MAHAIZA MIFANINANA AMINY VAHINY

1. endrika01 ( 07/05/2008 16:29)
Maninona ny Gasy no tsy mahay mifaninana e,mba te ho rapanana,hanana vola be,fiara ,trano,nefa tsy mahay mifaninana.:-D:-D:-D
novalian'i endrika01 ny 17/05/2008 07:24
2. badboy ( 07/05/2008 20:25)
Tsy mahay sa kamo???
3. endrika01 ( 07/05/2008 20:54)
Izy 2 mihintsy e,tsy mahay mifaninana sady kamo.
4. endrika01 ( 07/05/2008 21:43)
Mampiasa herisetra raha mb
5. endrika01 ( 08/05/2008 05:09)
[quote=endrika01]
Mampiasa herisetra raha mba te hanana fiara 4x4 ohatr
6. endrika01 ( 08/05/2008 05:47)
[quote=endrika01] Mampiasa herisetra raha mba te hanana fiara 4x4.Manginy fotsiny ny fampiasana fitaovam-piadiana,famonoana olona,fitapitaka isan-karazany,fanaovana bizna ny tovovavy kely.Tsy mba hampanana na raovina na raovina ireny,hasambarana mandalo ao anaty ny ora iray angamba?Fa ny andro sisa rehetra dia feno tebiteby sy tahotra.Mamono ankitsirano izao mba tsy hisy intsony ny vavolombelon\'ny asa ratsy atao.Mahita fa manana ny vahiny,(vola,fiara,villa be miaraka @piscine...)dia mba te hifaninana,eto dia mazava hoazy fa ny fanaovana pilanina maty paika no hita fa mahomby ao anaty ny ora 2 na 3 mba hitovy @vahiny,fa tsy ao an-tsaina ilay fahavononana,fikirizana,fiafiana,fa manambony tena,asa tsy haiko;izaho irery angamba no mirediredy hoatran\'ny adala sa ny namana rehetra mba mahatsikaritra izany.Hatramin\'ny nipetrahako aty ivelan\'ny Madagascar dia tsapako fa tena milamina ny saina ohatra :tsy misy tsony lay torimaso voakorotana isan\'alina,misy mamaky ny trano ery ambony andrefana,kiririoka ny siflet tsisy farany,lasa niakatra any ambony any...tsy hay tsony na miafina ao ambany tohatra ao,miferin\'aina na aretina tsy hisy aza tonga hoazy.Aty aminay eny @lalana mitanjozotra milahatra ny fiara tsisy gardien,maraina ny andro tsisy iray mipika,tena marina izany,fa ny any Dago,ahiditra garage,ambesana gardien sy tôtôsy,vao mihodina ianao dia manjavona ny fiara.Ka hoy aho hoe te hifaninana nefa tsy mahay mifaninana,sady kamo be tenda.Zah irery ve no mahatsikaritra an zany e?:-w:-w:-w
7. naritsimba ( 08/05/2008 06:14)
Marina izany, aty dago ange tsy manao ny asany ara-dalàna ny manampahefana eh! na kely na lehibe, tsy manara-dalàna.
Ny mpanao ratsy aty Madagasikara no mahazo vahana indrindra fa eny @ fitsarana, ka dia manjary mahazo laka ny mpanao ratsy, ka dia ny manao ratsy no mora manana satria izay miezaka dia lasan'ny mpanao ratsy.
8. endrika01 ( 08/05/2008 10:02)
Tamin'izaho mbola tany Dago,dia mihevitra aho hoe,reny vazaha
ireny zany tsy mba miasa fa manakarama olona miasa ao aminy,
be vola be,sns,hay rehefa tonga taty zah, dia hitako tsara ireo zay tsy miasa Birao, fa tena mihosona nohon'ny malagasy ,aty amintsika aty ireny ihany.

Mahagaga anefa dia tsy vitsy amin'izy ireny no manana fiara,na dia mpiasa
mitrongy vao homana aza.

Mamelom-bady aman-janaka sy ny zavatra maro hialany vola toa antsika
ihany koa. :? :arrow:
9. Jeankely ( 08/05/2008 10:25)
Rehefa samy maka ho azy satria nopotehan\'ny politika ny firaisankina dia ny ratsy no mahazo laka. Samy manana adidy ny hamerina izany firaisankina izany ny rehetra. Raha toa ka nofy moa izany dia ny sasany voaharompaosy ny sasany mihomehy na mijery fotsiny sisa fa matahotra. Ka anjarantsiaka no misafidy. hiandry fanjakana mbola hanaovana taratasy ve ny mpanafika efa eo antanana?
10. oliviah ( 08/05/2008 11:17)
Mila ovaina ny fisainana.Mila firais
11. tsiambaratelo ( 08/05/2008 15:25)
Ka ela be kosa vao misy vola ny fambolena,ny biraom-panjakana tsy mandray olona tsy manana diploma.
12. ikotoleta ( 08/05/2008 21:11)
:arrow: Jeankely: elisany iany mpanao politika nefany manimba ny firaisankinany malagasy elisany :D :) 8O :lol: 8) :P :roll: :!: :idea: :°) :-P :-D ;-) :{ :/ :?
13. endrika01 ( 09/05/2008 06:46)
Raha ny hevitro manokana mikasika ny mpanao politika sy ny mpitantana ambony,nomena andraikitra izy ireny hanatanteraka baiko .Ohatra ny zandary sy polisy,efa misy lalàna mipetraka ao @asany ao.Mety tsy ho azony atao ohatra ny tonga dia managadra olona avy hatrany satria tsy misy ny antotan-taratasy manaporofo marina fa ity olona ity dia tratranay nangalatra tao aminay,na dia ny fokonolona aza no nahatratra ny jiolahy.Satria mety io jiolahy io mbola hirakana jiolahy hafa ,mila vola izy dia nanao ny mission,ka raha tonga dia gadrain\'ny mpitandro ny filaminana na vonoin\'ny fokonolona izy ireny dia tsy hotratra mihitsy ny lehibeny,ka vao maika aza hitombo kokoa nohon\'ny teo aloha ny asan-jiolahy,ho lasa amin\'izay ny fanamelohana polisy sy zandary ho mpiray tsikombakomba @mpanao ratsy(asa mety misy matim-bola angamba na mety misy norahonana...)tsy midika mihintsy io fanazavana kely io fa mandray na tsy mandray ny andraikitra ny isa-tsokajy.Fa mipetraka kosa ny adi-hevitra hoe aiza lay misy ny fahabangana?Inona no vahaolana mahomby.Hoatran\'ny trano misy rihana maromaro ihany io,misy mitresaka ny zoron-trano,lay nipetraka tao @rihana faha-7 no nahita fa angamba hianjera ny trano raha tsy ho voalalotra ilay zoron-trano dia namboariny dia vita !Nahazo toky izy,ka vita kah voavaha ny olana.Kanefa ny any ambany retra any tsy voavoatra ny ao ambony ao tsy voavoatra ,ka ihitatra hatrany ny fahasimbana,ka na ilay tao @ rihana faha-7 izay efa nanamboatra ny simba aza dia hiverina hanamboatra in-1 satria hatrany @fototra no tsara hiaingana,fiaraha-miasa ny daholo be fa tsy hoe samy maka hoazy eny !=D=D=D
14. tsiambaratelo ( 09/05/2008 13:53)
Tsy vitan\'ny hoe mahaiza mifaninana kou angé e,ilaina fandalinana ihany koa ny zavatra rehetra.Miainga @tsirairay zay,tsy misy asa ratsy afa-tsy ny mamono olona,mangalatra,mivaro-tena,(manera tovovavy ).=D=D=D
15. endrika01 ( 10/05/2008 07:15)
Jeankely:
Rehefa samy maka ho azy satria nopotehan\\\'ny politika ny firaisankina dia ny ratsy no mahazo laka. Samy manana adidy ny hamerina izany firaisankina izany ny rehetra. Raha toa ka nofy moa izany dia ny sasany voaharompaosy ny sasany mihomehy na mijery fotsiny sisa fa matahotra. Ka anjarantsiaka no misafidy. hiandry fanjakana mbola hanaovana taratasy ve ny mpanafika efa eo antanana?
Raha oharina @firenena hafa eo @resaka ady ady lava ny Malagasy aloha mendrika,mbola misy maromaro ny mitana ny firaisan-kina ,fa lay resaka fifaninana mihintsy no tsy hampandroso,satria misy ny tsy mahazo mihintsy hoe ahoana ny fisainana mendrika tokony arahina mba hiroso hoamin\'ny tsara ilay fifaninanana fa tsy hifototra avy amin\'ny halabotry sy ny famonoana olona,sy ny fametsifetsena isan-karazany=D=D=D
16. endrika01 ( 11/05/2008 11:08)
[quote]Ny mpanao ratsy aty Madagasikara no mahazo vahana indrindra[
/quote]


Matahotra ny vahoaka kou,sao ianao manoro indray no fofoiny ao
ny aina na izay kely mba hanananao.Mila ialana anefa izay tahotra izay raha tiana ny hanmdroso satria tompon'andraikitra avokoa ny tsirairay mba ahitana ny soa sy ny tsara,ao anatin'izay koa ilay fifaninanana.
17. endrika01 ( 12/05/2008 11:46)
endrika01:

Maninona ny Gasy no tsy mahay mifaninana e,mba te ho rapanana,hanana vola be,fiara ,trano,nefa tsy mahay mifaninana.:-D:-D:-D



:-w:-w:-w
18. niryna ( 15/05/2008 23:36)
endrika01:

Maninona ny Gasy no tsy mahay mifaninana e,mba te ho rapanana,hanana vola be,fiara ,trano,nefa tsy mahay mifaninana.:-D:-D:-D

ka ilay fiaianana angaha moa hifaninanana ?
Misy manan-karena ary mifaly ery ny tenenany satria tonga amin'izay nialain'ny nofiny izy fa mijaly aram-panahy kosa,ka tsy mahay mionona

Misy sady manana harena ety an-tany no manome rakitra any an-danitra oops.
Mbola ezaka manaraka ny arabe koa izany mifanina izany ,tsy maniry olona fa irin'ny olona ,mionona amin'izay nomen'Atra ary manao ny asa rehetra amin'ny fo tokoa dia faly noho ny mpanana izay mety tsy mahita tory fa mataohotra ny ho roban'ny jiolahy ,sa ahaona endrika01 ?

19. endrika01 ( 16/05/2008 09:34)
niryna:
endrika01:
Maninona ny Gasy no tsy mahay mifaninana e,mba te ho rapanana,hanana vola be,fiara ,trano,nefa tsy mahay mifaninana.:-D:-D:-D
ka ilay fiaianana angaha moa hifaninanana ? Misy manan-karena ary mifaly ery ny tenenany satria tonga amin\'izay nialain\'ny nofiny izy fa mijaly aram-panahy kosa,ka tsy mahay mionona Misy sady manana harena ety an-tany no manome rakitra any an-danitra oops. Mbola ezaka manaraka ny arabe koa izany mifanina izany ,tsy maniry olona fa irin\'ny olona ,mionona amin\'izay nomen\'Atra ary manao ny asa rehetra amin\'ny fo tokoa dia faly noho ny mpanana izay mety tsy mahita tory fa mataohotra ny ho roban\'ny jiolahy ,sa ahaona endrika01 ?
Tsy laviko ny voalazan\'i niryna hoe mionina.Fa amin\'izao fotoana dia tsy manjaka tsony lay fiononana,fa mirongatra any @fifaninanana ny akamaroany olona.Manana fiara tsara tarehy ry zareo ao avaratra,dia hietsika ihany koa ry zalahy ao atsimo! tsy maintsy mahazo hoatran\'io ihany koa izy,eo @zay fa tonga lay fifaninanana. Lay olona nanana teo aloha anié mety niafy aman-taonany maro é,nefa ny an lay mpifaninana juste maso nitopy minitra vitsy,manana tahiry any @banky ve ianao,mikarama ve ianao,hoatrinona no mety ho laniny @io zvt ifaninananao aminy io.Tsy takatry ny saina lay fiteny hoe Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra! Raha mba te hanana dia ampiasaina ny fahaizana mamakafaka ny mety ho soa azo sy ny mety ho voka-dratsy,mahay mandalina,alavirina ny fitiavan-tena. Tsy ho mpianatra eny amin\'ny Ambaratonga ambony,na lasa ivelan\'iGASIKARA ihany no hahatsapa fa tsy tsara ilay fifaninanana be fahantany,fa mbola ao an-tokan-trano dia ampianarina ny zaza,ny dingana rehetra tsy maintsy ho lalovany raha te hifaninana hoamin\'ny tsara.(mbola hitohy):D
20. niryna ( 16/05/2008 20:06)
endrika01:

Tsy laviko ny voalazan'i niryna hoe mionina.Fa amin'izao fotoana dia tsy manjaka tsony lay fiononana,fa mirongatra any @fifaninanana ny akamaroany olona.Manana fiara tsara tarehy ry zareo ao avaratra,dia hietsika ihany koa ry zalahy ao atsimo! tsy maintsy mahazo hoatran'io ihany koa izy,eo @zay fa tonga lay fifaninanana.

hi,hi, dia ilay eo atsimo no manenjika bitro e fa ny eo avaratra mandeha foana ny fiainany ,dia ilay eo atsimo ihany koa no marary an-doha lavitra eo satria ny iray mitady zavatra hafa indray dia mbola anenjika an'iny ihany indray ,ha,ha,
Lay olona nanana teo aloha anié mety niafy aman-taonany maro é,nefa ny an lay mpifaninana juste maso nitopy minitra vitsy,manana tahiry any @banky ve ianao,mikarama ve ianao,hoatrinona no mety ho laniny @io zvt ifaninananao aminy io.
marian tokoa izany ,ahatsiarovako ilay olona iray izay ity,nanangona nandritra ny taona maro izy mivady ,ny trano ny fiara, no indray nipoaka,gaga ny iray tanana ka lazainy hoe mpaka-fo ,tsy mba fantatr'izy ireo mantsy ny ezaka lehibe vitan'izay mivady,ny sakafo zara raha misy ohanina satria efa nana ezaka goavana izy ireo.Raha tsy efa ezaka eritreretina atao mihitsy dia ny tena no voa eo fa tsy hisy anao quoi akory e.
.Dia misy ihany koa firenena izay feno fankahantahaka ny olona ,ny kiraro ,ny fanatsoram-bolo ,ny fanaovana hoho,ny firavaka ,eny fisehosehoana ety ivelany fotsiny ilay izy ,ny fiara indrindra indrindra fa ny tranony tsy azo hidirana sady mbola mangataka fanampiana amin'ny fanjakana ka dia mivoraka re izany e,vola adala tompo,vola tsy nanasatra,tsy azo atao any amin'ny banky ka lany amin'ny sakafo fotsiny,dia tonga ny fetin'ny fahaleovantena dia mividy tsipoapoaka feno ny vatabe kanefa miandry vola any amin'ny fanjakana amin'ny fivelomana,mampalahelo ilay olona e,kamo miasa satria mahazo vola fotsiny na miasa na tsia,betsaka io any an-kafa ihany koa .
Tsy takatry ny saina lay fiteny hoe Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra! Raha mba te hanana dia ampiasaina ny fahaizana mamakafaka ny mety ho soa azo sy ny mety ho voka-dratsy,mahay mandalina,alavirina ny fitiavan-tena.
ka izay no mahatonga ny sasany misoloky,mangalatra, miaka hanan-karena dia miloka ,eny fa na ny mpiray tampo aminy izao aza dia sahiny solokina sy badoana ary angalarina , ao koa ny manao lotto,misy aza miteny hoe mba hivavaho aho fa raha mahazo vola aho dia anome fanampiana ny mahantra 25% hi,hi, Atra tsy tia filokana,ny hatsembohan'ny tava no hinanana ,sa ahoana? Dia ahoana koa no fivavaka an'izany? hi,hi,
Tsy ho mpianatra eny amin'ny Ambaratonga ambony,na lasa ivelan'iGASIKARA ihany no hahatsapa fa tsy tsara ilay fifaninanana be fahantany,fa mbola ao an-tokan-trano dia ampianarina ny zaza,ny dingana rehetra tsy maintsy ho lalovany raha te hifaninana hoamin'ny tsara.(mbola hitohy):D

marina izany ary izany no mahatonga ahy hoe tsy maniry olona fa irian'ny olona,raha mahay mifaly izay nomen'Atra isika,izany akory tsy miteny hoe mipetraha fotsiny eo,manao ny asa amin'ny fo,mifaly amin'izay misy fa tsy mila mijery ny an-dranona na atsy na eroa,dia tena mahita fiadanan-tsaina,saingy ny maso indray adaladala,mivoaka ny lamaody dia mitady ahazo an'iny ,iza no mahazo vola tsy ny mpivarotra,rehefa tonga ao an-trano anefa ilay izy mitovy ny akanjo rehetra ihany ,dia mikipy mividy fiara,ohatra,rehefa mitondra an'iny ,iza no hijery azy eo? ny tena fotsiny no jenitra. ha,ha

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709