Ny monopause sy ny toaka ary ny cancer-ny nono

1. niryna ( 14/04/2008 17:50)
Rehefa natao ny fanadihadiana hono dia marobe ireo olona tonga monopause ka misotro toaka no voan'ny cancer-ny nono be indrindra.Izany akory tsy midika hoe tanora misotro toaka dia tsy mety ho voa,voapozina mialoha aza ny tenany raha tanora izy no efa nisotro .
Enga anie ka tsy dia ho maro ny vehivavy malagasy misotro toaka fa maro ny olona manary dia amin'ny fiainana avy amin'ny fisotroana toaka aty ary dia nanao fivoriana izahay fa izay rehetra tratra na misotro na mamofompofona fotsiny ny vavany dia alefa mody ary miakatra" discipline".
Talohan'io dia niditra ny fiasana ity vehivavy iray izay maimbo toaka ny vavany ary dia nifampiarahaba izahayy,nanontaniako izy raha ok,ary dia ny ranomasony no nipatrapatraka.
Mbola kely hono izy dia efa nosimban'ny anadahiny roa lahy ary dia nifanena olona iray dia izay nanome toky ilay rangahy fa hanambady azy kanjo ny zaza no nipotsaka,hatramin'izao hono ilay rangahy dia mbola te hiaraka aminy na dia efa vadin'olona aza,avy eo indray dia nanana fiance ary dia nanao toetra tsy zaka ilay rangahy ka dia trano bonga no hipetrahany hoy izy amin'izao fa very daholo ny fananany rehetra.
.Ilay tsy famelan-keloka ,ilay fahatezerana lava ,ilay tsy famentrahana ny fiainana amin'Atra ireo mitambatra dia miteraka adin-tsaina ka mitarika ilay aretina cancer izay mety efa ao anaty ilay izy fa raha mivoaka ireo dia vao maika mihombo aingana ka sarotra ho tsaboina.
Samy manana ny fanalana ny sorisory avokoa isika fa raha poizina no ampidirina ny vatantsika dia vao maika mivadika poizina hanimba antsika koa izany .Misotro aho hoy izy dia manadino ,tapitra ilay herin'ilay toaka dia miverina indray ny fangirifirina ao anatiko,ndry mampalahelo ilay vehivavy.
mahereza e
novalian'i niryna ny 18/04/2008 22:23
2. Dizzair ( 14/04/2008 18:09)
monopause ?

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
3. tess ( 14/04/2008 18:12)
dizzair: in no mampmé amzany mba diso tsipelina kosa izy???natoraly io knou! :-P

soa fa croix bleu! :-P
4. yonikafopl ( 14/04/2008 20:17)
Misy ny tsy misotro toaka, mbola tsy menopozy, olona tia tsikitsiky fa voan\'ny cancer nono ka!
Ilay cancer hono toa manaranaka ka, raha voan\'ny cancer ianao, dia manao recherche fa efa nisy voan\'io koa tany amin\'ny fianankavianao tany. Ary marina io, mety tsy ho fantatrao raha tsy voany ianao .
5. niryna ( 15/04/2008 16:24)
Dizzair:

monopause ?

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))



:D :D oops ,tsy misy menamena intsony re no tiako ho tenenina e! mena ilay ka afaka mi-pause-tsara amin'izay e =))
6. niryna ( 15/04/2008 16:31)
tess:

dizzair: in no mampmé amzany mba diso tsipelina kosa izy???natoraly io knou! :-P

soa fa croix bleu! :-P


hitakou,tsy mba itany hoe mizara izay mba fantatry ny teny ny tena fa dia memezany eo fotsiny mena +pause ary no tokony ho izy raha izany satria tsy misy mena intsony fa ni -pause kely tanteraka ilay izy menapause
:D
7. niryna ( 15/04/2008 16:35)
yonikafopl:

Misy ny tsy misotro toaka, mbola tsy menopozy, olona tia tsikitsiky fa voan\'ny cancer nono ka!
Ilay cancer hono toa manaranaka ka, raha voan\'ny cancer ianao, dia manao recherche fa efa nisy voan\'io koa tany amin\'ny fianankavianao tany. Ary marina io, mety tsy ho fantatrao raha tsy voany ianao .

marina izany fa manaranaka io ka voatsabo raha vao mitandrina ny olona,misy koa anefa vokatry ny zavatra ataony na fohany na sotroiny toy ny sigara ,ny toaka izany ka misy hifandraisany hono io raha efa tsy mandeha menamena intsony ilay vehivavy kanefa misotro toaka be.
eny mizara fotsiny aho fa misaotra yoni a

8. tess ( 15/04/2008 17:31)
tsy aleo atao hoe manaopause mitsiny! pause ny rehetra rehetra :^)
9. yonikafopl ( 15/04/2008 18:56)
hihi tsy ratsy kosa le manaopozy ann :-D :-D :-D

niryna ka raha fantatra mialoha ilay izy de izay, fa misy nge tsy fantatra we nisy nenitoa na dadabe na nenibe voanzany homamiadana zany tany eee, efa voany vao manao recherche zay vao mahalala we hay efa nisy tany am fianakaaviana tany aloha tany io. :(
10. Rafahafahana ( 17/04/2008 10:33)
Ny cancer 'ny nono dia mety hitranga eo @ faha 40 taona et+ ny vehivavy , tokony hanao fizaham-pahasalamana manokana momba ny nono ny vehivavy rehetra manodidina io taona io.
Ny fanontaniana mipetraka anefa dia izao; takatry ny fahefa-mividin'ny gasy ve io fizahana io, asa aloha é :^)
11. niryna ( 18/04/2008 21:55)
yonikafopl:

hihi tsy ratsy kosa le manaopozy ann :-D :-D :-D

niryna ka raha fantatra mialoha ilay izy de izay, fa misy nge tsy fantatra we nisy nenitoa na dadabe na nenibe voanzany homamiadana zany tany eee, efa voany vao manao recherche zay vao mahalala we hay efa nisy tany am fianakaaviana tany aloha tany io. :(

dia izany no antony anaovana self breast exam (ny tena ihany dia mijery an'io isaky ny avy tonga fotoana dia tsapaina ny nono ,jerena ny bikany ,ny lokony ,sns sy ny mammogram isan-taona raha vao manomboka eo amin'ny 35 taona na 20 taona (isan-telo-taona) fa tena ilaina raha misy fahafahana manao an'izany.Nisy olona izay adinony ny nanao mammogram hono tamin'ny herintaona ary tamin'ity izy vao nanao (nandingana iray taona fotsiny) izao hita fa nisy cancer izy ary tena nanenina be izy ,ny mitomany foana no ataony ary dia mampahery azy izahay,sy mivavaka ho azy.

12. niryna ( 18/04/2008 21:56)
Rafahafahana:

Ny cancer 'ny nono dia mety hitranga eo @ faha 40 taona et+ ny vehivavy , tokony hanao fizaham-pahasalamana manokana momba ny nono ny vehivavy rehetra manodidina io taona io.
Ny fanontaniana mipetraka anefa dia izao; takatry ny fahefa-mividin'ny gasy ve io fizahana io, asa aloha é :^)

marina izany satria ilay izy lafobe,ary afaka mijery na manao ilay self breast test ny rehetra,efa nalefako io fa andraso aloha ho jereko raha hitako

13. niryna ( 18/04/2008 22:23)
Ny fijerena ilay nono isam-bolana dia manampy sy manavotra ain'olona maro ary izay zavatra mivonto ao anaty nono akory dia tsy ho cancer avokoa ,saingy tsara ho fantatra mialoha ilay izy mba tsy ahatonga ny olona hiahiahy foana hoe cancer io .
Rahoviana no tena tsara indrindra ny fijerena izany nono izany?
Aorian'ny nahatongavan'ny fotoana,toy izany ihany koa raha manao mammogram dia ao aorian'ny fotoana fa marary ilay nono ary raha tsy tonga fotoana intsony dia ataovy isaky ny fotoana iray mitovy ilay izy
Matory ary dia asiana ondana kely eo ambanin'ny soroka havanana ary atao eo ambanin'ny loha havanana ny tanana ohatra.Atao eo ambonin'ny nono havanana ny tanana havia ,ny ratsantanana telo eo ampovoany no asiana mitsapa ilay nono
.
mila fahazarana ilay izy ka araky ny hanaovana azy matetika no ahalalana fa misy zavatra mivaingana na mivonto ao ,indraindray misy mamoaka nana, na menamena ary dia aza mangataka andro fa mitadiava mpitsabo,mampatahotra kanefa tsara ho fantatra .Afaka mifidy isika na atao boribory ny fitsapana azy na atao miakatra sy midina . Eo ampovoany no atao voalohany dia mandeha manodidina hatrany .Raha mahita fihovana na loko,na habeny ,na zavatra tsapan'ny tananao dia mila manatona dokotera aingana .
Afaka atao eo ampitsanganana ihany koa anefa izany ary raha misy fitaratra dia vao maika tsara,ny lokony ,ny hamenany na mivonto,ny lohanono,
Ary farany afaka manao izany breast self exam izany ihany koa rehefa mandro iny ary asiana savony ny tanana dia atao mitovy io lazaiko eo ambony io .
Andramo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5239