fahafolon-karena

1. tslem ( 12/05/2008 09:54)
Misy mba afaka manazava ve hoe:ahoana marina ny tena momba izany atao hoe "fahafolon-karena" izany e?

Misaotra.
novalian'i niryna ny 18/05/2008 22:08
2. ni81 ( 12/05/2008 10:51)
Tsy dia manam-pahaizana momba ny resaka baiboly fa toy izao no voalaza momba izany.

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=28&andininy=22-22&dika=

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=NOMERY&toko=18&andininy=26-26&dika=
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MALAKIA&toko=3&andininy=10-11&dika=


3. Zina ( 12/05/2008 12:33)
ny ampafolony ny zavatra izay azonao, ohatra ny karamanao etc...dia natokana ho an'Andriamanitra ary niteny mihitsy izy fa hanana fitahiana izay manao an'izany. Izy io dia entina any @ tempoly hanampiana ny fitorian-ten'Andriamanitra eran'izao tontolo izao

Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.

Ary izay manao am-po dia tena mahazo fitahiana tokoa...
4. ikaretsaka ( 12/05/2008 14:21)
le fomba fanaterana azy ankehitriny no tsy azoko amin'io resaka io...
nga i pasitera no Atra ka hahalala hoe izao no karamanao na izao no ao am-tsompitrao?
5. Veloo ( 12/05/2008 17:19)
fahafolon-karena


Jereo fotsiny ny fandohavan'ny Mormon ny apafoliny, dommage entin-ndry zareo @ ratsy ilay izy fa...

nga i pasitera no Atra ka hahalala hoe izao no karamanao na izao no ao am-tsompitrao?

io anie ry Ika choix anao e raha te hanome ny dime ianao dia afaka manome mentionne-nao izay tianao alehan'ilay vola nomenao an'ny fiangonana e...

Io arakarakin'ny fiangonana aleanao...

Ny diakan'ny Dime dia ny apafolon'izay rehetra azonao na raha tianao izay hanananao...indray zavatra ohatra mofo no azonao azonao evaluer-na @ vola ilay izy ohatra $2.00 dia 20 centime @ iny omenao ny fiangonana etc etc...
6. Koditra ( 12/05/2008 22:07)
le fomba fanaterana azy ankehitriny no tsy azoko amin'io resaka io...
nga i pasitera no Atra ka hahalala hoe izao no karamanao na izao no ao am-tsompitrao?

Raha mandainga le olona ka manome Ar100, Ar1000 zany no karamany, pasitera mino fa ilay olona no mandainga @A/tra. Aleo kokoa aza tsy manao dime fa hatao rakitra tsotra fotsiny ilay Ar100.
Za manokana aloha tsy manao dime e, rehefa tsy voaatitro any ampiangonana ny rakitrako dia omeko ny mpangataka zé sendra ahy eny andalana eny, mba lasa mivadika asa fanasoavana lé izy @zay, velo-tsioka aho aveo fa mitombo ndray ny point-ko any ambony any. Fa vao mandaingalainga kely fotsiny a ato @ serasera ato oh defa mihena ndray lé point. :lol: :lol: :lol:
7. Veloo ( 13/05/2008 01:20)
Koditra [ Valio ] 13-05-2008 00:07:26
Lohateny : Re : fahafolon-karena
Voalaza teo :
le fomba fanaterana azy ankehitriny no tsy azoko amin'io resaka io...
nga i pasitera no Atra ka hahalala hoe izao no karamanao na izao no ao am-tsompitrao?

Raha mandainga le olona ka manome Ar100, Ar1000 zany no karamany, pasitera mino fa ilay olona no mandainga @A/tra. Aleo kokoa aza tsy manao dime fa hatao rakitra tsotra fotsiny ilay Ar100.
Za manokana aloha tsy manao dime e, rehefa tsy voaatitro any ampiangonana ny rakitrako dia omeko ny mpangataka zé sendra ahy eny andalana eny, mba lasa mivadika asa fanasoavana lé izy @zay, velo-tsioka aho aveo fa mitombo ndray ny point-ko any ambony any. Fa vao mandaingalainga kely fotsiny a ato @ serasera ato oh defa mihena ndray lé point.
:-D :-D :-D :-D =D> =D> =D>
8. xxx ( 13/05/2008 07:05)
Ny ampahafolon-karena aloa amin'Andriamanitra dia karazana ohatra ny hoe hetra aloa amin'ny fanjakana ihany.

Raha mahatsiaro tena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianao izany dia aloavy ny ampahafolon-karena. Tsy haiko izay fomba handoavanao azy na ahoana na ahoana aloha fa aloavy fotsiny. Mampandroso ny fanjakan'Andriamanitra koa izay.

Kanefa raha tsy resy lahatra amin'izany dia aza mandoa fotsiny, fa ataovy milamina ny saina.
9. Veloo ( 13/05/2008 17:14)
Tsy haiko izay fomba handoavanao azy na ahoana na ahoana aloha fa aloavy fotsiny.

Ny fiangonana andehananao no handoavanao azy ary ity no atony :
Mampandroso ny fanjakan'Andriamanitra
10. prime ( 14/05/2008 12:36)
Efa voavaly angamba ilay fanontaniana fa fanampim-panazavàna kely no azo omena...

Izay rehetra mahatsapa fa notahian'Andriamanitra ary nandray taminy dia rariny raha manome ny am-pahafolon'izany ho Azy Andriamanitra, mazava ho azy mety azo omena any am-piangonana, eny amin'ny fikambanana samihafa mikarakara asa soa, eny amin'ny fiaraha-monina amin'ny asa fanampiana isankarazany, eo amin'ny fianakaviana, eo amin'ny ankohonana sns... dia azo anaovana fahafolon-karena avokoa...

Ny tena ihany no afaka mamaritra izany fa ny tena tian'Andriamanitra dia mihoatra noho izany aza no atolotra... tsy ny fanaterana azy imason'ny olona no zava-dehibe fa ny fanatrehan'Andriamanitra ny ao anatin'ny fo manolotra... mila madio fo sy tsotra rehefa manao ny fahafolon-karena... ka na tsy misy mahita aza ny fanaovana fahafolon-karena afatsy ilay tolorana azy dia izany no tena sitrak'Andriamanitra... misy tenin'Andriamanitra izay mampianatra hoe : "Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana," Matio 6:3
11. ikaretsaka ( 14/05/2008 15:11)
le hoe ampahafolo.. lasa ferana be...
misy amin'io mahavita mihoatra ..misy amin'io mahavita latsaka...dia ahoana?
mety koa hoe ny herim-po sy ny herim-batany eo @ asa fanasoavana no harena
12. pissoa ( 14/05/2008 19:33)
Ataovy tsara ny fanolorana ny andro sy ny fiainana amin'ny maraina ary ataovy tsara ny asa sy ny fanarahana azy mandritra le andro sy le fiainana d'efa >> 10% zay e ! :-D :-D :-D :-D :-D
13. tslem ( 14/05/2008 20:22)
Samy hafa mihitsy izany ny fahafolon-karena sy ny rakitra na ny fanatitra raha azoko tsara,izany hoe sady tokony mandoha rakitra izany no tokony mandoha fahafolon-karena ihany koa.


rehefa tsy voaatitro any ampiangonana ny rakitrako dia omeko ny mpangataka zé sendra ahy eny andalana eny, mba lasa mivadika asa fanasoavana lé izy @zay


Raha io voalazan'i koditra io marina izao dia efa tena zava-dehibe an.Izany marina no toa mety kah:-w
Ohatry ny misy tenin'ny soratra masina izay mantsy manao hoe:"izay ataonareo amin'ireny madinika ireny no ataonareo amiko koa"(tsy tsaroako tsara ilay izy fa asa na io voalazako io na tsia)
14. fijo ( 14/05/2008 21:37)
"ary niteny mihitsy izy fa hanana fitahiana izay manao an'izany."
tena ita fa resabola sy bizina le izy raha izao kle
15. xxx ( 15/05/2008 17:55)
:-D
16. manidina ( 16/05/2008 14:11)
ka isaky ny rahoviana i rapasy no hatatitra azy any amin'A/tra? aiza ny faktiora fa hoe nateriny any ary manin raha miaraka mankany?
hoy i xxx: raha mahatsiaro tena ao amin'ny fanjakan'A/tra ianao izany dia aloavy ny ampahafolon-karena...
ka hoy izaho manontany an-dra xxx hoe fanjakan'A/tra aiza? tsy henonao ve ny tenin'i kristy ao @ soratra masina manao hoe:ny fanjakako dia tsy avy @ izao tontolo izao fa raha mba avy @ izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny mpanompoko! de ho aiza enao no hanatitra?
17. fijo ( 16/05/2008 21:07)
xxx alefaso aty fa ateriko any an danitra rehefa manga ny lanitra e
18. niryna ( 17/05/2008 01:33)
mitombona avokoa ny eritreritrareo,mandroba an'Atra isika raha toa ka tsy manao an'izany.kanefa aloha aleo hazava tsara fa izay foinao ataovy aloha dia avy eo miezaha manao an'io fa tena sarotra tokoa ilay izy raha tsy tena mino sy tsy mahatsampa ny asa sy fahasoavana nomeny anao hianao.
tsy misy tery izany io ry ika a,ilay fonao manome no mahafantatra hoe mahalala tanana ve aho,tsy any mihitsy no mipetraka ny olana,moa ve hoy aho sahy hianao hanome mihoatra an'io? Toy ny tax omena ny city,ny state sns nahoana no tsy nalainao niverina sa manao asa out off book hianao? na izany aza hianao ihany dia mahalala hoe ohatrinona ny karamako,ataovy foana hoy aho ny fanandramana fa ny fo manolotra no tena tadiavin'Atra amintsika sy isika mino an'izany
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4827dc366d3b5
19. manidina ( 18/05/2008 12:50)
sao de nareo ry niryna no mandromba an/Atra! hataon'Atra inn zay vola kelinareo? fangah mahantra Atra na tsy manana ny ampy ka no hitady sy hiandry izay vola aterinareo?@'izay ko tsy izy rehetra fa mbola ampahafolony???mba mandiniha sao de mino mino foana!! Atra tsy hiantsena..tsy.. hataony ahoana ty vola? nefa raha mitady zvtr izy hozy nareo teny iray fotsiny misia de misy.....fa manin ary ny vola kely izay mba antanana koa no ilainy???????????????????tsy mazava!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
20. niryna ( 18/05/2008 22:08)
manidina:

sao de nareo ry niryna no mandromba an/Atra! hataon'Atra inn zay vola kelinareo? fangah mahantra Atra na tsy manana ny ampy ka no hitady sy hiandry izay vola aterinareo?@'izay ko tsy izy rehetra fa mbola ampahafolony???mba mandiniha sao de mino mino foana!! Atra tsy hiantsena..tsy.. hataony ahoana ty vola? nefa raha mitady zvtr izy hozy nareo teny iray fotsiny misia de misy.....fa manin ary ny vola kely izay mba antanana koa no ilainy???????????????????tsy mazava!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

hi,hi,

:cry: ny fahasoavana nomeNy anao,ahy no zaraina,ny fahalalana nomeNy anao torak'izany,afaka manome mihoatra hianao fa tsy ferana ,ny vola moa no fototry ny fiainana sady ny vola ihany koa no mahatonga ny ratsy rehetra(money is root of evlil) tsy ny vola fa ny fitiavam-bola ka mivadika amin'ny ratsy avy eo.
Ny jiro lany,ny rano lany ,ny taratasy rehetra ao am-piangonana angaha mandeha amin'ny rano? Ny firenena mahantra mila fanampiana ohatra,ny marary vangiana,ny fizarana ireo sakafo marobe isan-kerin'andro ho an'ny mahantra,manampy ny fiangonana noho ny fahasoavana nomeny ahy sy hianao,noho ny fo mahafoy manome izay nomen'Atra ahy sy anao,tsy mila vola tokoa Atra fa mila vola kosa ny fiangonana ,na inona atao tsy vita raha tsy misy an-dravola. sa vitan'ny kidoandrano daholo?

Aoka anefa hazava fa misy fomba maro foana anomezan'Atra vola ny fiangonana,hianao mety tsy mahafoy fa ny hafa mahafoy amin'ny fotoana tsy ampoizinao ka dia tsy matahotra izany ny fiangonana fa efa voatahin'Atra eny foana, mety mandroba azy koa isika amin'ny asa izay atao,mangala-tety,mangalatra ora,kamo fiasa, izay avoakan'ny vavantsika mantsy dia hiantra amintsika,tsy manambola aho dia andalo an'izany tokoa isika,tsy mety mahita asa aho dia miandry eny foana,tsy misy mpitia dia misaratsaraka eny oops,zavatra tsara foana dinihana ary ny fahasoavana nomeny no tanisao fa na ny karamanao aza tsy ampy ny fitiavana nomeny ahy sy ny famonjena nataony tamiko ,ny fonao manolotra azy ho fizarana ny tenin'Atra no tsy takatry ny sainao izany fifaliana izany ,efa nanandrana ,andramo aza raha mbola tsy nanao,mila mino tanteraka ary mila miezaka ny manome ny ao anatin'ny fo aloha dia avy eo mandeha ho azy ny rehetra .
Mahafinaritra ny manome noho ny mandray,ary araky ny hanomezanao no mahafaly anao ihany koa ,tsy vola irery izany fa na inona na inona ka hanatsarana ny mpiara-belona aminao.
Tsy terena ny fanomezana ny fahafolon-karena fa maro no efa henoko fa manome mihoatra an'io .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1488