Azo vakiana dia atao petadrindrina ve ny momba ny hafa ?

1. Jeankely ( 12/04/2008 15:38)
Sao mba tsy mety kosa ilay afaka manokatra ny momba ny hafa raha ny ataon'ireo manao xxx sasany no jerena. Dia alaina ny momba ny hafa dia izy rehetra iny no apetaka anaty serasera. Tsy ny tompony ve no mametaka ny momba azy raha sanatria kamaniry izany fa dia ny mpiserasera no mandray sy mitetika hanalabaraka ? Mangataka ny tompon'andraikitra aho ny hamafa io fanaovana copy &paste ny mombamomba ny hafa io. Jereo ao @ Politika.
2. ikaretsaka ( 12/04/2008 16:09)
afaka tohizana ato ve ilay dinika io ry JK fa efa misy momba izay resaka izay ao?
Misaotra
3. xxx ( 12/04/2008 16:33)
Ika > fangatahana ny tompon'andraikitra mba handray fepetra no angatahan'i Jeankely, fa tsy hanohy dinika ka. :wink:

Jeankely > mety ho tsara koa raha mandefa hafatra manokana any amin'ny mpiandraikitra ny Politika, izany hoe any amin'i Ravatorano :wink:
4. ikaretsaka ( 12/04/2008 16:36)
jereo ny conclusion an'ilay resaka ary e
rehefa tsy tianao ho hitan'ny olona ny lambanao dia aza ahahy!
5. xxx ( 12/04/2008 16:40)
Toa tsy conclusion io ry Ikaretsaka fa hevitrareo vitsivitsy tao fotsiny.

Marina ny tenin'i xxx !
6. cutie ( 12/04/2008 16:48)
:-D :-D :-D :-D :-D
7. ikaretsaka ( 12/04/2008 17:03)
fa io ny tsaok'hevitra farany tao izany eee
8. kiadi ( 12/04/2008 22:19)
ary lasa be takalaza kay ra jeanpetit an!! =)) =)) =)) =))
9. Jeankely ( 13/04/2008 00:22)
Tsy resaka be takalaza io ry havana fa resaka madio. Tsisy hilana Solon'anarana raha toa ka izany raha araka ny fahalalako azy fa avy dia ny anarana rehetra no apetaka eo ary avy dia ny email adddresse mivantana. Aminao mety sy matotra ve izany hoe sokafako ny mombamombanao dia apetako hoe ity ny ny Anarana, ny Asa , ny daty nahaterahana, ny resaka nasaina nofenoina rehetra. Nanontany aho raha azo atao fa tsy hoe be kalaza. Manontany koa aho raha ao anatin'ny fepetran'ity Serasera ity izany mba hakana izay tokony atao.
10. ikaretsaka ( 13/04/2008 03:16)
izay ange hoa le resaka ary e... rehefa tsy tianao ho hitan'ny olona izany dia aza asehoseho.. aza apetraka any akory
afeno any @ tripliran'ny paosy lalina any mihitsy...
fa raha tratran'ny pangarompaosy, paparazzi, sns ny portafay dia tsy maintsy hoe fantatra ny momba azy...
rehefa tsy tia ho tratra an'iznay dia vivez cache et reste dans l'ombre...
11. xxx ( 13/04/2008 05:17)
Iaraha-mahalala fa tsy misy afaka mahita ny mombamomba ny namana raha tsy mahafeno fepetra anankiroa :
- efa nisoratra anarana ary loggué
- efa nameno ny mombamomba azy koa

Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.

Mba soso-kevitra ho an'ny namana :
- ny rohy mankany amin'ilay mombamomba apetraka dia avelao ny server no hanivana izay afaka mahita azy
- raha tsy izany dia any amin'ny forum tsy public, izany hoe dinika manokana no andikao an'ilay mombamomba.

Dia misaotra antsika
d refa lazaina oé ts mety d ts mety! d tokony avokan'ny admin lé ps mbola nanao fanahiniana namoaka an'io!
12. Jeankely ( 13/04/2008 06:56)
Misy ny zavatra mahasosotra ny hifampiresahana ohatra ireo tezitra amin'ny tsy fitoviankevitra amin'io resaka Andriana sy Andevo io. Dia izay ve midika hoe ireto ny mombamomba ilay miseho Andriana fa jereo any ary tapero any ny ainy? Sa hoe ianao marina no tia hanao forum ka izay mifamono sy maty aleo hifafa any? Ny fa tombotsoa no hilaina ny forum fa tsy lasa loza ho an'ny sasany ary hevitra no miasa eto.
13. xxx ( 13/04/2008 07:52)
hehehehehehe! rehefa hifanaovana lehiretsy dia aza be taraina ah! hita taratra ny fanaovan'i jeankely ato amin'ny fanivatsivàna ny namana mpiara-midinika aminy....raha manao dia mila mahatanty ny vokany izay ihany...
efa resaka nandeha teto io fa mahaiza mifanaja amin'ny fomba firesaka ady hevitra amin'ny namanao dia tsy hisy ny izao sy izao.....tsotra ny valiny.
Raha manaja ny hafa enao dia hajain'ny namanao koa! matoa tsy hajain'ny namana dia ianao tsy manaja azy noho izany hiareto ny vokany misy hisaintsainana e! tsy rehefa mahatsiaro voadona vao mody tsara sy hendry :-D :-D :-D :-D :-D hifanaovana ny anareo ôôô!

14. kiadi ( 13/04/2008 08:13)
nedra-jeanpetit ko ange filana kisa fa ny profil nataonao aza tsisy mpitombona na ray aza ko manin raha avoka'ny ol eh!
15. xxx ( 13/04/2008 08:27)
hehehehe! ka io izay mihintsy e!

ny tena mahatsikaiky dia ireo tsy manàja ny namana mpiara-miforum aminy foana no be tati-bolana =)) =)) =))
16. xxx ( 13/04/2008 08:37)
xxx:

Iaraha-mahalala fa tsy misy afaka mahita ny mombamomba ny namana raha tsy mahafeno fepetra anankiroa :
- efa nisoratra anarana ary loggué
- efa nameno ny mombamomba azy koa

Noho izany dia heveriko fa tsy mety ny ataon'ny namana sasany izay manao copie-colle ny mombamomba ny namana eto amin'ny forum public. Lasa afaka mahita an'ilay izy daholo ny olon-drehetra na tsy loggué akory aza.

Mba soso-kevitra ho an'ny namana :
- ny rohy mankany amin'ilay mombamomba apetraka dia avelao ny server no hanivana izay afaka mahita azy
- raha tsy izany dia any amin'ny forum tsy public, izany hoe dinika manokana no andikao an'ilay mombamomba.

Dia misaotra antsika
d refa lazaina oé ts mety d ts mety! d tokony avokan'ny admin lé ps mbola nanao fanahiniana namoaka an'io!



=)) =)) =)) =)) =)) =))
17. xxx ( 13/04/2008 08:40)
Ireo olona tsy mahay miaina tsy manaja ny namana ihany koa anie no hatrangan'ny olona ny momba azy e! 8) izay foana no hita eto :^)
18. Jeankely ( 13/04/2008 11:32)
Ekena fa izay izany no fandehany. Ho hitantsika ary izay leo. Naninona raha nalaina sary koa ny vodiko dia napetaka teo
19. xxx ( 13/04/2008 12:09)
hajao fotsiny ilay namanao miady hevitra aminao dia tsy hisy ny disadisa sy ny olana ;-)
20. xxx ( 13/04/2008 12:14)
Tsy ho anao irery fa ho an'ny rehetra ry jenakely; izay ihany no hitako solution ato amin'ny forum.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3299