Lafo, lel'afo, lelafo????

21. Jeankely ( 25/04/2008 10:14)
Ny mpitondra tsy tafavoaka efa tsy milay izany fa aiza ilay milay. Eo anie ilay olana dada-ravatorano e. Ilay milay tsisy fa ny resaka no betsaka. Noho izany mila miafy fa tsy hanantena ny tsy hisy.
22. badboy ( 25/04/2008 11:38)
Hita mivandravandra izao ny vokadratsin'ny fanfangaroana ny fahefana sy ny fitondrana orinasa.

Marina fa tokony homena fahatokisana kokoa ny olona nahatsangana sy nampiroborobo orinasa, ka dia omena azy ny fitondrana. Betsaka ny firenena matanjaka no mampiantra io fomba fanao io. Ary tena mande tsara ny fandrosoan'ilay firenena raha jerena ny tombotsoa azon'ny vahoaka. Raha haka ohatra iray lehibe dia USA no lohalaharana @ io fomba io, na dia misy azo tsikeraina kely vitsivitsy ihany aza. :idea: :idea: :idea: :idea: :idea:

Maninona rehefa ao afrika, na madagasikara, dia n'iza n'iza apetraka eo @ ilay fitondrana, na olontsotra na olon'orinasa na miaralia, dia tsy maintsy mitsitongana hatrany ny fiainan'ny vahoaka?? :?: :?: :?:

23. Jeankely ( 25/04/2008 11:48)
Satria potehanareo ny mokondohan'ny vahoaka. lazainareo fa azo mora ny rehetra ka ialao ny jaly nefa miala ny jaly iray miditra jaly vaovao tsy mijanona fa tadiavinareo hiverina foana ny tantara.Ka lelafo ny talohanareo fa tsy hiverina any izahay. Mandroso ihany izao na mafy na mora.
Ny Be kintana aza resahina satria ny sehatra rehetra tsy misy hitoviany amin'ny fihetsikareo any.
24. badboy ( 25/04/2008 16:37)
Ka le handroso handroso ihany ary voatery tsy maintsy mandroso na mafy na mora, ary tsy mbola nisy afaka ny nanajanona ny andro sy ny ora ka nilaza hoe tompon'ny fotoana.

Fa afaka mandroso @ fomba mihaja sy mahafinaritra kokoa. Ny safidy misy. Saingy arakarik'izay lalana tian'ny mpitarika hitondrana. Hatr@ izao aloha dia ny lalan'ny fiakaran'ny vidin'ny "produit de première nécéssité" no lalana haleha. Efa iarahamahalala ny hiafaran'io aveo. :°) :°) :°)

Ka raha tsy te ho tonga @ vahaolana farany ratsy (extrem solution), tahaka ireo firenena afrikana @ izao (Soudan, Tchad, Zimbabwe, .....) sy mba tia tanindrazana sy ny vahoaka miaina ao anatiny ihany, dia dieny izao dia miova famindra.

Tsy ny malagasy miaina ao Madagasikara akory no hahazo tombony @ fisian'ny korotana. Ny mpitsetsitra, na eo antoerana na ny any ivelany, no hanjaka @ zay fotoana izay satria ny orin'asa hikatona, ny mosary hipetraka ka miaina @ alalan'ny fanampian'ny mpitsetsitra rehetra.sy mipetraka eo ambany ziogany.....ka tsy hisy intsony ilay Madagasikara mamy hatr'izay fa firenena (raha mbola ho izay no afaka iantsoana azy) valaka sy trotraka sisa no ho eo :idea: :idea: :idea: :idea: :idea:
25. Jeankely ( 25/04/2008 21:21)
Raha lalàna no hianaranao dia io velarina fa aza dia miditra toekarena satria tsy hainao izany. Ny resaka vidin'entana tsy mitovy amin'ny famoronana lalàna.
Miaina ao anaty izao tontolo izao (globalization, internationalization) i Madagasikara fa tsy mikatona irery ao. Miantso ny mpanambola ivelany (Foreign investors) hitondra ny volany any ny mpitondra. Noho izany reo koa tsy hitady makorel na hitsangatsangana fa mitady tany hanitarany ny tombony mety ho azony. Raha i Madagasikara anefa nohon'ny zavatra vita teo aloha rehetra dia mazava fa taraiky tanteraka. Ohatra 1960 no azo ny fahaleovantena nefa io IVATO lazaina "International Airport" io dia mbola sahalan'ny any ambanivohitra. Ny fanontaniako anao hoe inona no nataon'ny taloha lazaina fa maminao ?
Raha ny lalana terikely ireo. Ianareo mpanana mividy fiara ihany nefa ny lalana tsy mihitatra ny habeny ao Antananarivo inona no vahaolana ? Tsy misy ny hafatsy ny fanjerana trano. Fandrangitana no ataonareo indray koa hoe efa mahantra mbola azera ny trano.
Ny taranjanao resahina fa aza dia mipetsopetsona. Manana "Private Sector" maharaka sy mivoatra ve ny Malagasy sa variana miady Politika ?
26. badboy ( 26/04/2008 11:06)
Raha lalàna no hianaranao dia io velarina fa aza dia miditra toekarena satria tsy hainao izany. Ny resaka vidin'entana tsy mitovy amin'ny famoronana lalàna.


Diso ianao fa tsy mila manana maitrise vao hahatsapa hoe tsy ampy ny miditra miohatra @ mivoaka. Otran'ny 1-2=-1 :idea: :idea: :idea:

Ary aza adino fa matetika ny mpitondra firenena lehibe eto europe dia olon'ny lalana avokoa fa tsisy économiste na 1 aza! CQFD!!

Ny fanontaniako anao hoe inona no nataon'ny taloha lazaina fa maminao ?


Aiza ary enao zany!! Tsy mila mitodidoha any aoriana zany sao lasa vongatsira @ zany. Fa ny eo no mila mitodidoha sy mijery lavidavitra kokoa :!: :!: :!:
27. Jeankely ( 26/04/2008 12:09)
Averiko ihany hoe ny zavatra tsy hay aza hibitabitahana. Ny mpitondra firenena ao Europe lazainao mahalala tsara fa manana ny andraikiny ny Economist ary soratany mazava tsara ny zavatra na hevitra avy @'ireo manolontsana rehetra. Tsy miditra lalina amin'izany aho moa fa anareo izany. Tsy mitovy @ 1-2 mihintsy ny resaka firenena ry VONGANTSIRA A. Fidio ihany ity resahana ary mba ampidiro @ taranjan'ny tena. io mitsabatsabaka io ihany no mahavoa ry BADBOY VONGANTSIRA :-D :-D :-P :-P :-P
28. badboy ( 26/04/2008 16:40)
8O 8O 8O :roll: :roll: :? :? :lol: :-D :-D :-D
29. Jeankely ( 27/04/2008 00:06)
VONGATSIRA :-D :-P :-D :-P
30. badboy ( 27/04/2008 08:12)
badboy:

8O 8O 8O :roll: :roll: :? :? :lol: :-D :-D :-D



31. Jeankely ( 27/04/2008 12:46)
Hoy VONGATSIRA
8O 8O 8O :roll: :roll: :? :? :lol: :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0483