Fanahy Masina iza?

1. ari.malala ( 06/05/2008 13:56)
T@ andro voalohany nitsanganan'i Jesoa ho velona dia niseho t@ mpianany izy ... ary nitsoka nanao hoe "raiso ny Fanahy Masina". Tato afara nefa rehefa miresaka am mpianany izy dia milaza foana hoe rehefa hidinan'ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery. Ny tiako ho fantatra dia Fanahy Masina iza ilay hidina ka hanome hery ny mpianatra, fa tsy efa Fanahy Masina ve ilay notsofin'i Jesoa ho azy ireo? ilay Fanahy MAsina izay toy ny rivotra nifofofofo mafy nanenika ny trno nitoeran'izy ireo ka nitarehina lela nampiteny azy ireo ny fiteny tsy mbola hainy hatrizay, iza no nanome an'iny?

Misaotra mialoha
novalian'i jonah ny 13/05/2008 07:34
2. Veloo ( 06/05/2008 14:21)
ari a,

asa ity raha mety amin'injy... Jesosy = Fanahy Masina= Andriamanitra iray ihany izy ireo...
3. ikaretsaka ( 06/05/2008 14:28)
ari a.. t@ Jesoa "nitsoka" dia ni premarer an'ireo Apostoly ireo mba ho mendrika handray ilay Fanay masina ka.
ohatranao rehefa atao komonio voalohany ihany io (na ireny IK VK manao dingana ireny) dia ho'zy ilay mpampianatra katesizy anao nahita hoe efa azo antoka ny hiroso lalina kokopa hoe "raiso ary ny komonio voalohany"
tsy midika akory izay hoe izy no hanome komonnio anao eo no ho eo akory raha niteny izy hoe raiso ny komonio voalohany!
4. majesty ( 06/05/2008 16:23)
miombon-kevitra @ veloo:zay le hoe trinité nge e
ari : tsy mbola ny fanahy masina iny,satria izy ihany no nilaza hoe raha tsy hiala eto aminareo aho dia tsy ho avy ny mpananatra (parakleto),ilay hanambara ny marina rehetra.
5. ikaretsaka ( 06/05/2008 17:55)
majesty:

miombon-kevitra @ veloo:zay le hoe trinité nge e
ari : tsy mbola ny fanahy masina iny,satria izy ihany no nilaza hoe raha tsy hiala eto aminareo aho dia tsy ho avy ny mpananatra (parakleto),ilay hanambara ny marina rehetra.

ka ny fanontanian'i ari anie raha azo tsara dia hoe 'misy pantekoty indroa izany"ve ary?
fa tsy hoe trinitology sns... loatra


6. rijadolly ( 06/05/2008 18:09)
Ny hevitro dray dé Fanahy iray ihany ny ao anatin'olombelona,ka mifandimby eo ny fanahy ratsy sy Fanahy Masina.Izany hoe afaka miala aminao ny Fanahy Masina raha tsy miorina tsara no tsy mino sy miovaova... ianao,ra mody anefa ianao dia ahazo hery indray satria feno ny Fanahy Masina.
7. ikaretsaka ( 06/05/2008 18:15)
tsy resaka izay hoa... fa le resaka act sy recount an'ny zavatra nitranga..
hoe nisy pantekoty 2 ve izany sa tsisy? izay anie le fanontaniana e?
sarotra be ve ny manazava izay?
8. fijo ( 06/05/2008 20:19)
azo eken any hevitr'i rijadolly ,fa tsy mamaly le resaka.
io resaka fanomanana io ngamba no metiy kokoa raha hoan'ny mpino.
9. ari.malala ( 07/05/2008 07:08)
ny fanazavan'ika aloha no itako mamaly ny fanontaniako hatreto, fa tsy mbola azoko tsara hoe, samy Fanahy Masina ilay voaresaka, ilay iray manome alalana ny mpianatra hamela heloka na hitana izany, fa ilay iray kosa, hahavavolombelona azy ireo eran'ny tany tontolo, dia samy hafa ve izany ireo Fanahy Masina ireo?
10. majesty ( 07/05/2008 08:23)
hoy ari.
Ny tiako ho fantatra dia Fanahy Masina iza ilay hidina ka hanome hery ny mpianatra, fa tsy efa Fanahy Masina ve ilay notsofin'i Jesoa ho azy ireo?


dia hoy ika:
ka ny fanontanian'i ari anie raha azo tsara dia hoe 'misy pantekoty indroa izany"ve ary?
fa tsy hoe trinitology sns... loatra


io no novaliako t@ ity ry ika a :
ari : tsy mbola ny fanahy masina iny,satria izy ihany no nilaza hoe raha tsy hiala eto aminareo aho dia tsy ho avy ny mpananatra (parakleto),ilay hanambara ny marina rehetra.
11. Fody ( 07/05/2008 08:28)
velo:
ari a,

asa ity raha mety amin'injy... Jesosy = Fanahy Masina= Andriamanitra iray ihany izy ireo...

I Jesoa dia Andriamanitra, noho izany ekeko ny hoe: Jesoa=Andriamanitra.
Fa tsy izy kosa ny hoe: Jesoa=Fanahy Masina satria samihafa i Jesoa sy ny Fanahy Masina. Izany hoe: Jesoa dia Tsy Fanahy Masina.
majesty:
miombon-kevitra @ veloo:zay le hoe trinité nge e

Dia ny hevitry ny hoe Trinité mihitsy no mbola tsy hain'ingahy. Ny Trinité Masina dia fiombonan'ny Ray - Zanaka - Fanahy Masina. Ny Ray tsy Zanaka, ny Zanaka tsy Fanahy Masina, ary ny Fanahy Masina tsy ny Ray. Tokana olona telo izy ireo. Iray ihany, fa tsy midika akory hoe ny Ray ihany no zanaka sy Fanahy Masina.
Toy ny fianakaviana iray: Misy Ray, Reny, Zanaka. Lazaina fa iray ireo, nefa i Dada tsy mama, ary i mama tsy zoky. Nefa ambara fa iray izy rehetra ireo.
Hanampy anao sy veloo hahazo ny dikan'ny hoe: IRAY (izany hoe: ny Ray sy Jesoa ary ny Fanahy Masina dia iray ihany) dia vakio ny Evanjely Masina araka ny nosoratan'i Md Joany 17.
ari.malala:
ny fanazavan'ika aloha no itako mamaly ny fanontaniako hatreto, fa tsy mbola azoko tsara hoe, samy Fanahy Masina ilay voaresaka, ilay iray manome alalana ny mpianatra hamela heloka na hitana izany, fa ilay iray kosa, hahavavolombelona azy ireo eran'ny tany tontolo, dia samy hafa ve izany ireo Fanahy Masina ireo?

Efa voalaza tery ambony tery fa ny Fanahy Masina dia iray ihany, saingy ny asany kosa dia maro be.
Misy 7 ny fanomezan'ny Fanahy Masina hoy ny katesizy, ataoko fa hain'i ari.malala tsara izany.
Ary misy fotoanany ny zavatra rehetra: toy ny Renim-pianakaviana ihany ny Fanahy Masina e. Izy no mahalala izay mety amin'ny zazany na dia manana zavatra maro azony omena azy àry. Ohatra raha mbola latsaky ny 1volana izy dia ny nonony ihany no omeny azy, na dia be sakafo aza ao an-trano. Rehefa avy eo asiny ranom-bary kely sns.... Dia arakarak'izay fanomezana omeny azy izay no diangana tiany ho vitany.

Izay fa misaotra!

12. ikaretsaka ( 07/05/2008 21:10)
I Jesoa dia Andriamanitra, noho izany ekeko ny hoe: Jesoa=Andriamanitra.
Fa tsy izy kosa ny hoe: Jesoa=Fanahy Masina satria samihafa i Jesoa sy ny Fanahy Masina. Izany hoe: Jesoa dia Tsy Fanahy Masina.

Ny Trinité Masina dia fiombonan'ny Ray - Zanaka - Fanahy Masina. Ny Ray tsy Zanaka, ny Zanaka tsy Fanahy Masina, ary ny Fanahy Masina tsy ny Ray. Tokana olona telo izy ireo. Iray ihany, fa tsy midika akory hoe ny Ray ihany no zanaka sy Fanahy Masina.


torak'izany koa ny ahy ny fahazoako azy
13. bor2lais ( 07/05/2008 21:48)
Ny fandraisako azy indray dia :
- famelomana (re-création) vaovao no dikan'ilay hoe : "raiso ny Fanahy Masina" toy ny t@ création ao @ genesisy
- fanomezana hery sy fahasahiana hanao ny asa misiona kosa ny t@ pentekosta
14. ari.malala ( 08/05/2008 07:02)
majesty:

ari : tsy mbola ny fanahy masina iny,satria izy ihany no nilaza hoe raha tsy hiala eto aminareo aho dia tsy ho avy ny mpananatra (parakleto),ilay hanambara ny marina rehetra.



nahoana no tys mbola Fanahy Masina iny nefa Izy Jesoa aza nteny hoe "raiso ny Fanahy MAsina"??? tsy manohitra ny tenany sy ny teniny ve i Jesoa raha izany?
15. prime ( 08/05/2008 11:04)
ari.> Fanahy Masina tokoa no nomen'i Kristy (Jaona 20:22) saingy ny antony no mahasamihafa azy amin'ilay nanomezana ny an'ny fiangonana (pentekosta)...

Rehefa hiakatra ho any an-danitra Kristy dia tamin'io fotoana nialoha ny hiakarany io no nanomezany feno ny apostoly 11 lahy sy ireo mpianatra vitsy2 ny fahefàna feno hanao sy hanohy ny asan'i Kristy ary nanomezany faminaniana sy famantarana maro hanaraka an'ireo mpianatra akaiky Azy ireo (Jaona 20:23) (Marka 16:17-20)... ka nanomezany mialoha ny Fanahy Masina azy ireo... ary koa nanambarany ny nahaIzy Azy ary nanomezany ny hafatrafatra faramparany... ary izay no antony maha-zavadehibe ny andro niakaran'i Kristy satria io andro io no nandraisana manokana ny Fanahy Masina ka nanomezany fahefàna feno ny mpianatra...

Ny andro pentekosta kosa dia fahatanterahan'ny faminanian'i Kristy fa rehefa lasa Izy dia hanome famantarana ary hanome hery ny fiangonana handray an-tanana ny asa misiona rehetra, ka ny rehetra, na hatramin'ny zaza ama-behivavy, na antitra na tanora dia nahazo anjara avokoa tamin'ny filatsahan'ny Fanahy Masina...
16. ikaretsaka ( 08/05/2008 13:06)
mba azo velabelarin'i prime bebe kokoa ve le hoe "fanatanterahana faminaniana"?

izany heo fombafomba ara protocole fotsiny io izany mba tsy hampiteniteny foana ny mpaminany fa ilay zavatra efa natao pasy baolina ambany latabatra taloha?
17. Ilo ( 08/05/2008 13:56)
izay no antony maha-zavadehibe ny andro niakaran'i Kristy satria io andro io no nandraisana manokana ny Fanahy Masina ka nanomezany fahefàna feno ny mpianatra...


Prime>> tsy azoko tsara ilay hoe nahazo fahefana feno ny mpianatra t@ andro niakaran'i Kristy. Raha tena izay tokoa naninona no t@ pentecote ry zareo vao nitory sy niteny t@ fiteny samihafa sns :?:
18. ari.malala ( 09/05/2008 07:44)
re fanina ny tenako ary tsy mahazo intsony ilay fandehan'ilay resa!!! lasa misy resaka faminaniana izany v ko... :roll:
19. prime ( 09/05/2008 11:08)
Sarotsarotra ny momba ity lohahevitra ity fa ezahina ambara izay tsotra indrindra araka izay azo atao anambaràna azy...

ika> ny faminaniana dia fanambaràna amin\'ny fomba ofisialy ny zavatra nitranga, ny zavatra mitranga ary ny ho avy... ka tsy indray mandeha Kristy no efa naminany fa tsy omena ny Fanahy Masina raha tsy efa tonga ny fotoana ialany eto an-tany mandrapahatongan\'ny andro farany... ireto misy andininy vitsy2 manambara izany amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Ary Izaho hangataka amin\'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]\" Jaona 14:16

\"fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin\'ny Ray amin\'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]\" Jaona 14:26

\"Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin\'ny Ray, dia ny Fanahin\'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin\'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16]\" Jaona 15:26

\"Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [* Izahao 14.16]\" Jaona 16:7

\"Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.\" Marka 2:22

\"Fa hahazo hery ianareo amin\'ny hilatsahan\'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran\'i Jodia sy Samaria ary hatramin\'ny faran\'ny tany.\" Asan\'ny Apostoly 1:8

... Faminaniana nataon\'i Kristy avokoa ireo ary tanteraka tamin\'ny andro pentekosta... nahalaza feno ny maha \"LOGOS\" azy ny Teny teo Kristy... Ka izay filatsahan\'ny Fanahy Masina tamin\'ny fiangonana voalohany tamin\'ny andro pentekosta izay no fanambaràna amin\'ny fomba ofisialy ny fanombohan\'ny asa misiona napetrak\'i Kristy tamin\'ny fiangonana...

Ilo, ari.malala> Nialoha ny niakarany tany an-danitra dia tsy maintsy nametrapetraka sy namaritra tsara ny asa miandry manokana ny Apostoly sy ny mpianatra vitsy2 akaiky Azy Kristy... teto dia faminaniana manokana ho azy ireo no nomen\'i Kristy eo amin\'ny asa lehibe miandry azy ireo (asa diakonika, asa misiona, asam-pitandremana ny ondry, asa fitoriana filazantsara...), (io ilay mana-RHEMA ny Teny) ka nanomezany manokana ny hery sy ny fahefàna feno hanatanteraka izany tamin\'ny nanomezany azy ireo mialoha ny Fanahy Masina...

Ny fanombohan\'ny asa dia nanomboka tokoa ny andro pentekosta fa ny fahefàna kosa hanohy ny asan\'i Kristy ho an\'ny Apostoly dia nomena azy ireo mialoha...

Ka tsy mitovy, na ny fototra (ny iray LOGOS, ny iray RHEMA), na ny antony (ny iray fanomezam-pahefàna hanatanteraka ny asa, ny iray fanambaràna amin\'ny fomba ofisialy ny fanombohan\'ny asa), na ny fotoana (ny iray Kristy mbola teto an-tany, ny iray Kristy efa any amin\'ny voninahiny), na ny tranga (ny iray \"cercle fermé\" ny Apostoly ihany, ny iray ny fiangonana manontolo)...

Rehefa tokanana ny Pretra na ny Mpitandrina iray ohatra dia misy asa fanokanana manokana hametrahan-tanana azy mihitsy handray ny hery rehetra sy ny fahefàna hanatanteraka ny asa fanompoana manokana miandry azy amin\'ny fandraisany ny Fanahy Masina... fa izany tsy midika akory fa efa manomboka ny asa izy raha tsy efa voafaritra mazava tsara ny seha-panompoana iasany (fitandremam-piangonana, fitantanana rafitra, fandrindrana ankapobeny, asa famokarana...sns)...

Misy ambaratongany na ny asan\'ny Fanahy Masina aza... tsy hoe efa nandray ny Fanahy Masina tamin\'ny batisa ohatra dia tsy mandray intsony izany amin\'ny fanokanana Mpandray (na Komonio), na tsy mandray intsony izany amin\'ny fanokanana Diakona, na tsy mandray intsony izany amin\'ny fanokanana Mpiandry, na tsy mandray intsony izany amin\'ny fanokanana Mpitandrina... fa misy ambaratongany...

Teto amin\'ity lohahevitra ity dia na tsy izay loatra aza ny ambaratonga tiana ambara dia efa maneho izany ihany satria raha nomena ny Fanahy Masina ny Apostoly dia tsy midika hoe iny no pentekosta dia nisy pentekosta fanindroany fa tranga sy asan\'Andriamanitra samy nanana ny antony sy ny nahaizy azy avy...

Valiny : Andriamanitra avokoa no nanome ny Fanahy Masina tamin\'ireo tranga roa ireo ary ny pentekosta kristiana dia iray ihany dia ny nilatsahan\'ny Fanahy Masina voalohany tamin\'ny fiangonana kristiana voalohany tao Jerosalema...

(miala tsiny fa lava nefa tsy maintsy ambara izay tokony ambara mba tsy hampisavorovoro ny hevitra raha tapatapany ihany no lazaina)
20. ikaretsaka ( 09/05/2008 13:22)
ka sous forme ve izany sisa ho'a ny pantekoty amin'i prime?
ary izy io nga paiso amoron-kady ka midina (miala tsiny fa tsy mendrika loatra ilay hoe "nilatsala...karaha varatra izy ity na naimborona koa)

rehefa feno ny fanahy masina indray sy nidinany dia feno mandrakizay amiko fa tsy hoe midina de midina de midina de midina... (latsantsy atao plein)


amiko ilay izy dia ilay efa nolazaiko ary ambony ary hoe Ok zalahy.. vita ny fiofananareo... amin'ny pantekoty ianareo no tokanana sy hamasinina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.095