Soso-kevitra ho an'ny mpikarakara

1. istraky ( 05/05/2008 12:39)
Manahoana daholo,

Ity mba misy soso-kevitra kely ho an'ny mpikarakara.
Tsy mba mety ve raha atao miova isan-kerinandro na isam-bolana ilay hoe "Hira sy Tononkira" be mpitsidika. Satria tsy miova intsony ilay izy fa efa ambony be ny isan'ireo nijery azy ka lasa "Cercle vertueux". Izay mpihira sy hira tazan'ny olona eo ihany no jereny voalohany na mpihira hafa aza no tiany tadiavina ka mitombo hatrany ny mpijery azy ireo.

Ny mety dia atao hoe Mpihira sy Hira be mpitady tao anatin'ny Herinandro na tao anatin'ny volana iray amin'izay mba miovaova kokoa arakarakan'ny "tendance" ireo hira miseho eo amin'ny pejy fandraisana.

Misaotra tompoko.
novalian'i hery ny 05/05/2008 14:12
2. hery ( 05/05/2008 14:12)
Azoko ilay olana kah :-)

Hojerena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0499