Lafo, lel'afo, lelafo????

1. badboy ( 23/04/2008 09:58)
COURRIER DES LECTEURS

Lafo loatra ny menaka
Dia tena manao izay danin'ny kibony tokoa ny Tiko raha ny vidin-javatra no resahina.



Ny menaka Tiko ohatra dia indroa izao no niakatra ny vidiny tao anatin'ny telo volana ary tena mihoampampana tokoa ny tatao. Dia samy mangina anefa ny ambanilanitra. Asa, mbola zakan'ny ankamaroan'ny olona ve izany sa didin'ny besandry ka dia ekena ?
Ny mahafaly aloha dia mitovy vidy tanteraka amin' ny menaka Huilor avy any ivelany ny an'ny Tiko. Tsara lavitra nefa ilay hafarana ka na eo aza ny fitiavana ny vita malagasy dia tsy mahaleo ny fitadiavana ny metimety izany.
Mahavariana aloha ny malagasy. Tena mafy aina tahaka ny kisoa gasy tokoa. Tsy misy mafy tsy laitran'ny gasy hoy ny be vazivazy. Mihetsika tokoa ny eran-tany manoloana ny fahalafosan'ny vidim-piainana. Ny firenena afrikanina no loha laharana amin'izany nefa tsy diso anjara ny tany hafa. Saingy ny Malagasy dia vahoaka hendry, mahari-pery, be lazon'ady. Na koa efa leom-boanana ka tsy te iherika intsony fa sendran'ny beroberoka lava izao. Ireny mantsy na asiana menaka aza dia mampiakatra tosi-drà foana. Mainka moa fa alain-drony.
Izay tokoa angamba e! Atao inona moa menaka nefa ny hena na ny atody endasina aminy tsy taka-bidy. Dia ny fiononana no atao be.

Rabehatoka
Ampanefy


Date : 23-04-2008

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=17022
novalian'i Jeankely ny 27/04/2008 12:46
2. jemimah ( 23/04/2008 10:26)
zah njay aloa tsy mpanao politika ary tsy mahay zay bi sy ba any fa na aty aminay koa aza dia indroa niakatra ny vidina menaka tao anaty roavolana monja efa 1eu80 izy zao nefa vao t@ roavolana no 1.17
3. Jeankely ( 23/04/2008 10:38)
Na ny nanoratra na ny nitatitra ny soratra na izaho mandray anjara na ianao tsy voatery mahay politika vaomiresaka. Tsy misy Malagasy mahay Politika izany koa raha ny tantara nahatonga azy ho mahantra angamba ka diso ny mitoky tenana fatratra.
Ny vidin'entana ao Madagasikara dia tena higagan'ny olona satria ny tarehimarika no betsaka fa vao avadika volam-bazaha dia anisany mora indrindra ny entana.
Ny tia hampivarahontsona eo ihany saingy mifangaro voraka koa ilay resaka. Raha miady ry ao Afrika lazaina loha-laharana @'ny ady. Azo atao modely ho Gasy ve ?
4. badboy ( 23/04/2008 10:41)
jemimah:
zah njay aloa tsy mpanao politika ary tsy mahay zay bi sy ba any fa na aty aminay koa aza dia indroa niakatra ny vidina menaka tao anaty roavolana monja efa 1eu80 izy zao nefa vao t@ roavolana no 1.17


Ka enao 1€8 ny 1 litre, ny karamanao farafahakeliny (SMIC) 8€/ISAN'ORA.

Any dago 4000 A ny litre (1€6), ny karama kely indrindra (SMIC) 6 000 A/ISAMBOLANA (10€)Underlined text.

Dia mbola sahinao ihany ve ny mampitahy ny "fiainanao" sy ny "fijalian'ny gasy any dago"???????? 8O 8O 8O 8O 8O 8O
5. Jeankely ( 23/04/2008 11:45)
Hainay ny tianao ahatongavana koa naninona no tsy nampiana Lecacheur fa mody nolazaina fa may endimboanjo ?
6. jemimah ( 23/04/2008 11:51)
aza be vava eo daholo fa ny ahy tsisy rarahiko zay ady hvt politika nareo hany fa ny ahalafo ny fiainana na aiza na iza no tiko ho lazaina;marary fo @ tsisy dikany!
7. Jeankely ( 23/04/2008 11:56)
:-D :-D :-D :-D tiko ho lazaina ve ?
8. lsandra ( 23/04/2008 12:17)
aza misy mikaikaika fa izao no notadiavina e! ireny nasaina nifidy mbola izy ihany no nofidina.Akory izay! Zakao fa aza misy mimenomenona. Mbola aiza koa ny manaraka, ataony mahalala tsara ny anarany
9. Jeankely ( 23/04/2008 12:38)
Olona any andafy ve hitaraina @'ny mahazo ny Malagasy fa olona manina ny taloha no miresaka.
Tsisy mitaraina aminao eo azafady.
10. badboy ( 23/04/2008 13:19)
jemimah:

aza be vava eo daholo fa ny ahy tsisy rarahiko zay ady hvt politika nareo hany fa ny ahalafo ny fiainana na aiza na iza no tiko ho lazaina;marary fo @ tsisy dikany!



Jemimah ah!!! K'izio ange sy hoe resaka voyage d'études-ny la ste eh!!! :-P :-P :-P :-P

Ny blème misy eratany, fa ny hoe iza no afaka anaraka sy ny tsy afaka no tokony hojerena. Ny firenendehibe tsy mampikorapaka azy zany satria farafaharatsiny ny vola vacances no hahena kely (tsy maka hotel fa camping)!! Fa ny any dago atr'izay ny hoanina anio tadiavina radem, de @ io fidangan'ny fiainana mitovy @ firenendehibe io, nefa ny karama apaha-1000 ny karaman'ny mpiasa @ firenendehibe, dia sur ve enao fa mbola be ihany ny hikaly???

Na avadiko ilay fanontaniana hoe enao io ve nanakana anao tsy hihinakanina na hividy ilay menaka 1€8 ny fiakarany?????? Dia ny halafosan'io menaka any dago io ve ozenao de tsy hanery ny tsy manasafidy reetra tsy hinakanina misy menaka fa mijinja @ rano sy sira (raha ho voavidy koa ny sira)???

De eo @ zay ny hilazako hoe ny @ firenendehibe velona mba hihinana, fa ny mponin'ny firenena ohatran'i dago de hihinana mba ho tsotsofina ho velona!!!

K'aza omena tsiny ireo izay mitsoaka, otran'i jeankely any indonésie na enao ao frantsa ohatra, fa tsy zakan'ny volamiditra ny vola mivoaka ao dago!!! :idea: :idea: :idea: :idea: :idea: :idea:
11. Jeankely ( 23/04/2008 13:45)
Azafady fa Malagasy ao Madagasikara aho fa mba sendra mandalo kely ivelany izay tsy ho ahy no tsy ezahiko ho ahy. Tsy nitsoaka mihintsy aho azafady eee. Ary tantinay io tsy mitaraina aminao izahay. Izaho no tsy mihinankanina ko ianao no milaza noana mety ve izany. Tsy velona mba hihinana mihintsy ny olona amin'ny tany lehibe fa vokatry ny ezaka taona maro nifanesy no hiainany. Tsy mpijapy "train" sahala anao ka lazaina fa azo mora ny fandrosoana.
12. salopard ( 23/04/2008 15:42)
hay ve niakatra izy izany!
efa ela ny gasy no tsy mahalala izany menaka izany intsony!
aza ampiakarina fotsiny ny vidin'ny bozaka , fa mba ahafahanay manadino ny hamafiny e!
13. badboy ( 23/04/2008 16:06)
jeankely:
Ary tantinay io tsy mitaraina aminao izahay. Izaho no tsy mihinankanina ko ianao no milaza noana mety ve izany. Tsy velona mba hihinana mihintsy ny olona amin'ny tany lehibe fa vokatry ny ezaka taona maro nifanesy no hiainany.


Ka "inernet" izay mila "ordinateur" sy "connexion" ary ananao ka izay vidinjavatra miakatra moa ahoanao inona??? :^) :^) :^)

Enjana indray ilay milaza ho tsy minakanina (fa mahavidy menaka???) nefa matakatra ordinateur, izay amina million ariary ny vidiny, sy connexion internet tsy takatry ny 99,9 isanjaton'ny gasy manotolo (99,9%). :idea: :idea: :idea:
14. Jeankely ( 23/04/2008 21:48)
Ny fantatro aloha dia tsy mahasalama loatra koa ny mihananana menakabe na hena betsaka koa tsy ny menaka no heveriko manahirana.
Izaho tsy manoro ny olona hisolelaka @ TIM na ny mpitondra fa kosa miresaka hoe misy fanantenana ho an'ny olona ve ny zavatra tsy hainy fa mbola ao antsainao. Ary tsy mbola mahazo fahefana aza ianao ny fiheverana mandeha hoazy sahala ny fiainanao no hitondrana ny baolina koa inona no hantenaina aminao.
Raha avo ny fiainanao ao Frantsa tsy ianao vao zaza vao teraka vao haingana io no nampandroso an'i Frantsa fa ezaka lavabe. Sahala izay daholo ny firenena efa lasa lavitra rehetra.
Ny fepetra sy lalana rehetra masiaka ary nijaly vao nahita fahasambarana. Saingy ny fisainana mpijapy "Train" dia manao sahala ny "makorel" niangaran'ny vitana nahazo vady vazaha ka asaina manao makorel daholo ny havana sy ny fantatra rehetra satria mahazo ary mahita fiadanana andafy.
Ny ahy tsy izany fa mamporisika foana aho fa tsisy fandrosoana azo mora izany. Na ianao aza no lasa Prezida any aoriana any raha araka ny firesakao mivadibadika io dia tsy hantenaina ahavita ny firenena hivoatra haingana.
15. ronaldo09 ( 24/04/2008 11:29)
VAO NAHITA AN'ITY LOHATENY ITY AHO TOA NAHATSIKARITRA FA TE HITENY RATSY LE MPANORATRA ,HAY MOA NY TAO ANATINY ZAVATRA HAFA SADY TSY LEDALA AKORY NO NANORATRA AZY AN!
16. Jeankely ( 24/04/2008 13:47)
Mametraka lahatsoratra izay hitany sy mifanandrify amin'ny tiany hambara no MPANDIKA aminy. Tsy sahy miteny mivantana intsony saingy efa kobo hatrany ampiandohana ny tena tian'i badboy ahatongavana.
17. badboy ( 24/04/2008 16:41)
Aza oetina resaka mitady seza sy ny tariny foana ilay resaka fa tsy any mihintsy. Sady fohy fisainana kely zany.
Eratany efa manomboka mitroatra ny mponina, ny ankabeazany any @ firenena mahantra, satria tsy ampy sakafo nefa ny vokatra ao @ tany misy azy tsirairay avy alefa any ivelany. Mitovy daholo ny zavamisy @ ireo firenena ireo satria ny mpitondra sy ny manodidina azy no manjaka ary migalabona fa ny vahoaka mijinja.

Ny ao madagasikara de tsotra satria tahak'izay koa ny zavamitranga : ny fahefamividy, azo avy @ karama, tsy mifanaraka @ vidinentana eny antsena. Ary ny entana amidy eny antsena matetika tsisy afatsy ny an'ny TIKO. :idea: :idea: :idea: :idea:

De lazaivo koa hoe miteniteny foana ny tenako (izay mihintsy no hakako lahatsoratra @ gazety mba tsy hahafahan'ny mambanoana rehetra milaza hoe manakorotana na milaza atsanga tsy amanorana) :idea: :idea: :idea: :idea:
18. salopard ( 24/04/2008 17:56)
lafo,
ny sakafo
de asio safosafo
de leladelafo
de sokatsokafo

de @ izay mihena
de lendena
demazotoa mihinankena
snif... sniff...

19. Jeankely ( 25/04/2008 00:37)
Dia manahoana Dada sy Mamanao ary Bavy mihaona aminao amin'ity samy tsy mikilaoty Ra-Salopard. Loza no nahazo anao. Tafakatra ambony vao niverina ao @ sahan'i edena. Politikan'i Sniff... Sniff...
20. ravatorano ( 25/04/2008 10:08)
lisany wa hahah

mihalafo tokoa ny fianana eto madagasikara
iaraha mahita toy ny tafika etsy andrefantanana izany
antony iray izay mahatonga ny fanjakana amin izao hanao lalampanitsina ny tetibolam panjakana 2008 izany
maro ny antony ary koa tsy dia eto ihany fa ny ara toekarena moa dia miankina amin'ny any ivelany kjoa nohon'ny fifandraisana irahana amin dry zareo indrindra fa ny ara barotra !

miakatra ny menaka !
ngah moa ny menaka ihany fa izao rehetra izao miakatra avokoa fa ny vary no hita tsy hoe nisy fiakarany firy.
Raha tany amin'iny faritr'i Mandoto sy ankazomiriotra iny ny tenanay dia niteny ireo mpamboly fa voa mafy tamin 'ity fa tsy "namely" ny vidim-bary izany hoe tsy niakatra .
iza nefa no voa amin izay tsy maintsy ny mpamboly izay 85% amin ny malagasy fa ireo izay mividy mahatsiaro fa efa lafo aza ny vidiny amin izao io

miakatra indray zao ny solika defa arangaragan 'ny mpitatitra indray fa tsy ho ela dia hiakatra koa ny sarandalana na bus io na taxi be na taxi brousse !
dika izay dia hiakatra ho azy koa ny entana ho vidiana andavan 'andro

tsy hay tsony
sarotra ny mitaraina houzy bandy akama mlay b zay
fa aleo kosa ary v hiaritra tsy hiteny mihitsy ?
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0816