Hitsara an\'iza no hahatongavan\'i Kristy ?

21. fijo ( 21/05/2008 20:24)
eny e,hinoy ao izy,fa ny hafa koa manana ny hinoany.de iza no tena hoavy hitsara an'iza????
ary ahoan ano hilazanao ,fa mety mbola hisy silamo ve amin'izany.ngaha io hinoanao io no tena izy????
22. cutie ( 22/05/2008 16:35)
samia mitana ze inoany :)
23. fijo ( 22/05/2008 21:12)
za anie atramizao mbola mino anao e.
24. cutie ( 23/05/2008 00:37)
in aza le inoako
25. rakapy ( 26/05/2008 00:33)
Ny hahatongavan'i Kristy dia HITSARA NY TENANY . hanao inspection-ny nafafiny. :-o :-o :-o
26. bor2lais ( 26/05/2008 07:49)
rakapy:

Ny hahatongavan\'i Kristy dia HITSARA NY TENANY . hanao inspection-ny nafafiny. :-o :-o :-o

Raha araka io hevitry \"rakapy\" io izany : koa satria ny Fiangonana no Tenan\'i Kristy (Izy no lohany) hita maso dia tonga hitsara ny Fiangonana izany Izy ?

27. rakapy ( 26/05/2008 20:18)
Mazava ho azy! Ho avy hitsara ny Kristianisma izay naoriny izy fa tsy tokony hitsabaka @ finoana hafa.
28. niryna ( 31/05/2008 01:51)
rakapy:

Mazava ho azy! Ho avy hitsara ny Kristianisma izay naoriny izy fa tsy tokony hitsabaka @ finoana hafa.

hitsra ny velona sy ny maty izy,ny kristiana dia tsy ho tsaraina (tsy misy condemnation,na fanamelohana ho faty ireo izay mino Azy)fa ny asa nataony ,nizara ny tenin'Atra ve izy,nampiroborobo ny fanjakan'Atra ve izy ? ary dia andray valin-kasasarana izany olona izany,ary samy manana ny azy araka ny nataony (ka dia hisy ho faly ary dia hisy hitomany .Ny olona nahafantatra ny fisiany,notoriana ny famonjena ,naheno Azy saingy manda Azy) ireo dia miandry azy ny fanamelohana :cry: satria efa nampahafantarana kanefa tsy nety nino,ary misy koa efa fantan'Atra fa na inona toriana azy ny fony mihitsy no efa voagejan'i satana ka tsy mety mivoaka ao anaty aizina .Dia mbola ao ihany koa ireo izay mbola tsy nahalala an'Atra dia ny asa nataony no hitsaraina azy,saingy ny fitoriana ny tenin'ATra dia efa miely erak'izao tontolo izao fa izy mihitsy no tsy mino dia eo no mipetraka ny olana ka anjarantsika no mivavaka azy ireny mba ovain'Atra ny fanahiny
29. rakapy ( 01/06/2008 22:17)
Amin'ny maha xana anao dia izay no voasisika ao anaty lohanao fa raha ny an'ny Boudhist na Islam na ireo finona hafa dia affairan'i kristy sy ny xana izany fahatonagavan'i kristy izany. Ny xana no hotsarainy mba ahitany hoe nahavita sy nahatanteraka ny asany ve sa tsia.
30. bor2lais ( 02/06/2008 08:23)
rakapy:

Amin\'ny maha xana anao dia izay no voasisika ao anaty lohanao fa raha ny an\'ny Boudhist na Islam na ireo finona hafa dia affairan\'i kristy sy ny xana izany fahatonagavan\'i kristy izany. Ny xana no hotsarainy mba ahitany hoe nahavita sy nahatanteraka ny asany ve sa tsia.


-> Isan\'ny asan\'ny Kristiana ny manambara (tsy an-tery) amin\'ireo mbola tsy mahafantatra : ny tohiny rehefa avy eo dia tsy affaire-ny intsony satria \"Une Parole rejetée est une Parole entendue !\" hoy ny fitenenana.

31. rakapy ( 03/06/2008 00:00)
Ka tsy xana ihany anie no manambara(tsy an-tery) amin'ireo izay tsy mahafantatra fa na ireo finoana hafa dia manao torak'izany koa fa tsy ny anaran'i kristy no hampafatariny fa ny anaran'ny finohany.
32. ikaretsaka ( 03/06/2008 02:57)
izay mantsy...
33. bor2lais ( 03/06/2008 08:58)
Misaotra antsika rehetra nandray anjara tamin\'ity lohahevitra ity.

Tiako anefa ny manao fanamarihana kely mba tsy dia hampivoana loatra ny adihevitra.

Ho an\'ny Kristiana dia ny finoana an\'i Kristy irery ihany no làlan-tokana ahazoana famonjena. Aminy (ho an\'ny Kristiana izany) dia mazava ny Soratra Masina fa izay tsy mino an\'i Kristy dia efa voaheloka (araka ireo andalana noraisina ery ambony ery) !

Noho izany ny adihevitra (eto amin\'ity lohahevitra ity) dia tsy mikasika ny finoana hafa ivelan\'ny Kristianisma intsony fa kosa hoe : ahoana ny andraisantsika Kristiana io fanontaniana napetraka eo ambony io ?

Misy hevitra 2 lehibe (tsy voatery mifanipaka) no nivoaka teto amin\'ny adihevitra :
1. ho avy hitsara ny Kristiana (izay nilaza fa mino Azy) Izy : mety hisy amin\'izy ireo no mbola ho voaheloka !
2. tsy misy fanamelohana intsony ho an\'ny Kristiana (efa voavonjy izy) fa kosa hizara \"récompenses\" araka ny asany avy no hahatongavan\'i Kristy !

Izao no mba fandraisako ireo hevitra roa ireo.

Ilay hevitra voalohany dia hita fa mitaky fiambenana (mba tsy ho lavo \"eny am-pandehanana\") ho an\'ny mpanara-dia an\'i Kristy mba tsy ho \"tonga vao rendrika\". Izany hoe ity fomba fijery ity dia azo am-pitahaina amin\'ny mpihazakazaka manatratra ny \"arrivée\" (famonjena) ! Ho sarotra ny dia ka mila \"entrainement\" izany hoe fikolokoloana ny finoana. Ny tanjona dia mba ho tonga hatramin\'ny faran\'ny fihazakazahana.

Ilay hevitra faharoa kosa dia fomba fijery azo lazaina hoe \"optimiste\". Koa satria ianao nisoratra anarana amin\'ny fihazakazahana (niditra Kristiana) dia heverina fa tsy hi-abandonne (hijanona an-dàlana) fa ho tonga soa aman-tsara eny amin\'ny \"arrivée\" (famonjena) : tsy hiverin-dàlana intsony ianao fa ho tonga hatramin\'ny farany satria ny Tompo momba anao.

Dia eto no mampifandray ilay hevitra roa : homba anao ny Tompo raha manaiky ho tantaniny ianao, manana firaisana tanteraka Aminy ka mihaino Azy, izany hoe miambina ihany koa. Raha izay no tanteraka dia teo amin\'ny \"départ\" dia efa nanomboka ny famonjena. Fa ilay azo ery amin\'ny \"arrivée\" kosa dia \"trophées\" manokana.

Fehiny : mitaky fifandraisana mandrakariva amin\'Andriamanitra ny fiainan\'ny Kristiana !
34. ikaretsaka ( 03/06/2008 18:48)
ny tsetsatsetra kely angamba dia tsy hoe kristianisma ihany ny "fivavahana sy finoana"
Ny voamariko entoana dia betsaka amintsika gasy manko no tonga de manao avy hatrany hoe "fivavahana sy finoana"=kristianina sy resaka jesoa sy resaka manodidina izany (fiangonana, baiboly sns foana no amotorana ilay resaka!
eny na resaka silamo sy bodista sy zen aza ka tsy mahakasika Kristianisma tanteraka mihitsy.. dia iny fa misymampiditra tsimpona kely any na misy resaka kristianisma kely foana any anivon-dresaka any.

nefa omena an'i kaisara izay an'i kaisara hono
35. rakapy ( 04/06/2008 00:25)
Tena marina io voalazan' Ika io fa fanampiny kely no ataoko. Ataovy mazava eo @ lohahevitra mazava hoe (Kristianina irery ihany no mahazo mandrai anjara @ ity )
Dia @ zay mazava fa tsy hiiditra eo ny tsy xana.
36. fijo ( 04/06/2008 20:42)
ity ngamba no valiny mitombona kokoa:" 26. Mpandefa : rakapy [ Valio ] 26-05-2008 22:18:16
Lohateny : Re : Hitsara an'iza no hahatongavan'i Kristy ?
Mazava ho azy! Ho avy hitsara ny Kristianisma izay naoriny izy fa tsy tokony hitsabaka @ finoana hafa.

rah atsy izay mantsy dia korontana indray koa ny hisy any ampitsarana any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2567