy fa tsy ireo izay mamaritra nytenany ho mpino akory no hahazo ilay katsahany. Betsaka ny nanadino ilay fampianaran'ilay ninoany momba ny fariseo!!! Ary adinon'izireo tanteraka mihintsy ilay ohabolana momba ilay fomba fivavaka 2 samihafa : tsy ankitabataba fa ampo sy ilay aty daholo ny maso sy ny sofina ary ny vava!!! :^) :^) :^)

Ambava omana ampo mieritreritra!
7. lagoon ( 18/05/2008 06:39)
http://www.dailymotion.com/playlist/xf2il_Modeste22_la-fin-du-monde/video/x43q1p_le-projet-blue-beamreal-horror-fin_tech

Fa ianareo ve ahoana e?
Ny projet "Blue beam" efa nomanin'ny bekintana hatry ny ela no hamitaka anareo.Efa hoe tsy nanao déclaration @ napà akory ny Vatican,efa vonona izy hampiesona.

http://www.mediapart.fr/club/blog/christian-br/140508/mai-2008-les-extraterrestres-sont-arrives-au-vatican-sarkozy-n-etait-p
8. badboy ( 18/05/2008 07:44)
lagoon >>> tsy mila mamaky afatsy ilay 1ère phase d'efa hita hoe "d'une connerie" ilay tatitra momba ilay hoe blue bleam. Tsarovy fa t@ andron'ny égypte ancienne d'efa nisy ilay hevitra mametraka ny pharaon ho A/tra tokana ho an'izao tontolo izao. Tsy vao² io hoe misy projet hananganana A/tra tokana ho an'izao totntolo izao. Dia aza adino koa fa noho ilay "fanaparitahana ny tenin'ilay A/tra tokana" no nahatonga ny "croisade", nefa ny mpifanandrina samy milaza fa mino ilay tokana ihany.

Rediredy ilay milaza ny fisian'ny projet bue bleam ary ny secte no mampiasa io hevitra tokony hiverina @ fiainana efa lany daty tsy manaiky fandrosoana io. Sa aminao koa zany ny médecine tokony tsy hivoatra? nefa ange voalaza ao anaty ilay boky asinao hasina misy ilay hevitra hoe "ilaina ny dokotera hitsabo ny marary arabatana"!

Ny NOE "nouvelle ordre économique" sy ny fanaparaiahana ny "idéologie démocratique" no misy fa tsy ty resaka mandany jiro blue bleam ty!!!!!
9. lagoon ( 18/05/2008 20:14)
Ka tsy maintsy miaraka @ Nouvel ordre mondial io ry badboy.Jereo fontsiny ny fijerin'ny finoana hafa.
Tadidio koa fa efa niantsony hananganana ny NOM ny Pape Jean Paul 2 fony izy mbola velona.

http://www.bahai.com/lesbahais/pp73.htm
10. niryna ( 18/05/2008 23:02)
bor2lais:

Miarahaba antsika rehetra.
Voalaza @ fanekem-pinoana apostolika fa "avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty".
Voalaza ao @ Jaona 3 : 18 fa "Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy"
Raha io andininy io no jerena dia :
1. na ho avy haka avy hatrany izay mino Azy Izy (tsy misy fitsarana intsony)
2. na hisy ny fitsarana fa ho an'ireo izay milaza fa mino Azy (satria izay tsy mino dia efa voaheloka rahateo)
Ahoana ny hevitsika ny amin'io ?

* rehefa tonga i kristy dia haka ireo maty Izy ,ireo izay nino Azy izany
Ny velona kosa ka mino azy dia hitsena Azy
** ny mpino an'i kristy (tsy izay rehetra milaza hoe mpino akory fa izay mino Azy fa Zanak'Atra Izy,mino Azy fa Atra Izy,mino Azy fa nitsangana tamin'ny maty izy ,mino Azy fa mbola hiverina ihany koa Izy ,mino Azy fa Mpamonjy sy Tompony Izy..Ireo no atao hoe kristiana.Ireo no antsoina hoe zanak'Atra ary ireo koa dia niaiky ny fahotany ka nibebaka,nino Azy fa nanadio ny helony rehetra,voasasa ny helony ary voasarona ny tavany(na iza na iza tsy misy na iray aza afaka hanameloka ilay olona iny intsony rehefa nanaiky ny famonjena an'i kristy ilay olona)
10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara ny ratsy. 2 Cor 5:10

Ireo rehetra ireo dia tsy hoheloina intsony(no condemnation) fa mbola ho tsaraina kosa tamin'ny asa nataony tety an-tany:nizara ny tenin'Atra ve hianao,ny fahasoavana nomena anao ve dia mba nozarainao ny hafa sa dia notazominao ho anao irery,menatra ve hianao nijoro vavolombelona nitory ny tenin'Atra sa izy rehetra nolazaina dia notsipahinao avokoa ?(crown no azo amin'io na hoe satroboninahitra) ,hisy hitomany ary hisy ho faly

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=19&andininy=25-26&dika=

11. lagoon ( 19/05/2008 01:10)
badboy,

http://serveurinternetvirtuel.com/ange_numerique/

Izay manaiky an\'io dia manaiky ny Nouvel Ordre Mondial,mifandray @ ilay projet \"Blue Beam\" io.Satria ilay heverinareo ho Kristy dia Anti-Kristy.
Mazava ho azy fa izay manaiky io puce io sy ny fisian\'ny NOM dia tsy hotsaraina.
Apocalypse 13:16,17
Jereo ary manaova koa fikarohana @ ilay projet HAARP dia ho hitanao.
Izay tsy manaiky kosa io puce io,sy ilay NOM dia efa maro ny miandry azy.
Anisan\'izany ireo camps de concetration efa vonona ao Etazonia.

http://www.dailymotion.com/relevance/search/fema%2Bcamps/video/x4z7a7_la-fema-camp-de-concentration-aux-u_news

http://libertesinternets.wordpress.com/2008/03/24/camps-de-concentration-aux-usa-et-si-cetait-normal/

http://usa-menace.over-blog.com/article-1678468.html

Misy hifandraisany daholo ireo.
Au fait,raha rediredy ilay projet \"Blue Beam\" nahoana no maty t@ fomba tsy fantatra ilay mpanao gazety Sege Monast namoaka io resaka io t@ 1996?
Ny hafatra dia izao,tandremo sao voafitaka.Hisandoka ny Anti-Kristy ka maro ireo voafitaka.
Mazava tsara ny ao @ Apokalispy fa 144000 ihany no isan\'ireo voavonjy.Ny sisan\'izay dia ho voafitaka daholo sy hanatevina ny tafik\'i Satana.
Ho voamarika koa ireo 144000,fa ny azy kosa dia hipoitra ho azy ilay marika eo @ handriny fa tsy ho hapetaka toy ny an\'ilay Anti-Kristy.
Apocalypse 7:2-4


12. bor2lais ( 19/05/2008 09:34)
Misaotra antsika rehetra izay namaly.
Rehefa dinihina ny voalaza dia misy hevitra 2 (hatramin'izao) azo tsoahina :
1. ravakamalala > "tsaraina koa na dia ireo milaza fa mino aza ka! tsy hoe manambara fa mino dia ho voavonjy an! "
2. niryna > "Ireo rehetra ireo dia tsy hoheloina intsony(no condemnation) fa mbola ho tsaraina kosa tamin'ny asa nataony tety an-tany"

Tsy hiditra @ ilay hoe tena mino marina (Kristiana) ve sa tsia ny resako.

Ny hevitra 1 raha ny fahazoako azy izany dia milaza fa ny Kristiana dia mbola mety voaheloka toy ireo tsy mino ihany.

Ny hevitra 2 kosa dia toa milaza fa rehefa Kristiana dia tsy voaheloka intsony (voavonjy) saingy homena ny anjara sahaza ny asany avy. Izany hoe raha ampitahaina @ "examen" dia samy afaka avokoa (voavonjy) fa ny "mentions" (satroboninahitra) no maha samihafa azy ?

Sa diso ve ny fandraisako azy ?
13. ikaretsaka ( 19/05/2008 17:32)
fa inona foana ity nouvelle nouvelle an'i lagoon ity e?
izay tsy misy atao intsony @ fiainana tonta anie no mainka @ mbola ho avy e!
ny androany aloha!
14. cutie ( 19/05/2008 20:24)
Hitsara an\'iza no hahatongavan\'i Kristy ?

ny xtiana mpanota :)
15. fijo ( 20/05/2008 22:31)
hitsara anareo mino azy izy ,fa ny silamo ve de hanaiky hotsarainy eo ko le???
16. cutie ( 20/05/2008 22:33)
za mba gaga
17. fijo ( 20/05/2008 22:38)
tapadoha lery raha vao mitady hitsara an'i ben laden eo
18. bor2lais ( 21/05/2008 13:14)
fijo:

hitsara anareo mino azy izy ,fa ny silamo ve de hanaiky hotsarainy eo ko le???

\"Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran\'ny Zanakalahy Tokan\'Andriamanitra izy\"
Finoana no anekenay an\'izany Teny izany !
Asa na mety mbola hisy silamo na tsia rehefa tonga izany fotoana izany !
19. bor2lais ( 21/05/2008 13:19)
fijo:

tapadoha lery raha vao mitady hitsara an\'i ben laden eo

Tadidinao ve ilay jiolahy niara-nombohana tamiNY ?
Mandra-pikipy ny masonao dia mbola tsy tara amin\'ny famonjena ianao !

20. cutie ( 21/05/2008 13:59)
Mandra-pikipy ny masonao dia mbola tsy tara amin'ny famonjena ianao !

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.432