misy afaka manampy ahy ve?

21. sakaizakely ( 14/04/2008 13:36)
vitsy zany lehilahy tsy mampirafy zany
:roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll:

22. pisomimi ( 23/04/2008 12:22)
Raha izaho indray dia tsy mampaninona ahy izany,mahatanty koa izy zan matoa manao ko!izy anie no tena adala e.
Moramora ho an'ny vhv kokoa matsy ny manaiky hoe napirafy ny vadiny noho ny an'ny lhl.
Izy no napiditra devoly tamin'ny fiainanareo ia aleo hitaty ny vokany eo,
sa ahoana! ;-) :^)
23. fafamimi ( 23/04/2008 12:47)
izay 5 na enine taona niarahana tsy hanaovanao sorona ny tenanao ka ny tena blem dia izao ilay fofombadinao mahafantatra tsara fa fantatrao ny zavatra nataony sy ataony nefa ianao miditra aminy ihany sarotra be hoanao avy eo ny hanitsy azy 26 ans ianao mbola ao anatiny tsara bonne chance
24. makezaka ( 25/04/2008 13:09)
za mba manana fanontanina kely,
naninona mo no nandrasana ela be mbola tsy atao iany ny raharahanareo?
efa nanao firaisana ara-nofo ve nareo?
Marihako fa lhl a no manoratra, fantatro tsara ny toetranay lhl fa ra vo mahazo an'io mamy ao an'elakelapenareo io zahay de tsy de rototra intsony ny hanao raharaha, raha tsy hoe sendra bevohoka anga le vhv.
koa anatra ho anareo vhv, ra tianareo haka vady anareo ny lhl de aza omena RS mihitsy, raha tena tia anao ko izy de tsy mitady an'io izany ra @ fanambadina.
Tena vita ny momba Rasipa
25. danni ( 05/05/2008 19:26)
Salut,

...aza matahotra fa misy afaka manampy anao foana eto. Izay no maha mpinamana. Eto anefa dia tiako ny miteny aminao fa hanoro hevitra anao aho, mety ho sarotra ny handray azy kanefa mahasoa anao.

26 taona enao ary niaraka tamin'ny sipanao efa ho 5 taona. Be ny olana hoy enao an'isan'izany ny niarahany tamina sipa 3 be zao. Hivady nareo nefa izy mbola mifandray amin'ireo sipany teo aloha. Ny iray te hiaraka aminy foana na dia mivady aza nareo...marary ny fonao hoy enao vokatr'izao zavatra izao nefa dia mbola tianao ho vadiana ihany izy.

Izao no teneniko anao: ...tsy niova ohatran'izay izy tsy hiova intsony...dia mbola tsy tonga saina ihany enao fa hoe "voaloham-pitiavako" ka dia hiafiko. Dia mbola te hanambady azy ihany. Raha zao no ataony aminao alohan'ny hivadiana, dia aza manantena fiadanana rehefa tonga ao antokatrano. Satria enao sady tsy mahateny azy, voavehiny tanteraka ka mandefitra na dia efa ampirafesina amina sipa be dia be aza.

Mba eritrereto izay hahasoa anao (vakio amin'ny anaranao mihittsy io...ka raha Vero ohatra ny anaranao dia izao no soratako eto...Mba eritrereto izay hahasoa an'i Vero). Ho avy manao ahoana no tianao omena azy. Aza variana amin'ny alahelo androany fotsiny ka hanao hoe malahelo an'azy za...te hahita an'azy...te ho eo akaikiny sns...fa mahaiza mijery lavitra. Te hisaram-panambadiana ve enao afaka taona vitsivitsy? Zao anie enao mbola mahataty ihany satria tsy mbola misy zazakely sns e. Fa rehefa misy zazakely enao nefa izy mbola miaraka amin'ny sipa hafa dia ho hitanao fa tsy ho tantinao zany. Mianara amin'ny experience niainan'ny olona.

Tsy vaovao izao tranga izao fa efa niverimberina teto amin'ity tany ity. Enao indray izao no mpilalao. Inona no hataonao. Hamerina ny erreur nataon'ny sasany sa mba ho tonga saina ka hanomana ho avy vaovao sy mahasoa?

Zao izy dia efa leo anao. Mivady herintaona nareo dia mitady sipa hafa indray izy hatao back up. Mbola tanora enao. Zaranao aza nitranga izao toe-javatra izao mba hanampy anao, hampisokatra ny masonao. Tsy anjaranao izy na dia voaloham-pitiavanao aza. Misy anjaranao fa tsy izy.

Sokafy ny masonao satria efa hitondranao aretim-po ity fiarahana ity. Rehefa mitohitohy izao dia mety ho tena marary tanteraka ny fonao ary hanenina enao. Tandremo ny fonao mihoatra izay rehetra tokony hotandremana fa avy ao aminy no misy ny aina. Misy anjara omanin'Andriamanitra ho anao. Fa raha mahay mandray fanampaha-kevitra hendry enao zao dia mety hiadana ao aoriana ao. Diniho tsara ny tokony atao. Aleo ary mijaly indray mandeha. Mikipy dia esorina io fitiavana feno cancer io. Jereo ny ho avinao. Aza avela hijaly sy harary lava ny fonao. Aza manambady an'azy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2745