Bebe Razanatompo ela velona 118 taona

1. razamble ( 08/05/2008 07:10)
Mba te ho ela velona ôtran'i bebe koa zà. http://www.madagascar-tribune.com/Bebe-Razanatompo-118-taona,6417.html
novalian'i xxx ny 29/05/2008 07:12
2. endrika01 ( 08/05/2008 10:32)
razamble:

Mba te ho ela velona ôtran'i bebe koa zà. http://www.madagascar-tribune.com/Bebe-Razanatompo-118-taona,6417.html



Natahotra be zah teo ,kay efa maty izy io fa neveriko we matory,hi hi hi,


Ny dadan'ny Mamako aza efa 140 taona vao maty,maro mianadahy be ry zareo,efa tany @ fahaefapolo taonanay izy vao nanambady,efa 18taona izy zay no nodimandry,ny mamako manakaiky ny faravavy 50 taona mahery .


fa ny tena mahazendana ho'aho dia ny olona taloa lava andro hiainana avokoa.
Tsara tso-drano ny ray aman-dreny angamba,mbola natahotra mafy ny Tsiny sy ny Tody,tsara toetra sy tsara fo,tsara rivotra hiainana,sns,nefa tsy vitsy tamin'izy ireny no nanao asa mafy tamin'n fanjanahan'ny vazaha.


Raha araka ny filazan'io dadabeko io dia nahavita dia an-tongotra Antsirabe-Tananarivo ao anaty ny herinandro ry zareo,sady mandroaka omby,no milanja ny sakafo hohaniny ny rano ihany koa satry mingaingaina ny andro.


Tsy mba mihinana fanafody avy @ dokotera izany hono izy fa manimba ireny ,fa kosa mitsabo tena @ ravina zava-maniry eny an-tsaha rehetra eny.(ty niteny izy akory fa tsy tsara fa hoe manimba).


Vao mangirandratsy izy dia efa lasa miasa tany,ny tanora handeha hiasa eny an-tsaha @ 7ora maraina lazainy fa efa atoandro be nanahary,izy @ io efa an-dalana hody!


Ny nahafaty azy dia tsy mba nety nohentina teny @ hopitaly izy t@nianjeran'ny sarety taminy,tapaka ny tongony,nositranina t@ ravina dia sitrana fa saingy ny tany anaty no nihasimba tsikelikely,lasa nikitringa ila izy,
nefa mbola niasa foana,tena menatra ireo zanany fa atao ahoana,


Matanjaka ny olona taloha sady lava andro ihainana,ny teo @ sakafo,mihinana hena isan-kerinandro ry zareo,saika misy mamono omby na kisoa foana ny eo @ vohitra manodidina dia tetezina lay hena,dia mividy ny olona eo an-tanana.


Fa ity no tena nampiady anay mianaka t@ zany andro zany,nanao vankasy tany zahay,sendra namofy karoty sy ovy aho no tratrany dia nobedesiny be.
Fa maninona hoy izy no voasana hoatran'io?very daholo ny hery rehetra ao anatiny,sasao madio tsara dia andrahoy,rehefa masaka dia esorina lay hoditra manify iny,zany hoe tsy notetehina fa tonga dia andrahoina dia avy eo esorina lay hoditra manify,zay vao tetehina......dia tsy nety nihinana aho mazava ho'azy fa hoy aho we,vetaveta fahandro sakafo.


Dia mbola notohizany hoe izany no tsy maha ampy hery anareo eny an-drenivohitra eny,arianareo ny hery rehetra ao @ sakafo.(...)

de rehafa lehibe zah dia tonga saina fa nisy fahamarinany izay voalazany!


lasa ny tantara ny dadabeko ndray no noresahiko nefa i bebe Razanatompo
no resahina! miala satroka kely aho t@iny an,mba tiko tsindrina fotsiny hoe
lava andro hiainana daholo ny olona taloha !inona no antony?



:-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-*
3. Jeankely ( 08/05/2008 10:42)
Mialatsiny fa ilay resaka sakafo no tohizako aloha. Ny iray tsara ny endriny saingy lasa ny heriny. ny iray ratsy ny fijery azy ka asa izay ve no vetaveta ? Na mahandro akoho ny tranainy tsy sasanabe izany satria very daholo ny tsirony hoy reo.
Ny fomba fisainana sy fomba fiainana no mahaela velona ny taloha. Enimpolo taona lazain'ny valopolotaona fa mbola tanora ary mipetraka ao antsainy fa mbola hiaina taona maro izy tsy misy eritreritra ny ho faty. Amin'izao ambany ny fisainana ka mora resin'aretina.
4. dadabe ( 08/05/2008 15:54)
dia aiza ny pilasin'i dadabe amizany le :-w :-w
5. razamble ( 08/05/2008 17:41)
Ny dadan'ny Mamako aza efa 140 taona vao maty

Tsy mba henoko indray izany dadan'ny mamanao izany ry endrika01. Tokony hankalazain'ny firenena avokoa ireny tratra antitra ireny.
Mazava tokoa fa ny fiainana ara-boajanahary sy feno fahatsorana no mampateza.
Tena ilaina mihitsy izao témpoignage izao fa misaora ry endrika01.
6. endrika01 ( 08/05/2008 20:31)
razamble:
Ny dadan\'ny Mamako aza efa 140 taona vao maty
Tsy mba henoko indray izany dadan\'ny mamanao izany ry endrika01. Tokony hankalazain\'ny firenena avokoa ireny tratra antitra ireny. Mazava tokoa fa ny fiainana ara-boajanahary sy feno fahatsorana no mampateza. Tena ilaina mihitsy izao témpoignage izao fa misaora ry endrika01.
Eh,raha mba nahalala mpanao gazety zah t@zany,dia nataoko nalaza mintsy fa efa lasa zany,dia aleo hivalona any!
7. tsiambaratelo ( 09/05/2008 14:24)
razamble:

Mba te ho ela velona ôtran'i bebe koa zà. http://www.madagascar-tribune.com/Bebe-Razanatompo-118-taona,6417.html



8. aloalo ( 11/05/2008 08:19)
tena zay za vao nahare oul hoe 140 vao maty ! tokony atao hommage kosa izy zany.
9. endrika01 ( 13/05/2008 10:06)
aloalo:
tena zay za vao nahare oul hoe 140 vao maty ! tokony atao hommage kosa izy zany.
Eeeeeh!!!!!ka tambanivohitra e,raha mba teny an-tanan-dehibe mantsy mba nataon\'ny manodidinina sy ny mpiara-monina sy ny mpanao gazety sy ny filazam-baovao resaka.Zah koa moa t@zany mbola tsy ampy taona akory ka iza no handray vaovao @zaza tsy ampy taona!Ny zanany tsy dia ni interessé azy ireo loatra zany hoe tratrantitra be zany dia voninahitra,tokony hankalazaina mihintsy na avoaka an-gazety!Ny zavatra 3 sisa mba tsaroako sy tsy hadinoko hatr@zao dia a,ireto/Ilaina anaka ny fampiasana herim-batana @asa rehetra zay atao f\'aza zatra tia kividividy sy miatehitra @fitaovana vitam-bazaha!Mila fitandremana ny sakafo mba tsy hovery ny hery ao aminy,ny anareo any an-drenivohitra any manko toa efa misy ity vata fampangatsiahina ity hitahirizana ny hena isan-karazany nefa tsy dia tsara loatra .Fahatelo ny faniriany mafy ny hahatongavako ho dokotera,zah anefa matahotra razana sy fanjaitra,raha mba enao anaka hoy izy no lasa mpitsabo dia mba hisy hamangivangy ireo marary aty anaty akata be aty,na dia hijery tension ihany aza,teo @8taona teo ho eo aho nefa dia ireo 3 ireo no tsy afaka an-tsaiko n\'aiza n\'aiza aleha,satria tsapako fa tena marina!
10. dadabe ( 15/05/2008 17:16)
:^)
11. xxx ( 16/05/2008 14:07)

Mahagaga ihany izany ry endrika , raha atao ny kajy tsotsotra :

- maty t@ 1990 dadabenao, 140 izy t@ 1990
- mamanao hoy ianao 50 ans mahery, izany hoe raha atao hoe 58 ans izy izao (hahatsora ny asa marika) , dia 40 ans izany izy tà dadabenao maty
- izany hoe t@ dadabenao 140 ans dia 40 ans mamanao ==> 100 ans dadabenao t@ teraka i mamanao ????

Sa misy tsy ampy ny voalazanao ?
12. endrika01 ( 17/05/2008 12:48)
Ny azoko hamaliana an\'ixxx tamin\'ny1850 no teraka ny dadabeko. Tamin\'ny 1890 izy no nandeha nanambady. Maty t@ 1990 valoambinifolo taona lasa izay. Raha mbola velona teny ny zanany voalohany dia any @ 118 taona any @zao andro zao!Raha vao namaky ity dinika ity aho dia tonga dia lasa tany @dadabeako ny saiko! Maty t@ 1975 ny bebeako 85 taona izy t@zany 20 taona izy t@nanambady an\'i dadabeko. Vao amam-bolana ny zandrin\'ny Mama faravavy no maty izy,mbola misy 3 mianadahy aorian\'ny Mamanay! Ka ny olona taloha anié ry xxx tsy mora rera-batana na mora antitra hoatran\'ny olona @zao fotoana é. Jereo fotsiny ary zao ny sariko 40 taona latsaka izaho,lay sariko miaraka @tableau misy poème natolotro ny consul-nay t@ Marsa teo,raha manambady any Ambanivohitra any zah oh bandikely 20ans pourquoi pas,zah vao maika miha tanora miaraka @vadiko sy ny zanako!Aleo ajanona eo ny fitantarana fa bedin\'i tsiambaratelo eo zah :-P
13. xxx ( 17/05/2008 18:00)
endrika01:

Ny azoko hamaliana an'ixxx tamin'ny1850 no teraka ny dadabeko. Tamin'ny 1890 izy no nandeha nanambady. Maty t@ 1990 valoambinifolo taona lasa izay. Raha mbola velona teny ny zanany voalohany dia any @ 118 taona any @zao andro zao!Raha vao namaky ity dinika ity aho dia tonga dia lasa tany @dadabeako ny saiko! Maty t@ 1975 ny bebeako 85 taona izy t@zany 20 taona izy t@nanambady an'i dadabeko. Vao amam-bolana ny zandrin'ny Mama faravavy no maty izy,mbola misy 3 mianadahy aorian'ny Mamanay! Ka ny olona taloha anié ry xxx tsy mora rera-batana na mora antitra hoatran'ny olona @zao fotoana é. Jereo fotsiny ary zao ny sariko 40 taona latsaka izaho,lay sariko miaraka @tableau misy poème natolotro ny consul-nay t@ Marsa teo,raha manambady any Ambanivohitra any zah oh bandikely 20ans pourquoi pas,zah vao maika miha tanora miaraka @vadiko sy ny zanako!Aleo ajanona eo ny fitantarana fa bedin'i tsiambaratelo eo zah :-P



Dadabe né en 1850
Dadabé nanambady en 1890
Bebe maty à 85 ans en 1975 ==> teraka 1890 ???? kanefa lazainao fa 20ans ???

Tena sérieux fa ohatran'ny misy diso e
14. endrika01 ( 17/05/2008 20:05)
Hay ve i xxx tena mba liana é,na zah ihany koa aza anié nifamaly taminy dadatoako e,de nasiako nanao kaonty izy,satria t@90 aho mba efa nahay math ihany ka zah nahita fa dimy ambizato zany wa i tompokovavy no maty fa tsy 85 zany,dia ny hany naverimberin\'izy ireo de we 20ans izy t@ 1890 de tsy nitoizana tsony ny resaka satry fahoriana no natrehana! Ny zanaky ny rahalahiny (cousin)zao mbola velona any efa 100 mahery koa izy zao,mbola mahavita diantongotra lavitra dia lavitra aller retour. Lesona azo raisina hitan\'ny masoko aloha,ny fampiasan\'izy reo herim- batana teo @asa ataony,tsisy we moto,velo,auto fa dian-tongotra be,ny fomba fikarakarana sakafo tadidiko tsara,fa raha nahandro anandrano,anandrebaka,anambomanga i tompokolahy dia rehefa akaiky ho ritra iny ny vary dia apetrany eo ambony eo le anana tsy mitapaka de saromany ao,de bataina ny vary dia esoriny lay anana ataony @ vilia hafa dia asiany vovotsira sy menaka,ny hena andrahony vongany be de refa hisakafo zay vao tetehiny. Zah aloha dia nahateny mintsy we VETAVETA FAHANDRO SAKAFO ! Aleo handry am-piadanana amzay ry zareo fa mampandrotsa-dranomaso ny fisarahana!Nefa koa mahavelombolo ery anié ny mitantara ny fiainan\'izy ireo!Tsy nataotao foana kay lay hira zay :-Ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana...:D:D:D
15. xxx ( 18/05/2008 15:15)
Ilay calcul mihintsy no mi-interesser ahy ka ... Efa fantatro fa mode de vie no mampateza

Efa ho 60 ans mahery izany bebenareo no niteraka an'i mamanareo sy ny zanany

Efa fotoana nazava izany 1975 izany na dia hoe tany ambanivohitra aza

Be dia be ny gasy diso ny date de naissance-ny, betsaka ny hoe "né vers" fa tsy nisy daty mazava
16. diamondra27 ( 18/05/2008 17:50)
resaka dadabe kle :°)
17. ari.malala ( 19/05/2008 08:04)
faly b diams kle:°):^):^)
18. endrika01 ( 19/05/2008 20:37)
xxx:

Ilay calcul mihintsy no mi-interesser ahy ka ... Efa fantatro fa mode de vie no mampateza

Efa ho 60 ans mahery izany bebenareo no niteraka an'i mamanareo sy ny zanany

Efa fotoana nazava izany 1975 izany na dia hoe tany ambanivohitra aza

Be dia be ny gasy diso ny date de naissance-ny, betsaka ny hoe "né vers" fa tsy nisy daty mazava



Tamin'izany aza araka ny notantarainy Dadabenay de betsaka ny nampihaina taona,satria efa be taona be vao niditra antsekoly,qui sais mety mihoatra an zay aza ny taonany!=D=D=D
19. xxx ( 21/05/2008 17:30)
bla bla koa izany lazain'i endrika izany nefa ny chiffres aza tsy misy mifanitsy
20. kiadi ( 21/05/2008 17:48)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3632