nofoanana avokoa fampisehoana saika hataon'ny tarika Rossy

1. ravatorano ( 11/04/2008 07:08)
Fampisehoana

Nofoanan’ny fanjakana avokoa ny seho saika hataon’ny Tarika Rossy


Diso fanantenana tanteraka ny vahoaka izay saika hianoka ny fampisehoana hataon’i Rossy. Nofoanan’ny fanjakana avokoa ireo fampisehoana saika hotanterahin’ity mpanakanto malaza ity manerana ny Nosy ato ho ato. Afakomaly no nanambaran’ny Minisitera mpiahy izany tamin’ny mpikarakara. Tsy fetezana noho ny zava-misy eo amin’ny lafiny sosialy sy politika misy amin’izao fotoana izao no voalaza fa anton’ny fanafoanana. Araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Media Consulting omaly dia aman-jatony tapitrisa maro ariary hatramin’izao ny fatiantoka tamin’ny fanomanana ireo fampisehoana ireo. Manoloana izany dia manantena sy mangataka ity mpikarakara hetsika ity mba horaisin’ny fanjakana an-tanàna ny famerenana io vola lany io, mba ho fitsinjovana ny mpandraharaha Malagasy. Antananarivo no saika handray ny fampisehoana ny 27 aprily ho avy izao. Marihina fa io dia saika hotanterahana ny faha-20 aprily, saingy nahemotra noho ny fisianan’ny fifidianana loholona, ary izao nofoanana mihitsy izao. Fantatra ihany koa omaly fa tsy handray anjara amin’ny hetsika Donia amin’ity taona ity ny Tarika Rossy.

Ny Tahiry R.
Gazetiko
11-04-2008
novalian'i Jeankely ny 25/04/2008 14:28
2. Bigma ( 11/04/2008 08:25)
Izay tokoa ny vao2 vao mafana, izany dia manamporofo fa misy raha ao ary efa alohalika ny ranom-bary fa saingy mampalahelo fa vicTIM foana ny artista, ny vahoaka koa, ny fialamboliny izay hany mba hanadinoin'ny vahoaka vesaram-pahoriana ny fahantrany indray no esorina aminy, ry zalahy angaha manana fahoriana ho hadinoina :evil: :evil: :evil: , ny azy mandry ny saina ny vola be amin'ny kitapo manome toky, ary na ho voahongana aza izy, ny efa voahangona manome toky
mahonena ianao ry gasikarako :snif: :snif: :snif: :snif: :snif:
3. milaibe ( 11/04/2008 09:22)
Ao raha hoy bigmama, miombon-kevitra aminao aho.
4. ravatorano ( 11/04/2008 10:52)
ka izay "raha" izay no tian'ny vahoaka te hijery Rossy mba hazavaina kely fa Ingahy Charles Maurin Poty izay solotenam-panjakana mantsy tamin'ilay valandresaka tsy nilaza izay tena antony nanafoanana ilay hetsika fa hoe "fifidianana senatorialy" zany no antony lehibe nanafoana ny lanonana rehetra nefa ange ka mpifidy lehibe no manao ilay fifidianana e
Aza hitako ka raha tonga eto lery dia iny no voapaingotra koa :?:
raha misi dossié mikasika azy indray resaka afa iny fa raha izaho no eo amin'ny toerany d aleoko milamdam any ihany fa hafahafa b izy ty sady toa mafana ny rivotra polifika indray zao eto amin'ny tanana :wink:
5. kelly13 ( 11/04/2008 11:43)
za manokana klou tsy tia rossy, n'empeche, fa maninn ny vahoaka efa kely fialam-boly fôna no kakaina sahala @ zao? sous pretexte oe fifidianana! nga manakana inn ny fifidianana? tsy vao maika aza v tsara izany satria tsisy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ===> tsy hisy ny ady saritaka? tsy haiko alou fa mahonena iany e!
6. yonikafopl ( 11/04/2008 11:48)
Tena mbola tsy misy ny demokrasia any Dago.Didijatona no manjaka, ty tsy tiako na mety hanelingelina de tonga de pan pan. Betsaka nefa ny tsy manao ny aradalana toa mahazo lambolambo sy safosafo aza.
Mbola ho ela vao tafita i Gasikara.
:evil: :evil:
7. cutie ( 11/04/2008 13:49)
tena tsy mety kosa alou zany e :(
tsy azo afangaro mitsy ny resaka politika sy fialam-boly e :-w
8. rajoelina ( 11/04/2008 13:57)
Ol tsy nandalo fianarana ve mety hatao mpitondra?
9. Veloo ( 11/04/2008 18:42)
kelly13 [ Valio ] 11-04-2008 13:43:57
Lohateny : Re : nofoanana avokoa fampisehoana saika hataon'ny tarika Rossy
za manokana klou tsy tia rossy, n'empeche, fa maninn ny vahoaka efa kely fialam-boly fôna no kakaina sahala @ zao? sous pretexte oe fifidianana! nga manakana inn ny fifidianana? tsy vao maika aza v tsara izany satria tsisy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ===> tsy hisy ny ady saritaka? tsy haiko alou fa mahonena iany e!


ny ahy hira ray ihany no tiko hihihih :-*

cutie [ Valio ] 11-04-2008 15:49:06
Lohateny : Re : nofoanana avokoa fampisehoana saika hataon'ny tarika Rossy
tena tsy mety kosa alou zany e
tsy azo afangaro mitsy ny resaka politika sy fialam-boly e

zay aloha e...otrany oe misy politika zany ko "hono" io pihira io :°) :°)
10. ni81 ( 11/04/2008 19:48)
hoy veloo:
zay aloha e...otrany oe misy politika zany ko "hono" io pihira io

Nalaza be izy teo @ fitondrana hatramin'ny 2002 tany dago kah! Fa izao izy mipetraka aty Frantsa dia mivezivezy manao fampisehoana sisa no alehany any.
11. ravatorano ( 12/04/2008 10:43)
tsy mbola nanao fampisehoana teto gasikara miitsy rossy hatramin' ny nipetrahany tany la frantsa ry ni81 an ! fa raha tany ampita izy d matetika

marina tokoa fa i rossy dia niara dalana tamin'ny antoko arema na ny marimarina kokoa dia nanamafy ary nanohana ny fitondrana netin'Ingahy Ratsiraka ary tsy d itako loatra ny naha ratsy an'izany
amizao ange misy koa ny mpanakanto manohana ny fitondrana e ! d raha miala ka tsy eo intsony v izany ny fitondran-dRavalomanana sy ny tim dia henjehina koa izay mpanakanto niara dia taminy :?: :?: :?: :?:

amiko alou tsy nety ihany ilay fanampaha kevitra nataon'ny ministera e satria raha toa ka nisy zavatra nataon'i Rossy naninn izy tsy avy d nosamborina tamin'ny nandalovany farany taty teo :?:

Ny vaovao mande izao dia toa hoe nagataka ny hihaona amin' i Ravalo i Rossy any amin' ny dry rainiboto amizao ka dia ho hita eo izany tohiny na manakory na manakory


12. ni81 ( 12/04/2008 11:27)
Ka io fandalovany farany tany io ange no lazaiko hoe mivezivezy any dago izy e! Fa ny antony nilazako hoe malaza izy t@ fitondrana teo aloha dia i Veloo nanao hoe:
otrany oe misy politika zany ko "hono" io pihira io
.
Tsy hitako izay olana handraran'ny ministera azy tsy hanao fampisehoana any aloha e! Samy mitsoka @ tiany ny rivotra, noho izany dia samy manohana izay tohanany, raha toa ka manjaka marina ny demokrasia...
13. ainaheri ( 12/04/2008 19:15)
grandma:
Izay tokoa ny vao2 vao mafana, izany dia manamporofo fa misy raha ao ary efa alohalika ny ranom-bary fa saingy mampalahelo fa vicTIM foana ny artista



Amiko tokony tsy hisy itenenana mitsy we vicTIM ny artiste,satria raha mipetraka @ maha artiste azy izy ataoko tsy nisy ny olana ,ekeko mananjo homba an'ny zatsy na zaroa izy fa saingy kosa amiko tsy mety ny nataony(rossy)t@ iny propagandy iny,bref safidiny ny azy ka aoka izy itanty ny vokany!! Tsy we sarotiny aminy aho fa mba lanjalanjao iany refa hanao zvtr ,aza afangaro ny mahaolomalaza anao eo @ lafin'ny zavakanto sy ny we ataon'ny oul fitaovana eo @ lafiny politika....Ary sao ary lery mievitra we tsy voasambotra t@ le diany farany teo iny d mitetika we malalaka ny lalana;diso fievitra ngama be f'ingahy Rahuit mbola serin'ny fivoriana tany ivelany,d nararaotin'lery nitongavana tany dago.....Tsy ho maty volavo ankibo zany Rahuit klé..... Soa lavo ahay amindra,soa kenda ahay itsako,ho an'ireo zay te hisondrotra @ fiainana nefa zary ataon'ny mpanao politika fitaovana fotsiny
14. RAKVOL ( 13/04/2008 06:10)
Aleo hoandreo mpanao politika zany ;fa na rossy na tsy rossy hita foana io eran'izao tontolo zao ,saingy domage ,tsy mitapolaka indray ny gasy zany @ity ,surtout mpakafia ROSSY e ,
15. ravatorano ( 15/04/2008 09:40)
Ho avy aho, ho raikitra daholo ny fampisehoana”hoy i Rossy


Ho raikitra indray ny tapolaka eny Antsonjombe sy any amin’ny Donia, ary manerana ny Nosy. “ Hanao aho, tsy misy resaka politika mihitsy”, hoy i Rossy. Izay no azo hibangoana ny resaka nifanaovan’i Rossy tamin’ny radio Antsiva, omaly tamin’ny 1 ora sy 20 minitra tolakandro. Nambarany tamin’izany fa nihaona tamin’ny Filoha izy tany Frantsa, ary nifampiresaka tsara izy ireo. Taorian’ny fifampidinihana, dia nanaiky ny hanaovany fampisehoana aty an-tanindrazana ny Filoha. Voalazany koa fa tsy avy amin’ny Filoha ny fanakanana, fa ahiahin’ny Ministera, mba hisorohana ny fanararaotana politika mety hitranga. Ankoatra izay, dia nanao fanekena ary nanome toky ny lehilahy fa tsy hisy resaka politika na hanao, fandranitana, na hamendrofendro vahoaka, mandritra ny fandalovany eto. Nanome toky ihany koa izy fa “hampirevy ny vahoaka” ary ho hentitra ny fitandroana ny filaminana rehetra mandritra sy aorian’ny fampisehoana rehetra izay hotanterahany. Nilaza izy, fa tsy handeha irery, fa hisy delegasiona vahiny hiaraka aminy. Ekipan’ny televiziona frantsay sy alemana ary ekipa mpakasary amin’ny televiziona, haka sary momba an’i Madagasikara sady hamoaka kapila “dvd”. Any amin’ny mpikarakara izao ny baolina, ka ho hita eo ny tohiny.

Fy
gazetiko
15/04/2008
16. Penhell ( 23/04/2008 08:10)
Misy lafiny 2 hatrany ny fiainana. "Aller-Retour"; "Manenjika-Enjehina"; Mpandresy-Resy". Santionany fotsiny ireo. Miato kely angamba ny "ALLER" ho an'i Rossy eto @ Nosy. Mba anjaran'ny sasany indray ny miseho sehatra.Ka manàna faharetana r'Ingahy sy ireo izay mpakafy azy. Mbola hisy ny "RETOUR" f'aza manary toky.
Marihiko fa tsy "FAN" ny tarika Rossy aho nefa mba mikalokalo sy mandihindihy ihany raha sendra izay mba mahafinaritra ny sofina.
17. Jeankely ( 24/04/2008 00:51)
Iza moa no tsy mandihy ny hiran'i Rossy na ny TIM aza. Hita izany isaky ny fetin'ny Ministera rehetra fa dia tena mitorajofo @'ny hirany ny mpandihy hatrany @'ny Ministra. Saingy aza adino fa tsy fanohanana fotsiny ihany no nataon-dry Rossy sy ny namany. Nirotsaka ary tena nandray anjara tamin'ny kotrana mihintsy ry zalahy. Anontanoi izy raha diso.
18. istraky ( 24/04/2008 09:11)
Jeankely:

Iza moa no tsy mandihy ny hiran'i Rossy na ny TIM aza. Hita izany isaky ny fetin'ny Ministera rehetra fa dia tena mitorajofo @'ny hirany ny mpandihy hatrany @'ny Ministra. Saingy aza adino fa tsy fanohanana fotsiny ihany no nataon-dry Rossy sy ny namany. Nirotsaka ary tena nandray anjara tamin'ny kotrana mihintsy ry zalahy. Anontanoi izy raha diso.

Ka iza koa moa no olona tsy manana firehana politika (na mpanakanto, na mpivarotra, sns) be dia be ny nafana-fo tamin'ireny 2002 ireny : Sareraka, Rossy, Petsam-bava, Mamy Gotso, Bodo, sns fa tsy misy miresaka an'izany intsony zao.
Sady tsy tany communiste (ohatran'i Chine) akory i Madagasikara! Any Etats-Unis ny mpihira malaza manohana an'dry Obama sy ry Clinton ....tsy misy olana na mandray anjara amin'ny kotrana aza izy (sic).
Fa matahotra ry zareo hoe i Rossy mety mahazo olona be no sady ny fahantran'ny malagasy tsy mitsahatra mitombo ka sao dia mianjera eo ny fitondrana. Zany iany koa mantsy no fika niakarany teo.
Aleo hisy ny démokrasia !
Aleo zé te hitapôlaka, itapôlaka any ! "Tiako ny mitapôlaka " lol


19. kanota ( 25/04/2008 00:44)
Tsy i Rossy irery no Resahiko fa ny tarika. Raha tsy hainao dia ireo nitarika tany @ barage, nisy ny nanao miaramila manamboninahitra sandoka, nisy nifanenjehana teny anosy sns. Zara tsy gadra aza no miandry azy. Ny hira na hiran'ny mpifoka rongony, na hiran'ny mampamdihy vodin'anabavy eo ihany iny ary araho rehefa izay no mampandroso anao.
20. penguin ( 25/04/2008 00:48)
Izaho koa mahafantatra mpively zava-manenon'i Rossy nanopa ny mpitolona tao @ Radio ary niporitsaka t@ fiara teny Anosy no mbola hita tany @ barage. Hidiram-potsiny angaha ilay Rossy @'izao sa mbola maka volakely ihany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4525