Inona kay no tokony atao?...

1. rakaroka ( 02/05/2008 02:08)
Misy zaobaviko izay nanafatra ny reniny aty Frantsa: tsy vitany ny "prise en chargen'io reniny io, dia terena ireo anadahiny handray ilay reniny par "tour",ary isan'izany ny vadiko! Ny manahirana ahy dia "touristique" ny visa nivoahan'ilay ramatoa ary efa lany andro ny validation ny visa-ny,rahateo izy tsy salama .donc misy "risque" miandry.
Ny MANDRERAKA BBbe ahy dia tsy mba misy resadresaka amiko akory izay "organisation" fa ilay zaobavy no mandidy sy manapaka ny rehetra:
"tahaka ny hoe na tian'ny vadinao na tsia dia alefako any i mama, ary miresaka tsara amin'io reniny io ahy mampafantatra ny "situation-ny réelle, ary na izy aza tsy faly fa te hody!
Tsy tiako ny hoe olona ampiantranoina ato amiko dia tsy fantatro akory
na ny andro hatongavany na ny andro ialany , sahala amin'ny hoe "rano dikain'ny zinga aho sanatrian'izany"".dia ilay reniny koa milaza tsy mahafantatra n'inona n'inona, 'zaho moa manao mise au point amin'ny vadiko: "ady" noho ny sentiment-ny an-dreniny no vokany;lazainy fa "initiativ-ny indray ny mampiantrano an-dreniny anefa mazava izao fa na izaho na izy tsy manana fotoana iatrehana izany mihitsy izao noho ny "engagment" isan-karazany, d'autant plus izahay misy zaza roa fa ireo hafa mbola celibat daholo.
Sahirana BBBbe ny saiko...mila torohvitra aminareo namana!
Misaotra mialoha !
novalian'i fijo ny 09/05/2008 20:30
2. xxx ( 02/05/2008 02:37)
Raha manaiky i vadinao, ka efa raisiny ho initiative avy aminy aza ny handraisana an'ilay ramatoa ao aminareo, dia tsy tokony hanisy olana ianao. Ary i vadinao aza izany sarotiny mihitsy amin'ny fitiavany ny reniny. Fa tsy afaka ataonao ho ilay zaobavinao irery no tompon'andraikitra amin'izany, vu ny avis an'i vadinao sy ny fahazotoany handray ny reniny tonga avy any amin'ny firy arivo kilometatra. Ary mety mba fanirian'ilay razoky mihitsy aza ny hoe mba miara-miaina kely amin'ny renibeny ny ankizy.

Kanefa mila mazava amin'ny rehetra kosa ny fandaminam-potoana. Dia mila ifampidinihanareo mivady izay fandaminana ataonareo.

Tadidio fa manana zo handray ny reniny ao an-tranony koa i vadinao. Raha izy koa no tsy manaiky an'ilay izy fa hoe noho ilay zaobavy irery, dia marina ny anao. Fa manaiky izy anefa dia tsy afaka hoterenao handà.

Mety azoko ihany ny fahasorenanao satria matetika hono ny vinantovavy tsy tia rafozam-bavy, betsaka koa ny mpizaobavy no tsy mifankahazo. Kanefa mba tokony hanao ezaka ihany ianao na izany aza mandray an'io ramatoa io.

Franchement, zaranareo tena zaranareo aza mba afaka tonga ao an-tranonareo ny raiamandreny. Betsaka ny olona no mitsiriritra an'izany. Aiza izany fahasambaranay taloha rehefa mba tonga i dadabenay, kanefa izay kilometatra vitsivitsy fotsiny no elanelana amin'izany. :)
3. ni81 ( 02/05/2008 05:28)
Io ilay mbola mahavoa antsika gasy, tsy mba mifampidinika tsara fa entin'ny hafanam-po fotsiny hoe reniko ity dia nafarana. Tsy jerena izay mety ho olana rehefa tapitra ny visa sns. Ilay zaobavy no nanapa-kevitra, anefa rehefa nisy ny fahasahiranana isan-karazany dia atao pasy baolina ramatoa reniny...
Rakaroka zao raha miteny, dia ohatry ny hoe tsy mahazaka ilay rafozana, tsy hiteny anefa, dia tsy maintsy hizaka izay vokany rehetra hiseho atsy ho atsy. mandroso maty renibe, hihemotra maty raibe, ka tena manahirana tokoa.
Tadidio fa manana zo handray ny reniny ao an-tranony koa i vadinao. Raha izy koa no tsy manaiky an'ilay izy fa hoe noho ilay zaobavy irery, dia marina ny anao. Fa manaiky izy anefa dia tsy afaka hoterenao handà.
Mety azoko ihany ny fahasorenanao satria matetika hono ny vinantovavy tsy tia rafozam-bavy, betsaka koa ny mpizaobavy no tsy mifankahazo. Kanefa mba tokony hanao ezaka ihany ianao na izany aza mandray an'io ramatoa io.
Franchement, zaranareo tena zaranareo aza mba afaka tonga ao an-tranonareo ny raiamandreny. Betsaka ny olona no mitsiriritra an'izany. Aiza izany fahasambaranay taloha rehefa mba tonga i dadabenay, kanefa izay kilometatra vitsivitsy fotsiny no elanelana amin'izany.
Na manana zo aza ny vadinao, dia tokony ho nojerena ihany ny marimaritra iraisana e! Tsy azo entina @ sentiment fotsiny ny fiainana.
4. tess ( 02/05/2008 05:41)
sarotra be ny situation aloha e! satria ny vadinao miray hevitra amin'ilay anabaviny nanafatra ny mamanjareo anefa ianao contre...mi comprendre anao aho aloha....normale raha misy ny disadisa! amini'zay indray ilay rafozana tsy manana papier izany risque be!..
maninona raha mangataka fivoriam-pianakaviana keky? mijoroa am hevitrao masahia miteny sy miresaka.....courage rakaroka :-*
5. tess ( 02/05/2008 05:47)
tsy haiko aloha rakaroka na mitovy ny any aminareo sy ny aty aminay fa raha manana nationalité ny zananay dia afaka mipetraka aty ilay reniny indrindra fa mitsabo tena izy! renseigneo ihany fa mila manao tts bedebe alou!
6. rakaroka ( 02/05/2008 07:04)
Misaotra anareo namaly ity aloha satria ny marina dia "fanina" mihitsy aho amin'ny "situation"-ko.Fiteny ny hoe rafozana sy zobavy hoy 'nareo fa ny mamako niteraka ahy nazrary aza mbola nifampidinika 'zahay mianan-kavy fa tsy antsonjay tahaka izao ary fantarina koa ny limite
MARINA loatra ny voalazan'i Ni81 fa tsy vitan'ny "sentiminet" ny fiainana"
surtout fa hihevitra ahy sy ny ankizy : tsy misy "sentiment de la partn-drizareo. Ary fa nanao izay vitako tamin'ireto fiankaviana aho fa toy ny menaka nohosobato:"Fanaratsiana" fotsiny aza no setriny!
Efa des mois koa anie izy no nampiantranoiko taty. Ary amin'ny "manque"d'organisation-drizaro aza, misy fotoana tsy misakafo ilay ramatoa satria tsy voahevitra ny fiatrehan'izany.
'zaho tsy afaka hi-sacrifié ny fivelomana satria tsy mahavita ahy sy ny zanako ny vadiko ara-pivelomana.
De deux misy rahavavin'ilay nanafatra io efa indroa saika ho aty koa dia réfusé
ny visa satria listra rouge ilay reny.
7. rurik ( 02/05/2008 09:00)
xxx:

Raha manaiky i vadinao, ka efa raisiny ho initiative avy aminy aza ny handraisana an'ilay ramatoa ao aminareo, dia tsy tokony hanisy olana ianao. Ary i vadinao aza izany sarotiny mihitsy amin'ny fitiavany ny reniny. Fa tsy afaka ataonao ho ilay zaobavinao irery no tompon'andraikitra amin'izany, vu ny avis an'i vadinao sy ny fahazotoany handray ny reniny tonga avy any amin'ny firy arivo kilometatra. Ary mety mba fanirian'ilay razoky mihitsy aza ny hoe mba miara-miaina kely amin'ny renibeny ny ankizy.

Kanefa mila mazava amin'ny rehetra kosa ny fandaminam-potoana. Dia mila ifampidinihanareo mivady izay fandaminana ataonareo.

Tadidio fa manana zo handray ny reniny ao an-tranony koa i vadinao. Raha izy koa no tsy manaiky an'ilay izy fa hoe noho ilay zaobavy irery, dia marina ny anao. Fa manaiky izy anefa dia tsy afaka hoterenao handà.

Mety azoko ihany ny fahasorenanao satria matetika hono ny vinantovavy tsy tia rafozam-bavy, betsaka koa ny mpizaobavy no tsy mifankahazo. Kanefa mba tokony hanao ezaka ihany ianao na izany aza mandray an'io ramatoa io.

Franchement, zaranareo tena zaranareo aza mba afaka tonga ao an-tranonareo ny raiamandreny. Betsaka ny olona no mitsiriritra an'izany. Aiza izany fahasambaranay taloha rehefa mba tonga i dadabenay, kanefa izay kilometatra vitsivitsy fotsiny no elanelana amin'izany. :)

Azafady aloha , itanao raha mamaky le avitry ilay nametraka ity fanotaniana ty aho tsy tadidiko le anarany, de tsy mikasika mihintsy le izy we tsy fitiavany ilay rafozany , fa ny olana de ilay tsy misy mba fanotaniana ny eviny we mikasa ny hanafatra ny mamako aho ahoana ny evitrao fa tonga de notapahin'izy mianadahy avy izany , amiko tsy mety , olona ho tonga ao atranonay le olona fa tsy we andalo nefa na de izany aza amiko ny fandraisana ny fanapahakelitra miaraka izay no maha pivady ny pivady.
tsy we tsy tiany hahita ny zafikeliny akory ny rafozany fa mety mba efa mba nanana ny programany kosa izy , tokony anoyaniana ny eviny , mba ahafahany manamboatra izany amiko le lehilahy , efa zatra ny manapakevitra irery nefa zavadehibe izany olona avy lavitra arakin'ny teninao izany no ho tonga.
ny toro evitro
asa na efa tonga io olona io , raha efa tonga mo de ataovy izay hahatsara ny fifandraisana mandrapahandianany asaivo miprofite ny ankizy , na de sarotra aza izany ,
de ny faharoa de miresaha amin'ny vadinao mba hisian'ny izany faharoa.
satria vadiny ianao fa tsy zanany , tokony miaraka manapakevitra refa misy zavatra hatao.

8. rurik ( 02/05/2008 09:10)
azafady ai zany efa eto le olona sady lany visa , ny mety koa amiko de io we manaova fivoriana fianakaviana , de mangala rensenement fa sarotra izany .
9. xxx ( 02/05/2008 09:16)
Izaho dia miombon-kevitra @ rurik sy ni,tokony nifampidinihina aloha fa tsy tonga dia iretsy zaobavy(tompon-dreny) no hanapakevitra,mateti-pitranga ny toejavatra toy izao,ohatry ny atao an-kilabao foana ilay zaobavy vadin'anadahy matetika dia rehefa avy mikonokonona any ry zareo mianadahy avy vao mampandre sy milaza hoe izao no atao na izao no atao,izaho koa dia anisan'ny efa nitrangan-javatra toy izany.
rakaroka a,lazao ny vadinao ny hevitrao dia aleo hifampidinihina tsara fa aiza kosa dia tsy mba hamosaka izay mba hevitrao ve ianao dia ho hita eo ny tokony hifandaminanareo amin'izay.
10. ni81 ( 02/05/2008 09:58)

Azafady aloha , itanao raha mamaky le avitry ilay nametraka ity fanotaniana ty aho tsy tadidiko le anarany, de tsy mikasika mihintsy le izy we tsy fitiavany ilay rafozany , fa ny olana de ilay tsy misy mba fanotaniana ny eviny we mikasa ny hanafatra ny mamako aho ahoana ny evitrao fa tonga de notapahin'izy mianadahy avy izany , amiko tsy mety , olona ho tonga ao atranonay le olona fa tsy we andalo nefa na de izany aza amiko ny fandraisana ny fanapahakelitra miaraka izay no maha pivady ny pivady.
tsy we tsy tiany hahita ny zafikeliny akory ny rafozany fa mety mba efa mba nanana ny programany kosa izy , tokony anoyaniana ny eviny , mba ahafahany manamboatra izany amiko le lehilahy , efa zatra ny manapakevitra irery nefa zavadehibe izany olona avy lavitra arakin'ny teninao izany no ho tonga.
ny toro evitro
asa na efa tonga io olona io , raha efa tonga mo de ataovy izay hahatsara ny fifandraisana mandrapahandianany asaivo miprofite ny ankizy , na de sarotra aza izany ,
de ny faharoa de miresaha amin'ny vadinao mba hisian'ny izany faharoa.
satria vadiny ianao fa tsy zanany , tokony miaraka manapakevitra refa misy zavatra hatao.
Mitovy hevitra @ rurik mihitsy koa aho. Maro ny lehilahy gasy mbola manao ilay hoe "izaho no loham-pianakaviana" ka dia tsy maintsy manaraka ny teniko ny vadiko aman-janako. :roll:. Hita eto izao fa dia kofehy manara-panjaitra fotsiny i rakaroka.
11. ds ( 02/05/2008 10:20)
Raha tsy mbola tonga eto Frantsa izy, dia mora ny miteny hoe aza alefa aty izy fa sao manahirana. Efa eto kosa izy, ka tsy maintsy mandray andraikitra e. Soa aza fa misy ifampizarana ny fikarakarana azy. Eo amin'ny lafiny lalàna, dia tsy misy atahorana ny mampiantrano azy na tsy manana taratasy ara-dalàna aza izy. Tsy azo henjehina ny olona manampy ny raiamandreniny, zanany na mpiray tampo aminy izay tsy manana taratasy. Koa mahereza fa ny soa atao levenam-bola na dia sarotra aza ny manao an'izany.
12. fahamarinana ( 02/05/2008 11:19)
:arrow: ds :ilay hoe tsy misy azo hanenjehana aloha tsy dia sur loatra aho fa ilay nanao certificat d'hebergement no tena embeté satria handalovan'ny polisy lava eo,sy ny ttasy avy amin'ny préfecture.Mino aho fa tsy rakaroka no nanao an'io fa ilay zaobavy dia mba afaka aloha.Ny olana aterany dia ilay fianakan's aty aoriana,eny na ilay tratra nampiantrano aza mety hisy olana am fanafarana aty aoriana ihany koa.Nisy cas hitako no antony hilazako izany na tsy izy aza ny responsable.
Mampalahelo tokoa ny cas ry rakaroka,tsy misy afatsy ny manao fivoriana kely mihintsy e,amin'izay dia mijoro manazava ,eny na mety ahatafitohina ny sasany fa raha tena hainao ny manazava azy tsara dia na ny vadinao aza dia mety hiray hevitra.Ny tena olana goavana manko dia ilay resaka fahasalamana satria tsy misy sécu sns dia ahoana ny vola,mba zaraina ve sa dia ilay mpampiantrano no masaka ao? rahatoa zaraina dia mba ca va,rehefa tsy araky ny rehetra dia miova ho azy ny hevitra hoe aleo ampodiana,sns... (l)
13. rakaroka ( 02/05/2008 11:55)
Mbola mamerina fisaorana ny tsi1/1 namaly.
Raha mikasika ny "harmonie" ato an-trano ny fiainanay miankavy miaraka amlin'ilay rafozana aloha dia "impeccable" comme si tsy misy akory ny olana.
Fiheverako aza izaho irery angamba no mizaka izany tsy zakako ary volaniko aminareo, satria tsapako "impasse" na ho an'ny vadiko na ho an'ny havany ilay resaka vao atao mise au point satria zareo zatra mihevitra ny vinanto manara-panjaitra. Ny "FITIAVANA "tsy "forcing "tahaka izany satria hivadika "haine" ny tsy fifanajana.. Izaho hanao mise au point fiviriana fianankaviana, avec leur merde avy, ilay "zaobavy any "Toulouse" ny "communication" cela passe "entrez-eux" 8O :roll: :?:.
Ny tsy azonareo anie "charge izy velona aza manahirana an-drizareo ny mi-assume azy dia raha sanatria maninn maninn eo, tsy izao izao aloha no hanao androrosy eto amin'ny sera amin'ny fampodiana fa dia izay mamndray ny "initiative, no tokony hizaka ny vokany koa. Rahateo ilay ramatoa aza raha ny marina tsy tamana akory. Ny vadiko nadray azy izany koa angaha nahimpony loatra koa, satria napetrany tsara fa misy zavatra tsy maintsy attrehiny koa fa dia ilay zôbavy moa izany no manifikifika ity reny zary toa fako noho ny tsy fahavitany. Ary averiko fa tsy afaka ny hanao "sentiment" aho tant que ny fiainana aty koa tsy mi-rigole amiko indrindra misy zaza.
14. rakaroka ( 02/05/2008 12:16)
Ilay ramatoa reniny anie sy mifanditra akory izahay. Mahatsapa aza izy fa efa nanao be taminy aho, sady menatra rahateo izy. ary ny marina koa tsy afaka hanao plus intsony aho, satria misy ny fiainana atrehina, ny asa , ny zaza, tsy misy mpiasa sns...Donk ireo mamporisika hoe ataovy izay mety, efa ny trop aza no natao, hatramin'ny nandefasako vola miafina foana ity reny hatramin'izay, ary ny fitafiana , kiraro sns . Izany no nataoko dia fiantrako azy noho ny tsindrihazolena nanjo azy koa tamin'ny vadiny. fa "Efa" ny anjarako" ka tahaka ny "reniko" maty efa nilaza ahy hatry ny ela hoe tena nanao izay azoko natao aho no nilazany tamiko koa.
Mandreraka ahy fotsiny ny situation tahaka izaéo: "tahaka ny monamonaina izany aho! Tsy tiako intsony na dia ny hiresaka amin'ny vadiko aza satria point
efa nataoko no averindrizareo foana ary atao tsy am-piheverana. Ary tamin'ny mise au popint nataoko teo aloha aza nifandrombonan-drizareo notoaherana ahi anefa izy ato amiko à la "charge"-ko fa tsy an-drizareo akory.
Mahatsapa tanteraka aho hoe manana "raison" ny vazaha amin'ny fampodiana sns rehefa tany 'ty tsy mahaatrika ny fiainany fa mi-causé merde fotsiny kosa ny ahatongavana aty.Tsy noho ilay reny fa ilay "initiative tsy voahevitra tsara"
15. ds ( 02/05/2008 12:17)
fahamarinana:

:arrow: ds :ilay hoe tsy misy azo hanenjehana aloha tsy dia sur loatra aho

Izaho indray tena sur kah :-)
Voararan'ny lalàna ary mampigadra (5 taona) sy andoavana lamandy ny fanampiana olona tsy manana taratasy (aide à l'entrée, au séjour et à la circulation d'un étranger en situation irrégulière). Tsy afaka ampiharina io raha olona akaiky anao (vady, mpiray tampo, raiamanandreny) no nampiana.

16. rakaroka ( 02/05/2008 12:37)
Eny e fa ny rahalahiny iray aloha vao nampodian'ny fanjakana teto satria tsy nanana paps!
17. fahamarinana ( 02/05/2008 13:24)
:arrow: o ry ds ,koa tsy danz be raha tsy azo enjehana ?, dia hitako maro ny manafatra ny rar-ny sy ny iray tampo,sns fa choix moa iny ka tsy dia idirana lalina loatra,samy sahirana daholo na any dago na aty fa aty moa metimety kokoa sy azo hinana kely raha mahay mi-debre,tsy azo lavina koa iny raha misy spons koa anefa an sy matanjaka...
rakaroka :mahereza fa toa mazana tokoa ilay cas misy anao,sarotra ny hanoro hoe zao atao fa marina tokoa fa misy tafahoatra ilay toetran'olona. Ny mandreraka ilay maka initiative manafatra dia avy eo atsipitsipy ilay olona dia arak'izay voalazano zay hoe lasa olana ho an'ny olon-kafa ndray e.(l)
18. ikalamako ( 02/05/2008 13:33)
rakaroka a, mahereza na izany aza. Azoko tsara ny état d'âme-nao fa na inona lazain'ny olona na inona rafitry ny fiaraha-monina : "ny havan-tiana tsy iaraha-monina".
Efa nolalovako ny toeranao fa izaho indray no nanafatra reny, fa na ny reniko te-hody nony efa niha-salama na izahay mivady nifampidinika satria mazava fa tsy azo atao tery vay manta ny iray tam-po hiantsoroka ny adidy nokasainao horaisina, dia naleoko niferin'aina nampody azy (sady ny olona nahazo taona hoy aho tsy vonona intsony hiatrika fiovana goavana amin'ny fiainana, na mahasoa azy aza aty findà fa misy ny commodités rehetra, hafa ihany izany any an-tanindrazana ho andrizareo).
Saingy efa ankoditra moa izy ity, mankahery an'i toi aloha aho.
Fa isan'ilay milaza aho fa fomba ratsin'ny sasany mihitsy io maka initiative io dia avy atao anatin'ny kaontin'ny hoe reny iombonana ilay izy, na iray tam-po iombonana dia lazaina fa tokony hiara-manao foana. izaho aloha rebelle foana amin'izay e, io ilay tena tsy tantiko mihitsy, satria tsy miera amiko ve manao dia misy pepin dia antsika jiaby olana ity ! NON.
Tokony efa hofaranana ilay izy, raha efa niantomboka elaela, fa manjary manimba fihavanana. Kanefa ny fahaizanareo mivady mandamina ny resakareo roa kely no tena zava-dehibe. Raha tiana hono ny vady ny rafozana tsinjovi-mandeha...
Bon courage akia rakaroka a, ary maniry aho mba hahay handanja ny vady sy reny ny vadin'i toi. Matoky ny fahendren'i toi akia aho a. Keep cool !
Je vous aime, vous 4 !!! :-*
19. rakaroka ( 02/05/2008 16:42)
ikalamako:

Misaotra akia Ikalamako! Ouf mb^ mi-souffle aho misy anareo namana!
mbo misy itantarana ny tsy volaniko na amim-bady na amin-kavana (leo havana aho raha ny marina tsy te hierika kely akory!) d'ailleurs ny zavatra ataoko sisa atrehiko amin'ny manaraka!
20. ds ( 02/05/2008 19:28)
fahamarinana:

:arrow: o ry ds ,koa tsy danz be raha tsy azo enjehana ?, dia hitako maro ny manafatra ny rar-ny sy ny iray tampo,sns

Ilay olona tsy ara-dalàna azo enjehina fa ianao havany akaiky manampy azy tsy fidiny (satria havana farany akaiky) no afaka moramora. Zavatra hafa indray raha mandika lalàna hafa ianao amin'ny fanampiana azy (oh faux paps... sns).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.365