Tapaka ny tsinaiko ,tsy azo tohizana ve ?

1. niryna ( 10/04/2008 14:36)
Ny tanora hono dia zavatra kely tsy misy dikany dia mampihomehy azy ary manampy ny fihenan'ny kibo be hono ny mikakakaka lava,sady mampahalava andro iainana.
Inona no zavatra tena nahatapa tsinay anareo indrindra ?
http://www.youtube.com/watch?v=mUUUj2DRVg8&feature=related

http://www.youtube.com/watch?v=HFeyNUqi2cE&feature=related
ohatran'ny voronkely ireto izy sa inona no tsampanareo amin'ireo fihomehezany?
novalian'i niryna ny 11/04/2008 16:35
2. ari.malala ( 10/04/2008 14:51)
ts afaka mijery an'ireo youtube ireo alou za fa ny mahatapaka ny tsinaiko d ny famakiana ny sasany am dinika ato e! tena miolakolana mitns ah refa avy mamaky ny zavatra soratan'ny ol sasany ato
3. tslem ( 11/04/2008 07:12)
tsy ny eto ihany ve izy izany no naverin'i nyrina eto e?
4. ari.malala ( 11/04/2008 10:21)
ts haiko aky fa za ts afaka mijery a
5. niryna ( 11/04/2008 16:28)
ari.malala:

ts afaka mijery an'ireo youtube ireo alou za fa ny mahatapaka ny tsinaiko d ny famakiana ny sasany am dinika ato e! tena miolakolana mitns ah refa avy mamaky ny zavatra soratan'ny ol sasany ato
=D>
fa ahoana aky ? mitovy an'izany koa aky izaho aho dia hoy ny olona ato an-trano hoe inona ihany aza ity mahatapaka ny tsianainao ity ,latsaka ny ranomaso amin'izany sady mihomehy no vao maika mamikavika manoratra
ie,dia ny mahatapatsinay ahy koa dia ireny olona tonga dia mivatravatra be ireny miteny kanefa tsy itany akory ilay olona miady hevitra azy.dia ilay manopa indrindra indrindra

6. niryna ( 11/04/2008 16:31)
tslem:

tsy ny eto ihany ve izy izany no naverin'i nyrina eto e?


tsy miverina io ka,hafa indray dia ilay olona roa mifamaly tsy mety tapitra toa samy manao izay ho hafany ihany koa dia mampihomehy ahy ny mijery azy ato amin'ny sera.dia misy iray miakatra afo dia misy mody manambaditamby dia avy indray ny iray mamely iny manambitamby iny,angamba raha mifanena ahoana re e.
dia lasa mijery ilay isa daholo ny olona dia tonga ao avokoa fa samy tia liana ahalala ilay vaovao ,toy ireny mijery gazety eny amin'ny arabe ireny
:D
7. niryna ( 11/04/2008 16:35)
ari.malala:

ts haiko aky fa za ts afaka mijery a


ankizikely omena sakafo aky dia kapohin'ny rainy ilay vilia kely anomezany sakafo azy dia tapaka eo ny tsinain'ilay zaza ary tsy mety tapitra ilay izy fa tapitra kosa aloha ilay sakafo nomeny azy
ny iray indray dia ramatoa manana zaza kambana marobe ka ampihomehezan'ilay dadany ry zareo dia tapatsinay ary toa voronkely hafahafa izany ny feon'izy rehetra.

Inona no tena zavatra nahatapatsinay andry indrindra hatramin'izay?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4647