Mandroba an'Atra: amin'ny fomba ahoana ?

21. niryna ( 12/05/2008 18:14)
Zina:

Malachia 3: 8-10

Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy hianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?

8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra]

9 Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
--------------------------------
ie misaotra aky zina ,io ary ilay teny noteneniko handroba fa tsy handromba akory ,misy mba afaka hanazava amin'izay ve ?
misaotra
Na tian-tsika na tsy tian-tsika dia mandroba an'Andriamanitra marina isika. Hoy i Jesosy hoe: Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Hagay 2: 8
Ny harena rehetra eto an-tany dia an'Antra daholo, fa pikarakara, régisseur (steward) fotsiny isika.

arakakakin'ny fahalalanao ny Tenin'Andriamanitra no hamalian'ny fivavahanao satria betsaka ny olona tsy mahafantatra fa oe mandromba an'Antra, na dia izany az dia valian'antra ny fivavahany.. Zao isika rehetra izay mamaky dia mahafantatra ary mi-baser an'io ny valim-bavaka... Fa amiko aloha ny zavatra itako dia betsaka ny olona nahazo valim-bavaka satria t@ fony feno fanetre-tena no nivavahany...

22. niryna ( 12/05/2008 18:15)
ikaretsaka:

Mandroba isika raha tsy manome izay tokony omena azy. Fanatritra sy ny sisa.

dia tsy maintsy manome fanatitra iznay vao voavaly vavaka ve?

ko tsy tena ohatran'ny any @ Doany izany Atra izany raha izany?
(henoy ny valalabemandin'i Sareraka)

dia anao no safidy,manome izay foy aloha dia avy eo amin'izay misokatra ny fo dia manome ny ao anaty baiboly
23. Veloo ( 13/05/2008 01:26)
dia anao no safidy,manome izay foy aloha dia avy eo amin'izay misokatra ny fo dia manome ny ao anaty baiboly

marina izany
24. Ilo ( 13/05/2008 10:56)
I Abela sy Kaina izao ohatra, tsy nisy niteny tamin\'izy ireo hoe manaova fanatitra fa tonga dia nanao izy. Toy izay koa Noa tao aorian\'ny safo-drano. Karazana fanehoana ny reconnaissance izany. Fa A/tra no mahita avy eo hoe tena sincère tokoa na tsia...

Tsy hoe mila sitraka akory A/tra fa hita eny @ zavatra ataontsika eny hoe mankasitra ny zavatra rehetra ataony amintsika ve isika ...
Ny voany rahateo koa moa no ahafantarana hoe tsara ny hazo na tsia! :wink:
25. Veloo ( 13/05/2008 17:15)
Fa A/tra no mahita avy eo hoe tena sincère tokoa na tsia...

marina mihitsy izany

Ny voany rahateo koa moa no ahafantarana hoe tsara ny hazo na tsia!

Ekena tanteraka
26. niryna ( 13/05/2008 17:51)
ikaretsaka:

Mandroba isika raha tsy manome izay tokony omena azy. Fanatritra sy ny sisa.

dia tsy maintsy manome fanatitra iznay vao voavaly vavaka ve?

ko tsy tena ohatran'ny any @ Doany izany Atra izany raha izany?
(henoy ny valalabemandin'i Sareraka)

hi,hi, doany izy satria azy daholo ireny no nomeny ampiasaintsika
aza miary harena ho anareo ety an-tany hoy izy izay feno kalalao sy vovoko sns fa miharia harena any an-danitra .Dia ahoana ,efa niary harena any an-danitra izany ika sa tsy omby intsony ny doany ?

:D
27. niryna ( 13/05/2008 17:53)
Veloo:

kanefa isika tsy manao an'izany dia izay ihany koa no mety antony tsy hamaliany ny fitarainana aminy

amiko ndray aloha nyrina a dia izao:
andriamanitra dia fitiavana ka tsy miandry vali-pitia amintsika izy voa mamaly ny fivavahana....
izay aloha ny fahafantarako azy

yap tokoa izy ary mampianatra antsika ny hikatsaka ny fanjakan'ny lanitra izy aloha vao mikatsaka izay mahasoa antsika isika,mandroba azy koa isika raha nomeny fahalalana ka tokony ho ampiasaina ao amin'ny voninahiny izany kanefa dia tazomintsika fotsiny sa ??
28. nefertiti3 ( 28/05/2008 07:21)
Gaga ve ianareo hoe ahoana koa izany mandroba an'Atra : misy anie ka rakitra aza angalariny e, volan'ny sampana ao am-piangonana, vadin'ny mpiara mivavaka aminy... mandroba an'Andriamanitra avokoa izany. Dia gaga aho, izaho aza hangataka Aminy ka ny Azy indray ve no alaiko tsy LOZA ? Ireny levée de fonds ireny : mino ve ianareo fa tafiditra tanteraka ao amin'ny fiangonana ny vola rehetra ? TSIA no valiny !!! Mandroba an'Atra daolo zany ! Raha tsy anao fanatitry izy mbola leferiko ihany fa misy tena ao ampiangonana mihintsy no manao jiolahy. ary tena mavitrika mihintsy izy miangona sao ianao mihevitra fa manenjika zy ny heritreriny ? TSIA No valiny !!! Eny amin'ny pilopitra no ahitana azy tsy menatra milahatra amin'ny mpitandrina manao akanjo fotsy. Na manitsaka io pilopitra io aza tsy sahiko sa ve entina manadio tena ireny ?
29. niryna ( 31/05/2008 01:30)
nefertiti3:

misy fahamariana izany ary mety azo antsoina hoe mandroba an'Atra daholo isika ohatra hoe nomeny fahaizana mizara aman'olona hianao na inona fahasoavana nomena antsika kanefa tsy nampiasaintsika e,dia mandroba izany fa tsy vola ihany:ny fotoana ,ny vola,ny fahaizana amam-pahalalana ka afaka hampiroboroboana ny fanjakany kanefa dia tehirizintsika fotsiny.

Tadidio fa tsy ny rehetra no mandroba an'ATra ao am-piangonana ,olona efa nofidian'Atra avokoa izy ireny saingy tsy naharitra ny asan'i satana,na izy koa aza dia manana elements any am-piangonana ka tsy tsokony atao ahagaga.
Ny tsy hitovizany amin'ny olona tsotra dia ho mahery ny fitsarana azy satria izy efa nahalala an'ATra no nivadika(stumbling blocks na forncator) na koa fanahy jamba (spiritual blind).Samy ho tsaraina amin'ny ataony avokoa ny rehetra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7062