Misaina tokoa ny biby a

21. niryna ( 18/05/2008 18:55)
Mahay mangalatra koa anie ireny biby ireny e

22. niryna ( 18/05/2008 19:07)
cutie:

ny zava manan'aina rehetra alou amiko misy fanahy daholo e :wink:

tsara fanahy,ratsy fanahy,mora tezitra ,mora malahelo,mahafatifaty kely,masika be toy ny alika kely


23. niryna ( 18/05/2008 19:18)
endrika01:

niryna:

Asa hianareo raha efa nahita fa maro no zavatra mety tsy noeritreretintsika kanefa ataon'ny biby.
Ny voronkeliko "canarie" rehefa miakatra ny tohatra ny tena dia manao feo toa falifaly izy ary rehefa te handro ihany koa dia asiana rano e dia mibitaka anie izany e.
Ny trondro indray izay kely no novidiana dia lasa toy ny felantanana avy eo,rehefa nihalehibe ilay izy dia mitaona vatokely no ataony,raisiny amin'ny vavany dia afindrany ary dia averiny indray avy eo.
Ny ragitro ihany koa raha asiana akondro eo ka tsy misy hevitra akany ilay akondro ,alainy sy atosiny moramora ny seza dia alainy ilay akondro.
Ahoana no nataon'ny saka na alika na biby izay nompianareo?

jereo fa sady mandeha ilay alika kely no mitehaka hi,hi




zah anie ry niryna kah matahotra fahadiranovana an'ireny totosy ireny e,
angah tsy ho loza refa tonga any amin 'ny tanana ,satry manana totosy ngeza be zay ao an-tanana ao!

zao sahady zah d'efa miferin'aina ,tena serieux.
:-D :-D :-D

----------------------------------------------
indry aky mampihomehy ahy sady mampalahelo ahy,fa angaha afaka mitsokatsoka ny tongotr'indry izy? tsotsofiny tokoa anie ireny tongotra tsy misasa ireny e,dia kakeriny avy eo,efa naheno aho ary ilay oloha nataon'ny totozy kely an'izany mihitsy no niteny ahy.
Misy toerana feno voalavo ary tsy mahazo vonoina ilay izy fa masina hono (ny sinoa no manao an'io ny sasany) ary dia feno marikoriko tokoa ilay izy,misy anefa mihinana azy ary misy anarany ilay sakafo ,tena saika nandoa aho nasehon'ny ankizy ny fandrahona azy fa mandeha amin'ny internet ilay izy.
Amboarina fotsiny aky ny saina tsy atahotra ,ny ahy indray tsy tahotra fa tsy tiako ,ny bibilava,ny dita ilay mandeha ao anatin'ny trano mandomando dia mivadika lavabe toy ny kakana ilay izy ,dia nasiako sira dia maty,tena tsy tiako ny nijery azy taloha ,fahiny ela be hono... dia ilay parasy lafirika,tena mihodikodina amin'ny hoditra toy ny sarina kakana fotsifotsy kely
:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0069