nofoanana avokoa fampisehoana saika hataon'ny tarika Rossy

21. Jeankely ( 25/04/2008 01:40)
Maro ny mpihira nomena andraikitra saingy anontanio ireo Ministera nametrahana mpihira ho Directeur, Conseiller na ny Tanana nanana mpihira Solombavambahoaka hoe vitany sahala ny hira ve ny asa miandry azy sa heveriny vita tehatehaka sahala ny eny ambony sehatra ?
Koa saraho mazava tsara ny fialana voly sy fandrebirebena. Ary jereo sy araho akaiky hoe inona daholo no hain'ireny Mpampandihy fitombenana ireny. Tsy resaka fanaratsiana fa jereo ary hamarino.
22. istraky ( 25/04/2008 09:15)
Ny zavatra voamariko aloha dia betsaka ny mpampandihy 7mbenana no manakarena sy lasa lavitra mahavita mitety an'izao tontolo izao . fa ireo olona manenjika azy no mikoroso fahana fa diso fanantenana t@ zavatra nolazaina azy teny @ 13 mai. Tsy ny fankanesana any am-pianarana iany no mampandroso, porofon'izany ireo milliardaire vahiny , misy "mpanoratra", "mpilalao baolina", "mpihira", "mpandihy", "mpanao sary hoso-doko", sns fa aza borné !!!
Sady aza manantena ny ahita an'i Madagasikara handroso izany, nofy zany "utopie".
Aleo samy hampandroso ny tenany.
23. Jeankely ( 25/04/2008 09:58)
Tratra tamin'ny VAVANAO ianao. Koa inona no hilazana fa TSY MAHAY SY TSY NIANATRA NY FILOHA MALAGASY amin'izao fotoana. kay moa rehefa manambola dia izay ary tsisy ilaina izay fianarana. Izay ilay hoe sady mandroso no mivoaka ka tsy azo hitokisana.
24. istraky ( 25/04/2008 12:54)
Jeankely:

Tratra tamin'ny VAVANAO ianao. Koa inona no hilazana fa TSY MAHAY SY TSY NIANATRA NY FILOHA MALAGASY amin'izao fotoana. kay moa rehefa manambola dia izay ary tsisy ilaina izay fianarana. Izay ilay hoe sady mandroso no mivoaka ka tsy azo hitokisana.


Fa olona firy taona ary io manoratra io ??? efa mihaotra ny 13 ans ve ianao ???
Vakio hatrany am-boalohany raha nisy nanonona ny anaran'ny filoha ??? ! tsy nisy nilaza fa tsy nianatra izy (sady tsy fantatro no tsy raharaha_ko).
Ny zava-misy dia hoe : tsy mandroso ny firenena fa vao mainka aza MIHEMOTRA (na ara-ekonomika zany, na ara-tsosialy, indrindra fa ny DEMOKRASIA).
Tsy mahay mitantana firenena izy zany.
Raha nanankarena be ny firenena malagasy na classe de 3ème aza izy no niala nianatra tsy problème.
Ary iaraha-mahita anie fa mandroso be ny ORINASAny e ! Normal satria izy no eo amin'ny fitondrana !


25. Jeankely ( 25/04/2008 14:28)
Toa ny fahalalan'ny olona ny vokatra Tiko eran'i Madagasikara no nahalany azy ka asa na orin'asa matory no afaka manaparitaka vokatra eraky ny Nosy. Inona no mahagaga fa mitombo koa ny fifandraisana rehefa mitondra ary mahita fiaraha-miasa isankarazany. Sahala anao mivoaka ihany mihafantatry ny hafa ivelany. Maina be ianao ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2226