avortement:aidé moi

21. xxx ( 16/05/2008 07:43)
izaho tsy mamporisika ny fanalan-jaza fa tsy tia nyr resaka bontolo koa .

Marina dia marina ny lazain'ikaretsaka, ohatran'ny fahitako ny maro eto dia manameloka azy mikasa ny hanala zaza fa tsy misy manome solution akory . Milaza daholo nareo hoe tsy mety izany ...etc fa tsy misy miteny hoe izao ary atao
22. papounette ( 18/06/2008 07:48)
Raha ny eritreritro manokana de aleo ateraka ny zaza, marina e, betsaka anie zay olona nanao avortement zay de rehefa tonga ny fotoana itadiavana de tsy mahazo intsony de lasa mitsapopa erany vazantany e.
Maninn moa raha maka renseignements hoe sao dia misy couple tsy miteraka ka vonona hanangana ny zaza, de tonga de alaindreo dieny izy vao latsaka iny.
Efa nahita mantsy aho e, ankizivavy 16 taona bevohoka de misy mipvady tsy miteraka de zareo no nikarakara andrzazavavy mandritra ny vohoka(akanjo, sakafo, fitsaboana, ny hôpital hiterahana... de rehefa vao teraka ny zaza tonga de natsangandreo avy eo zareo nanampy andrazazavavy hanohy ny fianarany.
Ny taimbavan'ny firahamonina io tsy maintsy misy e,misy koa ny RAR tena tsy mahatanty an'io situation io ka misy ny mandroaka mihitsy kanefa misy zavtr anakiray rehefa tonga zàzà tsy misy fahasambarana mihoatra an'zany eto ambony tany,mijery an'le papoosekely....mahafatifaty
23. belakely ( 19/06/2008 03:36)
heeeee zay ndray vao tonga ato
efa niainako izany cas izany
ny conseil-ko dia hoe aza mbola miteraka izany rahat sy efa vonona.
Ny olona tsy mahalala ny probleme-nao fa ianao ihany no tsy maintsy miatrika azy. Tsy kilalaon-jaza ny mitaiza, tena mila faharetana be mihitsy.
Sady mampalahelo no mijaly ny zaza ateraka tsy anatrehan'ny rainy izany.
Marina fa misy ilay vehivavy moderna hoe hiteraka aho na tsisy vady aza, mokon-doha fotsiny izany fa any amin'ilay zaza no misy fiantraikany ratsy: lasa maditra be ilay zaza na lasa misy retard mental.....
Ny ahy inefatra no nalako, mbola nianatra teny Ankatso aho t@zany efa niasa dimy taona aho vao nanapakevitra zahay roa hoe andao hiteraka @zay roa ny zanakay, mahafatifaty, tsy manana olana na ara-pitiavana na ara-pitaovana....
Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby e!!!!!!!!!
24. minoulavitra ( 24/06/2008 11:57)
Manahoana daholo e!

Hafatra alefako indrindra indrindra aminao nanana olana t@ 26/04/2008. Efa roa volana izao no lasa. Ka n'inona n'inona fanapahankevitra noraisinao momba iny resaka vohoka "tsy niriana" iny dia midera anao aho nanipy iny resaka iny teto. @ ankapobeny manko dia zavatra mamoafady ary tena tsy firesaka ampahibemaso izany fanalanjaza izany amintsika malagasy "mankamamy ny aina". Betsaka ny moral azo sintonina t@ireo valinkafatra rehetra nalefan'ireo namana marobe tato, isaorana azy ireo. Izao anefa : n'iza n'iza milaza eto dia tsisy ahafahantsika manamarina ny fahamarinan'izay lazaina rehetra eto. Ka na sanatria ka atao hoe "noforoninao" aza iny resaka iny mba handehanan'ny hevitra, na sanatria @ireo be moral nanome tsiny sy nanakana ireo aza misy efa nanana expérience tahaka an'io lazainao io koa, ary @reo namporisika anao handroso @ fanalanjaza dia inoy fa misy tsy tompon'ny fanapahankeviny ihany koa. NY MAZAVA DE ITY : efa lehibe ianaoa, na 17ans dé efa "majeure" @ resaka filàn'ny nofo, ka tahak'izay koa : ianao irery no tompon'ny fanapahankevitra.

Raha mbola eo andalana soa amantsara ny vohoka dé tohizo ny fanarahamaso rehetra ary aza manahy fa NY VORONKELY TSY MAMAFY NA MIJINJA NEFA TSY MANANA AHIAHY SATRIA NY TOMPO NO MITAHY; ny resaka henatr'olona, ny resaka hoe omena olona ny zaza raha vao teraka soa amantsara sns sns dé karazana ETATS D'ESPRIT daholo!!! Velona foana ny anaran'io...

Raha sanatria moa ka tsy izay no làlana nofidinao dé banbjino @ fomba hafa ny hoavinao manomboka izao. Mitiava, ary mandraisa fepetra. Maro ny fomba ialàana @ vohoka tsy niriana (tandremo fa misy koa ny SIDA tsy niriana an...). Mety hisy resabe koa ny @io rah eto isika no hifanoro hevitra, fa dé izao : manantona ny tobimpahasalamana. Toro-hevitra ny ahy io ka dé mahereza retsy a!

Bonne fête @ 26 juin.

Minoulavitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352