Fitiavana Atra kanefa ve Izy mety ho tezitra amintsika?
21. xxx
(
16/05/2008 11:18)
niryna [ Valio ] 16-05-2008 04:29:01
Lohateny : Re : Fitiavana Atra kanefa ve Izy mety ho tezitra amintsika?
Hoy i xxx:
Voalaza teo :
Fitiavana Atra kanefa ve Izy mety ho tezitra amintsika?
isika no mihevitra fa mety ho tezitra izy
Tezitra Atra satria vao maiky maro ny olona minoino foana sy manohitra ny hafany ary manao an'Atra tsy ho tsinontsinona.Endrika anehoany izany fa efa ho avy Izy .
6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
Matio 24: 6-7
fahatezeran'atra no mahatonga an'reo rehetra reo ve?
22. niryna
(
16/05/2008 22:28)
badboy:naninonaireo ,mbola tsy teraka aho ka tsy fantatro sady tsy dia naheno firy
Aleo anga ianao ataoko hoe fohy fitadidiana mba tsy ho tezitra. Adinonao ve ilay tantran'ny 2 guerre mondiale (1914/1918 _1938/1945) izay nanetsika izao tontolo izao?? De raha alefa lavitra indray dia ny ady nataon'i napoléon izao tontolo izao (1810) na koa ny guerre troye, cartage......na ny nahalavenona an'i sodoma sy gomoro.... raha tokony ho tonga ny farany dia t@ ireo. Ka ilay mitory teny tsisy maharatsy azy f'ilay manesika rediredy tsy de ao loatra! :^) :^) :^)
azavao hoe sodoma sy gomora a misaotra anao
23. niryna
(
16/05/2008 22:37)
ikaretsaka:
inona no hidiran'io tsimpona io sy le zavatra nol;azaiko ry nirina?
sa fitia te hampifandray ny vitsika @ petrole fotsiny indray? :wink:
tsy hoe inona no hidirana fa tsy ho azonao mihitsy ary tsy afaka hanazava aho fa aleo hianao ihany no hamakafaka eo hi,hi,hi,
Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy Ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany Ka hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, Dia zava-poana sady tsy mahasoa.
Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.
Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako. Jeremie 16 : 19-21
:D ^:^ ^:^
24. niryna
(
16/05/2008 22:54)
xxx:
niryna [ Valio ] 16-05-2008 04:29:01
Lohateny : Re : Fitiavana Atra kanefa ve Izy mety ho tezitra amintsika?
Hoy i xxx:
Voalaza teo :
Fitiavana Atra kanefa ve Izy mety ho tezitra amintsika?
isika no mihevitra fa mety ho tezitra izy
Tezitra Atra satria vao maiky maro ny olona minoino foana sy manohitra ny hafany ary manao an'Atra tsy ho tsinontsinona.Endrika anehoany izany fa efa ho avy Izy .
6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
Matio 24: 6-7
fahatezeran'atra no mahatonga an'reo rehetra reo ve?
--------------------------------------------------------------------
6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
Matio 24: 6-7 ireo ady tsy mety vita ireo izao,na iza manampy na iza no miala tsy ho tapitra ireo raha tsy manatona sy manaiky ary mitady an'i kristy ireo firenena ireo,mbola mitady ny mpamonjy hatramin'izao ary ao ihany koa ny tsy mino Aza fa Atra Izy ,dia mbola mitohy eo ny ady
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MALAKIA&toko=3&andininy=3-5&dika=
:roll:
25. niryna
(
17/05/2008 00:45)
safidy tokoa io ary moa ve kisendrasendra fa nisy nitovy ny zavatra tiako ambara koa ato?
http://forum.serasera.org/?
http://forum.serasera.org/?
26. niryna
(
17/05/2008 00:49)
Tsy misy na manampahaizana toa inona aza ka afaka manakana ny fahatezeran'Atra raha tsy mibebaka avokoa isika,kanefa dia toa lavitry ny afo ny kitay fa vao maika variana amin'izao fiainana izao ny rehetra.


31. niryna
(
17/05/2008 01:03)
[mg]http://www.pinellas-park.com/Departments/Zoning/images/flood.jpg[/img]
35. niryna
(
17/05/2008 01:23)
Tompo o,ampio izahay mba hanankina ny fiainanay aminao,mpanota sy tsy mendrika ny hiantso ny anaranao akory izahay,hifonanay ny ratsy rehetra vitanay ary afaho ireo firenena maro izay mbola voagejan'ii satana,tsy mety mitodidoha aminao.Enga anie ity serasera ity hanampy anay tsirairay avy fa tsy tongatonga foana ny zavatra rehetra fa nisy antony avokoa,aza ny fahatezeranao tompo o no arotsakao aminay,ampio ireo izay tsy mino,ampio izy ireo mba hino fa Atra tsy azo vazivaziana hianao.Atra saro-piaro,tsy misy Atra hafa ankoatranao.Notoriana hatraiza hatraiza ny teninao kanefa mbola maro ihany no tsy mino sy matoky izany.Diovy ny fanahinay tompo o,sasao madio izahay mba ho afakeloka ary enga anie ny ran'i kristy no hanafaka anay rehetra amin'ny tsy fahamarinana .Enga anie hino Azy manomboka anio ireo izay tsy mbola mahalala fa any amin'i kristy no misy ny famonjena.MIsaotra Ray o fa Atra be fitiavana tokoa hianao ka tsy misy na iray aza tianao ho very,misaotra Kristy o fa raha tsy ny ranao dia tsy ho voadio izahay ary mino an'izany tokoa izahay,misaotra Fanahy Masina o fa hianao no mitaridalana anay,manitsy anay hino ary mampianatra anay ny andeha amin'ny marina sy mampahatsiahy anay izany.Ny fahasoavanao Irery ihany anie no anjaka amin'ity fiainana ity,ary ny fanahinao mahery no anampy ireo olona izay mbola voagejan'i satana.Amin'ny alalan'ny Zanakao Malalanao Kristy no anaovako izany vavaka izany.Misaotra Ray o .Amena
36. ikaretsaka
(
21/05/2008 14:09)
dia nohon'ny tahotra disater sy disease ve sisa no antony inoanao sy hatahoranao azy
37. niryna
(
24/05/2008 03:12)
ikaretsaka:
dia nohon'ny tahotra disater sy disease ve sisa no antony inoanao sy hatahoranao azy
tsia tompoko,ny fanontaniana dia hoe tezitra ve Atra fa maro ny olona minoino foana ,tezitra ve izy noho ny fahotantsika olombelona?
38. ikaretsaka
(
30/05/2008 18:13)
niryna:
dia nohon'ny tahotra disater sy disease ve sisa no antony inoanao sy hatahoranao azy
tsia tompoko,ny fanontaniana dia hoe tezitra ve Atra fa maro ny olona minoino foana ,tezitra ve izy noho ny fahotantsika olombelona?
dia inona no Atra inoanao sy hirahirainao aza?
Andriamanitra Fitiavana sa Atra Masiaka : mpanasazy?
39. niryna
(
06/06/2008 04:13)
ikaretsaka:
dia inona no Atra inoanao sy hirahirainao aza?
Andriamanitra Fitiavana sa Atra Masiaka : mpanasazy?
izay ilay hianarana ny teniny satria raha mamaky teniny isika dia mahalala tsara fa .....aleo aloha hitsimpona kely indray :wink:
10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, Eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, Ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany Jeremia 10:10
Naninona hono Izy no tezitra ? Jeremia 7 no mamaly azy
11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va Ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah. .
13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany hianareo, Ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, Ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, --
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, Dia amin'ny olona sy ny biby fiompy Sy ny hazo any an-tsaha Ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
