Mihamaro andro amanalina ny antso atao ny vahoaka

1. badboy ( 10/04/2008 06:51)
Vaovao farany tonga masiso hoy ny sasany, na manitra hoy ny hafa, dia ny fiantsoan'ingahy Lecacheur ny vahoaka. Aoka ianareo no hamaky azy.

Henri Lecacheur
Hitarika vahoaka an-dàlambe
jeudi 10 avril 2008, par Naivo kely


« Ampy izay ny fandeferana. Efa tafahoatra ny fahoriam-bahoaka, ary tsy izao no nifanarahana tamin’ity fitondrana ity, raha nametraka azy tamin’ny toerany izahay ny taona 2002. Vonona aho ny hitarika vahoaka eny an-dalambe raha ilaina, ary na higadrako aza tsy olana », hoy ingahy Henri Lecacheur raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany ».

« Mila mpitarika manana fahavonona anefa ny tolona. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza. Ny tombontsoa ambony ny firenena no tsy maintsy tandrovana. Kivy ny vahoaka ary tsy manana risim-po eo amin’ny sehatra maro intsony ». Tsara ny milaza fa mpanolon-tsaina manokan’ny filohan’ny repoblika ingahy Lecacheur, saingy nametram-pialana noho ny fahitany ny tsy fahombiazana. « Voafitaka tahaka ny vahoaka rehetra aho » hoy ihany ny lehilahy.

Notsiahiviny ny resaka tao Vohidiala, ny tany amin’ny seranan-tsambo Toamasina sy ny tao amin’ny Jirama izay nahitana fanamparam-pahefana avokoa.

Miandry ny hetsika ataon’ingahy Lecacheur ny rehetra amin’ity hambarany ho fidinana an-dàlambe ity.

http://www.madagascar-tribune.com/Hitarika-vahoaka-an-dalambe,5942.html
novalian'i Jeankely ny 12/04/2008 13:06
2. zoky ( 10/04/2008 07:14)
D hita eo zan ny tohiny ko,...
3. nirasia ( 10/04/2008 08:07)
Samy manana ny heviny io ary na tiana na tsia aloha dia malalaka ny fitenenana et amintsika fa ny fomba fanehoana azy no samy hafa misy ny te haneho hevitra tsotra fotsiny, ao ny efa zatra ny tsy nahazo niteny t@ andron'i deba ka vao nalalaka kely dia ndao tsy maninona na manompa olona aza dia avy eo tenenina dia hoe didy jadona fa tsy mba mahazo maneho hevitra sns, moa isika Malagasy koa olona tsy mba azo fehezin-dalàna fa efa zatra ny fiainam-boto hatrizay, jereo fotsiny ohatra nasiana ny lalana ho an'i bisikileta eny Anosibe nefa tena mampiasa ireny ve ny mpitondra beka? tsy maintsy manao casque ny mpitondra moto nefa firy no manao izany? ny Malagasy raha hifanenjika sy hifamingana dia tompon-daka eran-tany fa raha fitiava-tanindrazana dia tsy misy, firifiry @ Malagasy moa izao no mba mahay ny tonon'ny ry tanindrazanay malala manontolo? mba mijanona ve isika rehefa manangana na mampidina saina eny rehetra eny? Ka aleo hitarika vahoaka izay te hanao izany fa malalaka ny sehatra fa samy ho tsarain'ny tantara daholo isika rehetra, moa ve ilay nitondra teo aloha ka nalana t@ asany tsy nitarika vahoaka sy azo atao koa hoe namono olona mihitsy natao sorona ho azy hiakarany teo @ fitondrana nefa aiza izao Gasikara? vao mainka nentina nidina ny firenena, samy manaiky daholo fa mafy be tsy zaka ny fiainana ankehitriny fa angaha moa ny fitondrana @ izao fotoana izao no tena nampidi-kizo ny Gasy ka nahatonga azy ho ao an-davaky ny fahantrana ohatrizao fa ny teo aloha izay dia nanan-karena sy sambatra daholo ny Gasy?
4. todisoa2 ( 10/04/2008 08:36)
tantra misy mistery......... mitohy e!!!!
5. badboy ( 10/04/2008 09:16)
moa isika Malagasy koa olona tsy mba azo fehezin-dalàna fa efa zatra ny fiainam-boto hatrizay


Iarahamahalala fa io tsy fanajandalana io no fototry ny akabeazan'ny olana, raha tsy ho lazaiko hoe rehetra. Hatrany @ farany ambany ka hatrany @ farany ambony dia voakasok'io daholo. Izay manana fahefana na dia kely dia kely aza dia manapatra.

Tsy fahaizamitampahefana ve no antony sa fitiavana tsy te ho tandalàna??

ny Malagasy raha hifanenjika sy hifamingana dia tompon-daka eran-tany fa raha fitiava-tanindrazana dia tsy misy, firifiry @ Malagasy moa izao no mba mahay ny tonon'ny ry tanindrazanay malala manontolo

Dia hoy Lécacheur : Mila mpitarika manana fahavonona anefa ny tolona. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza. Ny tombontsoa ambony ny firenena no tsy maintsy tandrovana.

Tsy mananana ilay antsoin'ny ngozo hoe "esprit nationaliste ve ny gasy" hoy ianao??? Mazava be angamba ny valiteny omen'i Lecacheur hoe manana an'io tanteraka na ny teo na ny mbola hoe eo. Tsy eo koa zany ilay olana!!

samy manaiky daholo fa mafy be tsy zaka ny fiainana ankehitriny fa angaha moa ny fitondrana @ izao fotoana izao no tena nampidi-kizo ny Gasy ka nahatonga azy ho ao an-davaky ny fahantrana ohatrizao fa ny teo aloha izay dia nanan-karena sy sambatra daholo ny Gasy?


Dia mbola Lecacheur ihany no mamaly an'io : « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany »

Dia mbola ampiany hoe : Kivy ny vahoaka ary tsy manana risim-po eo amin’ny sehatra maro intsony. « Voafitaka tahaka ny vahoaka rehetra aho »

Tsy diso ilay hoe tsy fahadisoan'ny mpitondra @ zao ny fahoriana mianjady. Fa tsy ampy ilay teny satria matoa ny vahoaka nifidy izay eo @ zao dia satria nanatena fa hiova ny nisy hatr'izay ary mba hiamiratra ny andavanandron'ny tsirairay. Tsy izay nefa no mitranga ka mahatonga ireo mambanoana rehetra mihamahazo laka.

Inona ny vahaolana??? Ireo ambony ireo no olana dia anjarany ny mampisy ny vahaolana satria izy no mitondra. Ary ny hitady io vahaolana io ondrindra no nametrahan'ny vahoaka azireo teo!!!! :idea: :idea: :idea: :idea: :idea:
6. ari.malala ( 10/04/2008 09:35)
ka raha atao izany hoe manaiky hidina an-dalam-be indray ny vahoaka, dia hiato indray izany ny asa, rahoviana indray sa amin'ny fomba manao ahoana ho hanarenana an'ity Madagasikara efa mahantra faraidiny ity?firifiry akory ny olona very asa t@ reny grevy t@ 2001-2002 ireny dia ireny indray ve no haverina? ekena ary tsy lavina fa mahantra ny malagasy, izaho manoratra koa anatin'ireo sairana saingy amiko kosa aloha tsy ny fidinana an-dalam-be no vahaolana e! tsy pro ra8 ah an, za aza efa leo iany koa! fa ny consequence ny crise 2002 fotsiny no jereo de itanareo ny tiako ambara! firifiry ny zone franche nikatona nefa ireny tena mba namorona asa maro hoan'ny tanora na dia atao aza hoe karama varimasaka iany no azon'ireo niasa tany! fa aleo mihinankely toy izay mandry fotsy! za ry reto leo ny politika eto Madagasikara a! marina e! de hoeny an-dalambe lava izao ve!
7. kanota ( 10/04/2008 09:35)
Vendrana sy Nandra nifamitaka ve ???
8. badboy ( 10/04/2008 10:03)
ari.malala:

firifiry akory ny olona very asa t@ reny grevy t@ 2001-2002 ireny dia ireny indray ve no haverina? ekena ary tsy lavina fa mahantra ny malagasy, izaho manoratra koa anatin'ireo sairana saingy amiko kosa aloha tsy ny fidinana an-dalam-be no vahaolana e!


Voafehinao tanteraka ilay olana. Io very asa sy lasa tsizarizary noho ilay grevy io mihitsy no fototry ny olana satria ireo zay very asa sy fadiranovana t@ ireny andro ireny dia nanatena andro miratra rehefa tafatsangana ilay governemanta! Saingy indrisy.

Marina koa anefa ilay hoe tsy vahaolana ny midina andalambe.

Ka ho inona ihany ary izany??? Tsisy vahaolana ve???

Misy : ary tsy maintsy avy @ mpitondra @ zao. Iza no mahalala sy tokony hampiatra ilay vahaolana mendrika, sady maharitra no tsy ampanagejana.
:idea: :idea: :idea:
9. apache ( 10/04/2008 10:09)
de inona ary no solution arosonareo eh ?!!
10. ravatorano ( 10/04/2008 10:16)
Ialako tsiny amin'ny Ray aman-dreny lehibe raha manonona ny anarany aho fa efa resaka nivoaka angazety moa izy ity !

siora lery fa tsy ho lany senatera d aleony milaza fa manana porofo amin'nizao fahavoazam-bahoaka izao izy nefa aza hadino fa nanan anajara betsaka ao anatin'izany Ingahy Lecacheur ,ary izay olona rehetra niaro sy nanagana io fitondrana mitondra amin'izao fotoana izao io dia tompon'andraikitra daholo fa tsy hoe "zao a zao " :wink:

tsy vahaolona ny midina andalambe
tsy vahaolana koa ny mamefy ny olona tsy hanao izany raha tena safidiny izany nefa iza no hidina eny amin'izao andro sarotra izao indrindra fa eto Antananarivo dia mino v ianareo fa omen'ny CUA alalana koa izany na ny préfet de police CUA v hanaiky an'izany

Izaho koa tsy mino fa Ingahy Lecacheur dia olona manan esprit nationaliste ary mino nefa aho fa raha vao mahazo toerana Rangahy io defa ny manatsara ny ambaidain'ny efa ananay no ataony voalohany

amiko hatramin'izao raha mbola mpanao politika malagasy dia mitady hitovy daholo ihany lasa diso mitady seza loatra sy mitady ho tafa raim fotsiny zao

asa anefa raha mbola hisy ihany olona azo rebrebena amizany idina andalambe izany fa ny efa vitako intelo nidina teny izay efa ampy ahy izay na dia tsy very asa aza aho tamin'izany ary koa tsy d hitako niova ahona koa ny fianako rehefa tonga teo ireo olona natokisako sy notohanako intelo nidinako teny andalambe izay !

:wink:
11. Jeankely ( 10/04/2008 11:04)
Iza avy ilay toko telo nahasanhandro anao ? Ataovy ihany ny mahatokitoky tsy mandinika ? Masaka sa feno ny kapoaka sa leo-mboanana omaly eee ?
12. salopard ( 10/04/2008 11:11)
tairo oa: tsy asiana herisetra, fa kosa, raha miongana i ravalo dia, na izany aza mba:
-tefa-tsofina kely hoan-dravatorano
-tsongo sofina kely ho a'ni badboy
-daka vodyho a'ni jeankely

na dia izay ihany aza dia efa ampy ho anay,
tsy ampy dôzy aloha e! sao misy tavela ny mégot ny toi, any @ ra-jean-kely

sniff, sniff, tchouf, tchouf.....
13. Jeankely ( 10/04/2008 11:14)
Dia ahoana ny an'i dadanao sy mamiiii rehefa tonga amin'ilay tsy hipataloha sy tsy hitafy ny olona Ra-Salopaka ? Itony ny manampahaizana andrasan'ny tanana izany?
14. badboy ( 10/04/2008 11:34)
salopard:

tairo oa: tsy asiana herisetra, fa kosa, raha miongana i ravalo dia, na izany aza mba:
-tefa-tsofina kely hoan-dravatorano
-tsongo sofina kely ho a'ni badboy
-daka vodyho a'ni jeankely

na dia izay ihany aza dia efa ampy ho anay,
tsy ampy dôzy aloha e! sao misy tavela ny mégot ny toi, any @ ra-jean-kely

sniff, sniff, tchouf, tchouf.....


Tsongon'orona kely ho an'i salopard, mba hampalava ny orony petaka @ zay mba tena tonga any @ alehany ilay bozaka fohana fa tsy mivoaka any antsofina sy any @ derika fotsiny!
;-) ;-) ;-) ;-)
15. ari.malala ( 10/04/2008 12:42)
fa nareo v nefa mino fa hisy ho voatarika hoeny an-dalam-be izany ny olona amzao? ny hoanina aza efa ila tsy ho ita intsony ko ts aleon'ny olona ve miasa sitrany ahay! asakasak'izay mbola manaiky hovoarebireby alou e!
16. Jeankely ( 10/04/2008 13:05)
Karama ady amanainaa mandritra ny grevy dia mitomany avy eo rehefa tsy vangian'ny mahazo seza. Dia hoe ity aho vao tena voa mafy indray. Fa tena misy fiadanana ve any ho any ary azo tsisy ezaka e?
17. Zina ( 10/04/2008 13:54)
jereo fotsiny ohatra nasiana ny lalana ho an'i bisikileta eny Anosibe nefa tena mampiasa ireny ve ny mpitondra beka? tsy maintsy manao casque ny mpitondra moto nefa firy no manao izany?


marina aloha fa tokony manaraka lalana e...

ny Malagasy raha hifanenjika sy hifamingana dia tompon-daka eran-tany fa raha fitiava-tanindrazana dia tsy misy, firifiry @ Malagasy moa izao no mba mahay ny tonon'ny ry tanindrazanay malala manontolo? mba mijanona ve isika rehefa manangana na mampidina saina eny rehetra eny?


inona anefa no tena nahatonga an;io satria io dia vao2 fa tsy taloha an...

Malagasy koa olona tsy mba azo fehezin-dalàna fa efa zatra ny fiainam-boto hatrizay

Tsy tongatonga foana io ary tsy fisainan'i Malagasy mihitsy io...

Ka anareo ny mieritreritra oe ahona no lasa solafatra otran'izao ny Malagasy?????? :wink:
18. ari.malala ( 10/04/2008 14:41)
ny vahaolana d any amle mpitondra iany e! tanterahiny izay nampanantenainy fa tsy lany andro mamitabahoaka ftsn! d ts manao didy jadona fa zay kou no tena itako problema ngeza be eto amintsika!
19. Jeankely ( 10/04/2008 15:10)
Ny anay didijadona no tianay ooooo.
20. ravatorano ( 11/04/2008 11:04)
salopard < soa ihany fa "tefa-tsofina kely" :-D :-D :-D :-P :-P :-P
fa ahoana kosa ary :?:

za kosa tsy tia didijadona zany kle tsy miady amin'ny piesiko zany ary raha misy tsy mety kosa aleo tenenina
Ingahy Lecacheur ange tsisy manakana azy tsy ho eny amin'ny treize e fa mba hevitra natsipiko fotsiny ny ahy iny
ZA MANOKANA WA EFA LEO NIDINA SY NANOHANA OLONA LAVA TENY AMIN'NY TREIZE MAI KA KAMO AHO NY HIDINA INDRAY FA "NY TEO IHANY NO MBOLA HITAKO HATRAMIN'IZAO"
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1762