Hidera anao aho ao anatin'ny ady sarotra

21. ikaretsaka ( 15/04/2008 19:23)
izao indray izany ny fialaní niryna rehefa tsy manan-kavaly
22. prime ( 16/04/2008 12:20)
Misaotra niryna amin'ny fizaràna...

Tena mitombina io fa ny fideràna an'Andriamanitra dia manome hery tsy hita noanoa mitondra fifaliana sy fiadanana anaty... efa nahita izany koa aho... ary rehefa ao anaty ady sarotra dia ny fideràna an'Andriamanitra tokoa anisan'ny tena mitondra fankaherezana tsy hay hazavaina fa mila iainana...

Indray mandeha koa aho efa nahita fa ny fideràna an'Andriamanitra dia mandroaka devoly ary tsy mahajanona sy tsy mahazaka izany rahateo izy...
23. ikaretsaka ( 16/04/2008 13:48)
fa maninoan tokoa ohatra (i primew sy i niryna no hitako aloha an)
raha ohatra hoe hametrahana fanontaniana dia miala pa mamerina iny fanontaniana iny foana?
iznay ve no partage dradradradraina? iznay ve ny fizarana tenitenenina fatratra?
24. niryna ( 16/04/2008 15:54)
prime:

Misaotra niryna amin'ny fizaràna...

Tena mitombina io fa ny fideràna an'Andriamanitra dia manome hery tsy hita noanoa mitondra fifaliana sy fiadanana anaty... efa nahita izany koa aho... ary rehefa ao anaty ady sarotra dia ny fideràna an'Andriamanitra tokoa anisan'ny tena mitondra fankaherezana tsy hay hazavaina fa mila iainana...

Indray mandeha koa aho efa nahita fa ny fideràna an'Andriamanitra dia mandroaka devoly ary tsy mahajanona sy tsy mahazaka izany rahateo izy...

misaotra prime a,ary izany no antony izarana azy amin'ny namana maro ,kanefa indrisy fa mivezivezy mitady arapany toy ny liona mierona satana ka ampiasainy daholo izay zavatra rehetra ahatonga antsika tsy hihaino ny tenin'Atra,ny kristiana rehetra(izay mino an'i kristy ho tompo sy mpamonjy )mantsy dia efa misy ny fanahy masina ary miaraka aminy mandrakizay io fanahy io ,une fois nanaiky an'i kristy ilay olona ary dia io fanahy io no mampianatra azy,mazava ho azy fa raha tsy mino an'i kristy izy dia tsy ho ao io fanahy io ka dia ireo izy mitady lalana hanafinganana ny fahamarinana foana ,mampalahelo ary dia anjarantsika no mivavaka azy ireo .


:-*
25. Fody ( 16/04/2008 18:24)


Fanamarihana:

1 - Aza adino ry nyrina fa pli vava ny soratra masina no nakan'ny demony fanahy an'i Kristy. Ary nolazainy mazava tamin'izany ny formul mahazatra anao manao hoe: "efa voasoratra hoe..."

2 - Mba te hanontany ihany hoe:
Moa ve mitovy ry nyrina ny zavatra lazainao eto sa samihafa:
"Hidera anao aho ao anatin'ny sarotra....."
" midera anao manokana koa aho anidi"....

Raha mitovy angaha ny voninahitra sy ny dera tsy an'Andriamanitra irery ihany?
Raha samihafa mba hazavao!

Misaotra.




26. ikaretsaka ( 16/04/2008 18:47)
:wink: efa azokazoko veroka sahady ny hamaliany an'io.. raha hamaly izy
27. cutie ( 16/04/2008 18:57)
:-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w :-w
28. xl ( 17/04/2008 09:22)
Ho tanteraka tokoa anie izany
Tompo o!
tsy mendrika ny hidirana ato amiko aho, fa manonona Teny iray ihany aho dia ho sitrana ny fanahiko
Amen
29. ikaretsaka ( 17/04/2008 12:40)
miandry ny valim-panontaniana e... (raha tsy hanilika indray izy)
30. prime ( 17/04/2008 14:42)
ika:
fa maninoan tokoa ohatra (i primew sy i niryna no hitako aloha an)
raha ohatra hoe hametrahana fanontaniana dia miala pa mamerina iny fanontaniana iny foana?
iznay ve no partage dradradradraina? iznay ve ny fizarana tenitenenina fatratra?
... miala tsiny raha izany... ka ampatsiahivo hoe raha tsy mahadiso inona ilay fanontanianao ka tsy nahazoanao valiny mahafapo? :)
31. niryna ( 18/04/2008 17:14)
Fody:



Fanamarihana:

1 - Aza adino ry nyrina fa pli vava ny soratra masina no nakan'ny demony fanahy an'i Kristy. Ary nolazainy mazava tamin'izany ny formul mahazatra anao manao hoe: "efa voasoratra hoe..."

2 - Mba te hanontany ihany hoe:
Moa ve mitovy ry nyrina ny zavatra lazainao eto sa samihafa:
"Hidera anao aho ao anatin'ny sarotra....."
" midera anao manokana koa aho anidi"....

Raha mitovy angaha ny voninahitra sy ny dera tsy an'Andriamanitra irery ihany?


Raha samihafa mba hazavao!

Misaotra.

aminao pli vava,iza no nanome hery ahatadidy ny soratra masina? ny ati-dohanao fotsiny ,tsia tompoko ,izay mangetaheta ny tenininy no omeny izay manda sy mankahala na manana Atra hafa noho i kristy kosa dia ataon'ireo fa fahadalana avokoa izany ,pli vava hoe,tsimpona hoe,sns,mampalahelo saingy tsy ny mpanao pli vava araka ny eritreretin'ireo mpanohitra ny tenin'Atra mihitsy no ho voa fa izy ireo izay miseho azy mahiratra ,manome fanontaniana lava fa tsy mamoaka izay fahasoavana nomen'i tompo azy,Aza variana eo amin'io hoe pli vava fa izay ahavonjy ny namana no ataovy e,ampahafantaro azy ireo fa ilay Atra mahery tompon'ny fiaianantsika izy no nahatonga antsika toy izao,raha tsy nomeny ahy sy hianao ny teny tsy ho tonga ary tsy ho tafita izany fitiavany izany,mijoro vavolombelona,tarito ny olona fa zava-poana ity fiainana ity raha tsy miaraka amin'ilay Atra isika,isaory Izy fa nanome ny zanany hanavotra antsika amin'ny fahotana,o,o,o, pli vava re izao e,

32. niryna ( 18/04/2008 17:18)
prime:

ika:
fa maninoan tokoa ohatra (i primew sy i niryna no hitako aloha an)
raha ohatra hoe hametrahana fanontaniana dia miala pa mamerina iny fanontaniana iny foana?
iznay ve no partage dradradradraina? iznay ve ny fizarana tenitenenina fatratra?
... miala tsiny raha izany... ka ampatsiahivo hoe raha tsy mahadiso inona ilay fanontanianao ka tsy nahazoanao valiny mahafapo? :)

eo foana ny azy no fanalany sorisory ry prime a mody adala dia mametraka karazana fanontaniany tsy dia mila valiana kanefa raha ny hafa no mamaly azy ireo na manontany dia lazaina fa manao fanontaniana adaladala,tsy ho voatery hamaly aho ka,lany eo ny fotoanako,toriko ny teny,deraiko ny tompo,asehoko ny olona ny fitiavany ,ny fahasoavany ,izay nahatoa izao ahy ka nahafahako nizara ny olona ary efa marobe no nanatona an'Atra noho ny fahasoavany nomeko sy nozaraiko ny hafa,izay dia ampy na iray ihany aza no voavonjy dia faly ny anjely miaraka mibitaka amin'Atra

33. Fody ( 18/04/2008 22:49)

Averina kely indray ilay fanontaniana:

Moa ve mitovy ny zavatra lazainao amin'ireto ry nyrina?
"Hidera anao aho ao anatin'ny sarotra....."
" midera anao manokana koa aho anidi"....


Raha eny: angaha tsy an'Andriamanitra irery ihany ny Dera sy ny Voninahitra?
Raha tsia kosa, mba hazavao!


Misaotra!
34. ikaretsaka ( 18/04/2008 23:43)
mba miangavy re.. mba ilay fanontaniana no ho valiana.. honestly!

misaotra
35. oulkely ( 20/04/2008 20:48)
azafady fa ts afaka namaly ra ts zao e!
fantatro mits hoe ts tsikera le iz ka!
ny "fiderana" dia fomba fankasitrahana oul 1, ohatra oe, nis nanome zavatra enao dia misaotra, otran le ra mis manome e, dia tenenina @ le oul mits le iz oe misaotra t@ le .... dia eto le resantsika oe, fiderana an'Andraiamanitra, zany hoe fankasitrahana an'Andriamanitra noho ny zavatra nataony, tsy voatery hoe valimbavaka ihany fa na de io masoandro miposaka maraina io az, ny, aina mbol ao anatinao, ny manodidina, ny sakafo oahanina, n as, fenarana sns bdb de mendrika ankasitrahana Azy daholo. mety @ hira, tononkalo, vavaka, dihy, refa tena avy ao am-po e,fa ts oe pli vava an! zany oe ra hira d ts hiraina fotsiny fa tsara ny feony, fa tena hinoana izay lazainy, andramo ange reny hira any ampengonana reny e, fa tena diniho tsirairay ny tonony fa tena tsara b!
de refa eo ampihirana azy am-pinoana eo ianao de tanterahan'Andriamanitra aminao ilay izy, izay ilay hoe misy herin'Andriamanitra. araka le oe "tongava aminao araka zay hinoanao"!
na dia ry Nyrina sns (azafady fa ts tadidiko daholo an) mitantara ny asan'Andriamanitra t@ fiainany io aza nge d'ef midera an'Andriamanitra e! isan'ny fiderana koa mantsy ny manambara ny naton'Andriamanitra taminy @ hafa.
fa @ ady mafy koa indrindra, "misaora amin'ny zavatra rehetra", io zany refa tena akaiky ny dadanao enao de vo-chouchouté e, voatambitamby e!
satria Izy manankery manasitrana sy manafaka dia ataony zay! marina mits le oe mis fanafahana devoly, fanasitranana anaty fiderana.

zay alou ny androany fa ny valin'ny fanontaniana sasany lazain @ manaraka ndray!
de zao ten ef niainako zany fa ts oe resabe!
36. oulkely ( 20/04/2008 21:11)
nitohy tampoka ndray e!

le oe fiadanana: io aloha dia tena ao anaty fo mits e!
mety mis zavatra tena mampiasa saina anao, de fenon'in ny eritreritra manontolo, na ny atao rehetra aza toa ts mande am'zay laoniny, mety marary koa ohatra, fa amin'iny enao mila maka saina kely dia manomboka midera, mety tsy ao tsara @ voalohany fa rehefa mitohy midera enao dia mampitodika ny saina rehetra any amin'Andriamanitra (ny Heriny, ny halebiazany, ny fahefany, ny zavatra efa nataony, Jesosy maty teo kalvary) dia iny manome finoana anao ao anaty ao dia eo iny am'zay no mametraka fahatokisana an'Andriamanitra ao anatinao (assurance) dia eo ilay fiadanana (fahatokisana be) fa hain'Andriamanitra atao ny zavatra rehetra dia manasitrana Izy, dia manome tolo-tsaina Izy hamahana ny olanao, manaisotra ny fankahalana ao am-ponao, ny fahatezerana, sns; de lasa hainao ny mamela ny hadisoan'ny hafa, ohatra.
zay ilay Herin'Andriamanitra miasa e! sy lay fiadanana (paix interieur)

andramo ange fa na "tia zaza" aza tena mis lanjany be refa tena hiraina e, de le zaza soloy ny anaranao, sady tsika koa ange zanak'Andriamanitra e, (zazakeliny tsika)

le fiderana zany mety anaty olana na anaty fifaliana na midera fotsiny e, satria mendrika hoderaina r reto Andriamanitra a! marina nge zany e!

de fiadanan'Andriamanitra ho anareo rehetra e!
37. niryna ( 25/04/2008 20:51)
oulkely:

azafady fa ts afaka namaly ra ts zao e!
fantatro mits hoe ts tsikera le iz ka!
ny "fiderana" dia fomba fankasitrahana oul 1, ohatra oe, nis nanome zavatra enao dia misaotra, otran le ra mis manome e, dia tenenina @ le oul mits le iz oe misaotra t@ le .... dia eto le resantsika oe, fiderana an'Andraiamanitra, zany hoe fankasitrahana an'Andriamanitra noho ny zavatra nataony, tsy voatery hoe valimbavaka ihany fa na de io masoandro miposaka maraina io az, ny, aina mbol ao anatinao, ny manodidina, ny sakafo oahanina, n as, fenarana sns bdb de mendrika ankasitrahana Azy daholo. mety @ hira, tononkalo, vavaka, dihy, refa tena avy ao am-po e,fa ts oe pli vava an! zany oe ra hira d ts hiraina fotsiny fa tsara ny feony, fa tena hinoana izay lazainy, andramo ange reny hira any ampengonana reny e, fa tena diniho tsirairay ny tonony fa tena tsara b!
aleloia ,misaotra e

de refa eo ampihirana azy am-pinoana eo ianao de tanterahan'Andriamanitra aminao ilay izy, izay ilay hoe misy herin'Andriamanitra. araka le oe "tongava aminao araka zay hinoanao"!
na dia ry Nyrina sns (azafady fa ts tadidiko daholo an) mitantara ny asan'Andriamanitra t@ fiainany io aza nge d'ef midera an'Andriamanitra e! isan'ny fiderana koa mantsy ny manambara ny naton'Andriamanitra taminy @ hafa.
fa @ ady mafy koa indrindra, "misaora amin'ny zavatra rehetra", io zany refa tena akaiky ny dadanao enao de vo-chouchouté e, voatambitamby e!
satria Izy manankery manasitrana sy manafaka dia ataony zay! marina mits le oe mis fanafahana devoly, fanasitranana anaty fiderana.

zay alou ny androany fa ny valin'ny fanontaniana sasany lazain @ manaraka ndray!
de zao ten ef niainako zany fa ts oe resabe!



=D> ^:^
izany indrindra,na dia ny maraina nomeny antsika io aza dia midera azy isika,fa mbola nomena andro iray indray hivelomana ,misaotra e, mankasitra e
38. Fody ( 26/04/2008 00:33)
oulikely:
de refa eo ampihirana azy am-pinoana eo ianao de tanterahan'Andriamanitra aminao ilay izy, izay ilay hoe misy herin'Andriamanitra. araka le oe "tongava aminao araka zay hinoanao"!

Ka raha tsy mahay mihira ve izany de tsy hahazo ny herin'Andriamanitra mihitsy ?

Eny Tongarivo Tanjombato dia misy olona sady sembana ara-tsaina, no maona, no kilemaina. Ka moa tsy mba hahazo ny herin'Andriamanitra ve izany izy ireny ?
oulikely:
fa @ ady mafy koa indrindra, "misaora amin'ny zavatra rehetra", io zany refa tena akaiky ny dadanao enao de vo-chouchouté e, voatambitamby e!
satria Izy manankery manasitrana sy manafaka dia ataony zay! marina mits le oe mis fanafahana devoly, fanasitranana anaty fiderana.

Inona moa ilay fanasitranana lazainao eto ? Mba azo azavaina misimisy kokoa ve?

Misaotra
39. niryna ( 03/05/2008 00:49)
5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika
niryna:

Araka ny hidrerana an'Atra no ahitanao fifaliana hatrany.Apetrako eo am-pelantanany ny olana amin'ny fiainako rehetra.Ny tsy fahafahako mandeha ka atosika eo amin'ny posiposy, dia mafy amik ahoana no toa tsy misy olana ny olona??
Eto vao tsampako hoy izy fa ny harena,ny asa misy ahy,ny toerana ametrahan'ny olona aho ,ny mampalaza ahy,ny hatsaran-tarehy dia tsy mampiova ny olana na manome fanantenana ny fifaliana sy fiadanan-tsaina.

2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.

3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.Sal 23

Hidera anao aho ao ao anatin'ny ady sarotra hoy izy,raha manao izany koa isika dia ahazo fahasoavana ary hanome ny voninahitra an' Atra dia lasa manome antsika fahendrena sy fahatanjahantsaina sy vatana koa izy.
Fenoiny fifaliana ny fiainantsika,fitiavana ary fitsikiana lalandava.

Ry Atry izay manome anay fifaliana ,fiadanana ,fitiavana o ,ampio izahay mba hidera anao na ao anatin'ny ady sarotra satria ny teninao no manambara fa na dia mandeha na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy..Amena




40. mimi ( 03/05/2008 08:16)
Izaho koa dia manamafy ny efa voalaza etsy ambony fa ny fiainana atrehantsika eto amin'ity tany fandalovana ity na manao ahoana farimpiainana sy ny fiainana hatrehantsika tsirairay avy dia zava-poana raha tsy miaraka amin'ANDRIAMANITRA .Indraindray mantsy isika olombelona rehefa ao anatiny fiheverantsika hoe fiadanana sy ny harena ary ny fahaizana sy fahalalana dia toa tsy misy izany ANDRIAMANITRA izany adinontsika fa avy aminy ireo eo ampelatanantsika rehetra ireo ka izaho dia resilahatra ary manentana ireo tsy mahatsapa fa tsy ao amin'ny ady sarotra ihany Andriamanitra fa raha mbola velona isika manana tombon'andro hiainana dia noho izy Andriamanitra izay ka tokony hidera sy hisaotra azy isika ary hametraka ny andro raha vao maraina ary hisaotra azy mandrakariva amin'izay trangampiaianana rehetra miseho na heverintsika sarotra na heverintsika mora izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0815