fanontaniana

1. xxx ( 28/04/2008 00:01)
Ahoana kay zany hoe mitia an'Atra zany?
novalian'i fijo ny 02/05/2008 21:39
2. dziana ( 28/04/2008 10:51)
Eritrereto hoe misy olona tinao be any.Tsy izay zavatra tiany ve dia ezahanao tanterahana daholo ;ary raha misy zavatra tsy tiany na fantatrao fa mampalahelo na mahatezitra azy dia tandremanao mafy ny tsy hitrangany aminy. Dia toy izany koa no voaloham-pitiavana an'Atra.





3. Fody ( 28/04/2008 17:01)



Aseho amin'ny atao!
4. prime ( 29/04/2008 11:52)
Manaiky ilay fitiavany aloha dia vao izay mandalina izany ary mamantatra Azy Andriamanitra hoe iza marina Izy... mandainga izay milaza ho tia an'Andriamanitra nefa tsy mahafantatra Azy... rehefa mahafantatra Azy dia mihaino sy mino ary manaiky Azy amin'ny atao, amin'ny saina sy ny fo, amin'ny lela, ary amin'ny hery rehetra... nefa Izy ihany koa no nampianatra, fa raha tsy tia ny rahalahiny, hitany maso sy miara-miaina amin'ny ny olona iray, ataony ahoana no fitia an'Andriamnitra izay tsy hitany?
5. ikaretsaka ( 29/04/2008 14:15)
ny atao no ahitana azy
6. niryna ( 29/04/2008 14:55)
dziana:

Eritrereto hoe misy olona tinao be any.Tsy izay zavatra tiany ve dia ezahanao tanterahana daholo ;ary raha misy zavatra tsy tiany na fantatrao fa mampalahelo na mahatezitra azy dia tandremanao mafy ny tsy hitrangany aminy. Dia toy izany koa no voaloham-pitiavana an'Atra.









^:^ =D>
7. niryna ( 29/04/2008 15:00)
prime:

Manaiky ilay fitiavany aloha dia vao izay mandalina izany ary mamantatra Azy Andriamanitra hoe iza marina Izy... mandainga izay milaza ho tia an'Andriamanitra nefa tsy mahafantatra Azy... rehefa mahafantatra Azy dia mihaino sy mino ary manaiky Azy amin'ny atao, amin'ny saina sy ny fo, amin'ny lela, ary amin'ny hery rehetra... nefa Izy ihany koa no nampianatra, fa raha tsy tia ny rahalahiny, hitany maso sy miara-miaina amin'ny ny olona iray, ataony ahoana no fitia an'Andriamnitra izay tsy hitany?
=D> =D>
miampy ny fitiavana Azy ihany koa dia ny manao Azy ho Atra Irery ,hivavahana,hiankohona,tsy misy na inona na inona akambana Aminy fa Atra saro-piaro izy koa tiany ho voavonjy avy isika rehetra rehefa nametraka ny fiainantsika ho eo am-pelantanany irery sy mino fa any aminy irery ihany no misy ny famonjena
8. ikaretsaka ( 29/04/2008 15:04)
sia aza atao wawawa aza fa ataovy amin'ny asa... iza no solotenan'Atra eo amin'ny manodidina anao! dia ataovy aminy
9. niryna ( 29/04/2008 15:23)
ikaretsaka:

sia aza atao wawawa aza fa ataovy amin'ny asa... iza no solotenan'Atra eo amin'ny manodidina anao! dia ataovy aminy
mampalahelo hoy aho hianao ity a,ndry raha mba fantatrao mantsy izany dia tsy ..................................
Atra o omeo hery ikaretsaka mba angetaheta ny teninao sy hihaino ary hino ny teninao eny fa na dia ny fifohazana isa-maraina ihany aza dia efa isaoranay sy hideranay ny anaranao.Amena

Andramo ka zahao fa tsara Jehovah Salamo 34:8
Izay mangetaheta ny teniny dia omeny ny fanahiny .Ataovy foana ny fanandramana,midira ao amin'ny trano mangina ary antsoy mivatana izy ,mino tokoa fa misy izany Atra izany ,minoa tokoa fa nomeny antsika ny Zanany,sokafy ny fonao hidiran'i kristy amin'izay ary ny vavanao no miantso azy ,tsy mila na inona na inona fa akaikin'izay olona manana fo mangorangoraka izy .
Izay mahatohatra Azy dia tsy hananjava-mahory Salamo 34:9
10. ikaretsaka ( 29/04/2008 15:31)
ka aza wawawa hoa fa tadiavo sy tiavo izay endrik'A/tra ao amin'ny manodidina anao..
aiza @ izany no tsy mbola azonao?
sao ianao aloha no tokony hivavaka ho anao hijerenao ny andry eo @ masonao?
io nge le ilazana anao foana hoe mandiniha tena aloha e! tsy izaho irery no niteny anao izany!
11. fijo ( 29/04/2008 22:46)
manofy ianao de izay ,vita aleloia
12. LazaDaddy ( 30/04/2008 03:32)
xxx:
Ahoana kay zany hoe mitia an'Atra zany?
Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." Jaona 14:15
13. ikaretsaka ( 30/04/2008 03:58)
LazaDaddy:

Ahoana kay zany hoe mitia an'Atra zany?
Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." Jaona 14:15

pli vava
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4809301027af2


14. LazaDaddy ( 30/04/2008 04:38)
hafa kely indray izany Jesosy lazain'ikaretsaka fa manao pli vava izany raha nanazava tamin'ny mpianany Izy hoe ahoana ny "mitia Azy"?
15. Ilo ( 30/04/2008 12:51)
Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." Jaona 14:15

pli vava

Nahoana moa no pli vava? Ahoana moa no ahafahana mitandrina ny didin'A/tra raha tsy hay akory hoe inona ilay didiny dia ao @ Teniny izany?
Apokalypsy 1:3 : "Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro."
16. Veloo ( 30/04/2008 12:57)
Aleo angaha atao teny anglisy dia amin'izay tsy pli vava ho an'i Ika intsony o? hihiih
"if you love me keep my commandements"

Llo, LD, Nyrina, prime (l)
17. xxx ( 30/04/2008 13:02)
za le mpametraka an'le fanontaniana e
tsy zany fa hira henoko izy io manao hoe :"omeo fo madio aho tompo hahaizako mitia anao"
18. ikaretsaka ( 30/04/2008 15:01)
LazaDaddy:

hafa kely indray izany Jesosy lazain'ikaretsaka fa manao pli vava izany raha nanazava tamin'ny mpianany Izy hoe ahoana ny "mitia Azy"?


raha nanazava t@ mpianany i jesoa.. tsy nitanisa pli vava andalantsoratra masina avy t@ torah t@ mpianany no nataony...
azonao?
19. LazaDaddy ( 30/04/2008 19:22)
ikaretsaka> ka gaga ihany aho mantsy fa hoy ise hoe "pli vava" kanefa io mihitsy ny mahavaly ny fanontanian'i xxx...sahala ny hoe valim-panontaniana pli vava sanatria

xxx> mitombina tokoa io fanamarihana io satria tsy misy afaka mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalan'i Jesosy, kanefa koa tsy misy afaka manatona an'i Jesosy raha tsy ny Ray no miantsy azy. Na ilay fitiavana ao am-pontsika aza dia avy amin'Andriamanitra, saingy ezahin'ilay fahavalo ongotana tao mba tsy itiavantsika an'Andriamanitra :-*
20. ikaretsaka ( 30/04/2008 20:18)
fa ny tiako lazaina anie dia ity e
ny pli vava koa anie nahavalian'ny devoly ny fanontaniaa e:wink: :wink: aza adino io!

dia ity koa ny tiako nahatongavana
le hoe tsy fomba kristianina iznay na namaly fanontaniana aza!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.346